Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 27

Dieny Izao dia Miomàna Hiatrika Fanenjehana!

Dieny Izao dia Miomàna Hiatrika Fanenjehana!

“Izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina ihany koa.”—2 TIM. 3:12.

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana isika no mila miomana hiatrika fanenjehana?

NILAZA i Jesosy Tompontsika, ny alina talohan’ny nahafatesany, hoe tsy maintsy hisy hankahala izay rehetra mifidy ny hanara-dia azy. (Jaona 17:14) Enjehin’ny olona tsy mpanompon’i Jehovah foana ny Kristianina tsy mivadika, hatramin’izay ka hatramin’izao. (2 Tim. 3:12) Efa ampoizintsika hoe vao mainka hanohitra antsika ny fahavalo, arakaraka ny hanatonan’ny faran’ity tontolo ity.—Mat. 24:9.

2-3. a) Nahoana no tena mampidi-doza ny tahotra? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Inona no azontsika atao dieny izao mba ho vonona hiatrika fanenjehana? Tsy mila mieritreritra be an’izay rehetra mety hanjo antsika isika. Mety hitebiteby be mantsy isika raha izany, ka ho resin’ny tahotra sahady nefa mbola tsy misy na inona na inona mitranga akory. (Ohab. 12:25; 17:22) Ny tahotra no ampiasain’ny ‘Devoly fahavalontsika’ mba hampivadihana antsika, ary fiadiana tena mandaitra izy io. (1 Pet. 5:8, 9) Inona àry no tokony hataontsika dieny izao mba ho vonona tsara rehefa tonga ny fanenjehana?

3 Izany no hodinihintsika ato. Ho hitantsika hoe ahoana no hatao raha te hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah, ary nahoana isika no mila miezaka manao an’izany dieny izao. Horesahintsika koa hoe inona no hanampy antsika ho be herim-po kokoa, ary inona no azontsika atao rehefa mankahala antsika ny olona.

INONA NO HANAMPY ANAO HIFANDRAY AKAIKY KOKOA AMIN’I JEHOVAH?

4. Tsy maintsy resy lahatra ny amin’ny inona isika, araka ny Hebreo 13:5, 6? Nahoana?

4 Miezaha ho resy lahatra hoe tia anao i Jehovah ary tsy hahafoy anao mihitsy. (Vakio ny Hebreo 13:5, 6.) Izao no noresahin’ny Tilikambo Fiambenana, taona maro lasa izay: “Izay mahafantatra tsara an’Andriamanitra no hatoky azy indrindra rehefa misy fanenjehana.” Tena marina izany! Tsy te hivadika mihitsy àry ve ianao? Raha te hahavita an’izany ianao, dia tsy maintsy tia an’i Jehovah sy matoky azy tanteraka, ary tsy misalasala mihitsy hoe tia anao izy.—Mat. 22:36-38; Jak. 5:11.

5. Inona no hanampy anao hahatsapa hoe tia anao i Jehovah?

5 Vakio isan’andro ny Baiboly, ka ataovy tanjona ny hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah. (Jak. 4:8) Rehefa mamaky ny Teniny ianao dia mifantoha amin’ny toetrany, ohatra hoe be fitiavana sy mamindra fo ary tsara fanahy. Jereo hoe inona amin’izay ataony sy lazainy no manaporofo fa tena tia anao izy. (Eks. 34:6) Tsy mba nanehoana fitiavana ny olona sasany hatramin’izay, ka mety ho sarotra aminy ny hino hoe tia azy Andriamanitra. Ahoana raha hoatr’izany ianao? Manaova lisitra isan’andro, dia tanisao ao ny fomba nampisehoan’i Jehovah hoe namindra fo sy tsara fanahy taminao izy. (Sal. 78:38, 39; Rom. 8:32) Azo antoka fa hahatadidy zavatra be dia be efa nataon’i Jehovah ho anao ianao, raha mieritreritra an’izay niainanao sy misaintsaina an’izay novakinao tao amin’ny Teniny. Vao mainka ianao ho akaiky kokoa azy, rehefa mankasitraka ny soa rehetra nataony ho anao.—Sal. 116:1, 2.

