Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hotanterahiny Anie ny Fikasanao Rehetra”

“Hotanterahiny Anie ny Fikasanao Rehetra”

Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah, dia homeny anao izay irin’ny fonao.’—SAL. 37:4.

HIRA: 135, 81

1. Inona no tsy maintsy ataon’ny tanora, ary nahoana no tsy tokony hampanahy be izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

AZO antoka fa ekenareo tanora hoe raha te hanao dia lavitra ny olona iray, dia tsy maintsy fantariny aloha hoe ho aiza izy. Mitovy amin’ny dia lavitra ny fiainana, ary mbola tanora isika dia efa mila mieritreritra hoe ho aiza, izany hoe inona no hataontsika amin’ny hoavy. Mety ho sarotra izany. Hoy ny ankizivavy atao hoe Heather: “Mampahatahotra ilay izy, satria miankina amin’ny safidinao ny hoavinao manontolo.” Aza manahy anefa, satria hoy i Jehovah: “Aza matahotra fa momba anao aho. ... Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.”—Isaia 41:10.

2. Inona no porofo fa tian’i Jehovah ho tsara ny hoavinao?

2 Mampirisika anao hieritreritra tsara an’izay hataonao i Jehovah. (Mpito. 12:1; Mat. 6:20) Tiany ho sambatra mantsy ianao. Manaporofo an’izany ny zavatra noforoniny. Anisan’izany ny toerana kanto, ny feon-javaboary mahafinaritra, ary ny voankazo sy ny zavatra hafa tsara tsiro. Tia antsika koa izy ka atorony antsika ny fomba fiaina tsara indrindra. Hoy izy amin’ireo olona tsy manaraka an’izay lazainy: “Ny zavatra tsy sitrako no nofidinareo. ... Ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra. Ny mpanompoko hihoby noho ny fifalian’ny fony.” (Isaia 65:12-14) Manome voninahitra an’i Jehovah kosa ny vahoakany rehefa manao safidy tsara.—Ohab. 27:11.

TANJONA HAHASAMBATRA ANAO

3. Inona no tanjona tian’i Jehovah hotratrarinao?

3 Inona no tanjona tian’i Jehovah hotratrarinao? Mila mahafantatra an’i Jehovah sy manompo azy ianao, raha te ho sambatra. Efa izay mihitsy no namoronany antsika. (Sal. 128:1; Mat. 5:3) Tsy nataony hoatran’ny biby isika ka hoe mihinana sy misotro ary miteraka, dia izay. Tian’i Jehovah hanana tanjona tsara ianao mba ho sambatra foana. “Andriamanitry ny fitiavana” izy sady “Andriamanitra falifaly”, ary nataony “araka ny endriny” isika. (2 Kor. 13:11; 1 Tim. 1:11; Gen. 1:27) Ho sambatra àry ianao raha manahaka azy. Milaza ny Baiboly fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”, ary tena marina izany. (Asa. 20:35) Efa nahatsapa an’izany ve ianao? Tian’i Jehovah àry raha tanjona manampy anao haneho fitiavana azy sy ny olon-kafa no fidinao.—Vakio ny Matio 22:36-39.

4, 5. Inona no nahasambatra an’i Jesosy?

4 I Jesosy Kristy no ohatra tsara indrindra ho anareo tanora. Azo antoka fa nilalao sy niala voly izy, tamin’izy mbola kely. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: ‘Misy fotoana ihomehezana ary misy fotoana itsinjahana.’ (Mpito. 3:4) Nianatra ny Soratra Masina koa i Jesosy, ka nifandray akaiky tamin’i Jehovah. Talanjona “noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny” ny mpampianatra tao amin’ny tempoly, tamin’izy 12 taona.—Lioka 2:42, 46, 47.

5 Nanao izay nasain’i Jehovah natao i Jesosy rehefa lehibe, ka sambatra. Tian’i Jehovah “hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra”, ohatra, izy, ary ‘hitory fampahiratana amin’ny jamba.’ (Lioka 4:18) Milaza ny Salamo 40:8 fa mahafinaritra an’i Jesosy ny manao ny sitrapon’ny Rainy. Faly izy nampianatra ny olona momba azy. (Vakio ny Lioka 10:21.) Rehefa avy niresaka tamin’ny vehivavy iray momba ny fivavahana marina, ohatra, izy, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:31-34) Nahatsiaro ho sambatra i Jesosy rehefa naneho fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona. Ho sambatra koa ianao raha manao an’izany.

