Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 5

“Ny Fitiavan’i Kristy no Manery Anay”

“Ny Fitiavan’i Kristy no Manery Anay”

“Ny fitiavan’i Kristy no manery anay ... mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona.”​—2 KOR. 5:14, 15.

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

HO HITANAO ATO a

1-2. a) Inona no mety ho tsapantsika rehefa misaintsaina ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany isika? b) Inona no hodinihintsika ato?

 REHEFA maty ny olona akaiky anao, dia malahelo be an’iny olona iny ianao! Vaky fo angamba ianao amin’ny voalohany rehefa mieritreritra an’ireo andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, indrindra raha nijaly be izy vao maty. Miova anefa izany rehefa mandeha ny fotoana. Lasa faly indray ianao rehefa mieritreritra an’izay nampianariny, na izay nolazainy na nataony mba hampaherezana anao na hampitsikiana anao.

2 Malahelo hoatr’izany isika rehefa mamaky hoe nijaly sy maty i Jesosy. Amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana isika no tena misaintsaina ny hasarobidin’ny sorom-panavotana. (1 Kor. 11:24, 25) Tena faly anefa isika, rehefa misaintsaina an’izay rehetra nolazain’i Jesosy sy nataony tamin’izy teto an-tany. Mampahery antsika koa ny mieritreritra an’izay ataony amin’izao sy amin’ny hoavy. Inona no vokany rehefa misaintsaina an’ireo sy ny fitiavany antsika isika? Lasa tiantsika haseho hoe mankasitraka azy isika, ary izany no horesahintsika ato.

MANARA-DIA AN’I JESOSY ISIKA SATRIA MANKASITRAKA AZY

3. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny vidim-panavotana?

3 Tena mankasitraka an’i Jesosy isika rehefa misaintsaina ny fiainany sy ny fahafatesany. Nampianatra ny olona momba ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. Tena sarobidy amintsika ireo fahamarinana ireo. Mankasitraka ny vidim-panavotana isika, satria izy io no ahafahantsika mifandray akaiky amin’i Jehovah sy Jesosy. Izay maneho finoana an’i Jesosy koa afaka manantena hiaina mandrakizay sy hahita indray an’ireo havany efa maty. (Jaona 5:28, 29; Rom. 6:23) Tsy misy zavatra nataontsika ka hoe nahatonga antsika ho mendrika an’ireo fitahiana ireo. Tsy ho voavalintsika mihitsy koa izay nataon’Andriamanitra sy Kristy ho antsika. (Rom. 5:8, 20, 21) Azontsika aseho anefa hoe tena mankasitraka an-dry zareo isika. Amin’ny fomba ahoana?

Nahoana isika no hankasitraka an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy rehefa misaintsaina ny ohatr’i Maria Magdalena? (Fehintsoratra 4-5)

4. Ahoana no nampisehoan’i Maria Magdalena hoe nankasitraka ny nataon’i Jesosy ho azy izy? (Jereo ny sary.)

4 Diniho ny ohatr’ilay vehivavy jiosy atao hoe Maria Magdalena. Mafy ny nahazo azy satria nampijalin’ny demonia fito izy. Nieritreritra angamba izy hoe tsy hisy ho afaka hanampy azy mihitsy. Tsy maintsy hoe faly be àry izy rehefa nafahan’i Jesosy tamin’ireo demonia ireo! Nankasitraka an’i Jesosy izy dia lasa mpanara-dia azy. Nampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany koa izy mba hanohanana azy tamin’ny fanompoana. (Lioka 8:1-3) Tena nankasitraka an’izay nataon’i Jesosy ho azy i Maria. Tsy hainy anefa hoe mbola hanao zavatra lehibe noho iny i Jesosy. Hanolotra ny ainy ho an’ny olombelona izy, mba ho afaka hiaina mandrakizay “izay rehetra maneho finoana azy.” (Jaona 3:16) Nampiseho ny fankasitrahany ihany anefa i Maria ka tsy nivadika. Rehefa nijalijaly teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia nijoro teny akaiky teny izy satria niahy an’i Jesosy sady te hampionona ny hafa. (Jaona 19:25) Rehefa maty indray i Jesosy, dia nitondra zava-manitra tany amin’ny fasana nandevenana azy izy sy ny vehivavy roa hafa. (Mar. 16:1, 2) Nahazo valisoa be i Maria noho izy tsy nivadika. Tena faly izy satria afaka nihaona sy niresaka tamin’i Jesosy natsangana tamin’ny maty! Tsy nanana an’izany tombontsoa izany ny ankamaroan’ny mpianatra.​—Jaona 20:11-18.