6. Nahoana no tena ilaina ny mivavaka amin’ny fo, araka ny Salamo 94:17-19?

6 Mivavaha tsy tapaka. Eritrereto hoe misy ankizilahikely fihinin’ny dadany, dia tsy matahotahotra mihitsy. Sahiny tantaraina amin’ilay dadany daholo izay nahafinaritra azy sy izay zavatra ratsy nanjo azy tamin’iny andro iny. Tianao ve raha mifandray akaiky hoatr’izany ianao sy i Jehovah? Hahatsapa an’izany ianao raha mivavaka amin’ny fo isan’andro. (Vakio ny Salamo 94:17-19.) “Aborahy [aminy] ny ao am-ponao ka avelao hikoriana toy ny rano.” (Fitom. 2:19) Resaho amin’ilay Rainao be fitiavana izay rehetra mampahatahotra sy mampanahy anao. Inona no ho vokatr’izany? Ho tsapanao ilay antsoin’ny Baiboly hoe “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” (Fil. 4:6, 7) Arakaraka ny iresahanao amin’i Jehovah hoatr’izany no hahatonga anao ho akaiky azy kokoa.—Rom. 8:38, 39.

Ho be herim-po ianao raha matoky an’i Jehovah sy ny Fanjakany

Natanjaka ny finoan’i Stanley Jones, satria natoky izy fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra (Fehintsoratra 7)

7. Nahoana ianao no tokony ho resy lahatra hoe tena ho tanteraka izay ampanantenain’i Jehovah fa hataon’ny Fanjakany?

7 Ataovy izay haharesy lahatra anao hoe tena ho tanteraka ny soa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Nom. 23:19) Ho mora amin’i Satana sy ireo mpanohana azy ny hampitahotra anao raha tsy tena matoky an’izany ianao. (Ohab. 24:10; Heb. 2:15) Inona àry no azonao atao dieny izao mba hatoky kokoa ny Fanjakan’Andriamanitra? Manokàna fotoana hikarohana hoe inona no ampanantenain’i Jehovah fa hataon’ny Fanjakany, ary nahoana izany no azo antoka fa ho tanteraka. Tena hanampy anao izany! Eritrereto ny nanjo an’i Stanley Jones. Nogadraina fito taona izy noho ny finoany. * Inona no nanampy azy tsy hivadika? Hoy izy: “Natanjaka ny finoako satria haiko tsara ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra. Fantatro tsara hoe inona no hataon’izy io, sady tena natoky aho hoe ho tanteraka izany. Tsy nisalasala aho na dia kely aza! Izany no nahatonga ahy tsy hivadika mihitsy.” Raha tena matoky ny zavatra ampanantenain’i Jehovah koa ianao, dia hifandray akaiky kokoa aminy sady tsy ho resin’ny tahotra.—Ohab. 3:25, 26.

8. Ahoana no ahitana raha hahavita hiatrika fanenjehana isika na tsia? Hazavao.

8 Miezaha hivory foana. Manampy antsika hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah izany. Tena zava-dehibe aminao ve ny fivoriana? Izany mantsy no ahitana raha hahavita hiatrika fanenjehana ianao na tsia. (Heb. 10:24, 25) Eritrereto ange e! Hanao ahoana isika amin’ny hoavy raha olana tsy misy dikany dia efa mahasakana antsika tsy hivory amin’izao? Mety horaran’ny fanjakana mantsy ny fivoriana amin’izay. Raha izao anefa isika dia efa tapa-kevitra ny hivory foana, dia tsy hahavita hanakana antsika mihitsy ny mpanohitra amin’ny hoavy. Tsy aleo àry ve izao dia efa miezaka ho tena tia mivory? Na hisakana antsika tsy hivory ny mpanohitra amin’izay, na ny fitondram-panjakana mihitsy no handrara an’izany, dia ho vitantsika foana ny hankatò an’Andriamanitra fa tsy hanaraka tenin’olona.—Asa. 5:29.

