Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 30

Ampitomboy Foana ny Fitiavanao

Ampitomboy Foana ny Fitiavanao

“Andao hitombo amin’ny lafiny rehetra noho ny fitiavana.”​—EFES. 4:15.

HIRA 2 Jehovah no Anaranao

HO HITANAO ATO a

1. Inona no fahamarinana nianaranao tamin’ianao vao nianatra Baiboly?

 TADIDINAO ve tamin’ianao vao nianatra Baiboly? Gaga be angamba ianao nahafantatra hoe hay Andriamanitra manana anarana. Mety hoe maivamaivana koa ianao rehefa nahalala fa tsy mampijaly olona any amin’ny afobe izy. Tsy izay ihany, fa faly be angamba ianao nahalala hoe afaka ny hahita indray an’ireo olona akaiky anao efa nodimandry ianao, sy hiaraka amin-dry zareo ao amin’ny Paradisa eto an-tany.

2. Inona koa ny fandrosoana vitanao, ankoatra an’ilay hoe nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? (Efesianina 5:1, 2)

2 Vao mainka ianao tia an’i Jehovah, arakaraka ny nianaranao ny Teniny. Io fitiavana io no nandrisika anao hampihatra an’izay nianaranao. Lasa nahay nanapa-kevitra kokoa ianao, rehefa nanaraka ny torolalan’ny Baiboly. Nohatsarainao koa ny toe-tsainao sy ny fitondran-tenanao, satria ianao te hampifaly an’Andriamanitra. Nanahaka an’ilay Rainao any an-danitra ianao, hoatran’ny ankizikely manahaka an’ilay dadany tena tia azy.​—Vakio ny Efesianina 5:1, 2.

3. Inona no fanontaniana mety hoeritreretintsika?

3 Mety hieritreritra isika hoe: ‘Nihanitombo ve ny fitiavako an’i Jehovah, raha oharina amin’ny tamin’izaho vao lasa Kristianina? Hatramin’izay nanaovana batisa ahy izay, dia efa mihamitovy amin’ny an’i Jehovah ve ny fomba fisainako sy ny zavatra ataoko, indrindra amin’ny resaka hoe mampiseho fitiavana amin’ny rahalahiko sy anabaviko?’ Aza kivy raha somary nihalefy “ilay fitiavanao voalohany.” Hoatr’izany koa mantsy no nitranga tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nanary an-dry zareo anefa i Jesosy ary tsy hanary anao koa izy. (Apok. 2:4, 7) Fantany hoe azontsika velomina indray ilay fitiavana nananantsika tamin’isika vao nahalala ny fahamarinana.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Hodinihintsika ato hoe inona no azontsika atao mba hitombo foana ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny olon-kafa. Horesahintsika avy eo hoe inona no fitahiana sasany ho azontsika sy ny olon-kafa rehefa ampitombointsika ny fitiavantsika.

AMPITOMBOY NY FITIAVANAO AN’I JEHOVAH

5-6. a) Inona ny olana natrehin’i Paoly rehefa nanompo an’i Jehovah? b) Inona anefa no nandrisika azy hanohy foana?

5 Nankafy ny fanompoany an’i Jehovah ny apostoly Paoly, nefa niatrika olana be dia be koa. Matetika izy no nanao dia lavitra, nefa tsy mora izany tamin’ny androny. Nisy fotoana, ohatra, izy “saika nahita loza tamin’ny renirano” sady “saika nahita loza tamin’ny jiolahy.” Indraindray koa izy nampijalijalin’ny mpanohitra. (2 Kor. 11:23-27) Ankoatra izay, dia tsy nankasitraka ny fanampiany ny Kristianina sasany indraindray, nefa izy efa mba niezaka erỳ.​—2 Kor. 10:10; Fil. 4:15.

6 Inona no nanampy an’i Paoly hanompo an’i Jehovah foana? Nianatra betsaka momba ny toetran’i Jehovah izy, na avy tamin’ny Soratra Masina na avy tamin’ny zavatra niainany. Resy lahatra àry i Paoly hoe tia azy i Jehovah Andriamanitra. (Rom. 8:38, 39; Efes. 2:4, 5) Lasa tia be an’i Jehovah izy. Ahoana no nampisehoany an’izany fitiavana izany? ‘Nikarakara ny olona masina’ izy ‘sady mbola nikarakara azy ireo’ foana.​—Heb. 6:10.

