Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadiavo Ilay Tena Harena

Tadiavo Ilay Tena Harena

“Ataovy izay hahazoana namana amin’ny alalan’ny harena tsy marina.”—LIOKA 16:9.

HIRA: 122, 129

1, 2. Nahoana no hisy foana ny mahantra raha mbola eto amin’ity tontolo ity?

TENA mafy ny fiainana amin’izao. Tsy rariny koa ny zava-misy. Tanora maro, ohatra, no tsy mety mahita asa. Olona maro koa no manao vivery ny ainy mba hifindrana any amin’ny tany manankarena kokoa. Be dia be ny mahantra, na any amin’ny tany manankarena aza. Ny manankarena mihamanankarena, moa ny mahantra mihamahantra. Ny 1 isan-jaton’ny mponina eto an-tany no manankarena indrindra. Araka ny tombantombana, dia mitovy amin’ny volan’ny 99 isan-jaton’ny mponina eran-tany ny volan’ireo mpanankarena ireo. Manana harena tsy ho lany lanina mandritra ny taona maro ny olona sasany, nefa an’arivony tapitrisa no mahantra fadiranovana. Efa fantatr’i Jesosy izany, ka hoy izy: “Eo aminareo foana ny mahantra.” (Mar. 14:7) Nahoana no tsy mitovy hoatr’izany ny fari-piainan’ny olona?

2 Ny tontolon’ny varotra no mahatonga an’izany. * Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy ho foana izy io raha tsy rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. “Mpivaro-mandeha” no iantsoana azy io ao amin’ny Apokalypsy 18:3. Anisan’ny fandaminan’i Satana izy io, toy ny tontolon’ny politika sy ny fivavahan-diso ihany. Vitantsika mpanompon’i Jehovah ny tsy manao politika mihitsy sy ny miala tanteraka amin’ny fivavahan-diso. Tsy afa-miala tanteraka amin’ny tontolon’ny varotra anefa ny ankamaroantsika.

3. Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

3 Mila mandinika ny fomba fiheverantsika ny tontolon’ny varotra isika Kristianina. Eritrereto hoe: ‘Ahoana no azoko ampiasana ny volako sy ny zavatra ananako mba hampisehoana amin’i Jehovah hoe mendri-pitokisana aho? Inona no azoko atao mba ho faran’izay kely ny zavatra ataoko mifandray amin’ny tontolon’ny varotra? Inona no mampiseho fa tena miantehitra amin’i Jehovah ny mpanompony amin’izao andro sarotra izao?’ Hanampy antsika hamaly an’ireo ity lahatsoratra ity.

FANOHARANA MOMBA AN’ILAY “MPANOMPO TSY MARINA”

4, 5. a) Inona no nanjo an’ilay mpanompo tao amin’ny fanoharan’i Jesosy? b) Inona no asain’i Jesosy ataontsika?

4 Vakio ny Lioka 16:1-9. Mampieritreritra ny fanoharan’i Jesosy momba an’ilay mpanompo tsy marina. Nisy niampanga izy hoe nandanilany foana ny fananan’ny tompony. “Malina” anefa izy ka ‘nataony izay hahazoana namana’ hanampy azy rehefa voaroaka amin’ny asany izy. * Te hilaza ve i Jesosy hoe tsy maninona na manao ny tsy marina aza isika mba hahazoana an’izay ilaintsika? Tsia! Izy aza nilaza fa ny “zanak’ity tontolo ity” no mpanao an’izany. Nisy lesona lehibe tiany hampitaina kosa tamin’io fanoharana io.

5 Sarotra ny mitady izay ilaina eto amin’ity tontolo anjakan’ny tsy rariny ity. Sahirana àry ny ankamaroan’ny Kristianina, toa an’ilay mpanompo lasa nahita olana. Efa fantatr’i Jesosy izany, ka nampirisika antsika izy hoe: “Ataovy izay hahazoana namana amin’ny alalan’ny harena tsy marina, mba horaisin’izany namana izany [Jehovah sy Jesosy] any amin’ny fonenana mandrakizay ianareo rehefa lany izany harena izany.” Inona no dikan’izany?

