Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 28

Ataovy Izay Haharesy Lahatra Anao hoe Nahita ny Marina Ianao

Ataovy Izay Haharesy Lahatra Anao hoe Nahita ny Marina Ianao

“Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.”​—2 TIM. 3:14.

HIRA 56 Raiso Am-po ny Fahamarinana

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tiantsika hotenenina amin’ilay hoe “fahamarinana”?

“AHOANA no nahitanao ny fahamarinana?” “Notezaina tao amin’ny fahamarinana ve ianao?” “Hafiriana izay ianao no tao amin’ny fahamarinana?” Efa nisy nanontany an’izany angamba ianao, na ianao no nanontany olona an’izany. Fa inona anefa no tiantsika hotenenina amin’ilay hoe “fahamarinana”? Amin’ny ankapobeny, dia ny zavatra inoantsika sy izay rehetra ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ary ny fomba fiainantsika no tiana horesahina amin’izany. Mahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly ny olona “ao amin’ny fahamarinana”, ary miaina mifanaraka amin’ny toro lalana ao amin’izy io. Tsy mino fampianaran-diso intsony izy ireo vokatr’izany. Sambatra koa ry zareo na dia mbola eto amin’ity tontolon’i Satana ity aza.​—Jaona 8:32.

2. Araka ny Jaona 13:34, 35, inona no mety hahatonga ny olona ho liana amin’ny fahamarinana?

2 Inona no nahatonga anao ho liana tamin’ny fahamarinana? Ny fitondran-tena tsaran’ny vahoakan’i Jehovah ve? (1 Pet. 2:12) Sa ny fitiavana nasehon-dry zareo? Betsaka no nahatsapa an’io fitiavana io tamin’izy vao nivory. Izany no tena tadidiny fa tsy ny zavatra noresahina tany loatra. Tsy mahagaga izany satria i Jesosy efa niteny hoe ny fifankatiavana no amantarana ny mpianany. (Vakio ny Jaona 13:34, 35.) Misy zavatra hafa tokony hataontsika anefa raha te hanana finoana matanjaka isika.

3. Inona no mety hitranga raha ny fitiavana asehon’ireo rahalahy sy anabavy fotsiny no mahatonga antsika hanompo an’i Jehovah?

3 Tsy hatanjaka tsara ny finoantsika, raha ny fitiavana asehon’ny vahoakan’i Jehovah fotsiny no mahatonga antsika hanompo azy. Eritrereto ange e! Ahoana raha misy mpiara-manompo nanao fahotana lehibe, ary mety ho anti-panahy na mpisava lalana mihitsy izany? Na ahoana raha nanao zavatra nampalahelo anao ny rahalahy na anabavy iray? Ary raha misy mpiara-manompo nivadi-pinoana, dia manizingizina izy hoe tsy marina ny zavatra inoantsika? Ho tafintohina ve ianao dia tsy hanompo an’i Jehovah intsony? Tadidio hoe azo oharina amin’ny trano ny finoana. Raha miankina amin’ny zavatra ataon’ny olon-kafa ny finoanao fa tsy miankina amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah, dia hoatran’ny hoe manorina trano ianao nefa tsy mafy tsara ny fitaovana ampiasainao. Tsy tokony hiankina amin’ny fihetseham-po fotsiny ny finoana, fa mila porofo mavesa-danja sy hevitra mitombina tsara koa. Tokony hataonao izay hahatonga anao ho resy lahatra hoe marina ny voalazan’ny Baiboly momba an’i Jehovah.​—Rom. 12:2.

4. Araka ny Matio 13:3-6, 20, 21, inona no mety hitranga rehefa miatrika olana ny olona iray?

4 Nilaza i Jesosy hoe hanaiky ny fahamarinana “amim-pifaliana” ny olona sasany, nefa hihena ny finoany rehefa misy olana. (Vakio ny Matio 13:3-6, 20, 21.) Tsy azon-dry zareo tsara angamba hoe hiatrika zava-tsarotra izay manara-dia an’i Jesosy. (Mat. 16:24) Na ry zareo nieritreritra hoe rehefa lasa Kristianina izy dia ho feno fitahiana ny fiainany, ka tsy hisy olana mihitsy. Hisy olana foana anefa eto amin’ity tontolo ity. Mety hiova ny fiainantsika dia hihena ny fifaliantsika.​—Sal. 6:6; Mpito. 9:11.