7. Inona no fomba iray ampitomboantsika ny fitiavantsika an’i Jehovah?

7 Hitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra, rehefa mianatra tsara ny Teniny isika. Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia ezaho tadiavina hoe inona no azonao ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ny andininy tsirairay. Eritrereto izao: ‘Nahoana ity tantara ity no mampiseho hoe tia ahy i Jehovah? Fa maninona aho no tokony ho tia an’i Jehovah raha io no jerena?’

8. Nahoana ny vavaka no manampy antsika hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra?

8 Misy fomba hafa koa azontsika atao mba hampitomboana ny fitiavantsika an’i Jehovah. Inona izany? Aborahy aminy tsy tapaka izay ao am-ponao. (Sal. 25:4, 5) Izy kosa hamaly ny vavaka ataonao. (1 Jaona 3:21, 22) Izao no nolazain’i Khanh, anabavy any Azia: “Ny zavatra nianarako no nahatonga ahy ho tia an’i Jehovah tamin’ny voalohany. Nitombo anefa izany fitiavana izany, rehefa hitako ny fomba namaliany ny vavaka nataoko. Lasa te hampifaly azy aho.” b

AMPITOMBOY NY FITIAVANAO NY OLON-KAFA

9. Ahoana no nampisehoan’i Timoty hoe nihanitombo ny fitiavany ny mpiara-manompo?

9 Nihaona tamina tovolahy mahafinaritra iray izay i Paoly, taona vitsivitsy taorian’ny nahalasa Kristianina azy. Timoty ny anarany. Tia an’i Jehovah i Timoty sady tia olona. Izao no nolazain’i Paoly tamin’ny Filipianina: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra [amin’i Timoty], izay tena hikarakara anareo.” (Fil. 2:20) Mariho fa tsy ny fahaizan’i Timoty nandamin-javatra na nandaha-teny no noresahin’i Paoly teto. Toa ny fitiavan’i Timoty ny rahalahy sy anabavy kosa no nampiaiky azy. Azo antoka fa tsy andrin’ny fiangonana notsidihin’i Timoty izay hahatongavany.​—1 Kor. 4:17.

10. Ahoana no nampisehoan’i Anna sy ny vadiny hoe tiany ny rahalahy sy anabavy?

10 Mitady fomba koa isika mba hanampiana ny rahalahy sy anabavintsika. (Heb. 13:16) Eritrereto ny nataon’i Anna, ilay noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Vao avy nisy rivo-doza tamin’izay, dia nitsidika fianakaviana Vavolombelona iray izy sy ny vadiny. Hitan-dry zareo hoe tsy nisy tafo intsony ny tranon’ilay fianakaviana. Tsy nanana akanjo madio intsony àry izy mianakavy. Izao no nolazain’i Anna: “Nalainay ny akanjon-dry zareo, dia nosasanay, ary naterinay tany rehefa avy nopasohinay sy navalonay tsara. Zavatra kely izany taminay, nefa nahatonga anay ho lasa mpinamana be hatramin’izao.” Ny fitiavan’i Anna sy ny vadiny an’ireo mpiara-manompo no nandrisika azy roa hanampy an-dry zareo.​—1 Jaona 3:17, 18.

11. a) Inona no mety ho vokany amin’ny olona rehefa miezaka mampiseho fitiavana isika? b) Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa mampiseho fitiavana isika? (Ohabolana 19:17)

