Tianao ve ny Fianaranao Baiboly Raha Misy Vokany sy Mahafinaritra Kokoa?
VOATENDRY hitarika ny firenen’Israely ho any amin’ny Tany Nampanantenaina i Josoa. Tsy maintsy hiatrika olana goavana izy amin’izany. Nanome toky azy anefa i Jehovah hoe ho vitany izany. Hoy izy taminy: ‘Mahereza sy matanjaha, ary tandremo tsara ny lalàko. Vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hitandrina tsara izay rehetra voasoratra ao, ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.’—Jos. 1:7, 8.
Miatrika olana goavana maro koa isika amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Tim. 3:1) Raha te hahomby hoatran’i Josoa isika, dia mila manaraka ny torohevitra nomen’i Jehovah azy. Mila mamaky Baiboly tsy tapaka isika, ary mampihatra tsara ny toro lalana voalaza ao rehefa manana olana.
Mety ho tsy dia mahay mianatra anefa ny sasany amintsika, na tsy tia mianatra. Na izany aza, dia tena ilaina ny mianatra Baiboly. Jereo àry ilay hoe “ Andramo Ireto.” Misy soso-kevitra azonao arahina ao mba hahatonga ny fianaranao hisy vokany sy hahafinaritra kokoa.
Hoy ny mpanao salamo: “Ampandehano eo amin’ny lalan’ny didinao aho, fa mahafinaritra ahy izany.” (Sal. 119:35) Tena mety hahafinaritra be anao koa ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Hahita hevitra be dia be mahafinaritra toy ny vatosoa ianao raha mandalina azy io.
Marina fa tsy hitarika firenena hoatran’i Josoa ianao. Mba manana olana koa anefa ianao. Tahafo àry i Josoa ka ianaro ny Tenin’Andriamanitra. Araho izay voalaza ao satria natao hahasoa anao. Hahomby koa izay hataonao amin’izay, ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.