Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 4

Tahin’i Jehovah ny Ezaka Ataontsika Hanatrehana Fahatsiarovana

Tahin’i Jehovah ny Ezaka Ataontsika Hanatrehana Fahatsiarovana

Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”​—LIOKA 22:19.

HIRA 19 Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

HO HITANAO ATO a

1-2. Nahoana isika no manatrika ny Fahatsiarovana isan-taona?

 NANOME ny ainy ho antsika i Jesosy, efa ho 2 000 taona izay. Lasa afaka ny hiaina mandrakizay àry isika. Nandidy ny mpanara-dia azy izy ny alina talohan’ny nahafatesany, mba hahatsiaro an’iny porofom-pitiavana nasehony iny. Nasainy nanao fankalazana tsotra ry zareo, ary mofo sy divay no nampiasainy.​—1 Kor. 11:23-26.

2 Mankatò ny didin’i Jesosy isika, satria tiantsika be izy. (Jaona 14:15) Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka ny nataony isika, rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana? Maka fotoana hivavahana sy hisaintsainana isika hoe nahoana no zava-dehibe ny nahafatesany. Faly koa isika mampitombo ny fanompoantsika, sy manasa olona faran’izay betsaka mba hanatrika an’io fotoana miavaka io. Mazava ho azy fa tapa-kevitra koa isika hoe tsy misy avelantsika hisakana antsika tsy hanatrika Fahatsiarovana.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Niezaka be ny vahoakan’i Jehovah mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy. Handinika fomba telo nanaovan-dry zareo an’izany isika ato: 1) Narahin-dry zareo indray ny modely nomen’i Jesosy. 2) Manasa ny olon-kafa hanatrika ny Fahatsiarovana ry zareo. Ary 3) manatrika azy io foana ry zareo, na dia ao anatin’ny sarotra aza.

NARAHINA INDRAY NY MODELY NOMEN’I JESOSY

4. Inona ny fahamarinana asongadina isaky ny Fahatsiarovana, ary nahoana ireny no zava-dehibe amintsika? (Lioka 22:19, 20)

4 Mihaino lahateny ara-baiboly isika isan-taona rehefa Fahatsiarovana. Misy fanontaniana maromaro valiana mazava tsara mandritra an’izy io. Ianarantsika hoe nahoana ny olombelona no mila vidim-panavotana, ary nahoana ny fahafatesan’ny olona iray no mahavita manarona ny fahotan’ny maro. Ampahatsiahivina antsika any koa hoe inona no mifanitsy amin’ny mofo sy ny divay, ary iza no tokony hihinana sy hisotro amin’ireo. (Vakio ny Lioka 22:19, 20.) Misaintsaina ny fitahiana omanina ho an’izay manantena hiaina eto an-tany koa isika any. (Isaia 35:5, 6; 65:17, 21-23) Tokony ho zava-dehibe amintsika ireo fahamarinana ireo. Olona an’arivony tapitrisa mantsy no tsy mahafantatra an’ireo sady tsy azon’izy ireo ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy. Tsy arahiny koa ny modely nomen’i Jesosy, rehefa mahatsiaro ny nahafatesany ry zareo. Fa maninona isika no milaza an’izany?

5. Inona no nitranga tamin’ilay modely nomen’i Jesosy, rehefa maty ny ankamaroan’ny apostoly?

5 Tsy ela taorian’ny nahafatesan’ny ankamaroan’ny apostolin’i Jesosy, dia lasa nisy Kristianina sandoka tao amin’ny fiangonana. (Mat. 13:24-27, 37-39) Nampianatra “zavatra diso” izy ireny “mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asa. 20:29, 30) Anisan’ny “zavatra diso” nampianarin-dry zareo tatỳ aoriana hoe tsy nanolotra ny vatany “indray mandeha fotsiny” i Jesosy “mba hitondra ny fahotan’ny olona maro”, araka ny lazain’ny Baiboly. Tsy maintsy averina im-be dia be, hono, ny sorona nataony. (Heb. 9:27, 28) Betsaka ny olona tso-po mino an’izany fampianaran-diso izany. Mandeha miangona tsy tapaka ry zareo, na isan’andro mihitsy aza indraindray, mba hankalaza an’ilay antsoin-dry zareo hoe “Sorona Masina.” b Ny fivavahana hafa indray tsy matetika be hoatr’izany no mankalaza ny nahafatesan’i Jesosy, nefa zara raha mahafantatra ny soa azo avy amin’ny soron’i Jesosy ny mpiangona ao aminy. Lasa saina ry zareo hoe: ‘Tena afaka ny ho voavela marina ve ny fahotako rehefa maty i Jesosy?’ Mieritreritra an’izany ry zareo, satria nisy olona nandresy lahatra azy hoe tsy ahazoana famelan-keloka ny soron’i Jesosy. Ahoana kosa no nataon’ny tena mpanara-dia an’i Kristy?

