Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 1

“Mandehana àry, Ataovy Mpianatra ny Olona”

“Mandehana àry, Ataovy Mpianatra ny Olona”

ANDININ-TENY HO AN’NY TAONA 2020: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona ..., ka ataovy batisa.”​—MAT. 28:19.

HIRA 79 Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no nolazain’ny anjely tamin’ireo vehivavy tonga teo amin’ny fasan’i Jesosy? Inona no nolazain’i Jesosy tamin-dry zareo?

ENINA ambin’ny folo Nisana taona 33 tamin’izay. Vao mangiran-dratsy dia nankany am-pasana ny vehivavy vitsivitsy tena tia an’Andriamanitra. Nalahelo be ry zareo satria nalevina tao i Jesosy Kristy Tompo, roa andro lasa izay. Saika hanosotra menaka manitra sy zavamaniry mani-pofona tamin’ny vatan’i Jesosy ireo vehivavy ireo. Gaga be anefa ry zareo satria tsy tao amin’ilay fasana i Jesosy! Nilaza tamin’izy ireo ny anjely iray hoe natsangana tamin’ny maty izy. Hoy koa ilay anjely: “Hialoha anareo any Galilia [izy]. Any no hahitanareo azy.”—Mat. 28:1-7; Lioka 23:56; 24:10.

2 Raha vao niala teo ireo vehivavy ireo, dia nanatona an-dry zareo i Jesosy sady nilaza hoe: “Mandehana milaza amin’ny rahalahiko mba ho any Galilia, fa any no hahitany ahy.” (Mat. 28:10) Azo antoka hoe nisy zava-dehibe tian’i Jesosy horesahina tamin’ny mpianany. Io fivoriana io mantsy no nalaminy voalohany, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty.

IZA NO NASAIN’I JESOSY NANAO MPIANATRA?

Nivory niaraka tamin’ny apostoly sy ny olon-kafa i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ary nandidy azy ireo hoe: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona” (Fehintsoratra 3-4)

3-4. Inona no porofo fa tsy ny apostoly irery no nasain’i Jesosy nankatò an’ilay didy ao amin’ny Matio 28:19, 20? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

3 Vakio ny Matio 28:16-20. Niresaka momba ny asa lehibe hataon’ny mpanara-dia azy mandritra ny taonjato voalohany i Jesosy, tamin’ilay fivoriana. Mbola manao an’io asa io isika hatramin’izao. Hoy i Jesosy: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ... ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”

4 Tian’i Jesosy hitory daholo ny mpanara-dia azy. Tsy ny apostoly 11 tsy nivadika ihany no nomeny an’io didy io. Inona no porofon’izany? Eritrereto izao: Ny apostoly irery ve no teo amin’ilay tendrombohitra tany Galilia, tamin’i Jesosy nanome an’ilay didy hoe tokony hanao mpianatra? Tsia. Niteny tamin’ireo vehivavy teny am-pasana mantsy ilay anjely hoe: “Any [Galilia] no hahitanareo azy.” Azo inoana àry fa nisy vehivavy tsy nivadika koa nanatrika teo. Ankoatra izany, dia nilaza ny apostoly Paoly hoe niseho tamin’ny “rahalahy maherin’ny dimanjato” i Jesosy, indray mandeha. (1 Kor. 15:6) Taiza izany no nitranga?

5. Nahoana isika no milaza fa ilay fivoriana tany Galilia no tian’i Paoly horesahina ao amin’ny 1 Korintianina 15:6?

5 Azo inoana hoe ilay fivoriana tany Galilia voaresaka ao amin’ny Matio toko faha-28 no tao an-tsain’i Paoly. Nahoana? Voalohany, satria avy any Galilia ny ankamaroan’ny mpianatr’i Jesosy. Mety kokoa àry raha tendrombohitra any Galilia no namoriana olona be dia be, fa tsy tranon’olona tany Jerosalema. Faharoa, efa nivory niaraka tamin’ny apostoly 11 tao amin’ny trano iray tany Jerosalema i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty. Raha ny apostoly irery no tiany hitory sy hanao mpianatra, dia ho efa nolazainy tamin’izy ireo tamin’izay fotoana izay izany. Tsy tamin’izay anefa izy no nilaza an’ilay didy tamin-dry zareo. Nasainy nankany Galilia kosa ry zareo, niaraka tamin’ny olon-kafa sy ireo vehivavy hitany teny am-pasana.—Lioka 24:33, 36.

