Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Navelako Hitarika ny Diako i Jehovah

Navelako Hitarika ny Diako i Jehovah

NIFIDY hanao asa tiako be izay aho tamin’izaho mbola tanora. Lalan-kafa mihitsy anefa no tian’i Jehovah halehako. Hoatran’ny niteny tamiko izy hoe: “Hataoko izay hahatonga anao ho lalin-tsaina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao.” (Sal. 32:8) Rehefa navelako hitarika ny diako i Jehovah, dia afaka nampiasa ny fiainako hanompoana azy aho sady nahazo fitahiana be dia be, anisan’izany ny hoe nanompo 52 taona tany Afrika.

AVY ANY AMIN’NY SETROKA MAINTY NANKANY AMIN’NY MASOANDRO MIBALIAKA

Teraka tany Darlaston, eto Angletera, aho tamin’ny 1935. Anisan’ilay faritra antsoina hoe Tany Mainty izy io. Be orinasa fandrendrehana sy orinasa hafa namoaka setroka mainty be mantsy tany. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada sy Neny tamin’izaho efa-taona teo ho eo. Niaiky aho hoe nahita ny fahamarinana tamin’izaho 14 taona teo ho eo. Ary natao batisa aho tamin’ny 1952, tamin’izaho 16 taona.

Efa nanomboka niofana tao amina orinasa lehibe iray aho tamin’izany. Mpanamboatra fitaovam-piasana sy piesin’aotomobilina izy io. Nampiofanina hahazo toerana ambony tao amin’ilay orinasa aho, ary tiako be ilay asako.

Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra lehibe aho indray mandeha izay. Nasain’ny mpiandraikitra ny faritra nitarika Fianarana Boky tao amin’ilay fiangonanay tany Willenhall mantsy aho. Izao anefa ny olana: Fiangonana roa no nivoriako tamin’izany. Nivory tao amin’ilay fiangonana teo akaikin’ny toeram-piasako aho rehefa andavanandro. Tany Bromsgrove izy io, 32 kilaometatra teo ho eo niala ny tranonay. Rehefa faran’ny herinandro aho vao nivory tany amin-dry Dada sy Neny, tao amin’ilay fiangonana tany Willenhall.

Te hanohana ny fandaminan’i Jehovah aho, dia nekeko ilay soso-kevitry ny mpiandraikitra ny faritra. Tsy maintsy niala tamin’ilay asa tiako be anefa aho. Tsy nanenenako mihitsy ny safidy nataoko rehefa navelako hitarika ny diako i Jehovah. Nahafinaritra be mantsy ny fiainako taorian’izay.

Nihaona tamin’izay anabavy manjakely sy tia fanompoana izay aho, tamin’izaho nivory tao amin’ny Fiangonana Bromsgrove. Anne no anarany. Nivady izahay tamin’ny 1957, ary niara-nanao mpisava lalana maharitra, mpisava lalana manokana, asan’ny faritra, ary niara-nanompo tao amin’ny Betela. Nanampy ahy ho falifaly foana i Anne hatramin’izay.

Faly be izahay tamin’ny 1966, fa nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-42. Tany Malawi izahay no voatendry. Malaza ho tsara fanahy sy tia mandray vahiny ny mponina any. Tsy nampoizinay mihitsy anefa hoe tsy ho afaka hijanona ela tany izahay.

NANOMPO TANY MALAWI NANDRITRA NY FOTOAN-TSAROTRA

Ilay aotomobilina jipy nampiasainay tamin’izahay nanao ny asan’ny faritra tany Malawi

Tonga tany Malawi izahay tamin’ny 1 Febroary 1967. Nianatra fiteny no tena nataonay tao anatin’ny iray volana, dia avy eo nanao ny asan’ny vondrom-paritra. Aotomobilina jipy no nentinay. Nisy nieritreritra hoe tsy mataho-dalana izy io, ary azo entina miampita renirano mihitsy aza. Rano marivo kely ihany anefa no afany. Trano tany mitafo bozaka no nipetrahanay indraindray, fa tsy maintsy nasiana labasy rehefa vanim-potoanan’ny orana. Vao nanomboka ny asan’ny misionera izahay, dia efa izany no fiainanay. Fa nahafinaritra aloha ilay izy e!

Tsapako hoe nanangasanga ny olana ny volana Aprily. Henoko nikabary tao amin’ny radio mantsy ny Dr. Hastings Banda, filohan’i Malawi. Tsy mandoa hetra, hono, ny Vavolombelon’i Jehovah, sady manelingelina ny fitondrana. Mazava ho azy fa diso izany! Iaraha-mahalala fa ilay izahay tsy midikiditra amin’ny politika no tena olana, indrindra fa hoe tsy manaiky hividy karatry ny antoko izahay.

