Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 30

Mandehana ao Amin’ny Fahamarinana Foana

Mandehana ao Amin’ny Fahamarinana Foana

“Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha foana ao amin’ny fahamarinana ny zanako.”​—3 JAONA 4.

HIRA 54 “Ity no Lalana”

HO HITANAO ATO *

1. Inona no mahafaly antsika rehefa jerena ny 3 Jaona 3, 4?

HENON’NY apostoly Jaona hoe nanompo an’i Jehovah foana ny olona nampianariny ny fahamarinana. Azonao an-tsaina ve ny hafaliany? Betsaka ny olana nahazo an’ireo Kristianina tsy nivadika ireo. Niezaka mafy àry i Jaona mba hanatanjaka ny finoan’izy ireo, satria noheveriny ho hoatran’ny zanany ry zareo. Tena faly koa isika amin’izao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah sy manompo azy foana ny zanatsika na ny olona ampianarintsika Baiboly.​—Vakio ny 3 Jaona 3, 4.

2. Inona no antony nanoratan’i Jaona an’ireo taratasiny?

2 Toa tany Efesosy na tany akaikikaiky tany i Jaona no nipetraka tamin’ny taona 98. Nifindra tany angamba izy rehefa avy nafahana tany amin’ny nosy Patmo. Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay ny fanahin’i Jehovah no nandrisika azy hanoratra taratasy telo. Inona no antony nanoratany an’ireo taratasy ireo? Mba hanampiana ny Kristianina tsy mivadika hino an’i Jesosy foana sady handeha ao amin’ny fahamarinana foana.

3. Inona no fanontaniana hovaliantsika?

3 I Jaona sisa no apostoly mbola velona tamin’izany. Nanahy izy hoe hisy vokany ratsy amin’ny fiangonana ny nataon’ny mpampianatra sandoka. * (1 Jaona 2:18, 19, 26) Nilaza ho nahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa tsy nankatò ny didiny. Andao isika handinika ny torohevitra nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jaona ka hamaly an’ireto: Inona no atao hoe mandeha ao amin’ny fahamarinana? Inona no mety hisakana antsika tsy hanao an’izany? Ary ahoana no azo ifanampiana mba samy handeha ao amin’ny fahamarinana foana isika rehetra?

INONA NO ATAO HOE MANDEHA AO AMIN’NY FAHAMARINANA?

4. Araka ny 1 Jaona 2:3-6 sy 2 Jaona 4, 6, inona no tokony hataontsika raha te handeha ao amin’ny fahamarinana isika?

4 Mila mahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika raha te handeha ao amin’ny fahamarinana. Tsy maintsy “mitandrina ny didiny” koa isika, izany hoe mankatò azy ireny. (Vakio ny 1 Jaona 2:3-6 sy ny 2 Jaona 4, 6.) Nankatò tanteraka an’i Jehovah i Jesosy ka modely ho antsika. Mila manao izay rehetra azo atao àry isika mba hanarahana akaiky ny dian’i Jesosy. (Jaona 8:29; 1 Pet. 2:21) Izany no anisan’ny fomba lehibe indrindra ankatoavana an’i Jehovah.

5. Tsy maintsy resy lahatra amin’ny inona isika?

5 Raha te handeha ao amin’ny fahamarinana foana isika, dia tsy maintsy resy lahatra hoe Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah, ary marina daholo izay lazainy ao amin’ny Teniny. Tsy maintsy resy lahatra koa isika hoe i Jesosy ilay Mesia nampanantenaina. Betsaka anefa amin’izao no tsy mino hoe voahosotra ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Efa nilaza i Jaona hoe hisy “mpamitaka” be dia be, ary mety ho voafitak’izy ireny izay tsy vonona hiaro ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy Jesosy. (2 Jaona 7-11) Nanoratra koa izy hoe: “Iza moa no mpandainga raha tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy?” (1 Jaona 2:22) Tena ilaina àry ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izay ihany mantsy isika vao tsy ho voafitaka, ary izay ihany no fomba hahafantarana an’i Jehovah sy Jesosy. (Jaona 17:3) Mbola izay ihany no haharesy lahatra antsika hoe marina izay inoantsika.

INONA NO METY HISAKANA ANTSIKA TSY HANDEHA AO AMIN’NY FAHAMARINANA INTSONY?