5. Ahoana no ampisehoantsika hoe ankasitrahantsika izay rehetra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika?

5 Isika koa afaka mampiseho hoe mankasitraka an’izay rehetra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika. Afaka mampiasa ny fotoana sy ny hery ary ny volantsika isika, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Azontsika atao, ohatra, ny manampy amin’ny fanorenana sy fikojakojana an’ireo trano ampiasaina amin’ny fivavahana marina.

TIA NY HAFA ISIKA SATRIA TIA AN’I JEHOVAH SY JESOSY

6. Nahoana ianao no afaka milaza fa natao ho anao mihitsy ny vidim-panavotana?

6 Tena tia antsika i Jehovah sy Jesosy. Lasa tia an-dry zareo isika rehefa misaintsaina an’izany. (1 Jaona 4:10, 19) Vao mainka tia azy mianaka isika rehefa mahatsapa hoe maty ho antsika tsirairay i Jesosy. Niaiky sy nankasitraka an’izany ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Galatianina hoe: ‘Ilay Zanak’Andriamanitra dia tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.’ (Gal. 2:20) Noho ny vidim-panavotana, dia afaka nitaona anao hanatona azy i Jehovah mba ho lasa namany ianao. (Jaona 6:44) Eritrereto ange izany e! Nahita zavatra tsara tao aminao i Jehovah, dia izay sarobidy indrindra taminy no nafoiny mba ho lasa namany ianao. Tsy mampihetsi-po anao ve izany? Tsy vao mainka ve izany mahatonga anao ho tia an’i Jehovah sy Jesosy? Saintsaino àry izao: ‘Manery ahy hanao inona izany fitiavana izany?’

Mandrisika antsika hitory an’ilay hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny karazan’olona rehetra ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy Kristy (Fehintsoratra 7)

7. Ahoana no azontsika rehetra ampisehoana hoe tia an’i Jehovah sy Jesosy isika, araka ny aseho eo amin’ny sary? (2 Korintianina 5:14, 15; 6:1, 2)

7 Tia ny hafa isika satria tia an’Andriamanitra sy Kristy. (Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15; 6:1, 2.) Mampiseho an’izany, ohatra, isika rehefa mazoto mitory. Iresahantsika daholo izay mihaona amintsika. Tsy manavakavaka isika na inona na inona fiavian’ilay olona, na ny foko misy azy, na mahantra izy na manankarena, ary na nahita fianarana na tsia. Hita amin’izany fa manao ny sitrapon’i Jehovah isika. Te ‘hamonjy ny karazan’olona rehetra’ mantsy izy, sady tiany ‘hahalala tsara ny fahamarinana’ ry zareo.​—1 Tim. 2:4.

8. Ahoana no ampisehoantsika hoe tia an’ireo rahalahy sy anabavy isika?

8 Hita koa hoe tia an’Andriamanitra sy Kristy isika rehefa tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika. (1 Jaona 4:21) Ahoana no ampisehoantsika an’izany? Mitady izay hahasoa an-dry zareo isika sady manampy azy rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra izy. Mampionona an’izay nidonam-pahoriana, ohatra, isika, mitsidika an’izay marary, ary manao izay rehetra azontsika atao mba hampaherezana ny kivy. (2 Kor. 1:3-7; 1 Tes. 5:11, 14) Mivavaka ho an-dry zareo foana isika, satria fantatsika hoe “misy vokany be ny fitalahoan’ny olo-marina.”​—Jak. 5:16.

9. Ahoana koa no ampisehoantsika hoe tia an’ireo rahalahy sy anabavy isika?

9 Asehontsika koa hoe tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, raha manao izay azontsika atao mba hihavanana foana amin-dry zareo. Miezaka mafy isika mba hamela heloka hoatran’i Jehovah. Izy aza namela ny Zanany ho faty noho ny fahotantsika. Tsy tokony ho vonona hamela an’ireo rahalahy sy anabavy koa ve isika, rehefa manota amintsika ry zareo? Tsy te ho hoatran’ilay mpanompo ratsy fanahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy isika. Efa nafoin’ny tompony ny trosa be tany aminy, nefa izy tsy mba nahafoy an’ilay trosa kely tany amin’ny mpanompo namany. (Mat. 18:23-35) Ahoana àry raha misy olona tsy mifankahazo aminao ao amin’ny fiangonanareo? Sao dia afaka manao ny dingana voalohany ianao mba hihavanana aminy, alohan’ny hanatrehana ny Fahatsiarovana? (Mat. 5:23, 24) Ho hita avy amin’izany hoe tena tia an’i Jehovah sy Jesosy ianao.