6. Nahoana no tsara ny miresaka ny tanjonao amin’ny Kristianina matotra?

6 Nahatsiaro ho sambatra ny Kristianina maro satria mbola tanora dia efa nanao mpisava lalana. Nahoana raha resahina amin’izy ireny ny tianao hatao? “Tsy tanteraka” mantsy “ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.” (Ohab. 15:22) Azo antoka fa hilaza aminao izy ireny hoe hiana-javatra ianao raha manao mpisava lalana, ary hahasoa anao mandritra ny androm-piainanao izany. Efa nampianarin’ny Rainy i Jesosy tany an-danitra, ary nianatra foana izy nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Nianarany, ohatra, hoe mahafinaritra ny manohina ny fon’ny olona itoriana sy ny hoe tsy mivadika rehefa iharan’ny fitsapana. (Vakio ny Isaia 50:4; Heb. 5:8; 12:2) Hodinihintsika àry izao ny fanompoana manontolo andro azonao atao ka hahasambatra anao.

MAHASAMBATRA NY ASA FITORIANA

7. Nahoana ny tanora maro no mazoto mitory sy mampianatra?

7 Hoy i Jesosy: ‘Mandehana ataovy mpianatra ny olona, ary ampianaro izy.’ (Mat. 28:19, 20) Nahoana àry raha hatao tanjona ny hifantoka amin’ny asa fitoriana sy fampianarana? Ho sambatra ianao raha manao an’izany, sady hanome voninahitra an’i Jehovah. Mila fotoana anefa ianao vao hahay tsara an’izany asa izany, hoatran’ny asa rehetra ihany. Nanomboka nanao mpisava lalana, ohatra, i Timothy tamin’izy 19 taona. Hoy izy vao haingana: “Tiako ny manompo manontolo andro, satria izany no fomba ampisehoako hoe tia an’i Jehovah aho. Tsy nanana mpianatra Baiboly mihitsy aho tamin’ny voalohany. Tao anatin’ny iray volana anefa aho dia efa nanana mpianatra maromaro, rehefa nifindra tany amin’ny faritany hafa. Nanomboka nivory mihitsy aza ny iray tamin-dry zareo. Nanao Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo aho, nandritra ny roa volana. * Nahazo fanendrena vaovao aho taorian’izay, ary lasa nanana mpianatra efatra. Tiako ny mampianatra Baiboly, satria izaho mihitsy no mahita hoe manampy ny olona hiova ny fanahy masina.”—1 Tes. 2:19.

8. Inona no ataon’ny tanora sasany mba hitoriana amin’ny olona betsaka kokoa?

8 Mianatra teny hafa ny tanora sasany. Hoy i Jacob, avy any Etazonia: “Vietnamianina ny ankamaroan’ny mpiara-mianatra tamiko, tamin’izaho fito taona. Te hiresaka tamin-dry zareo momba an’i Jehovah aho, dia nianatra ny fiteniny taoriana kelin’izay. Ny Tilikambo Fiambenana anglisy matetika no nampitahaiko tamin’ny Tilikambo Fiambenana vietnamianina, dia izay no nahaizako an’ilay fiteny. Lasa nana-namana tao amin’ilay fiangonana vietnamianina teny akaikinay koa aho. Nanomboka nanao mpisava lalana aho tamin’izaho 18 taona. Nanao Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo aho tatỳ aoriana. Tena manampy ahy amin’ny fanendrena azoko izany. Izaho irery mantsy no anti-panahy ao amin’ilay antoko-mpitory vietnamianina misy ahy. Be dia be ny Vietnamianina gaga hoe mahay ny fiteniny aho. Ampandrosoin-dry zareo aho rehefa mitory aminy, ary matetika aho no afaka mampianatra Baiboly azy ireo. Ny sasany aza natao batisa mihitsy.”—Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:7, 8.

9. Inona no lasa hainao rehefa mazoto mitory sy mampianatra ianao?

9 Miana-javatra koa ianao rehefa mazoto mitory sy mampianatra. Lasa zatra miasa tsara, ohatra, ianao, mahay miresaka, matoky tena, ary mahay mandanjalanja amin’izay lazainao sy ataonao. (Ohab. 21:5; 2 Tim. 2:24) Ny tena mahafinaritra anefa dia hoe lasa hainao kokoa ny mampiasa ny Baiboly mba hanaporofoana ny zavatra inoanao. Lasa mahay miara-miasa tsara amin’i Jehovah koa ianao.—1 Kor. 3:9.

