Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 27

“Aza Mihevi-tena Mihoatra Noho Izay Tokony Hoheverina”

“Aza Mihevi-tena Mihoatra Noho Izay Tokony Hoheverina”

“Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara.”​—ROM. 12:3.

HIRA 130 Andao Hifamela

HO HITANAO ATO *

1. Inona no torohevitra resahin’ny Filipianina 2:3? Nahoana no mahasoa antsika izy io?

MANETRY TENA isika ka mankatò an’i Jehovah. (Efes. 4:22-24) Miaiky mantsy isika hoe fantany foana izay mahasoa antsika indrindra. Rehefa manetry tena isika, dia ny sitrapon’i Jehovah no zava-dehibe kokoa amintsika noho izay tiantsika. Io toetra io koa no manampy antsika hihevitra ny hafa ho ambony noho isika. Lasa mifandray tsara amin’i Jehovah sy ny mpiara-manompo isika vokatr’izany.​—Vakio ny Filipianina 2:3.

2. Inona no neken’ny apostoly Paoly? Inona no hodinihintsika ato?

2 Raha tsy mitandrina anefa isika, dia mety ho lasa manambony tena sy tia tena hoatran’ny olona eto amin’ity tontolo ity. * Lasa hoatr’izany angamba ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Nanoratra ho an’ny Romanina mantsy ny apostoly Paoly hoe: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara.” (Rom. 12:3) Hita avy amin’io tenin’i Paoly io hoe mila mahatsiaro ho misy vidiny isika. Mila mahay mandanjalanja anefa isika, ary manampy antsika amin’izany ny fanetren-tena. Tsy hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina isika amin’izay. Handinika fomba telo hampiharana an’izany isika ato: 1) Rehefa mifandray amin’ny vady, 2) rehefa manana tombontsoam-panompoana, ary 3) rehefa mampiasa tambazotran-tserasera.

REHEFA MIFANDRAY AMIN’NY VADY

3. Nahoana ny mpivady no mety tsy hifanaraka? Ahoana no ataon’ny mpivady sasany rehefa mitranga izany?

3 Namorona ny fanambadiana i Jehovah mba hahasambatra ny mpivady. Tokantrano, hono, anefa tsy ialan-dromoromo. Marina izany satria tsy misy olona lavorary. Nilaza mihitsy i Paoly hoe hanana olana ny olona manambady. (1 Kor. 7:28) Miady lava, ohatra, ny mpivady sasany dia mety hieritreritra hoe efa tsy natao hiaraka mihitsy ry zareo. Raha nifindran’ny toe-tsain’ity tontolo ity ry zareo, dia ny hisara-panambadiana no vahaolana ho tonga voalohany ao an-tsainy. Izay metimety aminy ihany mantsy no tena ifantohany.

4. Inona no tsy maintsy tandreman’ny olona manambady?

4 Tsy maintsy mitandrina ianao mba tsy hieritreritra hoe tsy avotra intsony ny tokantranonao. Fantatsika fa ny fijangajangana ihany no antony araka ny Soratra Masina ahafahana misara-panambadiana. (Mat. 5:32) Rehefa mitranga àry ny olana noresahin’i Paoly, dia tsy tokony hanambony tena ianao ka hieritreritra hoe: ‘Tsy miraharaha ahy mihitsy ny vadiko! Tsy mahazo ny fitiavana tokony ho azoko aho. Ho sambatra kokoa angamba aho raha miaraka amin’olon-kafa.’ Mariho fa izay mahasoa ny tenany no tena ifantohan’ny olona mieritreritra hoatr’izany. Mampirisika anao hanao izay mahafalifaly ny fonao ity tontolo ity, na dia hiafara amin’ny fisaraham-panambadiana aza izany. Andriamanitra anefa milaza aminao hoe: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” (Fil. 2:4) Tian’i Jehovah hanavotra ny tokantranonao ianao fa tsy handrava azy io. (Mat. 19:6) I Jehovah no tokony hoeritreretinao voalohany fa tsy ny tenanao, ary izay mihitsy no tiany hataonao.