Hitanay tao amin’ny gazety, ny volana Septambra, fa nendrikendrehin’ny filoham-pirenena ho manakorontana hatraiza hatraiza ireo rahalahy. Nisy fivoriambe fanaon’ny antoko tamin’izay, dia tapaka tamin’io hoe horarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanambara ny filoham-pirenena fa hampiharina haingana izany, ka voarara ny asantsika tamin’ny 20 Oktobra 1967. Tsy ela taorian’izay, dia tonga tao amin’ny biraon’ny sampana ny polisy sy ny tompon’andraikitry ny fifindra-monina mba hanakatona azy io, sy handroaka an’ireo misionera.

Izahay sy ireo misionera namanay, Jack sy Linda Johansson, tamin’izahay nosamborina sy noroahina avy tany Malawi (1967)

Nogadraina telo andro izahay, dia avy eo nalefa tany Maorisy, zanatany anglisy. Tsy navelan’ny manam-pahefana maorisianina hanao misionera tany anefa izahay. Nalefa tany Rodezia (Zimbabwe amin’izao) àry izahay. Vao tonga tany anefa izahay dia nihaona tamin’izay tompon’andraikitry ny fifindra-monina masiaka be izay. Tsy navelany niditra izahay fa noteneniny hoe: “Rehefa avy noroahin’i Malawi ianareo, dia tsy noraisin’i Maorisy, dia atỳ izany ianareo no mitonantonana?” Nitomany i Anne satria hoatran’ny hoe nailikilika foana izahay. Raha ny sitrapoko tamin’izay, dia noraofiko ny entanay, dia lasa izahay nody tany Angletera. Navelan’ilay manam-pahefana natory tao amin’ny biraon’ny sampana ihany anefa izahay ny alin’iny, fa nila nankao amin’ny biraon-dry zareo ny ampitso. Reraka aloha izahay e, nefa nankininay tamin’i Jehovah foana ny zava-drehetra! Tsy nampoizinay fa nilazana izahay ny ampitso tolakandro hoe nahazo nijanona tao Zimbabwe. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fihetseham-poko tamin’iny andro iny. Resy lahatra aho fa nitarika ny dianay i Jehovah.

NANAMPY AN’I MALAWI AVY ANY ZIMBABWE

Miaraka amin’i Anne, tao amin’ny Betelan’i Zimbabwe (1968)

Voatendry tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho, tao amin’ny biraon’ny sampan’i Zimbabwe. Niandraikitra ny asa tany Malawi sy Mozambika izahay. Nenjehina mafy ny rahalahy tany Malawi tamin’izany. Anisan’ny asako ny nandika ny tatitra nalefan’ny mpiandraikitra ny faritra avy any Malawi. Niasa alina aho indray andro izay mba hamita tatitra iray. Latsa-dranomaso mihitsy aho nahita ny fijaliana niaretan’ireo rahalahiko sy anabaviko. * Nanohina ny foko anefa ny nahita hoe tsy nivadika ry zareo, nanam-pinoana, ary niaritra.​—2 Kor. 6:4, 5.

Nanao izay rehetra azonay natao izahay mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ireo rahalahy nijanona tany Malawi, sy ireo nitsoa-ponenana tany Mozambika. Nisy rahalahy nanana toeram-pambolena ngezabe tany Zimbabwe. Nafindra tany ireo mpandika teny amin’ny teny chichewa, ilay fiteny be mpampiasa indrindra any Malawi. Tsara fanahy io rahalahy io, dia nanamboatra trano sy birao ho an-dry zareo. Tao ry zareo no nanohy ny asa fandikan-teny, izay tena namonjy aina.

Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny teny chichewa tany Zimbabwe isan-taona, dia nanao fandaharana izahay mba hanatrehan’ireo mpiandraikitry ny faritra avy any Malawi an’izany. Nahazo drafitry ny lahatenin’ny fivoriambe ry zareo rehefa tonga tany. Niezaka mafy ry zareo nizara ny hevitra noresahina tao tamin’ireo rahalahy sy anabavy rehefa nody. Nahavita nandamina Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana izahay indray taona izay, nandritra ny fitsidihan-dry zareo an’i Zimbabwe. Natao izany mba hampaherezana an’ireo mpiandraikitra ny faritra be herim-po ireo.