6. Inona no mety hisakana ny tanora tsy handeha ao amin’ny fahamarinana intsony?

6 Tsy maintsy mitandrina ny Kristianina rehetra mba tsy ho voatarika hanaraka hevitr’olombelona. (1 Jaona 2:26) Ny tanora no tena mila mailo. Hoy i Alexia, * anabavy 25 taona avy any Frantsa: “Nianatra filozofia sy momba ny evolisiona izahay tany am-pianarana, dia lasa nisalasala aho hoe tena marina ve ny zavatra inoako. Nitombina mantsy no fahitako an’ireny fampianarana ireny indraindray. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Dia tsy mba havelako hiteny mihitsy ve i Jehovah? Izaho ve dia hino an-jambany an’izay lazaina any am-pianarana fotsiny?’” Nanapa-kevitra àry i Alexia fa hianatra an’ilay boky hoe Ny FiainanaAhoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? (frantsay). Lasa tsy nisalasala intsony izy herinandro vitsivitsy taorian’izay. Hoy izy: “Resy lahatra aho hoe marina ny lazain’ny Baiboly. Tonga saina koa aho hoe ho faly sy hilamin-tsaina rehefa manaraka an’izay voalaza ao.”

7. Inona no tsy maintsy tandremantsika, ary nahoana?

7 Inona no vokany rehefa manaraka hevitr’olombelona ny olona? Mety hieritreritra, ohatra, izy hoe afaka sady manompo an’Andriamanitra izy no manao ratsy any ambadimbadika any. Tsy maintsy mitandrina mba tsy ho voataona hanao hoatr’izany àry ny Kristianina rehetra, na tanora na lehibe. Nilaza mantsy i Jaona hoe tsy afaka mandeha ao amin’ny fahamarinana isika no sady manao ratsy. (1 Jaona 1:6) Raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah isika amin’izao sy amin’ny hoavy, dia tokony hitadidy hoe mihanjahanja eo imasony daholo izay ataontsika. Tsy misy izany hoe fahotana miafina izany, raha ny marina, satria hitan’i Jehovah daholo na inona na inona ataontsika.​—Heb. 4:13.

8. Inona no tsy tokony hataontsika?

8 Tsy tokony hanahaka ny fiheveran’ity tontolo ity ny fahotana isika. Hoy i Jaona: “Raha hoy isika: ‘Tsy manana ota isika’, dia mamita-tena.” (1 Jaona 1:8) Nilaza ny mpivadi-pinoana tamin’ny andron’i Jaona hoe mbola afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra ihany ny olona, na dia manao fanahy iniana manota aza. Mitovy hevitra amin’izany ny olona manodidina antsika amin’izao. Betsaka no milaza ho mino an’Andriamanitra nefa tsy eken’izy ireo ny fiheverany ny fahotana, indrindra fa ny fahotana mifandray amin’ny firaisana. Misy fanao lazain’i Jehovah hoe fahotana, nefa amin-dry zareo ilay izy azo atao tsara ary lazainy hoe miankina amin’ny safidin’ny tsirairay.

Ry tanora, fantaro hoe nahoana i Jehovah no miteny hoe izao no tsara ary izao no ratsy. Amin’izay dia ho hainao ny hanazava ny zavatra inoanao (Fehintsoratra 9) *

9. Nahoana no mahasoa ny tanora ny manaraka an’izay lazain’ny Baiboly?

9 Mety hanery ny tanora kristianina hanaraka ny fomba fiheviny momba ny firaisana ny mpiara-mianatra na ny mpiara-miasa aminy. Tsy mora ny miatrika an’izany. Hoy ny rahalahy atao hoe Aleksandra: “Niezaka nanery ahy hanao firaisana taminy ny ankizivavy sasany tany am-pianarana, nefa tsy nanaiky aho. Nilaza ry zareo hoe lehilahy izany no tiako matoa tsy nisy ankizivavy niaraka tamiko.” Mety hiatrika olana hoatr’izany ianao. Rehefa mitranga izany, dia tadidio hoe inona no ho vokany raha manaraka an’izay lazain’ny Baiboly ianao. Ho afa-po ianao, ho salama tsara, hilamin-tsaina, ary hinamana amin’i Jehovah foana. Isaky ny mahavita mandresy fakam-panahy koa ianao, dia ho mora kokoa aminao ny hanao ny tsara. Tadidio fa diso ny fomba fihevitr’ity tontolo ity momba ny firaisana, ary avy amin’i Satana izany. ‘Mandresy an’ilay ratsy’ àry ianao rehefa tsy manaiky lembenana.​—1 Jaona 2:14.