6. Inona no lasa azon’ny Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy, tamin’ny 1872?

6 Nanomboka nandalina ny Soratra Masina i Charles Russell sy ny Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy, tamin’ny 1870. Tian-dry zareo ho fantatra mantsy ny marina momba ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy, sy ny fomba tokony hankalazana ny nahafatesany. Hitan-dry zareo tamin’ny 1872 hoe tena nanome vidim-panavotana ho an’ny olombelona rehetra i Jesosy. Tsy notazoniny ho azy irery anefa ny zavatra vaovao fantany, fa navoakany tamin’ny boky sy gazety. Tsy ela dia nanao hoatran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ry zareo, ka nanomboka nankalaza ny Fahatsiarovana indray mandeha isan-taona.

7. Nahoana isika no mandray soa avy amin’ny fikarohana nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly voalohandohany?

7 Mandray soa avy amin’ny fikarohana nataon’ireny Kristianina tso-po ireny isika, na dia efa ela aza izany. Notahin’i Jehovah mantsy isika, ka lasa mahafantatra ny marina momba ny soron’i Jesosy sy ny soa azo avy amin’izany. (1 Jaona 2:1, 2) Nianarantsika koa hoe misy fanantenana roa omen’Andriamanitra ho an’ny olona ankasitrahany. Ho lasa tsy mety maty any an-danitra ny sasany, fa hiaina mandrakizay eto an-tany kosa ny olona an-tapitrisany. Vao mainka mifandray akaiky amin’i Jehovah isika, rehefa misaintsaina ny haben’ny fitiavany antsika sy ny soa be dia be azontsika tsirairay avy amin’ny soron’i Jesosy. (1 Pet. 3:18; 1 Jaona 4:9) Manao hoatran’ireo rahalahintsika tsy nivadika taloha àry isika, ka manasa ny olon-kafa mba hiaraka amintsika hanatrika ny Fahatsiarovana araka ny modely nomen’i Jesosy.

MANASA NY OLON-KAFA HANATRIKA NY FAHATSIAROVANA

Inona no azonao atao mba handraisana anjara faran’izay betsaka amin’ny ezaka manokana hizarana fanasana Fahatsiarovana? (Fehintsoratra 8-10) e

8. Inona no nataon’ny vahoakan’i Jehovah mba hanasana olona hanatrika ny Fahatsiarovana? (Jereo ny sary.)

8 Efa ela ny vahoakan’i Jehovah no nanasa olona hanatrika Fahatsiarovana. Nasaina hivory tao amin’ny tranon’ny rahalahy iray tany Allegheny, any Pennsylvanie, ny mpiara-manompo tany Etazonia tamin’ny 1881, mba hanatrika an’io fotoan-dehibe io. Samy nanao ny fahatsiarovany kosa ny fiangonana tsirairay tatỳ aoriana. Nolazaina tamin’ny mpitory tamin’ny Martsa 1940 hoe afaka manasa an’izay liana ao amin’ny faritaniny ry zareo. Tamin’ny 1960 ny Betela vao nanao pirinty fanasana ho an’ny fiangonana. An’arivony tapitrisa ny fanasana nozaraina nanomboka teo. Fa maninona isika no manokana fotoana be sy miezaka be hoatr’izany mba hanasana olona?

9-10. Iza no mandray soa rehefa miezaka manasa olona hanatrika ny Fahatsiarovana isika? (Jaona 3:16)

9 Inona, ohatra, no mahatonga antsika hanasa olona hanatrika ny Fahatsiarovana miaraka amintsika? Satria tiantsika izay sambany vao manatrika azy io, mba hahafantatra ny marina momba an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika rehetra. (Vakio ny Jaona 3:16.) Manantena isika hoe hahatonga an-dry zareo ho vao mainka te hianatra sy ho lasa mpanompon’i Jehovah ny zavatra hitany sy henony any. Misy hafa mandray soa koa anefa.