11 Inona no vokany rehefa tia olona sy tsara fanahy aminy isika? Matetika no tsikaritr’izy ireo ny ezaka ataontsika mba hanahafana ny fomba fisainan’i Jehovah sy izay ataony. Mety hankasitraka ny hatsaram-panahy nasehontsika izy, ary mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika aza. Izany no tsapan’i Khanh, ilay anabavy noresahina teo. Tadidiny tsara ny olona nanampy azy. Hoy izy: “Tena mankasitraka an’ireny rahavavy malala nitondra ahy nanompo ireny aho. Nalainy tatỳ an-trano aho, dia nasainy hihinana tsakitsaky na hiara-misakafo taminy, dia avy eo aho nateriny nody. Izao aho vao tonga saina hoe niezaka be ry zareo, sady fitiavana daholo no tao ambadik’izany.” Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no hisaotra antsika noho izay nataontsika ho azy. Izao no nolazain’i Khanh momba an’izay nanampy azy: “Tiako izao raha mba afaka namaly fitia an-dry zareo aho, satria imbetsaka ry zareo no tsara fanahy tamiko. Indrisy fa tsy fantatro hoe aiza daholo ry zareo no mipetraka. Soa ihany fa mahafantatra an’izany i Jehovah, dia mivavaka aho mba izy no hisolo ahy hamaly soa an-dry zareo.” Marina ny an’i Khanh. Tena tsikaritr’i Jehovah daholo mantsy hatramin’ny hatsaram-panahy kely indrindra asehontsika amin’ny olona. Raisiny ho sorona sarobidy izany, ary ataony hoatran’ny trosa tsy maintsy haloany.​—Vakio ny Ohabolana 19:17.

Rehefa mandroso ny olona iray dia mitady fomba hanampiana ny hafa izy (Fehintsoratra 12)

12. Ahoana no azon’ny rahalahy ampisehoana hoe tiany ny fiangonana? (Jereo koa ny sary.)

12 Raha rahalahy ianao, dia inona no azonao atao mba hampisehoana hoe tia sy te hanampy olona ianao? Nanatona anti-panahy iray ny rahalahy tanora antsoina hoe Jordan. Nanontany an’ilay anti-panahy izy hoe inona no mbola azony atao mba hanampiana ny fiangonana. Noderain’ilay anti-panahy izy tamin’ny fandrosoana efa vitany, dia avy eo natorony azy hoe inona no mbola azony iezahana. Nampirisihiny, ohatra, i Jordan mba ho tonga aloha kokoa any am-pivoriana, dia hiarahaba olona. Nanoro hevitra azy koa izy mba hamaly rehefa any am-pivoriana, hitory tsy tapaka miaraka amin’ny andia-mpitoriny, ary hitady fomba hafa hanampiana. Rehefa nampihatra an’izany i Jordan, dia tsy hoe nitombo fotsiny ny fahaizany, fa nitombo koa ny fitiavany ny rahalahy sy anabaviny. Nianaran’i Jordan hoe rehefa lasa mpikarakara fiangonana ny rahalahy iray, dia tsy amin’izay izy vao manomboka manampy ny hafa, fa manohy manampy no ataony.​—1 Tim. 3:8-10, 13.

13. Nahoana ny fitiavana no nanampy an’i Christian hahafeno fepetra ho anti-panahy indray?

13 Ahoana raha mpikarakara fiangonana ianao taloha na anti-panahy? Tadidin’i Jehovah ny asa nataonao sy ny fitiavana nahatonga anao hanao an’izany. (1 Kor. 15:58) Hitany koa ny fitiavana mbola asehonao amin’izao. Lasa tsy anti-panahy intsony ny rahalahy antsoina hoe Christian, dia diso fanantenana be. Izao anefa no nolazainy: “Nanapa-kevitra aho hoe ataoko amim-pitiavana daholo izay azoko atao ho an’i Jehovah, na manana tombontsoam-panompoana aho na tsia.” Voatendry ho anti-panahy indray izy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Natahotahotra kely aho tamin’ny voalohany. Nieritreritra anefa aho hoe, raha avelan’i Jehovah ho anti-panahy indray aho noho izy mamindra fo, dia ataoko izany satria tiako izy sy ny rahalahy sy anabaviko.”

14. Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Elena?

14 Mampiseho fitiavana amin’ny mpiara-belona aminy koa ny mpanompon’i Jehovah. (Mat. 22:37-39) Izao, ohatra, no nolazain’i Elena, anabavy any Géorgie: “Ny fitiavako an’i Jehovah fotsiny no nandrisika ahy hitory tamin’ny voalohany. Rehefa nihanitombo anefa ny fitiavako an’ilay Raiko any an-danitra, dia lasa nitombo koa ny fitiavako ny olona. Niezahako noeritreretina hoe inona ny olana mety hatrehin-dry zareo, dia inona no hevitra mety hanohina ny fony. Vao mainka aho lasa te hanampy an-dry zareo, arakaraka ny nieritreretako an’izany.”​—Rom. 10:13-15.