10-11. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe tia an’i Jehovah sy Jesosy ry zareo? (1 Petera 5:1, 2)

10 Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe tia an’i Jehovah sy Jesosy ry zareo? Tena zava-dehibe ny ikarakaran-dry zareo an’izay ilain’ny ondrin’i Jesosy. (Vakio ny 1 Petera 5:1, 2.) Nataon’i Jesosy mazava tsara izany tamin’izy niresaka tamin’ny apostoly Petera. Rehefa avy nanda an’i Jesosy intelo izy, dia azo inoana hoe te hitady hevitra mafy mba hanaporofoana fa tiany i Jesosy. Nanontany azy hoatr’izao i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty: “Simona zanak’i Jaona, tia ahy ve ianao?” Azo antoka hoe vonona hanao an’izay rehetra nangatahin’ny Tompony i Petera mba hanaporofoana hoe tiany izy. Niteny taminy i Jesosy hoe: “Andraso àry ny ondrikeliko.” (Jaona 21:15-17) Izany mihitsy no nataon’i Petera nandritra ny androm-piainany. Nikarakara tamim-pitiavana ny ondrin’ny Tompony izy mba hanaporofoana ny fitiavany azy.

11 Ry anti-panahy, ahoana no ampisehoanareo hoe tsy nataonareo raraka an-tany ilay tenin’i Jesosy tamin’i Petera, amin’izao vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana izao? Manaova fitsidihan’ondry tsy tapaka sy ezaka manokana mba hanampiana an’izay tsy mitory intsony hiverina amin’i Jehovah. (Ezek. 34:11, 12) Asehonareo amin’izany hoe tena tia an’i Jehovah sy Jesosy ianareo. Miezaha koa mba hiahy ny mpianatra Baiboly sy ireo vaovao manatrika Fahatsiarovana. Mety ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy mantsy izy ireny, indray andro any. Ataovy àry izay hahatsapany hoe noraisina tsara izy!

BE HERIM-PO ISIKA SATRIA TIA AN’I KRISTY

12. Nahoana isika no ho be herim-po, raha misaintsaina ny tenin’i Jesosy tamin’ilay alina talohan’ny nahafatesany? (Jaona 16:32, 33)

12 Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Eo amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa manàna herim-po! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Vakio ny Jaona 16:32, 33.) Be herim-po i Jesosy tamin’izy norahonan’ny fahavalony sady tsy nivadika mandra-pahafatiny. Ahoana no nahavitany an’izany? Niantehitra tamin’i Jehovah izy. Fantany hoe hiatrika fitsapana hoatr’izany koa ny mpanara-dia azy, dia niangavy an’i Jehovah izy mba hiaro an-dry zareo. (Jaona 17:11) Nahoana izany no mampahery antsika? Satria i Jehovah mahery noho ny fahavalontsika, na iza io na iza. (1 Jaona 4:4) Hitany daholo izay mitranga. Matoky àry isika hoe tsy ho resin’ny tahotra sy ho be herim-po raha miantehitra aminy.

13. Ahoana no nampisehoan’i Josefa avy any Arimatia hoe be herim-po izy?

13 Diniho ny ohatr’i Josefa avy any Arimatia. Nohajaina be teo amin’ny fiaraha-monina izy satria anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Tsy nanana herim-po mihitsy anefa izy nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Nilaza i Jaona hoe “mpianatr’i Jesosy io Josefa io, saingy tsy niteniteny izy noho ny fahatahorany ny Jiosy.” (Jaona 19:38) Liana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izy, nefa tsy nisehoseho mihitsy hoe nino an’i Jesosy. Natahotra angamba izy sao ho very seza. Niova anefa izany rehefa maty i Jesosy. Resahin’ny Baiboly hoe “nisikina herim-po izy ka nankany amin’i Pilato, dia nangataka ny fatin’i Jesosy.” (Mar. 15:42, 43) Tsy niafinafina intsony àry i Josefa, fa nampiseho hoe manohana an’i Jesosy!

14. Inona no tokony hataonao raha matahotra olona ianao?

14 Matahotra olona hoatran’i Josefa ve ianao? Menamenatra ve ianao indraindray ny hilaza hoe Vavolombelon’i Jehovah, rehefa any am-pianarana na any am-piasana? Efa afaka mitory na azo atao batisa ve ianao nefa ahemotrao foana ilay izy, satria manahy ny amin’izay hoeritreretin’ny olona momba anao ianao? Aza avela hisakana anao tsy hanao izay tokony hatao ny fihetseham-po hoatr’izany. Mivavaha mafy. Iangavio i Jehovah mba hanampy anao ho be herim-po, ka hahavita hanao ny sitrapony. Vao mainka ianao hatanja-tsaina sy ho be herim-po rehefa hitanao ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka nataonao.​—Isaia 41:10, 13.