Hahavita hiatrika fanenjehana ianao, raha dieny izao dia efa mianatra ny hirantsika sy mitadidy andinin-teny (Fehintsoratra 9) *

9. Nahoana no tena ilaina ny mitadidy andinin-teny raha te hiomana hiatrika fanenjehana?

9 Ataovy tsianjery ny andinin-teny tianao indrindra. (Mat. 13:52) Tsy mora mitadidy zavatra angamba ianao. Tena mahery anefa ny fanahy masina, ary afaka mampiasa azy io i Jehovah mba hampahatsiahivana anao an’ireny andinin-teny ireny. (Jaona 14:26) Nogadraina tany Alemaina Atsinanana, ohatra, ny rahalahy iray ary natoka-monina. Izao no notantarainy: “Soa ihany fa andinin-teny an-jatony no efa haiko tsianjery talohan’izay. Dia tsy lany andro fotsiny aho satria afaka nisaintsaina hevitra ara-baiboly isan-karazany.” Nanampy azy ho akaiky an’i Jehovah foana ireo andinin-teny ireo, ka nahavita niaritra izy.

(Fehintsoratra 10) *

10. Nahoana no ilaina ny mianatra an’ireo hirantsika?

10 Ianaro ny tonon’ireo hirantsika, ary hirao izy ireny. Nahay tsianjery ny hira fiderana an’i Jehovah i Paoly sy Silasy, ary nihira an’izany izy ireo rehefa nigadra tany Filipy. (Asa. 16:25) Izany koa no nanampy an’ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, rehefa natao sesitany tany Siberia izy ireo. Nanampy azy ireo hanana finoana matanjaka foana ny hirantsika. Hoy ny Ranabavy Mariya Fedun: “Nohirainay daholo izay hira hainay tao amin’ny fihirana.” Nilaza koa izy hoe nampahery an-dry zareo rehetra ireny hira ireny, sady nanampy an-dry zareo mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah. Ary ianao? Iza amin’ny hira ao amin’ny fihirana sy ny tranonkalantsika no tianao indrindra? Mampahery anao ve ny mihira azy ireny? Dieny izao àry dia ianaro tsianjery ireny hira ireny!—Jereo ilay efajoro hoe “ Omeo Herim-po Aho.”

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HO BE HERIM-PO KOKOA?

11-12. a) Inona no nahatonga an’i Davida ho be herim-po, araka ny 1 Samoela 17:37, 45-47? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Davida?

11 Ilaina ny herim-po rehefa miatrika fanenjehana. Ahoana anefa raha hitanao hoe tsy be herim-po ianao? Tadidio fa tsy miankina amin’ny habe na ny hery na ny fahaizana ny tena herim-po. Eritrereto i Davida tamin’izy niady tamin’i Goliata. Tena kely izy nefa i Goliata ngezabe. Tsy dia natanjaka koa izy raha oharina tamin’io lehilahy io, sady zara raha nanana fitaovam-piadiana. Na sabatra aza tsy nananany! Tena be herim-po anefa i Davida. Tsy natahotra mihitsy izy nihazakazaka hiady tamin’io lehilahy goavam-be sady mpanambany olona io.

12 Fa maninona i Davida no be herim-po hoatr’izany? Satria natoky tanteraka izy hoe eo foana i Jehovah hanampy azy. (Vakio ny 1 Samoela 17:37, 45-47.) Marina fa ngezabe i Goliata raha oharina amin’i Davida. Tsy nifantoka tamin’izany anefa izy, fa nataony an-tsaina hoe tsy misy dikany ny haben’i Goliata raha oharina amin’i Jehovah. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ho be herim-po isika raha matoky hoe eo foana i Jehovah hanampy antsika, ary matoky hoe tsy misy dikany ireo mpanohitra antsika raha oharina amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. (2 Tan. 20:15; Sal. 16:8) Inona no azontsika atao mba ho be herim-po kokoa, dieny mbola tsy tonga ny fanenjehana?

