Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 2

Inona no Azo Ianarana avy Amin’ilay “Mpianatra Tian’i Jesosy”?

Inona no Azo Ianarana avy Amin’ilay “Mpianatra Tian’i Jesosy”?

“Aoka isika hifankatia foana, satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana.”​—1 JAONA 4:7.

HIRA 105 “Andriamanitra dia Fitiavana”

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ianao hoe tia anao Andriamanitra?

I JEHOVAH no loharanon’aina. Nanoratra koa anefa ny apostoly Jaona hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Midika izany fa avy aminy koa ny fitiavana. Lasa mahatsiaro ho voaro sy sambatra ary afa-po isika rehefa mahatsapa hoe tiany.

2. Araka ny Matio 22:37-40, inona ireo didy roa lehibe indrindra? Nahoana no mety ho sarotra amintsika ny hankatò an’ilay faharoa?

2 Tsy afaka misafidy ny Kristianina hoe haneho fitiavana sa tsia. Didy mantsy izany. (Vakio ny Matio 22:37-40.) Tsy sarotra amintsika angamba ny mankatò an’ilay didy voalohany, rehefa lasa mahafantatra tsara an’i Jehovah isika. I Jehovah rahateo lavorary dia tsara fanahy amintsika izy sady mikarakara tsara antsika. Mety ho sarotra amintsika anefa ny hankatò an’ilay didy faharoa. Fa maninona? Satria tsy lavorary ny rahalahy sy anabavy, nefa ry zareo no anisan’ny namana akaiky antsika indrindra. Hoatran’ny hoe tsy miraharaha antsika sy ratsy fanahy amintsika ry zareo indraindray, rehefa jerena ny zavatra lazainy sy ataony. Fantatr’i Jehovah fa mety ho sarotra amintsika izany. Nampanoratiny ao amin’ny Baiboly àry hoe fa maninona isika no mila mifaneho fitiavana, ary ahoana no hanaovana an’izany. Nasainy nanoratra an’izany, ohatra, i Jaona.​—1 Jaona 3:11, 12.

3. Inona no nasongadin’i Jaona?

3 Nasongadin’i Jaona tao amin’ny taratasiny hoe tsy maintsy mampiseho fitiavana ny Kristianina. Rehefa nitantara ny fiainan’i Jesosy izy, dia izy no nampiasa betsaka indrindra an’ilay teny grika nadika hoe “tia” sy “tiana” raha oharina amin’ny mpanoratra ny Filazantsara telo hafa mitambatra. Zato taona teo ho eo i Jaona tamin’izy nanoratra ny Filazantsarany, sy ireo taratasiny telo hafa. Hita amin’ireo zavatra nosoratany ireo hoe na inona na inona ataontsika, dia fitiavana no tokony ho antony mahatonga antsika hanao an’ilay izy. (1 Jaona 4:10, 11) Elaela anefa i Jaona vao nahay nanao an’izany.

4. Nampiseho fitiavana foana ve i Jaona?

4 Nisy fotoana i Jaona tsy nampiseho fitiavana, tamin’izy tanora. Handeha ho any Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany tamin’izay, dia nandalo tao Samaria. Nisy tanàna samaritanina izay anefa tsy nety nandray an-dry zareo. Ahoana no nataon’i Jaona? Niera tamin’i Jesosy izy hoe handatsaka afo avy any an-danitra mba handringanana ny olona rehetra tao amin’ilay tanàna. (Lioka 9:52-56) Nisy fotoana koa i Jaona tsy nampiseho fitiavana tamin’ny apostoly hafa. Naniraka ny mamany angamba izy sy Jakoba rahalahiny mba hankany amin’i Jesosy, dia hangataka toerana ambony ho azy roa lahy ao amin’ilay Fanjakana. Tezitra be ny apostoly hafa rehefa nahafantatra an’izany. (Mat. 20:20, 21, 24) Mbola tia an’i Jaona anefa i Jesosy, na teo aza ny fahadisoany.​—Jaona 21:7.