6. Nahoana ny Matio 28:20 no manaporofo fa mila manao mpianatra koa isika amin’izao andro izao? Inona no mampiseho fa tena miezaka mankatò an’io didy io isika?

6 Misy antony hafa koa manaporofo hoe tsy natao ho an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ihany ilay didin’i Jesosy. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Satria izao no namaranany ny teniny: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:20) Tanteraka ny tenin’i Jesosy satria miroborobo be mihitsy izao ny asa fanaovana mpianatra. Mba eritrereto ange e! Olona 300 000 eo ho eo isan-taona no atao batisa, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah sy mpianatr’i Jesosy Kristy.

7. Inona no horesahina ato, ary nahoana?

7 Betsaka amin’ny olona mianatra Baiboly no mandroso tsara dia atao batisa. Misy indray anefa matahotra ny ho lasa mpianatr’i Jesosy. Mahafinaritra azy ny mianatra Baiboly, fa tsy miezaka ny hatao batisa izy. Raha manana mpianatra Baiboly ianao, dia azo antoka fa te hanampy azy hampihatra an’izay ianarany sy ho lasa mpianatr’i Kristy. Horesahintsika ato hoe ahoana no hanampiana ny olona ampianarintsika mba ho lasa tia an’i Jehovah sy handroso. Nahoana isika no mila mandinika an’izany? Satria indray andro any isika mety hila hanapa-kevitra hoe hotohizina ve ilay fianarana sa tsia.

AMPIO HO TIA AN’I JEHOVAH IZY

8. Nahoana no sarotra ny manampy ny olona sasany ho tia an’Andriamanitra?

8 Tian’i Jehovah raha fitiavana no mahatonga ny olona hanompo azy. Inona àry no tanjontsika? Ny hanampy ny mpianatra Baiboly hahazo hoe tena miahy azy sy tena tia azy i Jehovah. Tiantsika hatoky izy ireo hoe “ray ho an’ny kamboty ray” sy “mpitsara ho an’ny mpitondratena” i Jehovah. (Sal. 68:5) Rehefa tsapan’ilay olona hoe tian’Andriamanitra izy, dia azo inoana fa hanohina ny fony izany ka vao mainka izy ho tia azy. Mety ho sarotra amin’ny olona sasany anefa ny hihevitra an’i Jehovah ho Ray be fitiavana, satria tsy mba naneho fitiavana taminy ny dadany. (2 Tim. 3:1, 3) Rehefa mampianatra àry ianao, dia asongadino hoe manana toetra tena tsara i Jehovah. Ataovy azon’ilay olona hoe tian’Andriamanitra hiaina mandrakizay izy, ary vonona hanampy azy hanatratra an’izany tanjona izany Andriamanitra. Tsy izay ihany anefa no azontsika atao.

9-10. Inona no boky tokony hampiasaintsika rehefa mampianatra Baiboly? Nahoana?

9 Ampiasao ilay boky hoe “Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?” sy ilay hoe “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.” * Natao hanampiana antsika hanohina ny fon’ny mpianatra Baiboly ireo boky ireo. Valiana ao amin’ny toko voalohany amin’ilay boky Ianarana, ohatra, ireto: Tsy miraharaha antsika ve Andriamanitra? Malahelo ve izy rehefa mahita olona mijaly? Azo atao namana ve izy? Tena ilaina koa ilay boky “Fitiavan’Andriamanitra.” Manampy an’ilay mpianatra izy io mba hahita fa hihatsara ny fiainany sady hinamana kokoa amin’i Jehovah izy, rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Na dia efa nampianatra tamin’ireo boky ireo aza ianao, dia manomàna tsara foana isaky ny hampianatra ary eritrereto izay ilain’ilay olona ampianarinao.

