Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 30

Faminaniana Efa Ela fa Mahakasika Anao

Faminaniana Efa Ela fa Mahakasika Anao

“Hataoko mifandrafy ianao sy ilay vehivavy.”​—GEN. 3:15.

HIRA 15 Derao ny Lahimatoan’i Jehovah!

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nataon’i Jehovah raha vao nanota i Adama sy Eva? (Genesisy 3:15)

 VAO nanota i Adama sy Eva, dia nanome fampanantenana ho an’ny taranak’izy ireo i Jehovah. Hita ao amin’ilay faminaniana miavaka ao amin’ny Genesisy 3:15 izany.​—Vakio.

2. Nahoana no tena miavaka io faminaniana io?

2 Ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly no misy an’ilay faminaniana. Misy ifandraisany amin’izy io daholo anefa ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, raha ny marina. Hoatran’ny kofehy manambatra ny pejy rehetra ao amin’ny boky iray ny voalazan’ny Genesisy 3:15, satria manambatra an’izay lazain’ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly ho toy ny hafatra iray izy io. Tsy inona izany fa ilay hoe haniraka Mpamonjy Andriamanitra, mba handringana ny Devoly sy ireo ratsy fanahy rehetra mpomba azy. * Tena fitahiana ho an’izay rehetra tia an’i Jehovah izany!

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Handinika an’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 isika ato, dia hamaly an’ireto: Iza avy no resahin’ilay faminaniana? Ahoana no hahatanteraka azy io? Ary inona ny soa horaisintsika avy amin’izy io?

IZA AVY NO RESAHIN’ILAY FAMINANIANA?

4. Iza ilay “menarana”, ary ahoana no ahalalantsika an’izany?

4 Miresaka momba an’ireto ny Genesisy 3:14, 15: Ilay “menarana”, ny ‘taranak’ilay’ menarana, ilay “vehivavy”, ary ny ‘taranak’ilay’ vehivavy. Ampian’ny Baiboly isika hamantatra hoe iza avy ireo. * Andao ilay “menarana” no hanombohantsika azy. Tsy hahazo an’izay nolazain’i Jehovah tao amin’ny zaridainan’i Edena mihitsy raha menarana ara-bakiteny. Tsy maintsy ho zavaboary manan-tsaina àry ilay niharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah. Iza izy io? Mampahafantatra mazava tsara an’izany ny Apokalypsy 12:9. Voalaza ao fa i Satana Devoly ilay “menarana tany am-boalohany.” Fa iza kosa ny taranak’ilay menarana?

ILAY MENARANA

Satana Devoly, ilay antsoina hoe “ilay menarana tany am-boalohany” ao amin’ny Apokalypsy 12:9 (Fehintsoratra 4)

5. Iza no taranak’ilay menarana?

5 Antsoin’ny Baiboly hoe taranaka indraindray izay misaina sy manao zavatra hoatran’ilay lazaina hoe rainy. Anjely sy olombelona manao hoatran’i Satana àry no antsoina hoe taranak’ilay menarana. Mikomy amin’i Jehovah izy ireo sady manohitra ny vahoakany. Anisan’izany ireo anjely nandao ny asa nanendrena azy tany an-danitra tamin’ny andron’i Noa sy ny olona ratsy fanahy manahaka ny Devoly rain’izy ireo.​—Gen. 6:1, 2; Jaona 8:44; 1 Jaona 5:19; Joda 6.

NY TARANAK’ILAY MENARANA

Anjely ratsy sy olona ratsy fanahy mikomy amin’i Jehovah Andriamanitra sy manohitra ny vahoakany (Fehintsoratra 5)

6. Nahoana no tsy mitombina raha hoe i Eva “ilay vehivavy”?

6 Ary iza “ilay vehivavy”? Tsy mitombina mihitsy hoe i Eva izy io. Nahoana? Andao isika handinika antony iray. Milaza ilay faminaniana fa “hanorotoro” ny lohan’ilay menarana ny taranak’ilay vehivavy. Efa hitantsika teo anefa hoe anjely, izany hoe i Satana, ilay menarana. Dia hisy olombelona tsy lavorary taranak’i Eva hahavita hanorotoro azy ve? Mazava ho azy fa tsia.