5. Inona no hianarantsika ato?

5 Handinika ny modely nomen’i Jaona isika ato amin’ity lahatsoratra ity. Hiresaka ny zavatra sasany nosoratany momba ny fitiavana koa isika. Ho hitantsika amin’izany hoe ahoana no hampisehoana fitiavana amin’ireo rahalahy sy anabavy. Ho hitantsika ato koa ny fomba iray lehibe ampisehoan’ny loham-pianakaviana hoe tiany ny ankohonany.

ASEHO AMIN’NY ATAO NY FITIAVANA

Nasehon’i Jehovah hoe tia antsika izy rehefa nandefa ny Zanany ho etỳ an-tany mba ho faty ho antsika (Fehintsoratra 6-7)

6. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tiany isika?

6 Mety hieritreritra isika hoe fihetseham-po fotsiny ny fitiavana, ka efa ampy ny manao teny mahafinaritra amin’ny olona. Tsy izany anefa ny tena fitiavana, fa tsy maintsy aseho amin’ny atao koa. (Ampitahao amin’ny Jakoba 2:17, 26.) Tia antsika, ohatra, i Jehovah dia ampahafantariny antsika izany, ary tsara be mihitsy ny fomba ilazany an’izany ao amin’ny Teniny. (Sal. 25:10; Rom. 8:38, 39; 1 Jaona 4:19) Inona anefa no tena maharesy lahatra antsika hoe tia antsika izy? Tsy ny teniny fotsiny, fa ny zavatra ataony koa. Hoy i Jaona: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany.” (1 Jaona 4:9) Navelan’i Jehovah hijaly sy ho faty ho antsika ilay Zanany tena tiany. (Jaona 3:16) Mbola tokony hisalasala ve isika hoe tia antsika i Jehovah?

7. Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy hoe tia antsika izy?

7 Nanome toky ny mpianany i Jesosy hoe tena tiany ry zareo. (Jaona 13:1; 15:15) Nasehony hoe hoatran’ny ahoana ny halalin’ny fitiavany an-dry zareo sy ny fitiavany antsika. Tsy tamin’ny teny fotsiny no nanaovany an’izany, fa tamin’ny zavatra nataony koa. Nilaza izy hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:13) Tena nahavita be ho antsika àry i Jehovah sy Jesosy. Inona no tokony ho vokatr’izany amintsika?

8. Inona no tokony hataontsika, araka ny 1 Jaona 3:18?

8 Rehefa mankatò an’i Jehovah sy Jesosy isika, dia manaporofo hoe tia an-dry zareo. (Jaona 14:15; 1 Jaona 5:3) Nandidy antsika mba hifankatia, ohatra, i Jesosy. (Jaona 13:34, 35) Marina fa tsy maintsy miteny amin’ny mpiara-manompo isika hoe tiantsika ry zareo. Tsy ampy anefa izany, fa tokony hasehontsika amin’ny atao koa. (Vakio ny 1 Jaona 3:18.) Ahoana àry no azontsika anaovana an’izany?

TIAVO NY MPIARA-MANOMPO AMINAO

9. Inona no nataon’i Jaona noho izy nanam-pitiavana?

9 Mpanarato ny fianakavian-dry Jaona. Mety ho afaka nijanona niaraka tamin’ny dadany izy, dia nanao an’io asa io mba hahazoana vola. Tsy izany anefa no nataony, fa naleony nanokana ny fiainany mba hanampiana ny olona hahafantatra an’i Jehovah sy Jesosy. Tsy mora ilay fiainana nofidin’i Jaona. Nenjehina, ohatra, izy. Natao sesitany koa izy tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, tamin’izy efa antitra. (Asa. 3:1; 4:1-3; 5:18; Apok. 1:9) Mbola nieritreritra an’izay hahasoa ny hafa foana i Jaona, na dia nigadra aza. Tamin’izy nigadra tany amin’ny nosy Patmo, ohatra, no nanoratra ny fahitana azony. Nalefany tany amin’ny fiangonana ilay izy avy eo, mba hahafantaran’izy ireo an’izay “hitranga tsy ho ela.” (Apok. 1:1) Azo inoana hoe rehefa nafahana avy tany amin’ny nosy Patmo izy, dia nanoratra momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany, tao amin’ny Filazantsara mitondra ny anarany. Nanoratra taratasy telo koa izy mba hampaherezana ny rahalahy sy anabavy. Tena nahafoy tena i Jaona. Ahoana no azonao anahafana azy?