10 Ahoana raha misy hevitra mahaliana an’ilay olona nefa tsy resahin’ny boky Ianarana na “Fitiavan’Andriamanitra” ilay izy? Azonao ampirisihina izy hamaky samirery an’izay boky na gazety manazava an’ilay hevitra. Hitohy foana ny fianaranareo amin’izay.

Atombohy amin’ny vavaka ny fianarana (Fehintsoratra 11)

11. Rahoviana ny fianarana no tokony hatomboka sy hofaranana amin’ny vavaka? Ahoana no azo ampidirana an’ilay resaka vavaka?

11 Atombohy amin’ny vavaka ny fianarana. Mila mivavaka isika aloha sy aorian’ny fianarana. Amin’ny ankapobeny, dia tsara raha atomboka haingana araka izay azo atao izany, ohatra hoe ao anatin’ireo herinandro vitsivitsy taorian’ny nanombohanareo nianatra Baiboly tsy tapaka. Tsy maintsy ampiantsika ilay mpianatra hahatakatra hoe tsy hahazo tsara ny Tenin’Andriamanitra isika raha tsy ampian’ny fanahin’Andriamanitra. Ahoana no ataon’ny mpitory sasany mba hampidirana an’ilay resaka vavaka? Vakin’izy ireo amin’ilay mpianatra aloha ny Jakoba 1:5 hoe: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra.” Anontaniany izy avy eo hoe: “Ahoana no azo atao raha te hangataka fahendrena amin’Andriamanitra?” Azo inoana fa hamaly ilay olona hoe mila mivavaka.

12. Ahoana no azonao ampiasana ny Salamo 139:2-4 mba hanampiana ny mpianatrao hanatsara ny vavaka ataony?

12 Ampianaro hivavaka ny mpianatrao. Omeo toky izy hoe te hihaino ny vavaka vokatry ny fo ataony i Jehovah. Hazavao hoe tena afaka mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah isika rehefa mivavaka samirery. Na zavatra tsy sahintsika resahina amin’ny olona aza azontsika resahina aminy. Tsy tokony hisalasala hilaza an’izany isika, satria na ny any an-tsaintsika aza efa fantany. (Vakio ny Salamo 139:2-4.) Raha miezaka tsy hieritreri-dratsy sy hiala amin’ny fahazaran-dratsy ilay mpianatra, dia azonao ampirisihina izy hangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy hiala amin’izany. Ahoana, ohatra, raha misy fety tena tiany nefa tsy tokony hanao an’ilay izy ny Kristianina? Fantany hoe tsy mety ilay fety, nefa misy zavatra sasany mahafinaritra azy amin’ilay izy. Asaivo resahiny mazava tsara amin’i Jehovah àry ny any am-pony. Ampirisiho koa izy hitalaho fanampiana aminy, amin’izay izy tsy ho tia afa-tsy izay tian’i Jehovah.—Sal. 97:10.

Asao hivory izy (Fehintsoratra 13)

13. a) Nahoana ny mpianatra Baiboly no tokony hasaina hivory haingana araka izay azo atao? b) Inona no azo atao mba hahazo aina tsara izy rehefa tonga mivory?

13 Asao hivory izy ary ataovy haingana araka izay azo atao izany. Mety hanohina ny fony sy hanampy azy handroso ny zavatra hitany sy henony any am-pivoriana. Asehoy azy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? ary asao hiaraka hivory aminao izy. Ento amin’ny fiaranao izy raha azo atao, na ampio mba ho tonga any. Tsara koa raha olona samihafa no entinao mankany aminy rehefa mampianatra azy ianao. Hahafantatra olona maromaro ao am-pivoriana izy amin’izay, ka mety hahazo aina kokoa rehefa tonga mivory.

AMPIO HANDROSO IZY

14. Inona no ho vokany rehefa mihatia an’i Jehovah ny mpianatra Baiboly?

14 Ny hanampy an’ilay mpianatra Baiboly mba handroso no tanjontsika. (Efes. 4:13) Ny soa ho azony avy amin’ilay fianarana no mety hibahana ao an-tsainy amin’ny voalohany. Rehefa mihatia an’i Jehovah anefa izy, dia azo inoana hoe lasa te hanampy olona, anisan’izany ny eo anivon’ny fiangonana. (Mat. 22:37-39) Rehefa mety ny fotoana, dia aza misalasala miresaka aminy hoe afaka manome vola hanohanana ny asan’ilay Fanjakana izy. Tombontsoa mantsy izany.