7. Iza ilay vehivavy resahin’ny Genesisy 3:15, araka ny Apokalypsy 12:1, 2, 5, 10?

7 Hazavain’ny boky farany ao amin’ny Baiboly hoe iza ilay vehivavy resahin’ny Genesisy 3:15. (Vakio ny Apokalypsy 12:1, 2, 5, 10.) Tena miavaka io vehivavy io! Eo an-tongony ny volana, ary misy satroboninahitra kintana 12 eo amin’ny lohany. Hafakely koa ilay zanany, satria ny Fanjakan’Andriamanitra izy io. Any an-danitra ilay Fanjakana, ka tsy maintsy hoe any an-danitra koa ilay vehivavy. Iza àry io vehivavy io? Ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah, izany hoe ireo anjely tsy mivadika.​—Gal. 4:26.

ILAY VEHIVAVY

Ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah, izany hoe ireo anjeliny tsy mivadika (Fehintsoratra 7)

8. Iza no taranaka voalohan’ilay vehivavy, ary oviana izy no lasa hoatr’izany? (Genesisy 22:15-18)

8 Manampy antsika ny Tenin’Andriamanitra hamantatra hoe iza no taranaka voalohan’ilay vehivavy. Tokony ho avy amin’i Abrahama izy io. (Vakio ny Genesisy 22:15-18.) Taranak’io lehilahy tsy mivadika io tokoa i Jesosy, araka ny resahin’ny faminaniana. (Lioka 3:23, 34) Tsy mety anefa raha olombelona tsotra fotsiny ilay taranaka, satria tokony hanorotoro an’i Satana Devoly izy. Nohosoran’Andriamanitra ny fanahy masina àry i Jesosy tamin’izy 30 taona teo ho eo, ka lasa Zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy. Tamin’izay i Jesosy no lasa taranaka voalohan’ilay vehivavy. (Gal. 3:16) Nosatrohan’Andriamanitra “haja amam-boninahitra” izy rehefa natsangany tamin’ny maty, ary ‘nomeny azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany’, anisan’izany ny fahefana “handrava ny asan’ny Devoly.”​—Heb. 2:7; Mat. 28:18; 1 Jaona 3:8.

NY TARANAK’ILAY VEHIVAVY

Jesosy Kristy sy ireo voahosotra 144 000 hiara-manjaka aminy (Fehintsoratra 8-9)

9-10. a) Iza koa no anisan’ny taranak’ilay vehivavy ary oviana ry zareo no lasa hoatr’izany? b) Inona izao no hodinihintsika?

9 Misy hafa koa anefa anisan’io taranaka io, ankoatra an’i Jesosy. Niresaka momba azy ireo ny apostoly Paoly rehefa nilaza tamin’ny Kristianina voahosotra jiosy sy hafa firenena hoe: “Raha an’i Kristy ... ianareo, dia tena taranak’i Abrahama, sady handova an’izay nampanantenaina azy.” (Gal. 3:28, 29) Lasa anisan’ny taranak’ilay vehivavy ny Kristianina iray rehefa hosoran’i Jehovah ny fanahy masina. I Jesosy Kristy sy ireo 144 000 hiara-manjaka aminy àry no antsoina hoe taranak’ilay vehivavy. (Apok. 14:1) Miezaka ry zareo mba ho hoatran’ny an’i Jehovah Rainy ny fomba fisainany sy ny zavatra ataony.

10 Fantatsika àry izao hoe iza avy no voaresaka ao amin’ny Genesisy 3:15. Andao hojerentsika indray hoe ahoana no anatanterahan’i Jehovah tsikelikely an’ilay faminaniana, ary inona ny soa raisintsika avy amin’izany.

AHOANA NO AHATANTERAHAN’ILAY FAMINANIANA?