5. Ahoana no tokony hifampitondran’ny mpivady, araka ny Efesianina 5:33?

5 Tokony hifankatia sy hifanaja ny mpivady. (Vakio ny Efesianina 5:33.) Ny manome no tena ampirisihin’ny Baiboly fa tsy ny mandray. (Asa. 20:35) Inona no toetra hanampy ny mpivady hifankatia sy hifanaja? Ny fanetren-tena. Rehefa manetry tena ry zareo, dia tsy izay hahasoa azy no hotadiaviny voalohany, fa izay hahasoa ny vadiny.​—1 Kor. 10:24.

Tsy mpifahavalo ny mpivady fa ekipa iray, ka tokony hanetry tena sy hifanampy (Fehintsoratra 6)

6. Inona no ianaranao avy amin’izay nolazain’i Steven sy Stéphanie?

6 Betsaka ny mpivady kristianina lasa sambatra kokoa rehefa nanetry tena. Izao, ohatra, no nolazain’i Steven: “Tokony ho hoatran’ny ekipa iray ny mpivady dia mifanampy, indrindra rehefa misy olana. Tsy tokony hieritreritra ry zareo hoe: ‘Inona no mety indrindra amiko?’, fa hoe: ‘Inona no mety indrindra aminay?’” Mitovy hevitra aminy ny vadiny. Stéphanie no anarany. Izao no nolazainy: “Tsy misy mihitsy olona te hiara-hiaina amin’ny fahavalony. Rehefa tsy mifanaraka àry izahay, dia tadiavinay hoe inona no olana. Mivavaka izahay avy eo, dia manao fikarohana, ary mifampiresaka momba an’ilay izy. Tsy izahay no miady fa ilay olana no iadianay.” Tena mandray soa àry ny mpivady rehefa tsy mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.

REHEFA MANANA TOMBONTSOAM-PANOMPOANA

7. Inona no mila tandreman’ny rahalahy iray rehefa mahazo andraikitra izy?

7 Manao izay rehetra vitantsika isika mba hanompoana an’i Jehovah, ary tombontsoa be izany amintsika. (Sal. 27:4; 84:10) Raha misy rahalahy vonona hanompo an’i Jehovah bebe kokoa àry, dia tena tsara izany. Milaza mihitsy ny Baiboly hoe: “Raha misy olona miezaka ho tonga mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy.” (1 Tim. 3:1) Tsy tokony hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina anefa izy, rehefa mahazo andraikitra. (Lioka 17:7-10) Ny hanampy ny hafa no tokony ho tanjony, ary mila manetry tena izy rehefa manao an’izany.​—2 Kor. 12:15.

8. Inona no ianarantsika avy amin’i Diotrefa sy Ozia ary Absaloma?

8 Miresaka olona sasany nihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina ny Baiboly. Anisan’izany i Diotrefa. Tsy nanetry tena izy fa “te ho voalohany” tao amin’ny fiangonana. (3 Jaona 9) Nanambony tena koa i Ozia dia nanao asa tsy nampanaovin’i Jehovah azy. (2 Tan. 26:16-21) I Absaloma indray te ho mpanjaka ka nanao tetika mba hahazoana ny fon’ny vahoaka. (2 Sam. 15:2-6) Hita amin’ny tantaran’ireo olona ireo hoe tsy tian’i Jehovah izay mitady voninahitra ho an’ny tenany. (Ohab. 25:27) Mahita olana foana izay manambony tena sy te halaza.​—Ohab. 16:18.

9. Inona no ohatra navelan’i Jesosy?

9 Tsy nanao hoatran’ireo olona ireo i Jesosy. “Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra.” (Fil. 2:6) I Jesosy no ambony indrindra manarakaraka an’i Jehovah, nefa izy tsy nihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina. Izao no nolazainy tamin’ny mpianany: “Izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.” (Lioka 9:48) Tsy hitanao ve hoe rehefa manetry tena hoatran’i Jesosy ny mpisava lalana, mpanampy amin’ny fanompoana, anti-panahy, ary mpiandraikitra ny faritra, dia tena mahafinaritra ny miara-miasa amin-dry zareo? Rehefa manetry tena koa isika dia lasa mifankatia kokoa, ary izany no amantarana ny tena mpanompon’Andriamanitra.​—Jaona 13:35.

