Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Maty ho Ahy ve i Jesosy?

Tena Maty ho Ahy ve i Jesosy?

MISY tenin’olona be dia be namoaka ny tao am-pony ao amin’ny Baiboly. “Nanana fihetseham-po” hoatran’ny antsika ihany izy ireny. (Jak. 5:17) Niaiky, ohatra, ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 7:21-24 hoe: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy. ... Indrisy! Olo-mahantra aho!” Tsy izany ve no tsapanao indraindray? Mampahery antsika ireo tenin’i Paoly ireo satria miady mafy koa isika noho isika tsy lavorary.

Nanana fihetseham-po hafa koa i Paoly. Nilaza, ohatra, izy hoe: “Ny Zanak’Andriamanitra ... efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.” (Gal. 2:20) Tsy nisalasala ny amin’izany mihitsy izy. Ary ianao? Hoatr’izany koa ve no tsapanao? Tsy resy lahatra ny amin’izany angamba ianao indraindray.

Mahatsiaro ho tsy misy dikany ve ianao noho ny fahotana vitanao taloha? Raha izany, dia mety ho sarotra aminao ny hanaiky hoe tia anao i Jehovah. Mety tsy hino koa ianao hoe namela ny helokao izy, mainka moa fa hino hoe ho anao mihitsy no nanomezany ny vidim-panavotana! Tian’i Jesosy ho hoatr’izany ve anefa ny fahitanao ny sorona nataony? Inona no hanampy anao hitadidy fa tena natao ho anao izy io?

HO AN’IZA NO NANOMEZAN’I JESOSY NY AINY?

Ho anao! Ho anao mihitsy no nanaovan’i Jesosy sorona ny ainy, ary tiany ho tsapanao izany. Fa maninona ianao no afaka matoky an’izany? Alao sary an-tsaina ange ny zava-nitranga, tamin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana e! Ao amin’ny Lioka 23:39-43 ilay izy. Misy lehilahy hafa koa mihantona eo akaikin’i Jesosy eo. Mibaboka ny zava-dratsy nataony taloha io lehilahy io. Tsy maintsy hoe heloka bevava faran’izay ratsy no vitany matoa izy nahantona teo. Ny olona nahavita heloka hoatr’izany ihany mantsy no nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo. Kivy be tamin’izay nahazo azy ilay lehilahy, ka niangavy an’i Jesosy hoe: “Tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.”

Dia ahoana no nataon’i Jesosy? Eritrereto indray ange e! Nitodika moramora tany amin’ilay lehilahy aloha izy, amin’izay ry zareo afaka nifampijery. Tsy maintsy hoe nanaintaina be izy rehefa nanao an’izany. Mbola niezaka nitsiky koa izy na dia efa nijaly mafy aza. Nanome toky an’ilay lehilahy izy avy eo hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” Afaka nampahatsiahy azy fotsiny i Jesosy hoe: ‘Tonga mba hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro ny Zanak’olona.’ (Mat. 20:28) Tsy izany anefa no nataony. Voamarikao ve ilay teniny hoe “ianao” sy hoe “amiko”? Azo antoka fa tsara fanahy erỳ izy rehefa nilaza an’ireo. Tiany ho tsapan’ilay lehilahy mantsy hoe ho azy mihitsy no hanaovany sorona ny ainy. Nolazain’i Jesosy taminy koa fa noho io sorona io dia ho afaka hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany izy.

Tian’i Jesosy ho azon’io lehilahy io hoe fanomezana ho azy mihitsy ilay sorona hataony. Raha mpanao heloka bevava aza tian’i Jesosy hahatsapa an’izany, sady amin’izay olona tsy nanompo an’Andriamanitra akory, tsy mainka ve fa Kristianina vita batisa sady efa manompo an’Andriamanitra? Inona àry no hanampy antsika hino tanteraka hoe tena maty ho antsika i Jesosy na dia eo aza ny fahotana vitantsika taloha?