11. Inona no dikan’ilay hoe noratraina ny ‘voditongotry’ ny taranak’ilay vehivavy?

11 Handratra ny ‘voditongotry’ ny taranak’ilay vehivavy ilay menarana, araka ny Genesisy 3:15. Tanteraka izany rehefa nampirisika ny Jiosy sy ny Romanina i Satana mba hamono ho faty ny Zanak’Andriamanitra. (Lioka 23:13, 20-24) Tsy ela anefa dia sitrana ny ratra eo amin’ny voditongotra. Vetivety ihany koa i Jesosy no tsy afaka nanao na inona na inona tamin’izy maty sy nijanona tao am-pasana nandritra ny telo andro teo ho eo.​—Mat. 16:21.

12. Ahoana no hanorotoroana ny lohan’ilay menarana, ary rahoviana izany no hitranga?

12 Tsy ho tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15, raha nijanona tao am-pasana i Jesosy. Nahoana? Satria hanorotoro ny lohan’ilay menarana ilay taranaka, araka ny resahin’ny faminaniana. Midika izany fa tokony ho sitrana aloha ilay ratra teo amin’ny voditongotr’i Jesosy. Dia izay mihitsy no nitranga! Natsangana tamin’ny maty izy tamin’ny andro fahatelo, ary lasa anjely tsy mety maty. Hanorotoro an’i Satana izy amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. (Heb. 2:14) Haringan’i Kristy sy izay miara-manjaka aminy ny fahavalon’Andriamanitra rehetra, dia ny taranak’ilay menarana.​—Apok. 17:14; 20:4, 10. *

INONA NY SOA RAISINTSIKA AVY AMIN’ILAY FAMINANIANA?

13. Inona ny soa raisintsika avy amin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana?

13 Mandray soa amin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana ianao, raha mpanompon’Andriamanitra nanokan-tena. Olombelona i Jesosy tamin’izy tonga tetỳ an-tany, ary nitovy tanteraka tamin’ny toetran’ny Rainy ny toetrany. (Jaona 14:9) Noho i Jesosy àry dia lasa mahafantatra sy tia an’i Jehovah Andriamanitra isika. Mandray soa amin’ny fampianaran’i Jesosy sy ny fomba itarihany ny fiangonana kristianina koa isika. Nampianatra antsika izy hoe ahoana ny fomba fiaina mety raha te hankasitrahan’i Jehovah. Isika rehetra mihitsy no mandray soa amin’ny nahafatesan’i Jesosy, izany hoe tamin’ny nandratrana ny voditongony. Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty mantsy dia nanolotra sorona lavorary izy, izany hoe ny vidim-panavotana, ka ny rany no “manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.”​—1 Jaona 1:7.

14. Ahoana no ahalalantsika fa tsy tanteraka teo no ho eo ilay faminaniana tany Edena?

14 Hita tamin’ny tenin’i Jehovah tao Edena hoe tsy vetivety dia ho tanteraka ilay faminaniana. Elaela mantsy vao hanan-taranaka ilay vehivavy, ary hahavita hanangona ny mpomba azy ny Devoly. Nila fotoana koa vao hitombo ny fifandrafiana (na fifankahalana) teo amin’izy ireo. Mahasoa antsika ny mahazo ny dikan’ilay faminaniana, satria mampiomana antsika izany hoe ho halan’ilay tontolo fehezin’i Satana ny mpanompon’i Jehovah. Nampitandrina ny mpianany hoatr’izany koa i Jesosy tatỳ aoriana. (Mar. 13:13; Jaona 17:14) Hitantsika ny fahatanterahan’ny ampahan’io faminaniana io, indrindra nandritra ny 100 taona teo ho eo izay.

15. Maninona no vao mainka halan’izao tontolo izao ny taranak’ilay vehivavy? Nahoana anefa isika no tsy tokony hatahotra an’i Satana?

15 Vao lasa Mpanjaka kelikely i Jesosy tamin’ny 1914, dia nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra. (Apok. 12:9, 12) Etỳ amin’ny manodidina ny tany izao no misy an’i Satana, ary miandry ny handringanana azy izy. Tsy mipetra-potsiny anefa izy. Romotra be izy sady manao tsipaky ny miala aina, ka manampatra ny hatezerany amin’ny vahoakan’Andriamanitra. (Apok. 12:13, 17) Vao mainka àry lasa halan’izao tontolo izao ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy misy tokony hatahorantsika an’i Satana sy ny mpomba azy anefa! Afaka matoky hoatran’ny apostoly Paoly kosa isika hoe: “Raha manohana antsika Andriamanitra, dia iza no hahavita hanohitra antsika?” (Rom. 8:31) Afaka matoky tanteraka an’i Jehovah àry isika. Fa maninona? Satria araka ny hitantsika teo dia betsaka tamin’izay noresahin’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 no efa tanteraka.

