Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Andramo Izao

Mba Andramo Izao

Tianao ve ny mamaky ny tantaram-piainan’ny rahalahy sy anabavintsika?

Mamaky an’ireny ny mpivady iray isa-maraina. Izao no nolazainy: “Faly erỳ izahay sady mahazo fampaherezana rehefa mamaky an’ireny! Mampahatsiahy anay ireny hoe izahay koa afaka ny tsy hivadika na inon-kidona na inon-kihatra.” Izao koa no tsapan’ny anabavy iray: “Mampahery sy mandrisidrisika ary manohina ny fo ireny tantara ireny! Tena misy dikany sady tsy very maina ny fiainan’ny anadahy sy rahavavintsika. Te hampitombo ny fanompoako aho rehefa avy mamaky ny tantaran-dry zareo, sady te hanampy ny zanako hanompo an’i Jehovah manontolo andro.”

Afaka mandrisika anao ireny tantara ireny mba hanao zavatra bebe kokoa ho an’i Jehovah, hiala amin’ny toetra ratsy, ary ho faly sy hahatsiaro ho misy vidiny na dia miaritra ny mafy aza. Aiza no ahitanao azy ireny?

  • Jereo ao amin’nyjw.org/mg na ny JW Library® ilay andian-dahatsoratra hoe “Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

  • Karohy ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet na ao amin’ny Watchtower Library ny hoe “Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”