INONA NO NANAMPY AN’I PAOLY?

Notendren’i Jesosy hitory i Paoly, ary izany no nanampy azy hahazo hoe tena maty ho azy i Jesosy. Izao mantsy no nohazavainy: “Velom-pisaorana an’i Kristy Jesosy Tompontsika izay nanome hery ahy aho, satria nataony ho mendri-pitokisana aho ka notendreny hanao fanompoana, kanefa mpanevateva an’Andriamanitra aho taloha, sady mpanenjika no mpanambany olona.” (1 Tim. 1:12-14) Nahazo toky i Paoly hoe namindra fo taminy i Jesosy sady tia azy ary natoky azy, satria mbola nasain’i Jesosy hanao fanompoana izy na dia nahavita zavatra ratsy be aza. Tsy hoatr’izany koa ve no tokony ho tsapantsika? Notendren’i Jesosy hitory ny vaovao tsara mantsy isika tsirairay.—Mat. 28:19, 20.

Efa ho 34 taona i Albert no voaroaka, ary vao haingana izy no niverina tamin’i Jehovah. Hoy izy: “Enjehin’ny eritreritro foana aho noho ny fahotana vitako. Rehefa manompo anefa aho, dia mahatsapa hoe i Jesosy mihitsy no maniraka an’ahy hitory, hoatran’ny nataony tamin’ny apostoly Paoly. Mampahery an’ahy izany sady mahatonga an’ahy hahatsiaro ho misy vidiny. Lasa afa-po amin’ny fiainako aho sady manantena hoavy tsara.”—Sal. 51:3.

Na iza na iza ampianarinao Baiboly, dia omeo toky izy hoe tena tia azy i Jesosy ary mamindra fo aminy

I Allan indray mpanao heloka bevava sady nahery setra be, talohan’ny nahalalany ny fahamarinana. Izao no nolazainy: “Mbola tsaroako ny ratsy rehetra nataoko tamin’ny olona, dia kivy aho indraindray. Mankasitraka an’i Jehovah anefa aho rehefa mieritreritra hoe mpanota be hoatran’ahy dia avelany hitory ny vaovao tsara. Rehefa mahita olona mandray tsara aho, dia miaiky hoe tena tsara fanahy sy be fitiavana i Jehovah. Tsapako hoe mampiasa an’ahy izy mba hanampy ny olona nanao ratsy hoatran’ahy.”

Mifantoka amin’ny zavatra tsara sy hevitra mampahery isika rehefa manompo, ka lasa matoky hoe mamindra fo amintsika i Jesosy ary tia antsika sady matoky antsika.

LEHIBE NOHO NY FONTSIKA I JEHOVAH

Mandra-paharavan’ny tontolon’i Satana, dia mety mbola hanameloka antsika foana ny fontsika, noho ny fahadisoana vitantsika taloha. Inona àry no azontsika atao rehefa mitranga izany?

Matetika no enjehin’ny eritreriny ny anabavy atao hoe Jean, satria naditra izy taloha dia nanafina. Inona no mampahery azy? Hoy izy: “Tiako be ilay hoe ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra.’” (1 Jaona 3:19, 20) Hampahery antsika koa ny mitadidy hoe fantatr’i Jehovah sy Jesosy fa mpanota isika. Aza hadinoina hoe tsy ho an’ny olona lavorary akory no nanomezan’i Jehovah sy Jesosy ny vidim-panavotana, fa ho an’ny mpanota nibebaka.—1 Tim. 1:15.

Inona no hanampy antsika ho resy lahatra hoe marina izany? Ilaina ny misaintsaina tsara momba ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona tsy lavorary. Mila manao izay fara herintsika koa isika mba hanaovana ny fanompoana nankinina tamintsika. Raha manao an’izany isika, dia ho afaka hiteny hoatran’i Paoly hoe: “Efa tia ahy” i Jesosy “ka nanolotra ny tenany ho ahy.”