10 Asaintsika koa izay tsy manompo an’i Jehovah intsony. Mampahatsiahy azy mantsy izany hoe mbola tian’Andriamanitra izy. Betsaka no tonga ka faly be isika mahita an-dry zareo. Rehefa manatrika ny Fahatsiarovana izy, dia lasa mahatadidy hoe nahafinaritra be azy ny nanompo an’i Jehovah. Eritrereto i Monica. c Niverina nitory indray izy nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. Izao no nolazainy rehefa avy nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2021: “Niavaka iny Fahatsiarovana iny tamiko. Izay indray aho mantsy vao afaka nitory sy nanasa olona hanatrika ny Fahatsiarovana, tao anatin’izay 20 taona izay. Nataoko tamin’ny fo izany, satria tena ankasitrahako izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho ahy.” (Sal. 103:1-4) Na manaiky ny fanasantsika hanatrika Fahatsiarovana ny olona na tsia, dia mazoto manasa an-dry zareo isika. Fantatsika mantsy hoe mankasitraka ny ezaka ataontsika i Jehovah.

11. Ahoana no nitahian’i Jehovah ny ezaka nataontsika mba hanasana olona? (Hagay 2:7)

11 Tena notahin’i Jehovah ny ezaka nataontsika mba hanasana olona hanatrika Fahatsiarovana. Marina hoe voafetra ny azontsika natao tamin’ny 2021, vokatr’ilay valanaretina COVID-19. Na izany aza, dia nahatratra tampon’isa 21 367 603 ny mpanatrika! Efa ho avo roa heny sy sasany amin’ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany izany. Marina aloha hoe tsy ny isa no zava-dehibe amin’i Jehovah, fa ny olona tsirairay. (Lioka 15:7; 1 Tim. 2:3, 4) Resy lahatra anefa isika hoe rehefa manasa olona, dia ampian’i Jehovah mba hahita an’izay manana toe-po tsara.​—Vakio ny Hagay 2:7.

MANKALAZA NY FAHATSIAROVANA NA DIA AO ANATIN’NY SAROTRA AZA

Tahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanatrehana Fahatsiarovana (Fehintsoratra 12) f

12. Rahoviana no mety ho sarotra amintsika ny hankalaza ny Fahatsiarovana? (Jereo ny sary.)

12 Efa nilaza i Jesosy hoe hiatrika zava-tsarotra isan-karazany isika, mandritra ny andro farany. Eo ny fanoheran’ny fianakaviana, fanenjehana, ady, areti-mandringana, ary ny maro hafa. (Mat. 10:36; Mar. 13:9; Lioka 21:10, 11) Indraindray àry mety ho sarotra ny hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Ahoana anefa no nataon’ny rahalahy sy anabavintsika mba hahavitana an’izany foana, ary ahoana no nanampian’i Jehovah an-dry zareo?

13. Ahoana no nitahian’i Jehovah an’i Artem, noho izy be herim-po sy tapa-kevitra hanatrika Fahatsiarovana?

13 Fanagadrana. Migadra noho ny finoany ny rahalahintsika sasany. Manao izay azony atao anefa ry zareo mba hankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Eritrereto i Artem. Natao tao amina efitra kely izay izy nandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana, tamin’ny 2020. Efa-metatra mahery kely ny lavan’izy io, dia hoatroatr’izay koa ny sakany, nefa nisy fotoana dimy ry zareo no tao. Na dia nigadra aza anefa izy, dia nahavita nanangona an’izay nisy tao mba hatao mofo sy divain’ny Fahatsiarovana. Niomana hanao ny lahateny koa izy mba handraisany soa. Nifoka sigara sy niteny ratsy be anefa ny mpiara-migadra taminy. Dia ahoana no nataony? Niangaviany ry zareo mba tsy hanao an’ireo mandritra ny adiny iray fotsiny. Gaga be i Artem fa nanaiky ry zareo! Saika hiresaka tamin’ireo mpiara-migadra taminy ireo momba ny Fahatsiarovana izy, fa nilaza ry zareo hoe tsy te haheno momba an’izany. Rehefa nahita sy naheno an’i Artem nankalaza ny Fahatsiarovana anefa ry zareo, dia nanontanintany be momba an’ilay izy indray.