10. Inona no tokony hataonao raha hoatran’ny hoe tsy voalamina araka ny tokony ho izy ny olana ao amin’ny fiangonana?

10 Ahoana raha hoatran’ny hoe misy olana ao amin’ny fiangonana, dia mieritreritra ianao hoe tsy araka ny tokony ho izy no andaminana an’ilay izy? Aleo tsy mimenomenona fa miezaka manetry tena sy manohana an’ireo mitarika antsika. (Heb. 13:17) Hahavita an’izany ianao raha mieritreritra an’ireto: ‘Tena olana be ve ilay izy ka mila alamina? Izao ve no fotoana tsara handaminana an’ilay izy? Anjarako ve ny mandamina an’ilay izy? Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra, dia tena miezaka mampiray saina ny fiangonana ve aho sa te hisongadina fotsiny?’

Tsy tokony halaza ho mahay fotsiny ny olona manana andraikitra, fa tokony ho hita koa hoe manetry tena (Fehintsoratra 11) *

11. Araka ny Efesianina 4:2, 3, inona no ho vokany raha manetry tena isika?

11 Aleon’i Jehovah olona manetry tena toy izay olona mahay. Aleony koa olona miray saina toy izay olona mahavita zavatra be. Miezaha mafy àry mba hanetry tena rehefa manompo an’i Jehovah. Hanampy ny fiangonana hiray saina ianao amin’izay. (Vakio ny Efesianina 4:2, 3.) Ahoana no hampisehoanao hoe manetry tena ianao? Mazotoa manompo. Mitadiava hevitra mba hanaovana zavatra tsara ho an’ny hafa. Miezaha koa ho tia mandray vahiny ary ataovy amin’ny olona rehetra izany, anisan’izany ny olona tsy manana andraikitra ao amin’ny fiangonana. (Mat. 6:1-4; Lioka 14:12-14) Amin’izay dia tsy ny fahaizanao fotsiny no ho hitan’ireo rahalahy sy anabavy, fa ho hitany koa hoe manetry tena ianao.

REHEFA MAMPIASA TAMBAZOTRAN-TSERASERA

12. Nahoana no azo lazaina fa mampirisika antsika hanana namana ny Baiboly?

12 Tiantsika erỳ ny miaraka amin’ny namana sy ny fianakaviana. (Sal. 133:1) Nataon’i Jehovah afaka mankafy an’izany isika. Nanana namana akaiky i Jesosy. (Jaona 15:15) Milaza ny Baiboly hoe tsara ny manana namana tsy mivadika. (Ohab. 17:17; 18:24) Resahiny ao koa hoe ratsy ny mitokantokana. (Ohab. 18:1) Betsaka no mieritreritra hoe afaka mahazo namana be dia be izy ao amin’ny tambazotran-tserasera, dia mba tsy manirery. Mila mitandrina anefa isika rehefa mampiasa an’ireny.

13. Nahoana no mety ho mora manirery sy kivy be ny olona sasany mampiasa tambazotran-tserasera?

13 Lany andro mijery sary sy video ary soratra ao amin’ny tambazotran-tserasera ny olona sasany. Inona anefa no vokatr’izany? Araka ny fikarohana iray, dia mety ho lasa manirery sy kivy be ny olona manao an’izany. Anisan’ny anton’izany angamba ny karazana sary hita ao amin’izy ireny. Izay sariny tsara indrindra mantsy matetika no ataon’ny olona ao, na ny sarin’ny namany, na ny zavatra nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainany, na izay toerana miavaka nalehany. Rehefa mijery an’ireny sary ireny ianao, dia mety hieritreritra hoe mahakamo sy mankaleo be ny fiainanao raha oharina amin’ny azy. Hoy ny anabavy iray 19 taona: “Lasa nialona aho rehefa nahita hoe nifalifaly ny namako nandritra ny faran’ny herinandro. Izaho anefa tao an-trano tsisy hatao!”

14. Nahoana ny 1 Petera 3:8 no manampy antsika hampiasa tsara ny tambazotran-tserasera?

14 Tsy voatery ho ratsy foana aloha ny tambazotran-tserasera e! Azo ampiasaina mba hifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana, ohatra, izy io. Tsy hitanao ve anefa hoe ny hahatonga azy hisongadina no antony ametrahan’ny olona zavatra sasany ao amin’izy ireny? Hoatran’ny te hilaza ry zareo hoe: “Izaho jerena!” Misy aza manisy resaka manafintohina na vetaveta eo amin’ny sary apetrany, na eo amin’ny sary apetraky ny olon-kafa. Tsy hoatr’izany anefa no tokony hataontsika Kristianina. Ampirisihina hanetry tena sy hitsinjo ny fihetseham-pon’ny olona isika.​—Vakio ny 1 Petera 3:8.