6. Nahoana isika no afaka milaza fa tsy nikasa hampisy tontolon’ny varotra i Jehovah?

6 Tsy nohazavain’i Jesosy hoe nahoana ny harena no nolazainy hoe “tsy marina.” Ny azo antoka anefa dia hoe tsy nikasa hampisy tontolon’ny varotra i Jehovah. Hita ao amin’ny Baiboly, ohatra, fa nomeny maimaim-poana an’izay rehetra nilainy i Adama sy Eva tao Edena. (Gen. 2:15, 16) Rehefa nahazo fanahy masina avy amin’i Jehovah koa ny voahosotra tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy nisy nilaza hoe azy irery ny fananany. “Niombonan’izy rehetra daholo ny zava-drehetra.” (Asa. 4:32) Nilaza koa i Isaia mpaminany fa hanaram-po amin’ny vokatry ny tany ny olona rehetra indray andro any. (Isaia 25:6-9; 65:21, 22) Tokony ho “malina” anefa aloha isika izao, satria mbola mila mampiasa ny “harena tsy marina” mba hivelomana sady miezaka hampifaly an’i Jehovah.

AMPIASAO TSARA NY HARENA TSY MARINA

7. Inona no torohevitra omena antsika ao amin’ny Lioka 16:10-13?

7 Vakio ny Lioka 16:10-13. Fitadiavana tombony fotsiny no nahatonga an’ilay mpanompo tao amin’ilay fanoharana hiezaka hinamana tamin’ny olona. Nilaza anefa i Jesosy hoe tsy tokony ho izany no antony hahatonga antsika hiezaka hahazo namana any an-danitra. Asehon’ny andinin-teny aorian’ilay fanoharana fa izay ataontsika amin’ny “harena tsy marina” ananantsika no ahitana raha mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah isika na tsia. Te hilaza àry i Jesosy hoe ny fomba ampiasantsika ny harena azontsika no ahitana raha “mendri-pitokisana” isika. Ahoana izany?

8, 9. Inona no ataon’ny rahalahy sy anabavy sasany mba hampisehoana fa mendri-pitokisana izy ireo?

8 Mendri-pitokisana isika raha manome vola hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. (Mat. 24:14) Nanao boatin-drakitra ny ankizivavikely iray any Inde, ary nanangona vola madinika tao foana. Tsy nividy kilalao mihitsy aza izy. Rehefa feno ilay boaty, dia nataony fanomezana ho an’ny asa fitoriana ny vola tao. Ny rahalahy iray any Inde indray mpamboly voaniho. Fantany fa tsy maintsy mividy voaniho ry zareo ao amin’ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ho an’ny teny malayalam. Nanatitra voaniho be dia be tany àry izy indray mandeha. Nieritreritra mantsy izy hoe tsara kokoa raha voaniho no tonga dia omeny fa tsy vola. “Malina” tokoa izy. Manatitra sakafo ho an’ny fianakavian’ny Betela any Gresy koa ny mpiara-manompo any. Manome menaka oliva sy fromazy foana, ohatra, izy ireo.

9 Tena malala-tanana koa ny rahalahy iray avy any Sri Lanka. Mipetraka any an-tany hafa izy, fa omeny hanaovana fivoriana sy fivoriambe ny taniny sy ny tranony any Sri Lanka. Ataony fandraisana mpanompo manontolo andro koa ilay trano. Tokony hahazoany vola ireo fananany ireo, nefa foiny hampiasain’ny mpitory any. Tena manampy azy ireo izy amin’izany. Tsy dia manam-bola mantsy ry zareo. Hoatr’izany koa no ataon’ny rahalahy sasany any amin’ny tany iray manakantsakana ny asa fitoriana. Omen’izy ireo hivoriana ny tranony, ka tsy voatery mandany ny vola kely ananany mba hanofana trano ny mpisava lalana maro sy ny olon-kafa.