14. Inona ny ezaka natao mba hanatrehana ny Fahatsiarovana na dia teo aza ny COVID-19?

14 Valanaretina COVID-19. Rehefa nanomboka ilay valanaretina, dia tsy afaka nanatrika mivantana ny Fahatsiarovana ny vahoakan’i Jehovah. Tsy nahasakana an-dry zareo anefa izany. d Nankalaza ny Fahatsiarovana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence mantsy izay fiangonana nanana Internet. Dia ahoana anefa ny mpiara-manompo an-tapitrisany tsy manana Internet? Nisy fandaharana natao tany amin’ny tany sasany mba handefasana an’ilay lahateny tamin’ny tele na radio. Nanao zavatra hafa koa ny biraon’ny sampana maro. Noraisina feo tamin’ny fiteny 500 mahery ilay lahateny, amin’izay afaka mankalaza ny Fahatsiarovana na dia ny any amin’ny toerana mitokana aza. Nisy rahalahy tsy mivadika avy eo nanao izay hahazoan’ny mpiara-manompo tany an’izany.

15. Inona no ianaranao avy amin’i Suzy?

15 Fanoheran’ny fianakaviana. Ny fanoheran’ny fianakaviana no olana lehibe indrindra atrehin’ny olona sasany, ka lasa sarotra aminy ny manatrika ny Fahatsiarovana. Eritrereto ny nahazo ny mpianatra Baiboly atao hoe Suzy. Nilaza tamin’ny mpampianatra azy izy iray andro talohan’ny Fahatsiarovana, tamin’ny 2021, hoe tsy ho afaka hanatrika satria tsy avelan’ny ao an-trano. Novakin’ilay mpampianatra Baiboly ny Lioka 22:44. Nohazavainy taminy avy eo hoe rehefa miatrika zava-tsarotra isika, dia tokony hanao hoatran’i Jesosy ka hivavaka amin’i Jehovah sy hatoky tanteraka azy. Nanomana ny mofo sy ny divay i Suzy ny ampitson’iny, dia nijery an’ilay fotoam-pivavahana maraina manokana tao amin’ny jw.org. Nijanona irery tao amin’ny efitranony izy ny harivan’iny, dia nanaraka ny Fahatsiarovana tamin’ny telefaonina. Izao avy eo no nosoratan’i Suzy ho an’ilay mpampianatra azy: “Nampahery be ahy ianao omaly. Nanao izay rehetra azoko natao aho mba hanatrehana ny Fahatsiarovana, dia i Jehovah no nanao ny ambiny. Tsy hitako izay hilazana ny hafaliako, sady tena mankasitraka azy aho!” Mety ho afaka hanampy anao ve i Jehovah, araka ny hevitrao, raha miatrika zavatra hoatr’izany ianao?

16. Nahoana isika no matoky fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanatrehana ny Fahatsiarovana? (Romanina 8:31, 32)

16 Tena ankasitrahan’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Afaka matoky isika hoe hotahiny, rehefa asehontsika fa ankasitrahantsika izay nataony ho antsika. (Vakio ny Romanina 8:31, 32.) Andao àry isika ho tapa-kevitra hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity, ary hanao zavatra betsaka kokoa ho an’i Jehovah mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana.

HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

a An-tapitrisany maneran-tany no hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ny Talata 4 Aprily 2023. Betsaka no sambany vao hanatrika azy io. Ny hafa indray Vavolombelon’i Jehovah nafana fo taloha, nefa efa aman-taonany no tsy nanatrika Fahatsiarovana raha tsy amin’io indray. Misy koa hiatrika olana be nefa tonga ihany. Na inona na inona zavatra iainanao, dia afaka matoky ianao hoe ho faly i Jehovah rehefa miezaka manatrika Fahatsiarovana ianao.

b Mieritreritra ireo mpiangona ireo hoe miova ho vatana sy ran’i Kristy ilay mofo sy divay mandritra an’io fankalazana io. Hoatran’ny hoe atao sorona indray, hono, ny vatana sy ran’i Jesosy isaky ny misy olona mihinana sy misotro amin’ireo.

c Novana ny anarana sasany.

d Jereo ao amin’ny jw.org/mg koa ilay lahatsoratra hoe “Fahatsiarovana 2021.”

e SARY: Nohatsaraina foana ny fanasana Fahatsiarovana nanomboka tamin’ny 1960. Efa misy amin’ny endrika elektronika sy vita pirinty izao izy ireny.

f SARY: (Tsy tena izy) Mpiara-manompo mankalaza ny Fahatsiarovana na misy korontana aza any aminy.