Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 1

Resy Lahatra Isika fa “Fahamarinana” ny Tenin’Andriamanitra

Resy Lahatra Isika fa “Fahamarinana” ny Tenin’Andriamanitra

ANDININ-TENY HO AN’NY TAONA 2023: “Fahamarinana no votoatin’ny teninao.”​—SAL. 119:160.

HIRA 96 Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra

HO HITANAO ATO a

1. Fa maninona ny olona maro no tsy matoky ny Baiboly?

 BETSAKA izao ny olona tsy mahalala hoe iza no azony itokisana. Lasa saina ry zareo raha mba mieritreritra an’izay hahasoa azy ihany ny olona andrandrainy, ohatra hoe ny mpanao politika sy ny mpahay siansa ary ny mpandraharaha. Tsy tena manaja ny mpitondra fivavahana milaza azy ho Kristianina koa ny olona. Tsy mahagaga àry raha betsaka no tsy matoky ny Baiboly. Io boky io mantsy no lazain’ireny mpitondra fivavahana ireny hoe arahiny.

2. Tsy maintsy resy lahatra ny amin’inona isika? (Salamo 119:160)

2 Mpanompon’i Jehovah isika, ka resy lahatra hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” izy, ary izay tsara indrindra foana no tiany homena antsika. (Sal. 31:5; Isaia 48:17) Fantatsika hoe afaka matoky ny Baiboly isika, satria “fahamarinana no votoatin’ny [tenin’Andriamanitra].” b (Vakio ny Salamo 119:160.) Mitovy hevitra amin’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly isika. Izao no nosoratany: “Mbola tsy nisy diso izay nolazain’Andriamanitra hatramin’izay, ary tsy atahorana hitranga izany. Afaka matoky an’izay lazainy ny vahoakany, satria ry zareo matoky an’ilay Andriamanitra niteny an’ilay izy.”

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Ahoana no anampiantsika ny olona mba hatoky ny Tenin’Andriamanitra hoatr’antsika? Andao isika hiresaka antony telo mahatonga antsika hatoky ny Baiboly. Hodinihintsika hoe marina tsara izay voasoratra ao, tanteraka ny faminaniana ao, ary mahavita manova fiainan’olona izy io.

TSY NISY NAHAVITA NANOVA NY HAFATRA AO AMIN’NY BAIBOLY

4. Nahoana ny olona sasany no tsy matoky hoe marina tsara ny Baiboly?

4 Nampiasa lehilahy manam-pinoana 40 teo ho eo i Jehovah Andriamanitra mba hanoratra ny boky ao amin’ny Baiboly. Tsy misy sora-tanan-dry zareo voatahiry hatramin’izao anefa. Natao dika mitovy na kopia kosa izy ireny, ary ireny kopia ireny indray no mbola natao kopia, dia izay no ananantsika. Misalasala àry ny olona sasany raha mbola marina tsara sy mifanaraka amin’ilay tany am-boalohany izay vakintsika ao amin’ny Baiboly amin’izao. Efa nieritreritra an’izany ve ianao?

Tena nikaly asa ireo mpanao dika soratra matihanina nanao kopia ny Soratra Hebreo, mba ho azo antoka hoe marina tsara ny Tenin’Andriamanitra nadikany (Fehintsoratra 5)

5. Ahoana no nanaovana kopia ny Soratra Hebreo? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

5 Nasain’i Jehovah natao dika mitovy ny teniny, mba hiarovana ny hafatra raketiny. Nasainy nadikan’ny mpanjakan’ny Israely, ohatra, ny Lalàna, amin’izay ry zareo manana ny azy manokana. Notendreny koa ny Levita mba hampianatra an’io Lalàna io ny vahoaka. (Deot. 17:18; 31:24-26; Neh. 8:7) Rehefa avy natao sesitany tany Babylona ny Jiosy, dia nisy mpanao dika soratra matihanina maromaro nanomboka nanao kopia ny Soratra Hebreo ary nataony be dia be ilay izy. (Ezra 7:6, f.a.p.) Nikaly asa ireny lehilahy ireny. Nisy aza nanomboka nanisa ny litera tsirairay mihitsy tatỳ aoriana, fa tsy ny teny fotsiny, amin’izay azo antoka hoe marina tsara izay voadika. Na izany aza, dia nisy diso kely vitsivitsy tafiditra ihany tao amin’ny Baiboly, satria tsy lavorary ireny olona ireny. Betsaka anefa ny kopia natao, dia hita ihany izay diso tatỳ aoriana. Ahoana no nahitana an’izany?