16-18. Inona ny soa azon’i Curtis sy Ursula ary Jessica, rehefa azon’izy ireo tsara ny voalazan’ny Genesisy 3:15?

16 Na inona na inona fitsapana mety hahazo antsika, dia manampy antsika hiatrika azy ireny ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Genesisy 3:15. Izao no nolazain’i Curtis, misionera any Guam: “Nisy fotoana aho niatrika zava-tsarotra sy diso fanantenana, dia sarotra tamiko ny tsy nivadika tamin’i Jehovah. Nisaintsaina an’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 anefa aho, dia nanampy ahy hatoky an’ilay Raiko any an-danitra foana izany.” Tsy andrin’i Curtis ny hamaranan’i Jehovah ny fitsapana rehetra mahazo antsika.

17 Nandray soa koa i Ursula, anabavy any Bavière, rehefa nahazo ny dikan’ny Genesisy 3:15. Lasa resy lahatra izy hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Hitany hoe misy ifandraisany amin’izy io daholo ny faminaniana hafa rehetra, dia nampiaiky azy izany. Izao koa no noteneniny: “Tena nandona ny foko ny nahalala hoe tonga dia nanao zavatra i Jehovah mba tsy ho very fanantenana ny olombelona.”

18 Hoy i Jessica, avy any Mikronezia: “Mbola tadidiko ny fihetseham-poko tamin’izaho vao nahalala ny fahamarinana. Hay tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15! Nanampy ahy izy io hitadidy fa mbola tsy tena fiainana ilay iainantsika amin’izao. Nanatanjaka ny finoako koa izy io hoe hahafinaritra be tsy misy hoatr’izany ny fiainako dieny izao raha manompo an’i Jehovah aho, ary ho tsara lavitra izany amin’ny hoavy.”

19. Nahoana no azontsika antoka hoe ho tanteraka ny tapany farany amin’ilay faminaniana?

19 Hitantsika teo fa efa tanteraka tsikelikely ny Genesisy 3:15. Mazava izao hoe iza no taranak’ilay vehivavy, ary iza no taranak’ilay menarana. Sitrana ny ratra tamin’ny voditongotr’i Jesosy, ilay taranaka voalohan’ilay vehivavy. Efa Mpanjaka be voninahitra sy tsy mety maty any an-danitra izy izao. Kely sisa dia ho voafidy daholo koa ny olon-kafa anisan’ilay taranaka. Efa tanteraka ny tapany voalohany amin’ilay faminaniana, ka tsy misy antony hisalasalantsika hoe tsy ho tanteraka koa ilay tapany farany, izany hoe hotorotoroina ny lohan’ilay menarana. Ho maivamaivana erỳ ny olona tsy mivadika rehefa tsy eo intsony i Satana. Aza milavo lefona anefa mandra-pahatongan’izany. Tena azo itokisana ilay Andriamanitsika! Hitondra fitahiana be dia be ho an’ny ‘firenena rehetra eto ambonin’ny tany’ izy, amin’ny alalan’ny taranak’ilay vehivavy.​—Gen. 22:18.

HIRA 23 Manomboka Manjaka i Jehovah

^ Tsy ho takatsika tsara ny hafatra ao amin’ny Baiboly, raha tsy azontsika ny dikan’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15. Hianatra an’io faminaniana io isika ato. Hanatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah izany, sady hanampy antsika ho resy lahatra kokoa hoe hanatanteraka ny fampanantenany rehetra izy.

^ Jereo ny Fanazavana Fanampiny B1 hoe “Ny Hevi-dehibe ao Amin’ny Baiboly”, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

^ Jereo ilay hoe “Iza avy no Voaresaka ao Amin’ny Genesisy 3:14, 15?”