Atoroy azy hoe inona no atao rehefa misy olana (Fehintsoratra 15)

15. Ahoana no azo anampiana ny mpianatra Baiboly hahay hiatrika olana?

15 Atoroy azy hoe inona no atao rehefa misy olana. Andao hatao hoe manana mpianatra efa mpitory ianao, dia milaza aminao izy hoe nisy nanafintohina azy tao am-pivoriana. Inona no azonao atao? Aleo tsy miandany amin’iza na iza. Hazavao aminy kosa hoe inona avy no azony atao, raha ny Baiboly no jerena. Sao dia afaka mamela heloka fotsiny, ohatra, izy dia manadino an’ilay olana? Raha tsy vitany izany, dia mila miresaka amin’ilay olona izy. Tokony ho be fitiavana sy ho tsara fanahy izy rehefa manao an’izany, satria ny hihavana no tanjony. (Ampitahao amin’ny Matio 18:15.) Ampio koa izy hanomana an’izay hoteneniny. Atoroy azy hoe ahoana no azony ampiasana ny JW Library® sy ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah ary ny jw.org®, mba hahitana hevitra hamahana an’ilay olana. Azo inoana hoe hifandray tsara amin’ny mpiara-manompo foana izy, raha ampiofanina tsara dieny mbola tsy vita batisa.

16. Inona no hitanao hoe mahatsara an’ilay mitondra mpitory hafa rehefa mampianatra?

16 Mitondrà mpiara-manompo rehefa mampianatra, anisan’izany ny mpiandraikitra ny faritra. Efa nahita antony mahatsara an’izany isika tetsy aloha. Mbola misy antony hafa anefa. Mety ho tsara toerana kokoa mba hanampy an’ilay mpianatrao hiatrika olana sasany ny mpitory hafa. Eritrereto, ohatra, hoe efa imbetsaka ilay mpianatrao no niezaka niala tamin’ny sigara, nefa tsy afaka mihitsy. Mety hisy rahalahy na anabavy niady mafy hoatr’izany koa ao amin’ny fiangonanareo, nefa afaka tamin’ny sigara ihany. Maninona raha entina mampianatra miaraka aminao izy? Mety ho afaka hanome soso-kevitra mety tsara ho an’ilay mpianatrao izy. Raha tsy mampahazo aina anao ny hitarika fampianarana eo anoloan’ny rahalahy na anabavy za-draharaha, dia izy asaina mitarika. Handray soa ny mpianatrao raha mitondra mpitory samihafa ianao rehefa mampianatra azy. Tadidio fa ny hanampy azy handroso no tanjontsika.

TOKONY HAJANONA VE ILAY FIANARANA?

17-18. Inona no tokony hodinihinao rehefa hanapa-kevitra raha hajanona ny fampianarana iray na tsia?

17 Raha tsy mandroso ny mpianatrao, dia misy fotoana ianao tsy maintsy mieritreritra hoe: ‘Sao dia tokony hajanoko àry ilay fianarana?’ Tokony handinika ny fahaizany anefa ianao, alohan’ny hanapahana hevitra. Elaela kokoa mantsy ny olona sasany vao mandroso. Eritrereto hoe: ‘Azo lazaina hoe mandroso ihany ve izy, rehefa jerena ny zavatra iainany sy ny fahaizany? Efa manomboka “mitandrina”, na mampihatra, an’izay ianarany ve izy?’ (Mat. 28:20) Mety ho elaela vao ho lasa mpanompon’i Jehovah ny olona iray, nefa tokony ho hita eo amin’ny fiainany hoe efa miova tsikelikely izy.

