Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 4

Tsotra Nefa Ianarana Zavatra Betsaka

Tsotra Nefa Ianarana Zavatra Betsaka

“Ity no vatako. ... Ity no rako, dia ‘ny ran’ny fifanekena.’”—MAT. 26:26-28.

HIRA 16 Derao i Jehovah fa Lasa Mpanjaka Ilay Zanany

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Nahoana no tsy mahagaga antsika hoe nataon’i Jesosy tsotra ny fomba hahatsiarovana ny nahafatesany? b) Inona avy ny toetran’i Jesosy horesahintsika ato?

HAINAO ve ny mitantara an’izay atao mandritra ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, na Sakafo Harivan’ny Tompo? Azo antoka hoe tsy sarotra amin’ny ankamaroantsika izany. Tsotra mantsy ny fomba ankalazana azy io isan-taona. Fankalazana miavaka anefa izy io, ka mety hieritreritra isika hoe: ‘Fa maninona ilay izy no tsotra be?’

2 Nampianatra fahamarinana lehibe i Jesosy, nefa tamin’ny fomba tsotra sy nazava ary mora azo no nanaovany an’izany. (Mat. 7:28, 29) Efa izany mihitsy no nahalalan’ny olona azy. Tsotra nefa tena misy dikany koa ny fomba tiany hahatsiarovantsika * ny nahafatesany. Hianatra bebe kokoa momba ny Fahatsiarovana isika izao, ary hijery hoe inona no zavatra sasany nataon’i Jesosy sy nolazainy. Amin’izay dia ho hitantsika tsara hoe tena manetry tena sy be herim-po ary be fitiavana izy. Hodinihintsika koa hoe ahoana no azontsika anahafana azy bebe kokoa.

MANETRY TENA I JESOSY

Mampahatsiahy antsika ny mofo sy divay hoe nanome ny ainy ho antsika i Jesosy, ary efa Mpanjaka any an-danitra izy izao (Fehintsoratra 3-5)

3. Inona no porofo hoe tsotra ny Fahatsiarovana nataon’i Jesosy, araka ny Matio 26:26-28? Mifanitsy amin’ny inona ny mofo sy ny divay nampiasainy?

3 Nanao ny Fahatsiarovana voalohany i Jesosy, tamin’izy niaraka tamin’ireo apostoliny 11 tsy nivadika. Izay ambin-tsakafo tamin’ny Paska no nampiasainy, dia nataony tsotra ilay fankalazana. (Vakio ny Matio 26:26-28.) Tsy nampiasa zavatra hafa ankoatran’ny mofo tsy misy lalivay sy ny divay efa teo i Jesosy. Nilaza tamin’ny apostoliny izy hoe mifanitsy amin’ny vatany sy ny rany lavorary ilay mofo sy divay. Efa tsy ho ela izy tamin’izay dia hanao sorona ny ainy ho azy ireo. Tsy gaga angamba ny apostoly hoe tsotra ny fomba nankalazana an’io fotoan-dehibe io. Fa maninona?

4. Nahoana no tsy mahagaga raha nataon’i Jesosy tsotra ny fankalazana ny Fahatsiarovana?

4 Eritrereto izay nitranga volana vitsivitsy talohan’izay, tamin’ny taona fahatelo nanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany. Mpinamana be izy sy Lazarosy sy Marta ary Maria, dia namangy an-dry zareo izy. Nampianatra an-dry zareo koa izy tamin’izay. Teo ihany i Marta, saingy variana nikarakara sakafo be satria nandray vahiny nanan-kaja. Rehefa nahita an’izany i Jesosy, dia noteneniny moramora i Marta hoe tsy voatery hanao sakafo be foana izy. (Lioka 10:40-42) Nampihatra an’io torohevitra nomeny io i Jesosy tatỳ aoriana, ora vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Nataony tsotra koa mantsy ny fomba nankalazana ny Fahatsiarovana. Inona no ianarantsika momba azy rehefa mieritreritra an’izany isika?

5. Nasain’i Jesosy natao tsotra ny Fahatsiarovana. Inona no toetrany hitantsika avy amin’izany? Inona no lazain’ny Filipianina 2:5-8 momba an’izany?