6. Ahoana no nahitana an’izay diso tao amin’ny kopian’ny Baiboly?

6 Ahoana no nataon’ny manam-pahaizana mba hamantarana an’izay diso nataon’ireo mpanao dika soratra ireo? Nahita fomba azo antoka ry zareo. Eritrereto ity ohatra ity: Andao hatao hoe misy lehilahy 100 asaina mandika tanana ny soratra amin’ny pejy anankiray. Manao diso kely ny iray amin-dry zareo. Ho hita anefa iny diso iny raha ampitahaina amin’ny kopia hafa rehetra ny azy. Hoatr’izany koa no nataon’ny manam-pahaizana, mba hahitana an’izay diso na teny latsaka tao amin’ny kopia nataon’ny mpanao dika soratra iray. Nampitaha Baiboly sora-tanana maromaro ry zareo.

7. Inona no porofo hoe nikaly tsara ny asany ny mpanao dika soratra?

7 Niezaka mafy izay nanao dika mitovy ny Baiboly mba ho marina tsara ny zavatra nadikany. Andao isika handinika porofo iray. Vita tamin’ny 1008 na 1009 ny sora-tanana tranainy indrindra amin’ny Soratra Hebreo manontolo. Kôdeksa Leningrad no iantsoana azy io. Nisy Baiboly sora-tanana na ampahany amin’izany anefa hita vao haingana. Arivo taona teo ho eo talohan’ny Kôdeksa Leningrad ireo Baiboly sora-tanana ireo no vita, ary efa naverina nadika imbetsaka izy ireny nandritra ny 1 000 taona. Mety hisy hieritreritra àry hoe zara raha hisy hitovizany amin’ireny sora-tanana tranainy kokoa ireny ny Kôdeksa Leningrad. Diso anefa izany! Nampitahain’ny manam-pahaizana tamin’ny sora-tanana tranainy kokoa ireo hita tatỳ aoriana. Dia inona no vokany? Hitan-dry zareo hoe tsy niova ny hafatra ao amin’ny Baiboly, na dia niova kely aza ny fomba nanoratana ny teny sasany.

8. Inona no tsy mampitovy ny kopian’ny Soratra Grika Kristianina amin’ny kopian’ny boky tranainy hafa?

8 Nanahaka ny nataon’ny mpanao kopia an’ny Soratra Hebreo koa ny Kristianina voalohany. Nitandrina tsara ry zareo rehefa nanao kopia an’ireo boky 27 ao amin’ny Soratra Grika. Nampiasain-dry zareo izany rehefa nivory sy nitory. Izao no nolazain’ny manam-pahaizana iray, rehefa nampitaha ny Soratra Grika sora-tanana tamin’ny asa soratra hafa tamin’izany fotoana izany izy: ‘Amin’ny ankapobeny, dia betsaka kokoa sady feno kokoa [ny kopian’ny Soratra Grika sora-tanana], raha oharina amin’ny an’ny boky hafa.’ Izao no nolazain’ny boky Famakafakana ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Afaka matoky isika hoe mifanaraka tsara amin’izay nosoratan’ny mpanoratra fahiny, ny zavatra vakintsika ao amin’ny [Soratra Grika] maoderina voadika tsara.”

9. Inona no lazain’ny Isaia 40:8 momba ny hafatra ao amin’ny Baiboly?

9 Betsaka ny mpanao dika soratra nitandrina be nandritra ny taonjato maro rehefa nanao dika mitovy. Marina tsara àry ny Baiboly vakintsika sy ianarantsika amin’izao. c Fantatsika fa i Jehovah no niaro ny hafatra tiany hampitaina ho an’ny olombelona mba ho marina tsara sy ho tody hatratỳ amintsika. (Vakio ny Isaia 40:8.) Mety hisy hilaza indray anefa hoe: ‘Fa angaha raha hoe tsy niova ny hafatra ao amin’ny Baiboly, dia midika izany fa avy amin’Andriamanitra izy io?’ Andao àry hoporofointsika fa tena avy aminy ny Baiboly.