10. Nahoana no mahafaly foana ny mitory sy mampianatra, na dia tsy dia mandray aza ny olona?

10 Na tsy dia mandray aza ny olona, dia mbola afaka ny ho faly ianao rehefa mazoto mitory sy mampianatra. Ny fiangonana manontolo mantsy no miara-mitady ny olona liana. Miara-paly isika rehetra rehefa misy olona lasa mpianatr’i Kristy, na dia rahalahy na anabavy iray aza no nahita azy. Nitory nandritra ny sivy taona tao amin’ny faritany iray, ohatra, i Brandon, ary zara raha nisy nianatra Baiboly ny olona tao. Hoy izy: “Tiako ny mitory ny vaovao tsara satria izay no asain’i Jehovah ataontsika. Nanomboka nanao mpisava lalana aho raha vao vita ny fianarako. Mahafinaritra ahy ny mampahery ny rahalahy tanora ao amin’ny fiangonanay sy ny mahita an-dry zareo mandroso tsara. Nanao Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo aho, dia avy eo voatendry hanao mpisava lalana tany amin’ny faritany hafa. Tsy nanana mpianatra natao batisa mihitsy aho, nefa ny mpiara-manompo sasany nanana. Faly anefa aho fa nanao tanjona hoe hitady olona betsaka araka izay azo atao mba hampianarina Baiboly.”—Mpito. 11:6.

INONA NO METY HO VOKATRY NY TANJONA TRATRARINAO?

11. Inona no fanompoana masina ataon’ny tanora maro?

11 Be dia be ny fomba azo anompoana an’i Jehovah. Maro, ohatra, ny tanora manolo-tena hanao fanorenana. Efitrano Fanjakana an-jatony no ilaina izao. Manao fanompoana masina ianao raha manampy manorina azy ireny. Hanome voninahitra an’i Jehovah koa ianao amin’izany, ary ho sambatra. Ho faly ianao satria hiara-hiasa amin’ny mpiara-manompo, toy ny rehefa manao karazana fanompoana hafa ihany. Hiana-javatra koa ianao. Hianatra hisoroka loza sy hanaraka ny tari-dalan’ny mpiandraikitra, ohatra, ianao, sady hianatra ny atao hoe mazoto miasa.

Hahazo fitahiana be dia be izay manompo manontolo andro (Fehintsoratra 11-13)

12. Inona ny fitahiana ho azonao raha manao mpisava lalana ianao?

12 Hoy ny rahalahy atao hoe Kevin: “Mbola kely aho dia efa nieritreritra hoe hanompo an’i Jehovah manontolo andro aho indray andro any. Nanomboka nanao mpisava lalana aho tamin’izaho 19 taona. Niasa tapa-potoana tao amin’ny rahalahy iray mpanao trano aho. Nianatra nametaka tafo sy varavarankely ary varavarambe aho. Niara-niasa tamin’ny ekipan’ny vonjy rano vaky aho tatỳ aoriana, nandritra ny roa taona, ka nanamboatra Efitrano Fanjakana simba sy tranona mpiara-manompo. Henoko hoe mila mpanao fanorenana atỳ Afrika Atsimo, dia nameno fangatahana aho ary voaray. Mifindra isaky ny herinandro vitsivitsy izahay rehefa hanorina Efitrano Fanjakana vaovao. Hoatran’ny fianakaviana iray ny ekipako. Miara-mipetraka izahay, miara-mianatra Baiboly, ary miara-miasa. Mahafinaritra ahy koa ny miara-mitory amin’ny mpiara-manompo any amin’izay misy anay isan-kerinandro. Tsy noeritreretiko hoe hahafinaritra be hoatr’izao ny fiainako noho ilay tanjoko tamin’izaho mbola kely.”