5. Inona no porofo fa resy lahatra ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavintsika hoe nahita ny marina?

5 Resy lahatra ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavintsika hoe nahita ny fahamarinana. Inona no manaporofo an’izany? Tsy mihena ny finoany na dia nandratra ny fony aza ny mpiara-manompo sasany, na nanao ratsy. (Sal. 119:165) Vao mainka aza matanjaka ny finoany isaky ny miatrika olana izy. (Jak. 1:2-4) Inona no azonao atao raha te hanana finoana matanjaka hoatr’izany ianao?

MIEZAHA ‘HAHALALA MARINA TSARA AN’ANDRIAMANITRA’

6. Inona no nahatonga ny Kristianina voalohany hanam-pinoana?

6 Inona no nahatonga ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hanana finoana matanjaka? Nahalala ny Soratra Masina sy ny fampianaran’i Jesosy Kristy izy ireo, izany hoe nahalala ny “fahamarinan’ny vaovao tsara.” (Gal. 2:5) Ny fampianarana rehetra inoan’ny Kristianina io fahamarinana io, anisan’izany ny momba ny soron’i Jesosy sy ny fananganana ny maty. Resy lahatra ny apostoly Paoly hoe marina ireo fampianarana ireo. Nahoana isika no milaza an’izany? Satria nampiasa ny Soratra Masina izy dia “noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy.” (Asa. 17:2, 3) Nanaiky an’ireny fampianarana ireny ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Niantehitra tamin’ny fanahy masina koa izy ireo mba hanampy azy ireo hahazo ny Tenin’Andriamanitra. Nanao fikarohana ry zareo mba hahazoany antoka hoe avy ao amin’ny Soratra Masina ireny fampianarana ireny. (Asa. 17:11, 12; Heb. 5:14) Tsy fihetseham-po fotsiny no nahatonga azy ireo hanam-pinoana. Na dia nahafinaritra an-dry zareo aza ny niaraka tamin’ny mpiara-manompo, dia tsy izay no nahatonga azy ireo hanompo an’i Jehovah. Lasa nanam-pinoana kosa ry zareo satria ‘nahalala marina tsara an’Andriamanitra.’​—Kol. 1:9, 10.

7. Inona no ho vokany rehefa mino ny fampianarana ao amin’ny Baiboly isika?

7 Tsy miova ny fampianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra fa marina foana. (Sal. 119:160) Marina foana, ohatra, izy ireny na dia mandratra ny fontsika aza ny mpiara-manompo, na manao fahotana lehibe. Marina foana koa izy ireny na dia miatrika olana aza isika. Mila mahafantatra tsara an’izay ampianarin’ny Baiboly àry isika, sady tokony ho resy lahatra hoe marina izy ireny. Hatanjaka tsara ny finoantsika amin’izay, ka hahavita tsy hivadika isika rehefa tojo ny mafy. Hiaro antsika izy io, hoatran’ny vatofantsika miaro ny sambo rehefa misy tafio-drivotra. Inona àry no hanampy anao ho resy lahatra kokoa hoe nahita ny fahamarinana ianao?