5 Nanetry tena foana i Jesosy, na tamin’ny teniny na tamin’ny nataony. Tsy mahagaga àry raha nanetry tena be koa izy, na dia tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany aza. (Mat. 11:29) Fantany hoe izy no hanome ny sorona lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Fantany koa hoe hatsangan’i Jehovah izy ary ho lasa mpanjaka any an-danitra. Tsy tiany hifantoka be aminy anefa ny olona, ka tsy nitaky izy hoe fankalazana manetriketrika be no hatao mba hahatsiarovana ny nahafatesany. Zavatra tsotra kosa no nasainy nataon’ny mpianany isan-taona. (Jaona 13:15; 1 Kor. 11:23-25) Hita amin’izany hoe tsy nanambony tena i Jesosy. Tsy faly ve ianao hoe manetry tena be hoatr’izany ilay Mpanjakantsika?—Vakio ny Filipianina 2:5-8.

6. Inona no azontsika atao, raha te hanetry tena hoatran’i Jesosy isika rehefa miatrika olana?

6 Inona no azontsika atao raha te hanetry tena hoatran’i Jesosy isika? Mila mieritreritra an’izay hahasoa ny hafa isika alohan’ny antsika. (Fil. 2:3, 4) Eritrereto indray izay nitranga tamin’ilay alina farany talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Fantany hoe kely sisa izy dia hijaly sy ho faty, nefa mbola nieritreritra be an’ireo apostoliny tsy nivadika ihany izy. Nampianatra sy nampahery azy ireo àry izy, satria tena halahelo azy ry zareo. (Jaona 14:25-31) Nanetry tena i Jesosy, ka izay hahasoa ny hafa aloha no noeritreretiny. Tena modely ho antsika izy!

BE HERIM-PO I JESOSY

7. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe be herim-po izy, taoriana kelin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo?

7 Nampiseho herim-po be i Jesosy, taoriana kelin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo. Fantany hoe hovonoina izy satria nendrikendrehina ho nanevateva an’Andriamanitra, ary ho afa-baraka be. Tena mafy izany nefa nekeny, satria te hanao ny sitrapon’ny Rainy izy. (Mat. 26:65, 66; Lioka 22:41, 42) Tsy nivadika mihitsy i Jesosy, satria te hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah sy hanohana ny zony hitondra, ary hanampy ny olona mibebaka mba ho afaka hiaina mandrakizay. Nampiomana ny mpanara-dia azy koa izy tamin’izay, satria kely sisa ry zareo dia hiatrika zava-tsarotra.

8. a) Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny tsy nivadika? b) Inona no porofo hoe be herim-po hoatran’i Jesosy ny mpianany?

8 Inona koa no mampiseho hoe be herim-po i Jesosy? Nifantoka tamin’izay nilain’ny apostoliny tsy nivadika izy, fa tsy tamin’izay nampiady saina azy. Rehefa lasa, ohatra, i Jodasy dia nanao an’ilay fankalazana izy, mba hampahatsiahivana azy ireo hoe inona no soa azo avy amin’ny sorona hataony sy ny fifanekena vaovao. (1 Kor. 10:16, 17) Nolazainy koa hoe inona no tiany sy tian’ny Rainy hataon’izy ireo, mba ho mendrika ny ho any an-danitra izy ireo. (Jaona 15:12-15) Tsy vitan’izany fa nampahafantariny hoe inona no zava-tsarotra hanjo azy ireo. Nampirisika azy ireo mba ho be herim-po hoatr’azy izy avy eo, ka niteny hoe: “Mahereza!” (Jaona 16:1-4a, 33) Mbola be herim-po sy nahafoy tena hoatran’i Jesosy foana ny mpianany, taona maro tatỳ aoriana. Niatrika olana samihafa ry zareo nefa nifanampy foana, na dia voatery namoy zavatra be aza mba hamonjena ny mpiara-manompo taminy.—Heb. 10:33, 34.

9. Ahoana no azontsika ampisehoana hoe be herim-po hoatran’i Jesosy isika?

9 Mampiseho herim-po hoatran’i Jesosy koa isika amin’izao. Mila herim-po, ohatra, isika izay vao hahavita hanampy an’ireo rahalahintsika enjehina noho ny finoany. Mety hogadraina izy ireo indraindray, na dia tsy nanao ratsy aza. Tsy maintsy manao izay rehetra azo atao mba hanampiana an-dry zareo isika, rehefa mitranga izany. Tokony ho sahy hiteny mba hiarovana azy ireo, ohatra, isika. (Fil. 1:14; Heb. 13:19) Be herim-po koa isika rehefa sahy mitory foana. (Asa. 14:3) Manahaka an’i Jesosy isika, ka tapa-kevitra ny hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana, na dia manohitra sy manenjika antsika aza ny olona. Mety tsy hanana herim-po anefa isika indraindray. Inona àry no hanampy antsika?