10. Ahoana no hampisehoanao hoe tianao ny olon-kafa?

10 Ny safidy ataonao eo amin’ny fiainana no ahafahanao manaporofo hoe tianao ny olon-kafa. Tian’ny tontolon’i Satana tsy hieritreritra afa-tsy ny tenanao ianao, dia hampiasa ny fotoananao sy ny herinao rehetra mba hahazoana vola na hahatonga anao halaza. Tsy izany anefa no ataon’ny Kristianina maro maneran-tany. Mahafoy tena ry zareo, dia manokana fotoana betsaka araka izay azo atao mba hitoriana ny vaovao tsara, sy hanampiana ny olona hifandray akaiky amin’i Jehovah. Misy aza manao an’izany manontolo andro mihitsy.

Asehontsika amin’ny ataontsika hoe tiantsika ny rahalahy sy anabavy ary ny fianakaviantsika (Fehintsoratra 11, 17) *

11. Inona no ataon’ny rahalahy sy anabavy maro mba hanaporofoana hoe tia an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo izy?

11 Be dia be ny Kristianina tsy maintsy miasa manontolo andro, mba hahazoana izay ilainy sy hamelomana ny fianakaviany. Manao izay azony atao foana anefa ry zareo mba hanohanana ny fandaminan’i Jehovah. Misy, ohatra, manampy ny tra-boina na manao fanorenana. Manome vola mba hanohanana ny asa maneran-tany koa isika rehetra. Manao an’ireo isika satria tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Asehontsika koa hoe tia an’ireo rahalahy sy anabavy isika, rehefa manatrika fivoriana sy mandray anjara amin’izy ireny isan-kerinandro. Tonga mivory foana, ohatra, isika na dia reraka aza. Manome valin-teny foana koa isika na dia matahotra aza. Mbola mampahery ny olon-kafa foana koa isika aloha sy aorian’ny fivoriana, na dia samy manana ny olana manahirana azy aza. (Heb. 10:24, 25) Tena faly isika manana an’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika.

12. Ahoana koa no nampisehoan’i Jaona hoe tiany ny mpiara-manompo taminy?

12 Nisy fomba hafa koa nampisehoan’i Jaona hoe tiany ny mpiara-manompo taminy. Tsy hoe nidera an-dry zareo fotsiny izy, fa nanome torohevitra an-dry zareo koa. Nidera an’ireo rahalahy sy anabavy, ohatra, i Jaona noho ry zareo nanam-pinoana sy nanao asa tsara. Nanome torohevitra hentitra momba ny fahotana koa anefa izy. (1 Jaona 1:8–2:1, 13, 14) Tokony hidera ny mpiara-manompo koa isika rehefa manao zavatra tsara ry zareo. Ahoana anefa raha misy lasa manana toe-tsaina ratsy na fahazaran-dratsy, ka mety ho simba ny fifandraisany amin’i Jehovah? Mampiseho fitiavana azy isika raha manome torohevitra azy, ary miezaka ho tsara fanahy rehefa manao an’izany. Mila herim-po aloha ilay manome torohevitra e! Milaza anefa ny Baiboly hoe tena namana ianao raha manao an’izany.​—Ohab. 27:17.