AZO ANTOKA NY FAMINANIAN’NY BAIBOLY

Havia: C. Sappa/DeAgostini/Getty Images; havanana: Image © Homo Cosmicos/Shutterstock

Tanteraka ny faminanian’ny Baiboly na taloha na amin’izao (Fehintsoratra 10-11) e

10. Milazà faminaniana iray tanteraka manaporofo fa marina ny voalazan’ny 2 Petera 1:21. (Jereo ny sary.)

10 Be dia be ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka. Ny sasany aza nosoratana an-jatony taona talohan’ny nahatanterahany. Noporofoin’ny tantara koa fa tena tanteraka izy ireny. Tsy mahagaga antsika izany, satria fantatsika hoe i Jehovah no nampanoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. (Vakio ny 2 Petera 1:21.) Eritrereto ilay faminaniana momba ny tanànan’i Babylona. Nahazo fanahy masina i Isaia mpaminany tamin’ny taonjato fahavalo T.K., dia nilaza hoe ho resy i Babylona. Natanjaka be anefa izy io tamin’izany. Na ny anaran’ilay olona handresy an’i Babylona aza nolazain’i Isaia. Tsy iza izany fa i Kyrosy. Nolazainy tamin’ny an-tsipiriany koa hoe ahoana no haharesy an’io tanàna io. (Isaia 44:27–45:2) Tsy izay ihany fa naminany i Isaia hoe ho rava izy io ary tsy hisy hipetraka intsony any. (Isaia 13:19, 20) Izany mihitsy no nitranga! Resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona tamin’ny 539 T.K., ary korontam-bato sisa no niafaran’ilay tanàna natanjaka be.​—Jereo ilay video hoe Nilaza Mialoha ny Baiboly fa ho Resy i Babylona, ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, lesona faha-3, hevitra faha-5 (endrika elektronika).

11. Nahoana ny Daniela 2:41-43 no tanteraka amin’izao?

11 Tsy taloha ihany ny faminanian’ny Baiboly no tanteraka fa amin’izao koa. Miavaka, ohatra, ny fomba ahatanterahan’ilay faminanian’i Daniela momba ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. (Vakio ny Daniela 2:41-43.) Resahin’ilay faminaniana hoe hisy ‘ampahany hatanjaka’ toy ny vy io firenena io, ary hisy ‘ampahany halemy’ toy ny tanimanga. Tanteraka izany. Nasehon’i Grande-Bretagne sy Amerika mantsy hoe matanjaka hoatran’ny vy ry zareo, satria anisan’ny tena nahatonga an’ilay fandresena tamin’ireo ady lehibe roa. Mbola manana tafika mahery be koa ry zareo. Hoatran’ny hoe malemy anefa ireo firenena ireo noho ny ataon’ny mponina ao aminy. Matetika mantsy ry zareo no manao hetsika hitakiana ny zon’ny mpiasa na zo hafa, na mitokona mba hanohitra ny orinasa sy ny fanjakana. Izao no nolazain’ny manam-pahaizana iray momba ny politika eran-tany: “Tsy misy firenena demokratika ka hoe mandroso, nefa misara-bazana hoatran’i Etazonia amin’ny resaka politika.” Misara-bazana hoatr’izany koa ny any Grande-Bretagne, indrindra nandritra ireo taona vitsivitsy lasa. Tsy mifanaraka mantsy ry zareo hoe mbola hiaraka amin’ny Vondrona Eoropeanina sa tsia. Tsy tena afaka mandray fanapahan-kevitra hentitra ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina vokatr’izany.