Te hisehoseho sa manetry tena no fahitan’ny olona anao, rehefa mijery ny zavatra apetrakao ao amin’ny tambazotran-tserasera izy? (Fehintsoratra 15)

15. Inona no lazain’ny Baiboly ka manampy antsika tsy hiezaka hisongadina?

15 Raha mampiasa tambazotran-tserasera àry ianao, dia eritrereto izao: ‘Inona no mety hoeritreretin’ny olona rehefa mijery ny sary sy video ary soratra apetrako ao? Mety hieritreritra ve ry zareo hoe te hisehoseho aho? Mety hahatonga an-dry zareo hialona ve ilay izy?’ Hoy ny Baiboly: “Ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:16) Adika hoe “te hiseho ho miavaka” ilay hoe ‘mampideradera fananana’, ao amin’ny Baiboly iray. Tsy te hisongadina na te hoderaina isika Kristianina. Manaraka ny voalazan’ny Baiboly kosa isika, hoe: “Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.” (Gal. 5:26) Tsy hirehareha hoatran’ny olona eto amin’ity tontolo ity isika raha manetry tena.

MIEZAHA MBA HISAINA TSARA

16. Nahoana isika no tsy tokony hanambony tena?

16 Tsy “misaina tsara” ny olona manambony tena. (Rom. 12:3) Tia miady aman’olona izy sady tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany. Izy ihany matetika no voa amin’ny ataony sy ny fomba fisainany. Tsy vitan’izany fa mandratra ny fon’ny hafa izy. Raha tsy manova ny toe-tsainy ny olona hoatr’izany, dia hohajambain’i Satana ny sainy ka ho simba. (2 Kor. 4:4; 11:3) Ny olona manetry tena kosa misaina tsara. Mahay mandanjalanja izy ka miaiky hoe betsaka ny antony mahatonga ny hafa ho ambony noho izy. (Fil. 2:3) Milaza ny Baiboly hoe ‘manohitra ny manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny manetry tena.’ (1 Pet. 5:5) Mila manetry tena àry isika raha tsy te ho lasa fahavalony.

17. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hanetry tena foana isika?

17 Raha te hanetry tena foana isika, dia tsy maintsy manaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary tafio ny toetra vaovao.” (Kol. 3:9, 10) Mitaky ezaka be izany. Mila mandinika ny modely nomen’i Jesosy isika raha te hahavita an’izany, ary manahaka azy tsara araka izay azo atao. (1 Pet. 2:21) Tsy ho very maina anefa ny ezaka ataontsika. Hifandray tsara kokoa amin’ny fianakaviantsika mantsy isika raha manetry tena. Hanampy ny fiangonana mba hiray saina koa isika, ary hahay hampiasa tsara ny tambazotran-tserasera. Ny tsara indrindra anefa dia hoe hotahin’i Jehovah isika sady hahazo sitraka aminy.

HIRA 117 Ny Hatsaran-toetra

^ feh. 5 Feno olona mirehareha sy tia tena eto amin’ity tontolo ity. Mila mitandrina isika sao mifindra amintsika izany toetra izany. Inona àry no hanampy antsika mba tsy hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina? Handinika fomba telo hampisehoana an’izany isika ato.

^ feh. 2 FANAZAVANA: Mieritreritra be loatra momba ny tenany ny olona manambony tena, ary tsy dia miraharaha ny olon-kafa. Tia tena ny olona hoatr’izany. Manampy antsika tsy ho tia tena kosa ny fanetren-tena. Tsy mirehareha na mieboebo na mizahozaho na mihevi-tena ho ambony ny olona manetry tena.

^ feh. 56 SARY: Anti-panahy iray tena mahay manao lahateny any amin’ny fivoriambe. Mpiandraikitra mahay koa izy. Faly koa anefa izy mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana sy manadio Efitrano Fanjakana.