13. Inona no azontsika atao raha te ho be herim-po kokoa isika? Hazavao.

13 Dieny izao isika dia ho be herim-po kokoa, raha mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahoana? Satria mianatra mitoky amin’i Jehovah isika rehefa mitory sady mianatra mandresy ny tahotra olona. (Ohab. 29:25) Hoatran’ny hozatra ny herim-po. Mihamatanjaka ny hozatra rehefa manao fanatanjahan-tena isika. Vao mainka ho be herim-po koa isika rehefa mitory, na isan-trano izany, na tsy ara-potoana, na eny amin’ny toerana be olona, na any amin’ny faritany be toeram-piasana. Raha izao isika dia efa miezaka ho be herim-po rehefa mitory, dia ho vonona hitory foana isika na dia voarara aza izany.—1 Tes. 2:1, 2.

Nitory ny vaovao tsara foana i Nancy Yuen na dia nisy nanakana aza (Fehintsoratra 14)

14-15. Inona no ianarantsika avy amin’i Nancy Yuen sy Valentina Garnovskaya?

14 Tena miavaka ny herim-pon’i Nancy Yuen sy Valentina Garnovskaya. Afaka mandray lesona avy amin’ireo anabavy tsy nivadika ireo isika. Iray metatra sy sasany teo ho eo fotsiny ny halavan’i Nancy Yuen, nefa tsy mba resin’ny tahotra mihitsy izy! * Nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra foana izy na dia nosakanana aza. Nigadra 20 taona teo ho eo izy vokatr’izany. Nilaza ny manam-pahefana nanadihady azy hoe izy no “olona mafy loha indrindra” tany Chine.

Resy lahatra i Valentina Garnovskaya hoe eo foana i Jehovah hanampy azy (Fehintsoratra 15)

15 I Valentina Garnovskaya indray intelo nigadra tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, ary 21 taona be izao no tontalin’ny fotoana nigadrany. * Fa maninona izy no nogadraina? Satria izy tapa-kevitra ny hitory foana. Nopetahan’ny manam-pahefana anarana mihitsy aza izy hoe “mpandika lalàna ikoizana.” Inona no nahatonga an’ireo anabavy roa ireo ho be herim-po? Resy lahatra ry zareo hoe eo foana i Jehovah hanampy azy.

16. Inona no tokony hataontsika raha te ho be herim-po isika?

16 Noresahintsika teo hoe tsy tokony hiantehitra amin’ny herintsika sy ny fahaizantsika isika, raha te ho be herim-po. Tsy maintsy matoky kosa isika hoe eo foana i Jehovah hanampy antsika, ary izy no miady ho antsika. (Deot. 1:29, 30; Zak. 4:6) Amin’izay ihany isika vao tena ho be herim-po.

INONA NO AZONTSIKA ATAO REHEFA MANKAHALA ANTSIKA NY OLONA?

17-18. Inona no nolazain’i Jesosy fa hitranga, araka ny Jaona 15:18-21? Nahoana isika no halan’ny olona?

17 Tiantsika ny hoe hajain’ny olona. Diso anefa isika raha mieritreritra hoe rehefa be mpitia vao tena misy vidiny. Hoy i Jesosy: “Sambatra ianareo raha halan’ny olona, sy ailikiliny, ary tevatevainy ka laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.” (Lioka 6:22) Inona no tiany holazaina?

18 Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tian’ny Kristianina ny ankahalain’ny olona. Nilaza an’izay hitranga fotsiny izy. Tsy anisan’ity tontolo ity isika sady manaraka an’izay nampianarin’i Jesosy, ary mitory ny hafatra notoriny. Halan’ity tontolo ity isika vokatr’izany. (Vakio ny Jaona 15:18-21.) Izay hampifaliana an’i Jehovah ihany anefa no ataontsika. Raha halan’ny olona àry isika satria tia an’i Jehovah, dia an-dry zareo izany!