10. Inona no tokony hataontsika mandritra an’ireo herinandro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana, ary nahoana?

10 Lasa afaka manantena zavatra tena tsara isika, noho ny sorom-panavotana. (Jaona 3:16; Efes. 1:7) Ho be herim-po kokoa isika raha misaintsaina an’ireny fanantenana ireny. Afaka miezaka hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana isika, mandritra an’ireo herinandro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana. Ampirisihina hamaky andinin-teny mifandray amin’ny nahafatesan’i Jesosy isika amin’io. Vakio sy saintsaino tsara izy ireny, ary mivavaha rehefa manao an’izany. Hazava kokoa amintsika amin’izay ny dikan’ilay mofo sy divay, rehefa manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo isika. Ho azontsika koa hoe faran’izay miavaka ilay sorona nataon’i Jesosy. Rehefa fantatsika hoe nahavita be ho antsika i Jehovah sy Jesosy sady tena mahasoa antsika sy ny fianakaviantsika ny nataon-dry zareo, dia vao mainka isika hatoky hoe ho tanteraka ny zavatra antenaintsika. Ho be herim-po kokoa isika amin’izay, ka ho vonona hiaritra hatramin’ny farany.—Heb. 12:3.

11-12. Inona no nianarantsika hatreto?

11 Tsy ny sorona lehibe nataon’i Jesosy fotsiny àry no ampahatsiahivina antsika amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Mampahatsiahy antsika koa izy io hoe manetry tena sy be herim-po izy. Mpisoronabe any an-danitra i Jesosy izao, ary miangavy an’Andriamanitra ho antsika. Faly isika hoe manetry tena sy be herim-po foana izy, rehefa manao an’io asa io. (Heb. 7:24, 25) Mankasitraka an’izany isika raha mankatò azy, ka manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesany isan-taona. (Lioka 22:19, 20) Amin’ny andro mifanitsy amin’ny 14 Nisana isika no manao an’izany, ary io no andro miavaka indrindra ao anatin’ny taona.

12 Misy toetran’i Jesosy hafa koa hitantsika avy amin’io fankalazana tsotra io. Io toetra io no nahatonga azy hamoy ny ainy ho antsika, ary izy io koa no nampiavaka azy tetỳ an-tany. Inona izany?

BE FITIAVANA I JESOSY

13. Inona no lazain’ny Jaona 15:9 sy ny 1 Jaona 4:8-10 momba ny fitiavan’i Jehovah sy Jesosy? Iza no mandray soa amin’izany?

13 Hita tamin’izay rehetra nataon’i Jesosy hoe tena tia antsika hoatran’i Jehovah izy. (Vakio ny Jaona 15:9; 1 Jaona 4:8-10.) Hatramin’ny ainy aza nafoiny ho antsika, ary nanao an’izany tamin’ny fony manontolo izy. Porofon’ny fitiavan’i Jehovah sy Jesosy antsika ny vidim-panavotana. Mandray soa amin’izany isika, na voahosotra na anisan’ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16; 1 Jaona 2:2) Tia ny mpianany sady mitady izay hahasoa azy ireo koa i Jesosy, rehefa jerena ny fomba tiany hanaovana ny Fahatsiarovana. Nahoana?

Be fitiavana i Jesosy, ka nataony tsotra ny fomba ankalazana ny Fahatsiarovana. Afaka mankalaza an’ilay izy foana àry ny olona, na inona na inona zavatra iainany (Fehintsoratra 14-16) *

14. Inona no porofo fa tian’i Jesosy ny mpianany?

14 Tena tia an’ireo voahosotra mpanara-dia azy i Jesosy, ka zavatra tsotra no nasainy nataon’izy ireo mba hahatsiarovana ny nahafatesany. Tsy nisy fombafomba sarotra be nampanaoviny an-dry zareo. Samy nanana ny zavatra niainany ny voahosotra, ary tsy nitovy koa ny nanjo azy ireo. Nisy aza nigadra mihitsy. (Apok. 2:10) Tsy maintsy nankatò an’i Jesosy anefa izy ireo, ka nanao ny Fahatsiarovana isan-taona. Nahavita an’izany ve ry zareo? Izany mihitsy!

15-16. Inona no nataon’ny Kristianina sasany mba hanaovana ny Fahatsiarovana, na dia tao anatin’ny sarotra aza?