MANDRISIKA ANTSIKA HANOMPO AN’I JEHOVAH FOANA NY FIFALIANA

15. Faly ny mpianatra rehefa niseho tamin-dry zareo i Jesosy. Nandrisika an-dry zareo hanao inona izany? (Lioka 24:52, 53)

15 Nalahelo be ny mpianatra rehefa maty i Jesosy. Eritrereto ange ny fihetseham-pon-dry zareo e! Tsy vitan’ny hoe nafoiny ilay namana tena tiany, fa hoatran’ny hoe very fanantenana koa ry zareo. (Lioka 24:17-21) Rehefa niseho tamin’ny mpianany anefa i Jesosy, dia naka fotoana tsara mba hanampiana an-dry zareo hahazo hoe nanatanteraka ny faminanian’ny Baiboly izy. Nomeny asa lehibe hatao koa ry zareo. (Lioka 24:26, 27, 45-48) Niakatra tany an-danitra i Jesosy 40 andro taorian’izay. Tsy nalahelo intsony ny mpianatra tamin’izay fa faly be indray! Fa naninona? Satria fantany hoe velona ny Tompony, ary vonona hanampy an-dry zareo hanatanteraka an’ilay asa vaovao nasainy natao. Faly ry zareo dia tsy nitsahatra nidera an’i Jehovah.​—Vakio ny Lioka 24:52, 53; Asa. 5:42.

16. Ahoana no anahafantsika ny mpianatr’i Jesosy?

16 Ahoana no anahafantsika ny mpianatr’i Jesosy? Manahaka an-dry zareo isika raha faly manompo an’i Jehovah foana mandritra ny taona, fa tsy mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana ihany. Ho vitantsika izany raha ny Fanjakan’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Betsaka, ohatra, no nanova ny fotoana iasany, mba ho afaka hanompo sy hivory ary hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka. Nisy Kristianina aza nifidy ny tsy hanana an’ireo zavatra heverin’ny olona hoe ilaina, amin’izay mba afaka manao betsaka kokoa ho an’ny fiangonana na manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Tsy hahavita hanompo an’i Jehovah foana aloha isika raha tsy miaritra e! Mampanantena anefa izy hoe tena hitahy antsika, raha ilay Fanjakana no ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana.​—Ohab. 10:22; Mat. 6:32, 33.

Makà fotoana mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana mba hisaintsainana an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho anao (Fehintsoratra 17)

17. Tapa-kevitra hanao inona ianao amin’izao vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana izao? (Jereo ny sary.)

17 Efa tsy andrintsika ny hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ny Talata 4 Aprily. Aza miandry an’io fotoana io anefa vao hisaintsaina ny fiainan’i Jesosy sy ny fahafatesany, ary ny fitiavana nasehon’izy sy Jehovah ho antsika. Makà fotoana hanaovana an’izany mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana, isaky ny mahita hirika ianao. Azonao atao, ohatra, ny manokana fotoana hamakiana sy hisaintsainana an’ireo zava-nitranga ao amin’ilay tabilao hoe “Ny Herinandro Farany Niainan’i Jesosy Teto An-tany.” Hahita azy io ianao ao amin’ilay Fanazavana Fanampiny B12, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Rehefa mamaky ny tantaran’i Jesosy ianao, dia tadiavo izay andinin-teny hanampy anao hahay hankasitraka, ho be fitiavana, ho be herim-po, ary ho faly kokoa. Jereo avy eo izay azonao atao mba hampisehoana hoe tena mankasitraka azy amin’ny fonao manontolo ianao. Matokia fa ho sarobidy amin’i Jesosy izay rehetra ataonao mba hahatsiarovana azy, mandritra an’izao vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana izao.​—Apok. 2:19.

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

a Ampirisihina isika mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana mba hisaintsaina ny fiainan’i Jesosy sy ny fahafatesany, ary ny fitiavana nasehon’izy sy ny Rainy ho antsika. Handrisika antsika hanao zavatra izany. Inona no azontsika atao mba hampisehoana fa mankasitraka ny vidim-panavotana isika, ary tia an’i Jehovah sy Jesosy? Inona no handrisika antsika ho tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika, sy haneho herim-po, ary ho faly rehefa manompo?