12. Resy lahatra ny amin’inona isika rehefa mandinika ny faminanian’ny Baiboly?

12 Vao mainka isika matoky hoe azo antoka ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny hoavy, rehefa mahita hoe betsaka ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka. Mitovy fihetseham-po amin’ny mpanao salamo isika. Izao no noresahiny tamin’i Jehovah: “Tsy andriko izay hamonjenao ahy, satria ny teninao no antenaiko.” (Sal. 119:81) Hita ao amin’ireo pejin’ny Baiboly fa te hanome “hoavy tsara sy fanantenana” ho antsika i Jehovah. (Jer. 29:11) Miankina amin’ny fampanantenan’i Jehovah ny hoavintsika, fa tsy amin’ny ezaka ataon’ny olombelona. Enga anie isika hazoto hianatra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, amin’izay isika hatoky foana ny Tenin’Andriamanitra!

MANAMPY OLONA AN-TAPITRISANY NY TOROHEVITRY NY BAIBOLY

13. Inona koa no manaporofo hoe azo itokisana ny Baiboly, araka ny Salamo 119:66, 138?

13 Voaporofo koa hoe azo itokisana ny Baiboly, rehefa jerena ny fiovana vitan’ny olona nanaraka ny torohevitr’izy io. (Vakio ny Salamo 119:66, 138.) Nisy mpivady, ohatra, efa saika hisaraka mihitsy, nefa lasa sambatra sy miray saina izao. Faly erỳ ny zanak’izy ireo sady tsy manana ahiahy, satria mikarakara sy tia azy ny ray aman-dreniny!​—Efes. 5:22-29.

14. Manomeza ohatra mampiseho hoe mihatsara ny olona rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly.

14 Na jiolahy mampidi-doza aza niova rehefa nampihatra ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly. Hoatr’izany ilay gadra antsoina hoe Jack. d Jiolahy nahery setra be izy sady nalaza hoe anisan’ny nampidi-doza indrindra tamin’ny gadra voaheloka ho faty. Nisy gadra nianatra Baiboly anefa, dia mba nanatrika teo koa i Jack. Tsara fanahy be ireo rahalahy nampianatra Baiboly, dia nanohina ny fony izany. Nanomboka nianatra koa àry izy. Lasa tsara fitondran-tena izy rehefa nampihatra an’izay nianarany, ary nanomboka niova hatramin’ny toetrany. Nahafeno fepetra ho mpitory i Jack tatỳ aoriana ary natao batisa. Nafana fo erỳ izy nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny gadra hafa, dia efatra, fara fahakeliny, no nampiany hianatra ny fahamarinana. Efa olom-baovao i Jack rehefa tonga ilay andro hamonoana azy. Izao no nolazain’ny mpisolovavany: “Hafa mihitsy io Jack io, fa tsy ilay fantatro 20 taona lasa izay. Nanova ny fiainany ny zavatra nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Marina hoe novonoina ihany i Jack. Hita tamin’ny fiainany anefa hoe azo itokisana ny Tenin’Andriamanitra, ary tena mahery satria mahavita manatsara toetran’olona.​—Isaia 11:6-9.

Nihatsara ny fiainan’ny olona maro rehefa narahiny ny torohevitry ny Baiboly. Avy amin’ny fiaviana, kolontsaina, foko, ary saranga samihafa ry zareo (Fehintsoratra 15) f

15. Nahoana no miavaka ny vahoakan’i Jehovah rehefa mampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? (Jereo ny sary.)

15 Miray saina ny vahoakan’i Jehovah satria mampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Jaona 13:35; 1 Kor. 1:10) Vao mainka miharihary fa mihavana sy miray saina isika, rehefa jerena ny olona manodidina antsika. Misara-bazana mantsy ry zareo noho ny politika sy ny firazanana ary ny saranga. Nisy vokany be tamin’ny tovolahy atao hoe Jean ny firaisan-tsain’ny vahoakan’i Jehovah. Tany Afrika izy no lehibe. Lasa nanao miaramila izy rehefa raikitra ny ady an-trano. Nitsoaka tany amin’ny firenena afrikanina teo akaiky teo anefa izy tatỳ aoriana. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’izay. Izao no nolazainy: “Nianarako hoe tsy midikiditra amin’ny politika ny olona manaraka ny fivavahana marina sady tsy misara-bazana. Mifankatia kosa ry zareo.” Izao koa no noteneniny: “Nanokan-tena hiaro firenena iray aho taloha. Rehefa nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa aho, dia nanapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah.” Niova tanteraka i Jean. Tsy miady amin’ny olona tsy iray foko na firenena aminy intsony izy, fa mitory ny fahamarinana amin’izay rehetra mihaona aminy. Mampiray saina mantsy izy io. Matoa ny torohevitry ny Baiboly mety amin’ny karazan’olona maro hoatr’izany, dia porofo tsy azo lavina izany hoe azo itokisana ny Tenin’Andriamanitra!

