Miezaha Hangoraka ny “Karazan’olona Rehetra”
TAMIN’I Jesosy nanoro an’ireo mpianany hoe ahoana no hatao rehefa mitory ny vaovao tsara, dia nilaza izy fa tsy voatery handray tsara azy ireo foana ny olona. (Lioka 10:3, 5, 6) Hoatr’izany koa no mitranga rehefa mitory isika. Mety hasiaka be amintsika ny olona sasany, ary mety hikasi-tanana mihitsy aza. Mety ho sarotra amintsika àry indraindray ny hangoraka azy ireo.
Ny hoe mangoraka dia midika hoe mahita izay ilain’ny hafa sy ny olana mahazo azy, dia malahelo ka te hanampy azy. Ahoana anefa raha lasa tsy mangoraka an’ireo olona itoriantsika isika? Tsy hazoto hitory intsony isika ka tsy ho afaka hanampy azy ireo. Azo ampitahaina amin’ny afo ny zotom-po. Raha tiana hiredareda ny afo, dia mila ampiana kitay. Raha te ho be zotom-po foana amin’ny fanompoana koa isika, dia mila miezaka mangoraka foana.—1 Tes. 5:19.
Inona àry no hanampy antsika hangoraka foana na dia sarotra aza izany indraindray? Andeha isika handinika ny ohatra nomen’i Jehovah sy Jesosy ary ny apostoly Paoly.
TAHAFO I JEHOVAH
Efa an-taonany maro ny olona no nanala baraka an’i Jehovah. Mbola “tsara fanahy” ihany anefa izy, na dia amin’ny olona ‘tsy mankasitraka sy ratsy fanahy’ aza. (Lioka 6:35) Ahoana no ahitana an’izany? Manam-paharetana izy. Tiany ho voavonjy ny “karazan’olona rehetra.” (1 Tim. 2:3, 4) Na dia halany aza ny zavatra ratsy ataon’ny olona, dia mbola sarobidy aminy izy ireo ka tsy tiany hisy ho faty.—2 Pet. 3:9.
Fantatr’i Jehovah fa olona maro no voafitak’i Satana ka toy ny hoe jamba. (2 Kor. 4:3, 4) Mbola kely izy ireny dia efa nampianarina zavatra diso, ka lasa sarotra aminy ny manaiky ny fahamarinana. Tena te hanampy azy ireny àry i Jehovah. Ahoana no ahalalantsika an’izany?
Eritrereto ny fiheveran’i Jehovah ny mponina tao Ninive. Nahery setra be ry zareo, nefa hoy i Jehovah tamin’i Jona: “Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany?” (Jona 4:11) Tsy nahalala ny marina momba an’i Jehovah ireo Ninivita, ka nangoraka azy ireo i Jehovah. Naniraka an’i Jona àry izy mba hampitandrina azy ireo.
Manahaka an’i Jehovah isika. Sarobidy koa ny olona amintsika, ka mazoto manampy an’izay vonona hihaino isika, na dia hoatran’ny hoe tsy hanaiky ny fahamarinana aza izy.
TAHAFO I JESOSY
Nanahaka ny Rainy i Jesosy. “Nangoraka izy” rehefa nahita ny olona tsy nahalala ny marina momba an’Andriamanitra. “Nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry” mantsy izy ireo. (Mat. 9:36) Azon’i Jesosy hoe naninona izy ireo no hoatr’izany. Fantany fa nampijalin’ny mpitondra fivavahana sy nampianariny zavatra diso izy ireo. Efa fantany fa tsy ho lasa mpanara-dia azy ny maro tamin’izy ireo noho ny antony samihafa. Na izany aza, dia mbola nampianariny zavatra be dia be izy ireo.—Mar. 4:1-9.
Rehefa tsy mandray antsika àry ny olona itoriantsika, dia tokony hezahintsika fantarina ny
antony. Lasa tsy tia Baiboly na lasa tsy tia Kristianina angamba ny olona sasany, satria mahita olona milaza ho Kristianina nefa manao ratsy. Ny hafa indray mety ho nitantarana lainga momba ny zavatra inoantsika. Misy koa matahotra sao dia hesoin’ny mpiara-monina aminy na ny havany raha vao mandray antsika.Inona koa no mety hahatonga ny olona tsy hihaino antsika? Nisy loza nanjo azy angamba, dia nisy vokany be taminy ilay izy. Hoy ny misionera atao hoe Kim: “Be dia be no namoy ny fananany ao amin’izay faritaninay izay, satria nisy ady tany. Tena tsy manana fanantenana ry zareo. Kivy be ry zareo sady lasa tsy matoky olona intsony. Sendra olona manohitra izahay matetika rehefa mitory any. Nisy namono mihitsy aza aho indray mandeha tamin’izaho nitory.”
Inona no manampy an’i Kim hangoraka foana na dia ratsy fanahy aminy aza ny olona? Hoy izy: “Rehefa mampijaly ahy ny olona, dia miezaka mitadidy ny Ohabolana 19:11 aho. Voalaza ao hoe: ‘Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina.’ Ezahiko tadidina ny zavatra nanjo an’ireo olona ao amin’ilay faritaninay, dia amin’izay aho mahavita mangoraka azy ireo. Sady tsy ny olona rehetra ao koa ange no manohitra e! Misy olona liana maromaro manaiky hiverenana ao.”