10. Nahoana ny 1 Jaona 1:9 no manampy antsika hilamin-tsaina rehefa manompo an’i Jehovah?

10 Manaiky isika hoe i Jehovah no manana zo hamaritra ny atao hoe fahotana. Miezaka mafy koa isika mba tsy hanota. Rehefa manota anefa isika, dia mivavaka amin’i Jehovah ary milaza aminy izay tsy nety nataontsika. (Vakio ny 1 Jaona 1:9.) Raha nanao fahotana lehibe indray isika, dia mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy. Ry zareo mantsy no notendren’i Jehovah hikarakara antsika. (Jak. 5:14-16) Tsy tokony hanamelo-tena be loatra anefa isika, noho ny fahotana vitantsika taloha. Efa nanome ny Zanany ho vidim-panavotana mantsy ilay Raintsika be fitiavana, mba ho voavela ny fahotantsika. Rehefa nilaza i Jehovah hoe hamela an’izay mpanota mibebaka, dia tena hamela izy. Tsy misy antony tokony hahatonga antsika tsy hilamin-tsaina àry rehefa namela antsika i Jehovah.​—1 Jaona 2:1, 2, 12; 3:19, 20.

11. Inona no azontsika atao mba ho voaro ny finoantsika?

11 Tokony handa ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana koa isika. Vao nanomboka nisy ny fiangonana kristianina, dia efa nampiasa olona be dia be ny Devoly mba hamitahana ny mpanompon’i Jehovah. Te hampihena ny finoan’izy ireo mantsy izy. Mila mahay manavaka àry isika hoe inona no marina ary inona no diso. * Mety hampiasa ny Internet na ny tambazotran-tserasera ny fahavalontsika mba hahatonga antsika tsy hatoky an’i Jehovah sy tsy ho tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika. Tadidio anefa hoe avy amin’i Satana ny lainga aelin’izy ireny, ary aza mino an’izany mihitsy!​—1 Jaona 4:1, 6; Apok. 12:9.

12. Nahoana isika no tokony hiezaka mba hatoky kokoa an’izay efa fantatsika?

12 Raha tsy te ho resin’i Satana isika, dia mila miezaka hatoky kokoa an’i Jesosy sy hanaiky hoe mampiasa azy i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Mila matoky ny mpanompo mendri-pitokisana koa isika. Izy ireo ihany mantsy no ampiasain’i Jehovah mba hitarihana ny fandaminana. (Mat. 24:45-47) Inona no hanampy antsika hatoky kokoa an’i Jesosy sy io mpanompo io? Mila mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika. Ho hoatran’ny hazo mamaka tsara ny finoantsika amin’izay. Niresaka zavatra mitovy amin’izany i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny fiangonana tany Kolosia. Izao no nolazainy: “Tahaka ny efa nanekenareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia aoka ianareo hiara-mandeha aminy foana sady ho tafaray aminy, ary hamaka tsara sy hiorina hatrany eo aminy ary tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” (Kol. 2:6, 7) Tsy hahavita hampiala antsika amin’ny fahamarinana mihitsy i Satana sy izay manaraka azy, raha miezaka mafy isika mba hanatanjaka ny finoantsika.​—2 Jaona 8, 9.

13. Inona no efa ampoizintsika, ary nahoana?

13 Mankahala antsika ity tontolo ity, ary efa ampoizintsika izany. (1 Jaona 3:13) Nampahatsiahy antsika i Jaona fa ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) Vao mainka romotra i Satana satria efa akaiky ny farany. (Apok. 12:12) Mampirisika antsika haloto fitondran-tena na hino ny laingan’ny mpivadi-pinoana izy. Tsy manafika an-kolaka hoatr’izany fotsiny anefa izy, fa mampiasa hery koa mba hampijalijaliana antsika. Fantany hoe kely sisa ny fotoana ananany mba hampijanonana ny asa fitoriana sy hitaomana antsika hivadika. Tsy mahagaga àry raha voasakantsakana na voarara ny asantsika any amin’ny tany sasany. Miaritra foana anefa ny rahalahy sy anabavintsika any. Porofoin’izy ireo fa afaka ny handresy isika, na inona na inona ataon’i Satana amintsika.

MILA MIFANAMPY ISIKA MBA SAMY HANDEHA AO AMIN’NY FAHAMARINANA FOANA

14. Inona no azo atao mba hanampiana ny hafa hijanona ao amin’ny fahamarinana?

14 Tsy maintsy mangoraka an’ireo rahalahy sy anabavy isika, raha te hanampy azy ireo hijanona ao amin’ny fahamarinana. (1 Jaona 3:10, 11, 16-18) Mila mifankatia foana isika, na milamina ny fiainana na misy olana. Mahafantatra olona nidonam-pahoriana ve, ohatra, ianao dia mila ampaherezina izy na misy zavatra azonao anampiana azy? Sa ianao naheno hoe misy mpiara-manompo tratran’ny tondra-drano na loza hafa, dia potika ny fananany? Sa mila amboarina ny tranony na ny Efitrano Fanjakana any amin-dry zareo? Tadidio fa izay ataontsika no tena ahitana hoe tia sy mangoraka an’ireo rahalahy sy anabavy isika, fa tsy izay lazaintsika fotsiny.

