Mba Andramo Izao
Fantaro Izay Zava-dehibe Kokoa
Samy tsy manana fotoana firy hianarana samirery isika. Ahoana àry no hahaizantsika mampiasa ny fotoanantsika? Voalohany, makà fotoana tsara. Handray soa kokoa ianao raha mianatra zavatra kely nefa vita tsara, toy izay hianatra zavatra be dia be nefa atao maimaika fotsiny.
Fantaro avy eo izay zava-dehibe kokoa. (Efes. 5:15, 16) Diniho ireto soso-kevitra ireto:
Mamakia Baiboly isan’andro. (Sal. 1:2) Mety be izao raha ilay famakiana Baiboly isan-kerinandro ao amin’ny fivoriana andavanandro no anombohanao azy.
Omano ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fivoriana andavanandro. Miezaha ho vonona hamaly.—Sal. 22:22.
Miezaha koa mba haharaka ny sakafo ara-panahy hafa, ohatra hoe ny gazety ho an’ny besinimaro, video, ary ireo zavatra hafa avoaka ao amin’ny jw.org.
Ianaro izay loha hevitra mahaliana anao. Azonao atao, ohatra, ny manao fikarohana momba ny olana atrehinao, na fanontaniana manitikitika ny sainao, na loha hevitra ao amin’ny Baiboly mba tianao ho azo kokoa. Hahita hevitra ianao raha mijery ao amin’ilay fizarana hoe “Kilalao Ara-baiboly” ao amin’ny jw.org/mg.