Manao lahateny amin’ny teny chichewa, mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny teny chichewa sy shona tany Zimbabwe

Nankany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Mozambika aho tamin’ny Febroary 1975, mba hitsidika an’ireo Vavolombelona avy any Malawi. Naharaka tsara ny tari-dalana farany avy amin’ny fandaminan’i Jehovah ry zareo. Anisan’izany ilay hoe tsy anti-panahy iray intsony no miandraikitra ny fiangonana, fa anti-panahy maromaro. Nandamina fandaharana ara-panahy be dia be ireo anti-panahy vaovao ireo. Nanao lahateny ho an’ny besinimaro, ohatra, ry zareo, nandinika ny andinin-teny ho an’ny andro, nianatra Ny Tilikambo Fiambenana, ary nanao fivoriambe mihitsy aza. Nalaminy hoatran’ny hoe fivoriambe kely ilay toby, dia nasiany sampan-draharahan’ny fanadiovana, fizarana sakafo, ary fiambenana. Nahavita zavatra be dia be ireo rahalahy tsy mivadika ireo noho ny fitahian’i Jehovah, dia izaho indray no nahazo fampaherezana be rehefa nody.

Ny sampan’i Zambia indray no niandraikitra an’i Malawi, taloha kelin’ny 1980. Mbola niraiki-po tamin’ireo rahalahy tany Malawi foana anefa aho sady nivavaka ho an-dry zareo, hoatran’ny nataon’ny Vavolombelona maro. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Zimbabwe aho, dia imbetsaka no niara-nivory tamin’ny solontenan’ny foibe sy ireo rahalahy nanana andraikitra avy tany Malawi, Afrika Atsimo, ary Zambia. Nifampiresaka foana izahay tamin’ireny fotoana ireny hoe: “Sao dia mbola misy azontsika atao ho an’ireo rahalahy any Malawi?”

Nihalefy ny fanenjehana rehefa nandeha ny fotoana. Niverina tsikelikely tany Malawi ireo rahalahy nandositra tany an-tany hafa. Ireo nijanona teo an-toerana indray efa tsy dia nisy nampijaly intsony. Nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo firenena manodidina, dia foana ny fameperana. Ny tany Mozambika, ohatra, tamin’ny 1991. Lasa saina izahay hoe: ‘Rahoviana àry vao tsy ho voarara intsony ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Malawi?’

NIVERINA TANY MALAWI

Niova ny politika tany Malawi tatỳ aoriana, dia tsy voarara intsony ny asantsika tany tamin’ny 1993. Nisy misionera tafaresaka tamiko taoriana kelin’izay, dia nanontany ahy hoe: “Hiverina any Malawi amin’izay izany ianareo?” Efa 59 taona aho tamin’io, dia izao no navaliko azy: “Aiza kosa e! Izaho aza efa antitra!” Tamin’io andro io mihitsy anefa izahay no nahazo hafatra avy any amin’ny Filan-kevi-pitantanana nanasa anay hiverina tany Malawi.

Tena tianay ny fanendrena anay tany Zimbabwe, dia sarotra taminay ny nanapa-kevitra. Efa valovotaka tany mantsy izahay, sady lasa nana-namana mahafinaritra be. Tsara fanahy taminay anefa ny Filan-kevi-pitantanana, ka nilaza hoe tsy hovan-dry zareo ny fanendrena anay, raha tsy hoe vonona angaha izahay. Raha izahay no nifidy ny lalan-kizoranay, dia naleonay nijanona tany Zimbabwe. Tadidiko anefa hoe nisaintsaina an’i Abrahama sy Saraha aho. Nankatò ny tari-dalan’i Jehovah ry zareo, dia niala tamin’ilay fiainany mampiadana na dia efa antitra aza.​—Gen. 12:1-5.

Tapa-kevitra izahay fa hanaraka ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah, dia niverina tany Malawi ny 1 Febroary 1995. Tena 28 taona katroka tamin’io andro io ilay fotoana voalohany nahatongavanay tany. Nasiana Komitin’ny Sampana tany, ary telo izahay no voatendry ho anisan’izy io. Tsy ela izahay dia nandamina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana indray.

JEHOVAH NO MAMPITOMBO

Nataon’i Jehovah nandroso haingana be ny asa, dia tena fitahiana ny nahita an’izany. Tsy hitahita akory dia nitombo be ny isan’ny mpitory, satria 30 000 teo ho eo izany tamin’ny 1993 nefa lasa 42 000 mahery tamin’ny 1998. * Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanorenana biraon’ny sampana vaovao, mba hikarakarana an’izany fitomboana be izany. Nahazo tany 12 hektara izahay tany Lilongwe, dia voatendry ho anisan’ny komitin’ny fanorenana aho.