15. Inona no tokony hataontsika, araka ny 1 Jaona 4:7, 8?

15 Manahaka an’ilay Raintsika be fitiavana isika raha mampiseho hoe tia ny mpiara-manompo. (Vakio ny 1 Jaona 4:7, 8.) Ahoana no fomba lehibe ampisehoana an’izany? Mila mamela heloka isika. Ahoana, ohatra, raha nisy olona nanao zavatra nampalahelo anao? Hita hoe tia azy ianao raha mamela ny fahadisoany dia manadino an’ilay izy. (Kol. 3:13) Izany no nitranga tamin’i Aldo. Henony nanakiana ny olona iray fiaviana taminy ny rahalahy iray nohajainy, dia nalahelo izy. Hoy i Aldo: “Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho mba tsy hieritreri-dratsy momba an’ilay rahalahy.” Tsy nianina tamin’izany anefa i Aldo. Nasainy hanompo niaraka taminy koa ilay rahalahy. Rehefa nanompo ry zareo, dia nohazavainy taminy hoe nampalahelo azy ny teniny. Hoy ihany i Aldo: “Niala tsiny izy rehefa azony hoe nisy vokany tamiko ilay zavatra nolazainy. Henoko tamin’ny feony hoe nanenina be izy. Lasa mpinamana indray izahay avy eo.”

16-17. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

16 Tena tian’ny apostoly Jaona ny mpiara-manompo taminy, ary tiany hanana finoana matanjaka. Hita amin’ny torohevitra nomeny ao amin’ny taratasy telo nosoratany izany. Tena mampahery ny mahalala hoe be fitiavana hoatran’i Jaona ireo lehilahy sy vehivavy voahosotra hiara-manjaka amin’i Kristy.​—1 Jaona 2:27.

17 Enga anie isika ka hampihatra ny torohevitra noresahina tato. Miezaha ho tapa-kevitra handeha ao amin’ny fahamarinana, ka hankatò an’i Jehovah amin’ny zava-drehetra. Ianaro ny Teniny ary miezaha hatoky azy io. Miezaha koa hatoky tanteraka an’i Jesosy. Aza mino ny hevitr’olombelona sy ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana. Aza manaiky hanao ratsy any ambadimbadika any mihitsy, na manaiky hotaomin’ny olona hanota. Araho foana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. Miezaha koa hamela an’izay nandratra ny fonao sy hanampy an’izay mila ampiana, satria hampahery azy ireo izany. Hahavita handeha ao amin’ny fahamarinana foana ianao amin’izay, na inona na inona ady mafy tsy maintsy ataonao.

HIRA 49 Ampifalio ny Fon’i Jehovah

^ feh. 5 Manjaka eto amin’ity tontolo ity i Satana, ilay rain’ny lainga. Miady mafy foana àry isika mba handeha ao amin’ny fahamarinana. Niady mafy hoatr’izany koa ny Kristianina tamin’ny faran’ny taonjato voalohany. Nasain’i Jehovah nanoratra taratasy telo ny apostoly Jaona, mba hanampiana azy ireo sy hanampiana antsika. Ho hitantsika ao amin’ireo taratasy ireo hoe inona no mety hisakana antsika tsy handeha ao amin’ny fahamarinana ary ahoana no handresena an’izany.

^ feh. 6 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 11 Jereo ilay lahatsoratra fianarana hoe “Mba Manadihady Tsara ve Ianao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aogositra 2018.

^ feh. 59 SARY: Any am-pianarana ny anabavy tanora iray. Henony foana sady hitany hatraiza hatraiza hoe tsy maninona ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. (Amin’ny kolontsaina sasany, dia loko famantarana ny lehilahy miray amin’ny lehilahy na ny vehivavy miray amin’ny vehivavy ny lokon’ny avana.) Maka fotoana hanaovana fikarohana ilay anabavy avy eo, mba ho resy lahatra tsara hoe marina ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’izany. Vokatr’izany, dia nahay nanapa-kevitra izy rehefa niatrika olana mifandray amin’izany.