13. Nahoana ny tanora manompo ao amin’ny Betela no mahatsiaro ho sambatra?

13 Miasa any amin’ny Betela ny olona sasany nanao tanjona hoe hanompo an’i Jehovah manontolo andro. Mahasambatra ny manompo ao amin’ny Betela, satria ho an’i Jehovah daholo izay ataonao. Mandray anjara amin’ny famokarana sakafo ara-panahy ny fianakavian’ny Betela. Hoy ny Betelita iray atao hoe Dustin: “Ny hanompo manontolo andro no tanjoko tamin’izaho sivy taona. Nanomboka nanao mpisava lalana aho raha vao vita ny fianarako. Voantso hiasa tato amin’ny Betela aho, herintaona sy tapany taorian’izay. Nianatra nampiasa milina fanontam-pirinty aho, ary tatỳ aoriana nianatra namorona programana ordinatera. Tonga dia izaho mihitsy eto amin’ny Betela no maheno ny fandroson’ny asa fitoriana eran-tany. Tiako ny manompo ato satria manampy ny olona hifandray akaiky amin’i Jehovah ny zavatra ataonay.”

INONA NO TIANAO HATAO?

14. Inona no hanampy anao ho lasa mpanompo manontolo andro?

14 Inona no hanampy anao ho lasa mpanompo manontolo andro? Mila manana toetra tsara ianao, ary izany no zava-dehibe indrindra. Hanampy anao hahavita tsara ny fanompoana izany. Mazotoa àry mianatra ny Baiboly sy misaintsaina tsara ny dikan’izay vakinao. Miresaha momba ny zavatra inoanao rehefa any am-pivoriana. Hatsarao ny fahaizanao mitory, na dia mbola mianatra any am-pianarana aza ianao. Mianara koa miahy olona, ka anontanio ny heviny ary henoy tsara izay lazainy. Miezaha hahay handanjalanja rehefa manao an’izany. Afaka manolo-tena hanampy ny fiangonana koa ianao, ohatra hoe manadio sy mikojakoja Efitrano Fanjakana. Tian’i Jehovah ny mampiasa olona manetry tena sy vonona hanampy. (Vakio ny Salamo 110:3; Asa. 6:1-3) “Tsara laza teo amin’ireo rahalahy”, ohatra, i Timoty, ka nasain’ny apostoly Paoly niara-nanao misionera taminy.—Asa. 16:1-5.

15. Inona no tokony hataonao mba hahitanao asa any aoriana any?

15 Mila manana asa fivelomana ny ankamaroan’ny mpanompo manontolo andro. (Asa. 18:2, 3) Mila mianatra asa kely angamba ianao, mba hahafahanao hahita asa tapa-potoana azonao atao any amin’ny misy anao. Resaho amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny mpisava lalana ao amin’ny faritra misy anao ny tanjonao. Anontanio azy ireo izay asa mety amin’ny mpisava lalana. “Ankino amin’i Jehovah” avy eo izay rehetra ataonao, “dia hahomby izay kasainao.”—Ohab. 16:3; 20:18.

16. Nahoana ny fanompoana manontolo andro no manampy anao hiantsoroka andraikitra?

16 Matokia fa tena tian’i Jehovah “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana” ianao. (Vakio ny 1 Timoty 6:18, 19.) Hihamatotra ianao raha manompo manontolo andro, satria hiaraka matetika amin’ny mpanompo manontolo andro hafa. Maro no nahatsapa fa nanampy azy hanana tokantrano sambatra ny nanompo manontolo andro tamin’izy mbola tanora. Rehefa nanambady ny rahalahy na anabavy mpisava lalana, ary mpisava lalana koa ny vadiny, dia matetika izy ireo no mbola mpisava lalana ihany.—Rom. 16:3, 4.

17, 18. Inona no ifandraisan’ny tanjonao sy izay ao am-ponao?

17 Miankina amin’izay ao am-ponao ny tanjona hofidinao. Hoy mantsy ny Salamo 20:4 momba an’i Jehovah: “Homeny anao anie izay irin’ny fonao, ary hotanterahiny anie ny fikasanao rehetra!” Eritrereto àry hoe inona no tianao hatao eo amin’ny fiainanao. Saintsaino koa hoe inona no ataon’i Jehovah amin’izao andro izao, ary ahoana no azonao anohanana azy. Fidio avy eo izay tanjona azonao tratrarina mba hampifaliana azy.

18 Tena ho afa-po ianao raha mifantoka tanteraka amin’ny fanompoana an’i Jehovah, satria hanome voninahitra azy izany. Aoka àry ianao “ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah, dia homeny anao izay irin’ny fonao.”—Sal. 37:4.

^ feh. 7 Ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana no lasa solon’io sekoly io.