MIEZAHA FOANA HATOKY HOE FAHAMARINANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

16. Nahoana isika no tokony hiezaka hatoky kokoa ny Tenin’Andriamanitra?

16 Miharatsy izao tontolo izao ka mety ho sarotra amintsika ny hatoky ny Tenin’Andriamanitra. Mety hataon’ny olona izay hampisalasala antsika hoe marina ve ny lazain’ny Baiboly, na hoe tena notendren’i Jehovah hitarika ny vahoakany ve ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Raha resy lahatra anefa isika hoe marina foana ny Tenin’i Jehovah, dia ho vitantsika ny hiaro ny finoantsika. Ho ‘tapa-kevitra hankatò ny fitsipik’i [Jehovah] foana isika, hatramin’ny farany.’ (Sal. 119:112) “Tsy ho menatra” isika hampahafantatra ny fahamarinana amin’ny olona, sy hampirisika an-dry zareo hampihatra ny torohevitry ny Baiboly. (Sal. 119:46) Na miatrika ny mafy indrindra aza isika, ohatra hoe fanenjehana, dia hahavita hiaritra an’izany sady “hanam-paharetana sy ho falifaly.”​—Kol. 1:11; Sal. 119:143, 157.

17. Hampahatsiahy antsika inona ny andinin-teny ho an’ny taona?

17 Tena mankasitraka an’i Jehovah isika satria nampahafantatra antsika ny fahamarinana izy. Manampy antsika ho tony sy tsy hatahotahotra ny fahamarinana. Mampianatra antsika mazava tsara koa izy io hoe ahoana no tokony hitondrantsika ny fiainantsika eto amin’ity tontolo mikorontana ity. Ankoatra izany, dia manome antsika fanantenana tsara momba ny hoavy izy io, rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Enga anie ny andinin-teny ho an’ny taona 2023 hanampy antsika ho resy lahatra foana hoe fahamarinana no votoatin’ny Tenin’Andriamanitra!​—Sal. 119:160.

HIRA 94 Jehovah ô, Misaotra Noho ny Teninao!

a Manatanjaka finoana ilay andinin-teny nofidina ho an’ny taona 2023 hoe: “Fahamarinana no votoatin’ny teninao.” (Sal. 119:160) Azo inoana fa manaiky an’izany ianao. Betsaka anefa no tsy mino hoe marina izay lazain’ny Baiboly, ary afaka manome tari-dalana azo antoka izy io. Ahoana àry no handresentsika lahatra ny olona tso-po hoe afaka matoky ny Baiboly sy ny toroheviny izy ireo? Handinika porofo telo azo ampiasaina isika ato.

b FANAZAVANA: Ilay teny hebreo nadika hoe ‘votoatiny’ eo amin’io andininy io, dia midika hoe fitambarany, tontaliny, na ny tena fototry ny zavatra iray.

c Hazavaina ao amin’ny jw.org/mg ny fomba niarovana ny Baiboly. Soraty eo amin’ilay hoe “Hikaroka” ny hoe “Tantara sy Baiboly.

d Novana ny anarana sasany.

e SARY: Na dia natanjaka be aza ny tanànan’i Babylona, dia nilaza mialoha Andriamanitra hoe ho rava izy io.

f SARY: (Tsy tena izy) Tsy niady intsony ny tovolahy iray, rehefa nianarany avy tao amin’ny Baiboly hoe ahoana no hatao mba hihavanana amin’ny hafa sy hanampiana an-dry zareo hanao hoatr’izany.