Eritrereto àry hoe inona no mety ho nataonao raha mbola tsy nahalala ny fahamarinana ianao ka nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory taminao. Raha naheno lainga be dia be momba an-dry zareo, ohatra, ianao, dia mety ho tsy nandray azy ireo koa ka nila nanehoana fangorahana. Nilaza i Jesosy hoe tokony ho izay tiantsika hataon’ny olona amintsika no hataontsika amin-dry zareo. Raha mitadidy an’izany isika, dia ho vitantsika ny hangoraka na dia sarotra aza izany.—Mat. 7:12.
TAHAFO I PAOLY
Nangoraka an’ireo olona nitoriany ny apostoly Paoly, na dia nanohitra aza izy ireny sady nahery setra. Nahoana? Notadidiny hoe hoatran’ny ahoana izy taloha. Hoy izy: “Mpanevateva an’Andriamanitra aho taloha, sady mpanenjika no mpanambany olona. Nahazo famindram-po anefa aho, satria noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako izany.” (1 Tim. 1:13) Niaiky izy hoe tena namindra fo taminy i Jehovah sy Jesosy. Rehefa sendra mpanohitra àry izy teny am-pitoriana, dia azo inoana fa nieritreritra hoe: ‘Izaho koa aza mba hoatr’izao ihany taloha!’
Tojo olona nafana fo be tamin’ny fampianaran-diso koa i Paoly indraindray. Milaza ny Asan’ny Apostoly 17:16 fa tamin’izy tany Atena, dia ‘sorena izy nahita ny sampy eran’ilay tanàna.’ Ireny sampy nahasosotra azy ireny mihitsy anefa no nanombohany ny resaka rehefa nitory tamin’izy ireo izy. (Asa. 17:22, 23) Novaovany arakaraka izay karazan’olona hitany ny fomba fitoriny, satria tiany ho voavonjy izy ireny “na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.”—1 Kor. 9:20-23.
Afaka manahaka an’i Paoly isika rehefa misy olona masiaka na mino fampianaran-diso. Azontsika ampiasaina izay zavatra fantatsika momba azy ireny mba hitoriana ny vaovao tsara aminy. (Isaia 52:7) Hoy ny anabavy atao hoe Dorothy: “Maro amin’ny olona ao amin’ny faritaninay no nampianarina hoe masiaka sy mitsara an-tendrony Andriamanitra. Dia deraiko aloha ny olona hoatr’izany satria izy tena mino an’Andriamanitra. Fa avy eo resahiko aminy izay lazain’ny Baiboly momba ny toetra mahafinaritra ananan’i Jehovah sy ny hoavy ampanantenainy.”
“RESEO FOANA AMIN’NY TSARA NY RATSY”
Kely sisa dia hifarana ny “andro farany”, ka efa ampoizintsika hoe “vao mainka hiharatsy kokoa” ny toetran’ny olona sasany itoriantsika. (2 Tim. 3:1, 13) Tsy tokony hisakana antsika tsy hangoraka anefa izany, na hahatonga antsika tsy ho falifaly intsony. Afaka manome hery antsika i Jehovah mba hahavitantsika ‘mandresy ny ratsy amin’ny tsara foana.’ (Rom. 12:21) Hoy ny mpisava lalana atao hoe Jessica: “Tsy manetry tena matetika ny olona tafaresaka amiko, dia manambany antsika sy ny hafatra torintsika. Mahasosotra ilay izy indraindray. Rehefa manomboka miresaka amin’ny olona hoatr’izany aho, dia mivavaka amin’i Jehovah mba hampiany hanahaka ny fiheverany an’ilay olona. Tsy mieritreritra be an’ilay zavatra mahasosotra aho amin’izay, fa mifantoka kokoa amin’ny fomba hanampiako an’ilay olona.”
Tokony hiezaka hampahery an’izay mpitory miara-manompo amintsika koa isika. Hoy i Jessica: “Raha nanohitra ny olona nitoriako na nitorian’ilay namako, dia miezaka tsy hifantoka amin’izany aho. Avadiko ny resaka, dia zavatra mahafinaritra no resahiko, ohatra hoe inona no vokany rehefa mitory isika na dia tsisy mandray aza.”
Fantatr’i Jehovah tsara fa sarotra amintsika indraindray ny mitory. Azo antoka àry hoe faly izy rehefa manahaka azy isika ka mamindra fo. (Lioka 6:36) Tsy hamindra fo mandrakizay anefa i Jehovah. Handringana an’ity tontolo ratsy ity izy amin’ny fotoana hitany fa mety. Afaka matoky an’izany isika. Mila mitory anefa aloha isika izao satria asa maika ny fitoriana. (2 Tim. 4:2) Enga anie isika hazoto hanao an’izany ary hangoraka ny “karazan’olona rehetra.”