MAHAZO FITAHIANA IZAY MAMPISEHO FITIAVANA

Be dia be no afaka mahazo fitahiana avy amin’ny porofom-pitiavana iray fotsiny (Fehintsoratra 15-16)

15-16. Inona no fitahiana ho azo raha mampiseho fitiavana amin’ny hafa isika, araka ny aseho eo amin’ny sary?

15 Rehefa mampiseho fitiavana amin’ny mpiara-manompo isika, dia tsy ry zareo irery no mandray soa. Rehefa nanomboka, ohatra, ilay valanaretina COVID-19, dia nanampy anabavy be taona maromaro i Paolo sy ny vadiny. Natoron’izy roa an-dry zareo hoe ahoana no azony ampiasana ny telefaoniny na ny tablette-ny na ny ordinaterany mba hitoriana. Nieritreritra ny anabavy iray tamin’ny voalohany hoe tsy ho hainy mihitsy ny hampiasa an’ireny. Nahay ihany anefa izy, ka afaka nanasa ny havany hanatrika ny Fahatsiarovana. Nisy 60 ny havany nanatrika tamin’ny alalan’ny vidéoconférence! Nandray soa tamin’ny ezaka nataon’i Paolo mivady àry ilay anabavy sy ny havany. Izao no nosoratan’ilay anabavy tamin’i Paolo tatỳ aoriana: “Misaotra anao, anaka, mampianatra anay be taona. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fiahian’i Jehovah anay sy ny ezaka mafy nataonao.”

16 Nisy lesona lehibe nianaran’i Paolo avy tamin’ny zavatra niainany hoatr’ireny. Lasa tadidiny hoe zava-dehibe kokoa noho ny fahalalana na talenta ny fitiavana. Izao no nolazainy: “Mpiandraikitra ny faritra aho taloha. Hitako anefa izao fa na dia mety hoe hadinon’ny mpitory aza ny lahateny nataoko, dia mbola tadidiny foana ny fanampiana nomeko.”

17. Iza koa no handray soa rehefa mampiseho fitiavana isika?

17 Rehefa mampiseho fitiavana amin’olona isika, dia mety tsy ho ampoizintsika fa na isika aza mandray soa. Manamarina an’izany i Jonathan, rahalahy any Nouvelle-Zélande. Nahita mpisava lalana nitory irery teny an-dalana izy, indray asabotsy tolakandro. Nigaingaina be ny andro tamin’izay. Nanapa-kevitra àry i Jonathan hoe hiaraka hanompo amin’ilay mpisava lalana rehefa asabotsy tolakandro. Mbola tsy azony an-tsaina tamin’izany hoe na izy aza handray soa be avy amin’iny hatsaram-panahy nasehony iny. Izao no nolazainy: “Tsy tena tia nanompo aho tamin’izany. Rehefa nihaino ny fomba fampianaran’ilay mpisava lalana anefa aho sady nahita ny vokatra azony, dia lasa tena tiako ny fanompoana. Nahazo namana mahafinaritra be koa aho, dia nanampy ahy izy mba handroso sy hankafy ny fanompoana ary hifandray akaiky amin’i Jehovah.”

18. Inona no tian’i Jehovah hataontsika?

18 Tian’i Jehovah hitombo ny fitiavantsika rehetra azy sy ny fitiavantsika ny olon-kafa. Nianarantsika teo hoe hitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah rehefa mamaky sy misaintsaina ny Teniny isika, ary miresaka aminy tsy tapaka amin’ny alalan’ny vavaka. Ho tia kokoa ny rahalahy sy anabavy koa isika, rehefa manampy an-dry zareo. Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah sy ny fianakaviantsika ara-panahy mihoatra noho ny hatramin’izay isika, rehefa mitombo ny fitiavantsika. Hinamana amin-dry zareo mandrakizay mihitsy isika!

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

a Vao haingana ve ianao no tao amin’ny fahamarinana, sa efa an-taonany maro? Na ahoana na ahoana, dia afaka miezaka ny handroso foana isika rehetra. Hiresaka fomba iray tena lehibe anaovana an’izany ity lahatsoratra ity. Ampirisihina mantsy isika ato mba hampitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny olon-kafa. Rehefa misaintsaina ny hevitra resahina ato ianao, dia eritrereto hoe inona ny fandrosoana efa vitanao sy izay mbola azonao atao.

b Novana ny anarana sasany.