18 Ahoana raha efa nianatra elaela ny olona iray, nefa hita hoe tsy dia zava-dehibe aminy ilay fianarana na tsy raharahainy mihitsy? Andao hatao hoe nahavita an’ilay boky Ianarana ny mpianatrao, ary angamba efa nanomboka nianatra tamin’ilay boky “Fitiavan’Andriamanitra.” Tsy nivory mihitsy anefa izy na indray mandeha aza. Na Fahatsiarovana aza mbola tsy natrehiny! Matetika koa izy no milaza hoe tsy afaka mianatra, nefa antony tsy misy dikany no tsy ianarany. Raha izany no mitranga, dia angamba ianao mila miresaka tsara aminy. *

19. Inona no azonao lazaina amin’ny mpianatrao raha hoatran’ny tsy dia miraharaha an’ilay fianarana izy? Nahoana no hanampy anao ny valin-teniny?

19 Hoatr’izao no azonao anombohana ny resaka: ‘Inona no hitanao hoe tena misakana anao tsy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah?’ Mety hamaly izy hoe: ‘Tsy mampaninona an’ahy ilay mianatra Baiboly, fa izaho aloha tsy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy e!’ Raha efa nianatra elaela izy no mamaly hoatr’izany, dia sao dia tsara hajanona ilay fianarana? Mety ho amin’izay koa anefa ilay mpianatrao vao hilaza hoe inona no misakana azy tsy handroso. Mieritreritra angamba izy hoe tsy hahavita hitory isan-trano mihitsy. Ho afaka hanampy azy kokoa àry ianao satria lasa fantatrao izay tsapany.

Aza mandany fotoana mampianatra olona tsy mandroso (Fehintsoratra 20)

20. Nahoana ny Asan’ny Apostoly 13:48 no manampy antsika hamantatra raha mbola tokony hampianarina ny olona iray na tsia?

20 Mampalahelo fa hoatran’ny Israelita tamin’ny andron’i Ezekiela ny mpianatra Baiboly sasany. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Ezekiela: “Amin’izy ireo, dia toy ny hiram-pitiavana ianao, ary toy ny olona manga feo sy tena mahay mitendry lokanga. Hihaino ny teninao tokoa izy ireo nefa tsy hisy hankatò an’izany.” (Ezek. 33:32) Mety ho sarotra amintsika ny hiteny amin’ny olona iray hoe tsy hampianatra azy intsony isika. Tadidio anefa hoe “efa kely sisa ny fotoana tavela.” (1 Kor. 7:29) Aleo àry tsy mandany fotoana mampianatra olona tsy mandroso. Izay olona hita hoe manana “toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay” no tokony hotadiavintsika.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:48.

Mety hisy olon-kafa mivavaka mba hahazo fanampiana ao amin’ny faritaninareo (Fehintsoratra 20)

21. Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2020? Nahoana izy io no mety tsara?

21 Mandritra ny taona 2020, dia hanampy antsika hifantoka amin’ny fomba hanatsarana ny fahaizantsika manao mpianatra ny andinin-teny ho an’ny taona. Tenin’i Jesosy nandritra ny fivoriana miavaka nataony teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia izy io. Izao no nolazainy: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona ..., ka ataovy batisa.”Mat. 28:19.

Miezaha hahay hanao mpianatra kokoa sy hanampy ny mpianatrao ho vita batisa. Izany mantsy izao no tena ifantohantsika (Fehintsoratra 21)

HIRA 70 Tadiavo Izay Mendrika

^ feh. 5 Mampirisika antsika ‘hanao mpianatra’ ny andinin-teny ho an’ny taona 2020. Ny mpanompon’i Jehovah rehetra no tsy maintsy mankatò an’io didy io. Inona anefa no hanampy antsika hanohina ny fon’ny olona ampianarintsika Baiboly, mba ho lasa mpianatr’i Kristy izy ireo? Ahoana no hanampiantsika azy ireo mba hinamana kokoa amin’i Jehovah? Handinika an’izany isika ato. Horesahintsika ato koa hoe ahoana no hahitana raha tokony hotohizina ny fianarana na tsia.

^ feh. 9 Ilay boky hoe Aza Miala Aminʼny FitiavanʼAndriamanitra indray ampiasaina rehefa mivoaka izy io.

^ feh. 18 Jereo ao amin’ny Tele JW na ao amin’ny JW Library ilay video hoe Ajanòny ny Fianarana Rehefa Tsy Mandroso Ilay Olona.