Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Oviana i Jesosy no lasa Mpisoronabe, ary oviana no nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao?

Lasa Mpisoronabe i Jesosy rehefa avy natao batisa, tamin’ny taona 29. Inona no manaporofo an’izany? Rehefa natao batisa izy dia nasehony hoe vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra, izany hoe vonona ny hatao sorona. Oharina amin’ny alitara io sitrapon’Andriamanitra io. (Gal. 1:4; Heb. 10:5-10) Nanomboka nisy io alitara an’ohatra io rehefa natao batisa i Jesosy. Fantatsika àry hoe efa nisy ny tempoly ara-panahy tamin’izay, satria anisan’ny tempoly ara-panahy io alitara io. Ny tempoly ara-panahy dia ny fandaharana natao mba hanompoana an’i Jehovah, miorina amin’ny soron’i Jesosy.​—Mat. 3:16, 17; Heb. 5:4-6.

Rehefa nanomboka nisy ilay tempoly ara-panahy lehibe, dia nila mpisoronabe koa. Nohosoran’i Jehovah “fanahy masina” sy nomeny “hery” àry i Jesosy mba ho lasa mpisoronabe. (Asa. 10:37, 38; Mar. 1:9-11) Talohan’ny nahafatesany sy nananganana azy tamin’ny maty izany no nitranga. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Mila mandinika ny tantaran’i Arona sy ny mpisoronabe nandimby azy isika.

Nilaza ny lalàna hoe ny mpisoronabe ihany no nahazo niditra ny Masina Indrindra, na tao amin’ny tranolay masina izany na tao amin’ny tempoly. Nisy ridao nanasaraka ny Masina Indrindra tamin’ny Masina, ary tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana ihany ny mpisoronabe no nandalo teo. (Heb. 9:1-3, 6, 7) Efa voahosotra ho mpisoronabe i Arona sy ny mpandimby azy, izay vao afaka nandalo teo “amin’ilay ridao” tao amin’ny tranolay masina. Tsy maintsy ho efa voahosotra ho Mpisoronabe koa àry i Jesosy talohan’ny nahafatesany, izay vao nandalo teo “amin’ilay ridao, izany hoe ny nofony”, ka nankany an-danitra. (Heb. 10:20) Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza hoe efa “mpisoronabe” i Jesosy, rehefa tonga tao amin’ny “tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana” sy tao amin’ny “lanitra mihitsy.”​—Heb. 9:11, 24.

Oviana no nanomboka nanan-kery ilay fifanekena vaovao? Mba hahatonga azy io hanan-kery, dia nisy dingana telo natao rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy. Inona avy izany?

Voalohany, niseho teo anatrehan’i Jehovah i Jesosy. Faharoa, nangataka tamin’i Jehovah izy mba hanaiky an’ilay sorona nataony. Ary fahatelo, nanaiky an’ilay sorona i Jehovah. Tsy ho nanan-kery ilay fifanekena vaovao raha tsy vita ireo.

Tsy milaza ny Baiboly hoe oviana marina i Jehovah no nanaiky an’ilay soron’i Jesosy. Noho izany, dia tsy afaka milaza koa isika hoe oviana marina ilay fifanekena vaovao no nanomboka nanan-kery. Fantatsika kosa hoe niakatra tany an-danitra i Jesosy, folo andro talohan’ny Pentekosta. (Asa. 1:3) Tao anatin’izany fotoana fohy izany izy no nangataka tamin’i Jehovah mba hanaiky ny sorona nataony, dia nanaiky i Jehovah. (Heb. 9:12) Niharihary izany tamin’ny Pentekosta. (Asa. 2:1-4, 32, 33) Mazava àry fa efa nanan-kery ny fifanekena vaovao tamin’izay.

Raha fintinina, dia nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao rehefa avy neken’i Jehovah ny sorona nataon’i Jesosy. I Jesosy Mpisoronabe no mpanelanelana amin’io fifanekena io.​—Heb. 7:25; 8:1-3, 6; 9:13-15.