10. Inona no soa azontsika rehefa tia manome isika?

10 Hita amin’ireo ohatra ireo fa “mendri-pitokisana amin-javatra madinika” ny vahoakan’i Jehovah. (Lioka 16:10) Foiny hanampiana ny hafa ny fananany. Ny harena ara-panahy mantsy no sarobidy kokoa noho ny vola sy ny fananana. Lasa naman’i Jehovah izy ireo vokatr’izany. Faly koa izy ireo satria fantany hoe hahazo an’ilay tena harena ny olona malala-tanana. (Lioka 16:11) Manome vola tsy tapaka hanohanana ny asan’ilay Fanjakana ny anabavy iray. Nilaza izy fa tena misy vokany tsara aminy izany. Hoy izy: “Mahavariana fa rehefa mazoto manome aho, dia vao mainka aho mazoto manao ny tsara. Lasa tia mamela heloka sy manam-paharetana kokoa, ohatra, aho. Lasa mahazaka tsara kokoa aho rehefa misy zavatra mandiso fanantenana ahy, ary lasa mora manaiky torohevitra kokoa.” Maro no mahatsapa fa mandray soa izy rehefa tia manome.—Ohab. 11:25; 22:9.

11. a) Nahoana no azo lazaina hoe “malina” isika rehefa malala-tanana? b) Nahoana no lasa misy “fitoviana” eo amin’ny vahoakan’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

11 “Malina” koa isika rehefa mampiasa ny volantsika sy izay ananantsika mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Lasa afaka manampy ny hafa mantsy isika rehefa manao izany. Misy, ohatra, manam-bola fa tsy afaka manompo manontolo andro na manitatra faritany. Faly anefa izy ireo manao fanomezana satria fantany fa manampy ny hafa amin’ny fanompoana ataony ny vola omeny. (Ohab. 19:17) Ahafahana manamboatra boky sy gazety, ohatra, ilay fanomezana. Ireny vola ireny koa no ampiasaina mba hanaovana ny asa fitoriana any amin’ny tany mahantra be nefa betsaka olona tia fahamarinana. Lafo be, ohatra, ny Baiboly any Congo sy Rwanda, ary atỳ Madagasikara. Karama herinandro na iray volana indraindray vao mahazo iray. Tsy maintsy nifidy àry matetika ny mpiara-manompo, nandritra ny taona maro, hoe hividy sakafo sa hividy Baiboly. Maro anefa no manao fanomezana, ka lasa misy “fitoviana” eo amin’ny vahoakan’i Jehovah. Lasa afaka mandika Baiboly ny fandaminany ary mizara izany ho an’ny rehetra, anisan’izany ny mpianatra Baiboly. (Vakio ny 2 Korintianina 8:13-15.) Lasa afaka ny ho naman’Andriamanitra àry, na ny manome na ny omena.

TSORY NY FIAINANAO

12. Ahoana no nampisehoan’i Abrahama fa natoky an’Andriamanitra izy?

12 Afaka ny ho naman’i Jehovah isika, raha ferantsika ho faran’izay kely ny zavatra ataontsika mifandray amin’ny tontolon’ny varotra, ary ilay “tena harena” no katsahintsika. Izany no nataon’i Abrahama, lehilahy nanam-pinoana. Nankatò an’i Jehovah izy ka niala tany Ora, tanàna nanankarena, ary nipetraka tany anaty tranolay. Te ho naman’i Jehovah foana mantsy izy. (Heb. 11:8-10) Niantehitra tamin’i Jehovah foana izy, fa tsy variana nitady harena hoatran’ny ataon’ny olona tsy matoky an’i Jehovah. (Gen. 14:22, 23) Nampirisika antsika hanana finoana toy izany i Jesosy. Hoy izy tamin’ny tovolahy iray mpanankarena: “Raha te ho lavorary ianao, dia mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao, ary andao hanara-dia ahy.” (Mat. 19:21) Tsy hoatran’i Abrahama io tovolahy io, satria tsy nanam-pinoana. Nisy olon-kafa tena natoky an’Andriamanitra anefa.