13. Inona no tsy tokony hataontsika?

13 Misy zavatra tsy tokony hataontsika raha tiantsika hoporofoina hoe tiantsika ny mpiara-manompo. Tsy tokony ho mora sosotra amin’izay lazain-dry zareo, ohatra, isika. Nisy fotoana i Jesosy nilaza tamin’ny mpianany hoe tsy maintsy mihinana ny nofony sy misotro ny rany ry zareo raha te hahazo fiainana. (Jaona 6:53-57) Tena nanafintohina izany teny nolazainy izany, dia betsaka ny mpianany nandao azy. Tsy nanao an’izany anefa ny tena namany, anisan’izany i Jaona. Tsy nivadika taminy mihitsy ry zareo fa nanaraka azy foana. Tsy nahazo an’izay tian’i Jesosy holazaina koa ry zareo, ary azo inoana hoe gaga be tamin’izany. Tsy nieritreritra anefa ry zareo hoe diso ny zavatra nolazain’i Jesosy, dia tsy tezitra taminy ry zareo. Natoky azy ry zareo satria fantany hoe nilaza ny marina izy. (Jaona 6:60, 66-69) Tena tsy tokony ho mora tezitra amin’izay lazain’ny namantsika àry isika. Rehefa misy resaka tsy mifankahazo, dia avelantsika ry zareo hilaza ny heviny.​—Ohab. 18:13; Mpito. 7:9.

14. Fa maninona isika no tsy tokony hankahala an’ireo rahalahy sy anabavy?

14 Nampirisika antsika koa i Jaona mba tsy hankahala an’ireo rahalahy sy anabavy. Raha tsy manaraka an’izany toroheviny izany isika, dia mety hohararaotin’i Satana. (1 Jaona 2:11; 3:15) Izany no nitranga tamin’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Nanao izay ho afany i Satana mba hahatonga ny vahoakan’i Jehovah hifankahala sy hisara-bazana. Efa lasa nisy olona nanana ny toe-tsain’i Satana tao amin’ny fiangonana, tamin’ny fotoana nanoratan’i Jaona ny taratasiny. Nanao izay hampizarazara ny fiangonana, ohatra, i Diotrefa. Tsy nanaja ny anti-panahy nalefan’ny filan-kevi-pitantanana hitsidika an-dry zareo izy. Notadiaviny horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana mihitsy aza izay nampiantrano ny olona tsy tiany. Tena sahisahy ratsy mihitsy izy! (3 Jaona 9, 10) Mbola miezaka be foana i Satana hatramin’izao mba hampizarazara ny vahoakan’i Jehovah. Tsy tokony hankahala ny mpiara-manompo amintsika mihitsy àry isika, fa tokony hanohana an-dry zareo foana.

TIAVO NY ANKOHONANAO

Nangataka an’i Jaona i Jesosy mba hikarakara ny mamany sy hanampy azy hanompo an’i Jehovah foana. Tokony hikarakara an’izay ilain’ny ankohonany koa ny loham-pianakaviana (Fehintsoratra 15-16)

15. Inona no tsy maintsy tadidin’ny loham-pianakaviana?

15 Mamelona ny ankohonany ny loham-pianakaviana. Izany no anisan’ny fomba lehibe iray hanaporofoany hoe tiany ry zareo. (1 Tim. 5:8) Mbola zava-dehibe noho izany anefa ny manampy an-dry zareo hifandray tsara amin’i Jehovah, ary mila mitadidy an’izany izy. (Mat. 5:3) Tena ohatra tsara ho an’ny loham-pianakaviana i Jesosy. Hita ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona hoe mbola nieritreritra ny fianakaviany ihany i Jesosy, na dia nijaly sy efa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana aza. Nasainy nikarakara ny mamany, ohatra, i Jaona. (Jaona 19:26, 27) Nijoro teo akaiky teo i Jaona sy Maria tamin’izay. Nanana iray tam-po ihany i Jesosy, dia azo antoka hoe hikarakara an’izay ilain’ny mamany ry zareo. Toa mbola tsy nisy lasa mpanara-dia an’i Jesosy anefa ry zareo tamin’izany. Fa maninona àry i Jesosy no niresaka tamin’i Jaona ihany? Satria tiany ho azo antoka hoe hisy olona hikarakara an’i Maria, sy hanampy azy hanompo an’i Jehovah foana.