TOKONY HO RESY LAHATRA ISIKA KA HINO

8. Araka ny 2 Timoty 3:14, 15, inona no nahatonga an’i Timoty ho resy lahatra hoe nahita ny marina?

8 Resy lahatra i Timoty hoe nahita ny fahamarinana. Inona no nahatonga azy ho resy lahatra? (Vakio ny 2 Timoty 3:14, 15.) Ny reniny sy ny renibeny no voalohany nampianatra azy “ny Soratra Masina.” Azo inoana anefa fa izy mihitsy no nandany fotoana sy hery nianarana an’izany. ‘Resy lahatra’ àry izy ka ‘nino’ hoe marina ny voalazan’ny Soratra Masina. Nahafantatra ny Fivavahana Kristianina izy telo mianaka tatỳ aoriana. Azo antoka hoe nampiaiky an’i Timoty ny fitiavana nasehon’ny mpanara-dia an’i Jesosy. Azo inoana koa hoe tena te hiaraka tamin’ny fiangonana izy sady te hikarakara an-dry zareo. (Fil. 2:19, 20) Tsy ny fitiavany an-dry zareo anefa no nahatonga azy hanam-pinoana, fa ny zavatra nianarany tao amin’ny Soratra Masina. Resy lahatra tamin’izany izy ka lasa te ho naman’i Jehovah. Hoatr’izany koa ianao. Tokony hianatra Baiboly ianao, dia handinika tsara hoe mitombina ve ny zavatra ianaranao ao momba an’i Jehovah.

9. Mila mitady porofo momba ny fampianarana fototra telo ianao. Inona avy izy ireo?

9 Inona àry no tokony hianaranao voalohany? Mila mitady porofo momba ny fampianarana fototra telo ianao, fara fahakeliny. Voalohany, mila resy lahatra ianao hoe i Jehovah Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. (Eks. 3:14, 15; Heb. 3:4; Apok. 4:11) Faharoa, tsy maintsy mitady porofo ianao hoe hafatr’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Ary fahatelo, mila mahazo antoka tsara ianao hoe manana vahoaka voalamina mba hanompo azy i Jehovah, i Kristy no mitarika azy ireo, ary ny Vavolombelon’i Jehovah io vahoaka io. (Isaia 43:10-12; Jaona 14:6; Asa. 15:14) Tsy hoe mila mahay Baiboly be ianao vao hahita porofo momba an’ireo. Ny tanjonao mantsy dia ny ‘hampiasa ny sainao’ mba hahatonga anao ho resy lahatra kokoa hoe nahita ny marina ianao.​—Rom. 12:1.

MIOMÀNA MBA HANDRESY LAHATRA NY OLON-KAFA

10. Inona no tokony hiezahantsika rehefa mahalala ny marina?

10 Inona no tokony hataonao rehefa resy lahatra amin’ireo fampianarana fototra tetsy aloha ianao? Mila miezaka hahay hampiasa ny Soratra Masina ianao mba hanaporofoana an’izany amin’ny olon-kafa. Nahoana? Satria Kristianina isika ka adidintsika ny mampianatra ny zavatra nianarantsika amin’izay olona vonona hihaino. * (1 Tim. 4:16) Rehefa miezaka mandresy lahatra ny olona koa isika hoe marina ny lazain’ny Baiboly, dia vao mainka isika ho resy lahatra amin’izany.

11. Ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly?

11 Rehefa nampianatra ny apostoly Paoly, dia “nandresy lahatra” ny olona “momba an’i Jesosy, avy tamin’ny lalàn’i Mosesy sy tamin’ny Mpaminany.” (Asa. 28:23) Ahoana no anahafantsika azy rehefa mampianatra? Tsy ampy ny mampahafantatra an’ilay mpianatra an’izay lazain’ny Baiboly. Tsy maintsy ampiantsika koa izy mba handinika sy hisaintsaina tsara an’izay voalaza ao, amin’izay izy hifandray akaiky amin’i Jehovah. Tsy tiantsika hoe manaiky ny fahamarinana izy satria isika no mahafinaritra azy. Tiantsika kosa raha manaiky an’izany izy satria izy mihitsy no nahita porofo hoe marina ny zavatra nianarany momba an’ilay Andriamanitsika be fitiavana.

Ry ray aman-dreny, ampianaro “ny zava-dalin’Andriamanitra” ny zanakareo mba hanana finoana matanjaka (Fehintsoratra 12-13) *

12-13. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba ho ao amin’ny fahamarinana foana?

12 Manan-janaka ve ianao? Azo antoka hoe tianao ho ao amin’ny fahamarinana foana izy. Mety hieritreritra ianao hoe handroso tsara izy raha manana namana tsara ao amin’ny fiangonana. Tsy ampy anefa izany raha tianao ho resy lahatra izy hoe tena marina ny zavatra inoany. Izy mihitsy no mila mifandray tsara amin’Andriamanitra sy resy lahatra fa marina izay lazain’ny Baiboly.

