Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Misy tranonkala natao hitadiavana olon-tiana ao amin’ny Internet. Tokony hampiasa azy ireny ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitadiavana vady?

Tena tian’i Jehovah ho sambatra ny mpivady ary tiany hifandray am-po foana. (Mat. 19:4-6) Raha te hanambady àry ianao, ahoana no hahitanao vady mety tsara aminao? I Jehovah no namorona antsika, ka fantany hoe inona no tokony hatao raha tiantsika hahomby ny fiarahana alohan’ny fanambadiana ary ho sambatra ny tokantranontsika. Hanana tokantrano vanona ianao raha manaraka ny toro lalana omeny. Andao isika handinika ny sasany amin’izany.

Tokony hiaiky aloha isika hoe “mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.” (Jer. 17:9) Andao hatao hoe misy olon-droa te hanambady. Mihaona ry zareo ary manomboka miaraka. Mety ho vetivety dia lasa mahery be ny fihetseham-pon’izy roa, ka tsy hahavita hisaina tsara ry zareo. Matetika anefa ny olona no diso fanantenana, raha baikon’ny fihetseham-po fotsiny rehefa manapa-kevitra hanambady. (Ohab. 28:26) Noho izany, dia tsy tsara raha vao manomboka miaraka ny olon-droa dia efa mifamboraka fihetseham-po lalina. Tsy tsara koa raha mifanome toky ry zareo nefa mbola tsy mifankahafantatra tsara.

Milaza ny Ohabolana 22:3 hoe: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” Inona àry ny loza mety hitranga raha mampiasa an’ireny tranonkala fitadiavana olon-tiana ireny isika? Nisy olona sasany lasa nifandray tamin’ny olona tsy fantany rehefa nampiasa azy ireny. Nanomboka niaraka tamin’ilay olona izy nefa mampalahelo fa voafitaka, ary tatỳ aoriana vao tonga saina. Misy koa mpisoloky mamorona kaonty, dia tsy ny tena momba azy no ataony ao. Mampiasa an’iny izy mba hakana vola amin’izay olona tsy mailo. Nisy tamin’ireny mpamitaka ireny aza nilaza hoe Vavolombelon’i Jehovah.

Misy olana hafa mety hitranga koa. Mampiasa kajikajy ny tranonkala sasany mba hahafantarana hoe iza ny olona mifanentana ka tsara miaraka. Tsy misy porofo anefa hoe tena mandaitra ireny kajikajy ireny. Fanapahan-kevitra lehibe ny hoe hanambady, dia kajikajy atao amin’ny ordinatera ve no hianteheranao amin’izany? Tsy fahendrena mihitsy izany! Tsy hitovy amin’ny toro lalan’ny Baiboly mihitsy ireny kajikajy ireny. Ny toro lalan’ny Baiboly mantsy tena azo itokisana.​—Ohab. 1:7; 3:5-7.

Izao koa ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 14:15: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.” Mila mahafantatra tsara ny olona iray ianao, izay vao ho afaka hieritreritra ny hanambady azy. Ho sarotra anefa izany raha ao amin’ny Internet fotsiny ianao no mifandray aminy. Marina fa mety hahita ny mombamomba azy ianao ao, dia izy koa hahita ny mombamomba anao. Manokana fotoana betsaka koa angamba ianareo mba hifandefasana hafatra. Na izany aza, dia afaka milaza ve ianao hoe tena fantatrao tsara izy? Nisy olona sasany nieritreritra hoe nahita ny nety taminy, nefa gaga be avy eo rehefa tena nihaona ry zareo. Tsy araka ny noeritreretiny mihitsy mantsy ilay olona.

Nilaza ny mpanao salamo hoe: “Tsy miara-mipetraka amin’ny olona tsy marina aho, ary tsy mifanerasera amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.” (Sal. 26:4) Betsaka no mihevitra hoe tsy mampaninona ny mandainga rehefa milaza ny mombamomba azy ao amin’ireny tranonkala ireny. Mieritreritra izy hoe hahasarika olona kokoa raha manao an’izany. Mety tsy hiseho ny tena toetrany na hafeniny mihitsy. Misy koa, ohatra, milaza hoe Vavolombelon’i Jehovah. Azonao antoka ve anefa hoe tena Kristianina vita batisa izy? Tena matotra ve izy? Mifandray tsara amin’i Jehovah ve izy? Hajain’ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonany ve izy? Sa izy tsy tena ohatra tsara, na “naman-dratsy” mihitsy aza? (1 Kor. 15:33; 2 Tim. 2:20, 21) Afaka manambady ve izy raha ny Baiboly no jerena? Mila mahafantatra an’ireo ianao. Ho sarotra anefa izany raha tsy misy Vavolombelona hafa mahafantatra tsara an’ilay olona ka azonao anontaniana. (Ohab. 15:22) Mazava ho azy fa tsy hieritreritra ny hanambady olona tsy mpanompon’i Jehovah mihitsy ny Kristianina tsy mivadika. Hiray zioga amin’ny tsy mpino mantsy izy raha manao an’izany.—2 Kor. 6:14; 1 Kor. 7:39.

Tena mety hisy vokany ratsy àry ny fampiasana an’ireny tranonkala fitadiavana olon-tiana ireny. Misy fomba tsara kokoa anefa mba hahitanao olona mety aminao sy mety ho lasa vadinao. Rehefa azo atao ny mamory vahoaka, dia afaka mihaona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa ianao, ohatra hoe any am-pivoriana na any amin’ny fivoriambe.

Ho hitanareo tsara kokoa raha mitovy ny tanjonareo sy izay sarobidy aminareo raha manokana fotoana ianareo mba hiarahana

Ahoana raha mbola tsy azo atao ny miaraka mivory, ohatra hoe mandritra ny valanaretina COVID-19? Mampiasa programa elektronika ny fiangonana rehefa mivory, ary afaka manararaotra an’ireny ianao mba hahafahana hifankahafantatra amin’ny mpitovo hafa. Ho hitanao amin’izay hoe ahoana no ataon-dry zareo rehefa mahazo anjara. Ho hitanao amin’ny valin-teniny koa hoe manao ahoana ny finoany. (1 Tim. 6:11, 12) Afaka mizara ho efitrefitra kely ny fivoriana atao amin’ny programa elektronika sasany, ka azonareo atao ny mifampiresaka ao amin’ireny efitrefitra ireny. Mety hampiasa an’ireny programa ireny koa ny Vavolombelon’i Jehovah sasany mba hanaovana fiaraha-mikorana. Raha samy voasa ianao sy ilay olona mahaliana anao, dia mety ho afaka handinika ianao hoe ahoana no itondrany ny olon-kafa. Ho hitanao amin’izany ny tena toetrany. (1 Pet. 3:4) Rehefa mandeha ny fotoana ka afaka mifankahafantatra tsara kokoa ianareo, dia ho hitanao raha mitovy ny tanjonareo sy izay sarobidy aminareo. Ho fantatrao koa raha mifanentana ianareo roa.

Azo antoka kokoa hoe hahita vady tsara ny mpitovo, raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly rehefa mitady vady. Amin’izay dia ho tsapany ny voalazan’ny Ohabolana hoe: “Izay nahita vady tsara, dia nahazo zava-tsoa ary mahazo sitraka amin’i Jehovah.”​—Ohab. 18:22.