16. Inona avy ny andraikitr’i Jaona?

16 Nanana andraikitra be dia be i Jaona. Anisan’ny apostoly, ohatra, izy dia tsy maintsy nazoto nitory. Nanambady koa angamba izy, ary tsy maintsy nikarakara an’izay nilain’ny fianakaviany sy nanampy an-dry zareo hifandray tsara tamin’i Jehovah. (1 Kor. 9:5) Inona no azon’ny loham-pianakaviana ianarana avy aminy?

17. Ahoana no hampisehoan’ny loham-pianakaviana hoe tiany ny ankohonany?

17 Mety ho be andraikitra koa ny rahalahy iray raha loham-pianakaviana izy. Tsy maintsy manao tsara ny asany, ohatra, izy any am-piasana, amin’izay manome voninahitra an’i Jehovah. (Efes. 6:5, 6; Tit. 2:9, 10) Anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana koa angamba izy, dia mila mampahery sy mikarakara ny mpiara-manompo ary tokony hazoto hitory. Tsy izay ihany anefa fa tena ilainy ny mianatra Baiboly tsy tapaka miaraka amin’ny vady aman-janany. Azo antoka fa hankasitraka azy ny vady aman-janany, satria mamelona sy mampahery an-dry zareo izy, sady manampy an-dry zareo hifandray tsara amin’i Jehovah foana.​—Efes. 5:28, 29; 6:4.

‘AZA MIALA AMIN’NY FITIAVAKO’

18. Inona no azon’i Jaona antoka?

18 Ela velona i Jaona, sady nisy zavatra nahafinaritra be dia be teo amin’ny fiainany. Niatrika olana be dia be mety ho nampihena ny finoany koa izy. Niezaka be foana anefa izy mba hankatò ny didin’i Jesosy, anisan’izany ilay hoe tokony ho tia ny rahalahy sy anabavy. Inona no vokatr’izany? Natoky i Jaona hoe tia azy i Jehovah sy Jesosy, dia hanome azy hery hiatrehana an’izay olana rehetra mitranga. (Jaona 14:15-17; 15:10; 1 Jaona 4:16) Tsy vitan’i Satana sy ity tontolo ity ny nanakana an’i Jaona tsy ho tia ny mpiara-manompo, sy hampiseho an’izany amin’izay lazainy sy ataony.

19. Mampirisika antsika hanao inona ny 1 Jaona 4:7? Nahoana?

19 Hoatran’ny zavatra niainan’i Jaona ihany no iainantsika amin’izao. Mbola i Satana mantsy no mpitondra an’ity tontolo ity, ary tsy manam-pitiavana mihitsy izy. (1 Jaona 3:1, 10) Te hisakana antsika tsy ho tia ny mpiara-manompo izy. Tsy hitranga mihitsy anefa izany raha tsy hoe isika angaha no hamela azy hanao an’izany. Tapa-kevitra àry isika hoe ho tia ny rahalahy sy anabavy, dia hampiseho an’izany amin’izay lazaintsika sy ataontsika. Ho faly be isika amin’izay hoe anisan’ny fianakavian’i Jehovah, dia hahafa-po antsika ny fiainantsika.​—Vakio ny 1 Jaona 4:7.

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

^ feh. 5 Azo inoana hoe ny apostoly Jaona “ilay mpianatra tian’i Jesosy.” (Jaona 21:7) Tsy maintsy hoe nanana toetra tsara be dia be àry izy na dia mbola tanora aza. Nasain’i Jehovah nanoratra momba ny fitiavana izy tatỳ aoriana rehefa antitra, ary be dia be ny zavatra nosoratany momba an’izany. Horesahintsika ato ny sasany amin’ny zavatra nosoratany, sy izay azontsika ianarana avy aminy.

^ feh. 59 SARY: Be atao be ny raim-pianakaviana iray. Mandray anjara amin’ny fanampiana tra-boina izy, dia manome vola hanohanana ny asa maneran-tany, ary manasa olon-kafa hiaraka amin’izy mianakavy hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.