13 Raha te hampianatra ny zanakao ny marina momba an’Andriamanitra ianao, dia ianao mihitsy aloha no tsy maintsy miezaka hianatra tsara ny Baiboly mba ho modely ho an-dry zareo. Tsy maintsy maka fotoana hisaintsainana an’izay nianaranao koa ianao. Ho afaka hanampy ny zanakao hanao hoatr’izany ianao amin’izay. Tokony hampianarinao hampiasa ny fitaovana ananantsika koa izy, hoatran’ny ataonao amin’ny olona ampianarinao Baiboly ihany. Ampianaro azy, ohatra, hoe ahoana no fampiasana ny JW Library sy ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah rehefa manao fikarohana. Hanampy azy ho tia an’i Jehovah ianao raha manao an’izany. Hanampy azy koa ianao mba hatoky hoe ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” no ampiasain’i Jehovah mba hanomezana sakafo ara-panahy antsika. (Mat. 24:45-47) Ankoatra izany, dia tsy ampy raha ny fahamarinana fototra fotsiny no ampianarinao ny zanakao. Ampio izy hanana finoana matanjaka. Ahoana no hanaovanao an’izany? Ampianaro “ny zava-dalin’Andriamanitra” izy, ary ataovy mifanaraka amin’ny taonany sy ny fahaizany izany.​—1 Kor. 2:10.

MIANARA FAMINANIANA

14. Nahoana isika no mila mianatra faminaniana? (Jereo koa ilay hoe “ Hainao Hazavaina ve Ireto Faminaniana Ireto?”)

14 Anisan’ny Tenin’Andriamanitra ny faminaniana ary tena zava-dehibe. Manampy antsika hanana finoana matanjaka izy ireny. Inona, ohatra, ny faminaniana nanatanjaka ny finoanao? Angamba ny faminaniana momba ny “andro farany.” (2 Tim. 3:1-5; Mat. 24:3, 7) Misy faminaniana hafa koa anefa mety hanatanjaka finoana. Hainao ve, ohatra, ny manazava hoe ahoana no nahatanterahan’ny Daniela toko faha-2 na ny Daniela toko faha-11? * Tsy ho voahozongozona mihitsy ny finoanao raha miorina tsara amin’ny Baiboly. Manaporofo an’izany ny tantaran’ny mpiara-manompo tany Alemaina, nandritra ny Ady Lehibe II. Mbola tsy nazava tsara ny faminaniana momba ny andro farany tamin’izany, nefa natanjaka ny finoan’izy ireo satria niorina tamin’ny Soratra Masina. Nahavita tsy nivadika àry izy ireo na dia nampijalina mafy aza.

Tena ilaina ny mianatra Baiboly, anisan’izany ny faminaniana. Hanampy antsika izany mba tsy hivadika rehefa misy olana (Fehintsoratra 15-17) *

15-17. Nahoana no nahasoa an’ireo mpiara-manompo nenjehin’ny Nazia ny fianarany Baiboly?

15 Rahalahy sy anabavy an’arivony no nalefa tany amin’ny toby fitanana nandritra ny fitondran’ny Nazia, tany Alemaina. Nankahala ny Vavolombelon’i Jehovah i Hitler sy ny manam-pahefana atao hoe Heinrich Himmler. Nitantara ny nataon’i Himmler ny anabavy iray. Nilaza tamin’ny anabavy maromaro tao amin’ny toby fitanana, hono, i Himmler hoe: “Izany Jehovah-nareo izany angamba any an-danitra no manjaka. Fa eto an-tany, izahay no manjaka! Izay iray maharitra kokoa, na ianareo Vavolombelon’i Jehovah na izahay Nazia!” Inona no nanampy ny mpanompon’i Jehovah tsy hivadika tamin’ireny fotoana ireny?