13. a) Inona no torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty? b) Ahoana no ampiharantsika ny torohevitr’i Paoly?

13 Tena nanam-pinoana i Timoty. Nilaza i Paoly hoe “miaramila tsaran’i Kristy Jesosy” izy. Hoy koa i Paoly: “Tsy misy olona manao raharaha miaramila ka miditra amin’ny raharaham-barotr’izao fiainana izao, raha tiany ny hahazo sitraka amin’ilay nandray azy ho miaramila.” (2 Tim. 2:3, 4) Mampihatra an’izany araka izay azony atao ny mpanara-dia an’i Jesosy. Anisan’izany ny mpanompo manontolo andro. Iray tapitrisa mahery izy ireo izao. Miezaka izy ireo mba tsy ho sodokan’ny dokam-barotra sy tsy ho voataonan’ny manodidina. Mitadidy an’ity toro lalana ity foana izy ireo: “Izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.” (Ohab. 22:7) Tian’i Satana hatontontsika any amin’ny tontolon’ny varotra daholo ny fotoana sy ny hery ananantsika. Mety ho voatery handoa trosa mandritra ny taona maro, ohatra, isika raha tsy mahay manapa-kevitra. Mety hitrosa isika mba hividianana trano na fiara, na hanaovana mariazy manetriketrika, na handoavana saram-pianarana eny amin’ny oniversite. Malina àry isika raha manatsotra fiainana ary miezaka tsy hitrosa sy tsy handany vola be. Tsy hifehy antsika ny tontolon’ny varotra amin’izay, ka ho afaka hanompo tsara an’i Jehovah isika.—1 Tim. 6:10.

14. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika? Manomeza ohatra.

14 Ny Fanjakan’Andriamanitra no hataontsika loha laharana, raha te hanana fiainana tsotra foana isika. Nanana orinasa nandeha be, ohatra, ny mpivady iray. Te hiverina hanompo manontolo andro anefa izy roa, ka namidiny ilay orinasa. Namidiny koa ny sambony sy ny zavatra hafa nananany. Niasa an-tsitrapo tamin’ny fanorenana ny foibe any Warwick, any New York, izy ireo avy eo. Lasa afaka niasa tao amin’ny Betela niaraka tamin’ny zanany vavy sy ny vadiny izy ireo tamin’izay. Nanampy tamin’ny fanorenana tany Warwick koa ny ray aman-drenin’ilay rahalahy, ka afaka niara-niasa tamin’izy ireo izy mivady, nandritra ny herinandro vitsivitsy. Tena tombontsoa be izany tamin-dry zareo! Nahita asa tapa-potoana tany amin’ny banky ny anabavy iray mpisava lalana any Colorado, any Etazonia. Tena afa-po tamin’ny asany ny lehibeny, ka nilaza taminy hoe raha miasa tontolo andro izy dia hampitomboina avo telo heny ny karamany. Tsy nanaiky anefa izy. Raha manao an’ilay asa mantsy izy, dia tsy ho afaka hifantoka tsara amin’ny fanompoana intsony. Santionany amin’ny sorona be dia be ataon’ny mpanompon’i Jehovah izany. Tokony ho tapa-kevitra hoatr’izany isika hoe ilay Fanjakana no hataontsika loha laharana. Ho hita amin’izany hoe ny harena ara-panahy sy ny ho naman’Andriamanitra no zava-dehibe kokoa amintsika noho ny vola sy ny zavatra hafa.

“REHEFA LANY IZANY HARENA IZANY”

15. Inona no harena mahasambatra indrindra?

15 Tsy voatery hoe tahin’i Jehovah ny olona iray matoa manankarena. Izay ‘manan-karena amin’ny asa tsara’ no tahiny. (Vakio ny 1 Timoty 6:17-19.) Fantatr’i Lucia, * avy any Italia, ohatra, hoe mila mpitory betsaka kokoa any Albania. Natoky tanteraka an’i Jehovah izy, ka nifindra tany tamin’ny 1993 na dia mbola tsy nahita asa aza. Nianatra niteny albaney izy, ary 60 mahery ny olona nampiany ka lasa vita batisa. Marina fa tsy mamokatra be hoatr’izany ny faritany itorian’ny ankamaroantsika. Ho faly foana anefa ianao, na inona na inona ataonao mba hanampiana ny olona hahalala an’i Jehovah sy ho namany foana. Hankasitraka foana an’izay nataonao koa ireo nampianao.—Mat. 6:20.