19. Ahoana no azontsika anahafana an’ireo apostoly?

19 Aza menatra mihitsy hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao, na inona na inona lazain’ny olona na ataony. (Mika 4:5) Izay olombelona ve no hahatonga anao ho menatra amin’izany? Afaka mianatra mandresy ny tahotra olona isika. Manampy antsika amin’izany ny modely navelan’ireo apostoly tany Jerosalema, taoriana kelin’ny namonoana an’i Jesosy. Fantatr’izy ireo hoe tsy tia maizina an-dry zareo ny mpitondra fivavahana jiosy. (Asa. 5:17, 18, 27, 28) Mbola nankany amin’ny tempoly foana anefa ry zareo isan’andro, sady nampahafantatra tamin’ny olona hoe mpianatr’i Jesosy izy ireo. (Asa. 5:42) Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra àry ny apostoly. Tsy hatahotra olona koa isika raha mampahafantatra foana hoe Vavolombelon’i Jehovah, na amin’ny mpiara-mianatra, na amin’ny mpiara-miasa, na amin’ny mpiray tanàna.—Asa. 4:29; Rom. 1:16.

20. Nahoana no sambatra ireo apostoly na dia nankahalain’ny olona aza?

20 Sambatra ireo apostoly na dia nenjehina aza. Fa maninona? Satria fantatr’izy ireo ny antony nankahalan’ny olona azy. Voninahitra lehibe ho azy ireo ny hoe nampijalina satria nanao ny sitrapon’i Jehovah. (Lioka 6:23; Asa. 5:41) Izao no nosoratan’ny apostoly Petera tatỳ aoriana: “Sambatra ianareo na dia mijaly noho ny fahamarinana aza.” (1 Pet. 2:19-21; 3:14) Rehefa azontsika hoe ankahalaina isika satria manao ny tsara, dia mbola hanompo an’i Jehovah foana na dia misy mankahala aza.

HANDRAY SOA IANAO RAHA MIOMANA

21-22. a) Inona no eritreretinao hatao mba ho vonona hiatrika fanenjehana ianao? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Tsy haintsika izay havoakan’ny ampitso. Mety hisy fanenjehana tampoka na ho voarara mihitsy ny asantsika. Fantatsika anefa hoe dieny izao isika dia efa afaka miomana hiatrika an’izany. Tokony hiezaka isika mba hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah sy ho be herim-po kokoa, ary hianatra hiaritra rehefa misy mankahala. Hahavita tsy hivadika isika amin’ny hoavy, raha dieny izao dia efa miomana.

22 Ahoana anefa raha voarara tokoa ny asantsika? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona avy ny toro lalana hanampy antsika hanompo an’i Jehovah foana rehefa mitranga izany.

HIRA 118 “Ampitomboy ny Finoanay”

^ feh. 5 Tsy te ho halan’ny olona isika. Na ho ela na ho haingana anefa, dia tsy maintsy henjehina isika rehetra. Hanampy antsika ity lahatsoratra ity mba ho be herim-po foana rehefa mitranga izany.

^ feh. 14 Jereo ilay hoe Ho Fantatry ny Olona ny Anaran’i Jehovah, ao amin’ny Tele JW (FANADINADINANA SY FITANTARANA).

^ feh. 67 SARY: Fianakaviana manao fotoam-pivavahana. Mampiasa taratasy kely izy mivady mba hanampiana ny zanany hitadidy andinin-teny. Hita ao amin’ny ilan’ilay taratasy ilay andinin-teny, fa izay voasoratra ao amin’ilay izy kosa no ao ambadika.

^ feh. 70 SARY: Fianakaviana iray ao anaty fiara. Handeha hivory ry zareo ary mamerina ny hiran’ilay Fanjakana.