16 Fantatry ny Mpianatra ny Baiboly hoe efa nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. Tsy gaga àry ry zareo hoe nenjehina mafy. Nino tanteraka koa anefa ry zareo hoe tsy misy fitondran’olombelona mahavita misakana an’Andriamanitra tsy hahavita izay kasainy. Tsy nahavita nanafoana ny fivavahana marina i Hitler, ary tsy nahavita nanangana fitondrana matanjaka noho ny Fanjakan’Andriamanitra. Resy lahatra ny mpiara-manompo amintsika hoe tsy maintsy hifarana ny fitondran’i Hitler.

17 Tsy diso hevitra ireo rahalahy sy anabavintsika. Tsy ela dia rava ny fitondran’ny Nazia. Ary inona no nanjo an’i Himmler, ilay nilaza hoe “eto an-tany, izahay no manjaka”? Nandositra izy! Nihaona tamin’ny Rahalahy Lübke izy tamin’izay. Efa nigadra io rahalahy io ary tadidiny tsara. Tena kivy i Himmler dia nanontany hoe: “Dia inona izany izao no hitranga, ry Mpianatra ny Baiboly?” Nohazavain’ilay rahalahy taminy hoe efa ela no fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa ho rava ny fitondran’ny Nazia ary hafahana ry zareo. Imbetsaka i Himmler no nanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy nahita hotenenina intsony izy tamin’izay. Namono tena izy taoriana kelin’izay. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Manampy antsika hatoky tanteraka an’i Jehovah ny fianarana Baiboly, anisan’izany ny fianarana faminaniana. Manampy antsika koa izany mba tsy hivadika rehefa enjehina.​—2 Pet. 1:19-21.

18. Rehefa jerena ny Jaona 6:67, 68, nahoana isika no mila “fahalalana marina tsara” sy “fahaiza-manavaka tanteraka”?

18 Marina hoe tokony hampiseho fitiavana isika tsirairay. Izany mantsy no amantarana ny tena Kristianina. Ilaina koa anefa ny “fahalalana marina tsara” sy ny “fahaiza-manavaka tanteraka.” (Fil. 1:9) Raha tsy izany, dia mety ho voataona hanaraka an’izao karazana fampianarana rehetra izao isika satria ho voafitaky ny olona, anisan’izany ny mpivadi-pinoana. (Efes. 4:14) Izany no nitranga tamin’ny taonjato voalohany. Betsaka ny mpianatr’i Jesosy lasa tsy nanara-dia azy intsony. Ny apostoly Petera kosa nilaza hoe resy lahatra izy fa i Jesosy no “manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Vakio ny Jaona 6:67, 68.) Tsy azony tsara daholo ireo “tenin’ny fiainana mandrakizay” nolazain’i Jesosy ireo, tamin’izany fotoana izany. Fantany anefa hoe i Jesosy no Kristy, dia izay no nanampy azy tsy hivadika mihitsy. Maninona àry raha miezaka ho resy lahatra kokoa hoe marina izay lazain’ny Baiboly? Hanana finoana matanjaka foana ianao amin’izay na inona na inona mitranga, ary hahavita hanampy ny olon-kafa mba hanana finoana matanjaka.​—2 Jaona 1, 2.

HIRA 72 Ambarao ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana

^ feh. 5 Hanampy antsika ity lahatsoratra ity mba hahazo tsara hoe tena zava-dehibe ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hiresaka soso-kevitra vitsivitsy koa isika ato mba hanampy antsika ho resy lahatra kokoa fa tena marina ny zavatra inoantsika.

^ feh. 10 Hanampy anao hampisaintsaina ny olona ilay andian-dahatsoratra hoe “Resadresaka Mahaliana.” Nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana izy io nanomboka tamin’ny 2010 ka hatramin’ny 2015. Noresahina tao, ohatra, ny hoe “Andriamanitra ve i Jesosy?”, “Oviana no Nanomboka Nanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra?”, ary “Manasazy Olona any Amin’ny Afobe ve Andriamanitra?

^ feh. 14 Manazava an’ireo faminaniana ireo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2012 sy Mey 2020.

^ feh. 60 SARY: Ray aman-dreny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka amin’ny zanany. Mandinika faminaniana momba ny fahoriana lehibe ry zareo.

^ feh. 62 SARY: Tsy hahagaga an’io fianakaviana io ny zava-mitranga mandritra ny fahoriana lehibe.