Ny Rahalahy Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nitokana an’ilay biraon’ny sampana vaovao tamin’ny Mey 2001. Nihoatra ny 2000 ny Vavolombelona teo an-toerana nanatrika azy io, ary efa vita batisa 40 taona mahery ny ankamaroany. Niaritra fanenjehana mafy tsy nisy hoatr’izany nandritra ny taona maro ireo rahalahy sy anabavy tsy nivadika ireo, tao anatin’ny fandrarana. Nahantra ry zareo, nefa tena nanan-karena ara-panahy. Izao ry zareo faly erỳ mitsidika an’ilay Betelany vaovao! Na taiza na taiza nalehan-dry zareo tao amin’ny Betela, dia nandrenesana hiran’ilay Fanjakana nampanarahina gadona afrikanina. Mbola tsy nisy fotoana nampihetsi-po ahy hoatran’iny hatramin’izay. Porofo mivaingana iny hoe tahin’i Jehovah izay mpanompony tsy mivadika rehefa miatrika fisedrana.

Faly aho rehefa voaorina ny sampana, satria nanomboka nahazo fanendrena hitokana Efitrano Fanjakana. Nisy fandaharana fanorenana Efitrano Fanjakana haingankaingana natao ho an’ny tany mahantra, dia nandray soa tamin’izany i Malawi. Kininina no nanamboaran’ny fiangonana sasany toerana hivoriana talohan’izay, ary karazana bozaka norarina no nataony tafo. Dongon-tany lavalava kosa no natao seza. Izao ireo rahalahy mazotozoto erỳ mandoro biriky, mba hanorenana toeram-pivoriana tsara tarehy. Mbola aleon-dry zareo ihany anefa sezalava, araka ilay fomba fiteny hoe: “Azo anisihana olona iray fanampiny foana eo amin’ny sezalava e!”

Faly be koa aho nahita hoe nampian’i Jehovah handroso ny vahoakany. Ny rahalahy tanora tany Afrika no tena nampiaiky ahy. Nazoto nanao asa an-tsitrapo ry zareo, ary vetivety dia nahazo traikefa rehefa nampiofanin’ny fandaminan’i Jehovah sy nanao an’ilay asa. Lasa afaka niantsoroka andraikitra lehibe kokoa ry zareo tao amin’ny Betela sy ny fiangonana. Vao mainka nampahery ny fiangonana koa ireo mpiandraikitra ny faritra vaovao avy teo an-toerana. Nanambady ny ankamaroan’izy ireo, nefa naleony aloha mbola tsy niteraka, na teo aza ny kolontsaina teo an-toerana sy ny faneren’ny fianakaviana. Te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa mantsy ry zareo.

AFA-PO TAMIN’NY FANAPAHAN-KEVITRO AHO

Izaho sy Anne, eto amin’ny Betelan’i Grande-Bretagne

Lasa tsy salama aho rehefa avy nanompo tany Afrika nandritra ny 52 taona. Nangataka tamin’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny Komitin’ny Sampana mba haverina eto Grande-Bretagne izahay mivady. Neken’izy ireo ilay fangatahana. Nalahelo izahay hoe hiala amin’ilay fanendrena maminay. Soa ihany anefa fa mikarakara tsara anay mivady ny fianakavian’ny Betela eto Grande-Bretagne amin’izao fahanteranay izao.

Resy lahatra aho hoe ny namela an’i Jehovah hitarika ny diako no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko hatramin’izay. Asa izay ho niafarako raha niantehitra tamin’ny fahaizako aho, ka nanohy an’ilay asa nataoko. Efa hain’i Jehovah foana hatramin’izay hoe inona no ilaiko mba ‘handeha tsara ny fiainako.’ (Ohab. 3:5, 6) Tiako erỳ tamin’izaho tanora ny nianatra ny pitsopitson’ny asa tao amin’ny orinasa lehibe iray. Ny asa nomen’ny fandaminan’i Jehovah anefa no nahafa-po ahy indrindra. Ny fanompoana an’i Jehovah no tena nampisy tsirony ny fiainako, ary hoatr’izany foana hatramin’izao!

^ Miresaka ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Malawi ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999, p. 148-223.

^ Mihoatra ny 100 000 izao ny mpitory any Malawi.