15 Miezaka manao ny Fahatsiarovana ny tena Kristianina hatramin’izao. Tsy mora ny nanjo azy ireo indraindray, nefa niezaka be ry zareo mba hankalaza azy io araka izay natoron’i Jesosy. Izany, ohatra, no nataon’ny Rahalahy Harold King. Natoka-monina tany amin’ny fonja iray tany Chine izy, dia tsy maintsy nitady hevitra hanaovana ny Fahatsiarovana. Niafina izy rehefa nanomana an’izay nilaina, ary izay nisy teo no nampiasainy. Nokajiny tsara araka izay azony natao koa ny datin’ny Fahatsiarovana. Rehefa tonga ilay fotoana, dia izy ihany no nihira sy nivavaka ary nanao lahateny.

16 Niezaka nankalaza ny Fahatsiarovana koa ny anabavy maromaro tany amin’ny toby fitanana, nandritra ny Ady Lehibe II. Mety ho novonoina ry zareo raha tratra. Nahavita an’ilay izy anefa ry zareo, satria tsotra ny fomba ankalazana ny Fahatsiarovana. Izao no nolazain-dry zareo: “Nanao boribory izahay dia nifanakaiky. Nasianay fitoeran-tongotra iray teo afovoany, ary norakofanay lamba fotsy ilay izy. Nataonay teo ambony teo ny mofo sy ny divay. Labozia iray no nanazava an’ilay efitra, satria mety ho tratra izahay raha nampiasa jiro. ... Nivoady tamin’ilay Rainay indray izahay teo hoe hampiasa ny herinay rehetra mba hanamarinana ny anarany masina.” Tena nanam-pinoana ry zareo! Hita amin’izany koa hoe be fitiavana i Jesosy, ka nataony izay hahafahantsika hanao ny Fahatsiarovana na dia ao anatin’ny sarotra aza.

17. Inona avy ny fanontaniana azontsika eritreretina?

17 Efa manakaiky izao ny Fahatsiarovana, ka tsara raha mieritreritra an’ireto isika: ‘Ahoana no hampisehoako hoe be fitiavana hoatran’i Jesosy aho? Inona no tena ifantohako: Izay ilain’ny mpiara-manompo sa izay ilaiko? Mitaky be loatra amin’izy ireo ve aho, sa fantatro hoe voafetra ihany ny azon’izy ireo atao?’ Mila manahaka an’i Jesosy foana isika, dia ‘miara-ory’ amin’ny hafa.—1 Pet. 3:8.

TADIDIO FOANA IREO TOETRAN’I JESOSY IREO

18-19. a) Inona no hotadidintsika foana? b) Tapa-kevitra hanao inona ianao?

18 Tsy hanao ny Fahatsiarovana intsony isika atsy ho atsy. Ho avy i Jesosy mandritra ny fahoriana lehibe, ary hanangona “ny olom-boafidiny” mba ho any an-danitra. Tsy hankalaza ny Fahatsiarovana intsony isika amin’izay.—1 Kor. 11:26; Mat. 24:31.

19 Mbola hotadidintsika foana anefa io fankalazana tsotra io amin’izany andro izany. Hampahatsiahy antsika foana izy io hoe tsy nisy olona nanetry tena sy be herim-po ary be fitiavana hoatran’i Jesosy. Azo antoka hoe izay nanao an’io fankalazana miavaka io, dia hitantara an’ilay izy amin’ny olona rehetra ho velona amin’izany fotoana izany. Handray soa amin’izany koa mantsy ry zareo. Hahasoa antsika dieny izao anefa izy io, raha tapa-kevitra isika hoe hanetry tena sy ho be herim-po ary ho be fitiavana hoatran’i Jesosy. Afaka matoky isika hoe hamaly soa antsika i Jehovah, raha manao an’izany isika.—2 Pet. 1:10, 11.

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

^ feh. 5 Efa kely sisa dia hanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo isika, ka hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Ianarantsika avy amin’io fankalazana tsotra io fa manetry tena sy be herim-po ary be fitiavana i Jesosy. Horesahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe ahoana no hananantsika an’ireo toetra tena tsara ireo.

^ feh. 2 FANAZAVANA: Ilay hoe mahatsiaro eto dia midika hoe manao zavatra manokana mba hanomezana voninahitra sy hahatsiarovana olona na zava-nitranga miavaka.

^ feh. 56 SARY: Sary namboarina, mampiseho mpanompon’i Jehovah nanao ny Fahatsiarovana tamin’ny taonjato voalohany, tamin’ny taonjato faha-19, tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, ary amin’izao andro izao. Any amin’ny toerana mafana any Amerika Atsimo ilay sary farany. Efitrano Fanjakana tsotsotra sy tsy misy rindrina no anaovan-dry zareo Fahatsiarovana.