16. a) Inona no hiafaran’ny tontolon’ny varotra? b) Ahoana àry no tokony hiheverantsika ny harena?

16 Tsy nilaza i Jesosy hoe ‘raha lany izany harena tsy marina izany.’ Nilaza kosa izy hoe “rehefa lany izany harena izany”, izany hoe tsy maintsy ho lany ilay harena. (Lioka 16:9) Efa fahita amin’izao andro farany izao ny hoe banky mikatona sy ny hoe toe-karena mitotongana. Tsy misy dikany anefa izany raha oharina amin’izay hitranga eran-tany amin’ny hoavy. Ny fandaminan’i Satana iray manontolo mihitsy no ho rava, izany hoe ny tontolon’ny politika sy ny fivavahana ary ny varotra. Nilaza i Ezekiela sy Zefania mpaminany fa tsy hisy dikany intsony amin’izay ny volamena sy ny volafotsy, izay anisan’ny herin’ny tontolon’ny varotra hatramin’izay. (Ezek. 7:19; Zef. 1:18) Raha variana manangona “harena tsy marina” àry ianao izao, fa tsy mitady an’ilay tena harena, dia inona no ho tsapanao rahatrizay antitra ianao? Ho diso fanantenana ianao, tahaka ny lehilahy iray variana nanangona vola be nandritra ny androm-piainany, nefa hay vola sandoka daholo ilay izy. (Ohab. 18:11) Ho lany tokoa ny vola sy harena amin’ny farany, ka ampiasao tsara izy ireny izao mba “hahazoana namana” any an-danitra. Tena hahasambatra antsika izay rehetra ataontsika ho an’i Jehovah sy ny Fanjakany.

17, 18. Inona no valisoa ho azon’izay naman’Andriamanitra?

17 Rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hanofa trano intsony isika ary tsy hitrosa mba hividianana trano. Ho maimaim-poana koa ny sakafo sady ho tondraka. Tsy hisy intsony izany hoe mandoa saram-pitsaboana izany. Ho afaka hankafy ny tsara indrindra amin’ny vokatry ny tany ny naman’i Jehovah. Hatao firavaka ny volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa, fa tsy hatao fitadiavam-bola na hangonina. Halaina fotsiny ny hazo sy vato ary metaly faran’izay tsara, ka ho afaka hanorina trano tsara tarehy isika. Ho faly hanampy antsika ny namantsika, fa tsy hanantena vola. Hifampizarantsika rehetra koa ny vokatry ny tany.

18 Santionany amin’ny valisoa ho azon’izay miezaka hahazo namana any an-danitra izany. Ho faly be ireo mpanompon’i Jehovah eto an-tany rehefa hilaza amin’izy ireo i Jesosy hoe: “Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.”—Mat. 25:34.

^ feh. 2 Ny tontolon’ny varotra horesahintsika ato dia ny ampahany amin’ny tontolon’i Satana, izay mampirisika ny olona hitady vola be sy hividy zavatra be dia be tsy ilainy akory.

^ feh. 4 Tsy nilaza i Jesosy hoe marina ilay fiampangana na tsia. Ilay teny grika nadika hoe “niampanga” ao amin’ny Lioka 16:1, dia mety hidika hoe nendrikendrehina ilay mpanompo. Tsy ny antony nandroahana azy anefa no tena tian’i Jesosy horesahina, fa ny nataony.

^ feh. 15 Ao amin’ny Mifohaza! 8 Aogositra 2003, pejy 22-26, ny tantaran’i Lucia Moussanett.