Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Nahazo Fitahiana Aho Satria Nisy Niahy

Nahazo Fitahiana Aho Satria Nisy Niahy

Izaho sy Mama ary Pat anabaviko, 1948

“TSY mampianatra ny fahamarinana ny Fiangonana Anglikanina. Any an-kafa mitady!” Anglikanina i Bebe. Rehefa avy nilaza an’io anefa izy, dia nanomboka nitady ny fivavahana marina i Mama. Tsy noraharahiany mihitsy aloha ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasainy niafina aza aho rehefa tonga tao aminay ry zareo. Tany Toronto eto Kanada izahay no nipetraka. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona anefa ny zandrin’ny mamanay vavy, tamin’ny 1950, dia nianatra koa i Mama. Tany an-tranon’io neniraivonay io ry zareo no nianatra, ary natao batisa tatỳ aoriana.

Loholona tao amin’ny Fiangonana Mitambatra teto Kanada i Dada. Nasainy nanao sekoly alahady àry izaho sy ny anabaviko isan-kerinandro, dia avy eo nandeha niangona niaraka taminy tamin’ny 11 ora. Niaraka tamin’i Mama tany amin’ny Efitrano Fanjakana kosa izahay ny tolakandro. Tonga dia hitanay hoe tsy nitovy ireo fivavahana roa ireo.

Niaraka tamin-dry Hutcheson tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Ny Sitrapon’Andriamanitra”, 1958

Niresaka ny zavatra vaovao ninoany tamin’i Bob sy Marion Hutcheson i Mama. Namany efa hatry ny ela izy mivady, ary lasa Vavolombelona koa. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Ny Sitrapon’Andriamanitra” tany New York, tamin’ny 1958, dia nentin-dry Hutcheson niaraka taminy sy ny zanany telo lahy aho. Naharitra valo andro ilay izy. Rehefa mandinika an’izany aho, dia izao aho vao tonga saina hoe niezaka be ry zareo nitondra ahy. Soa ihany anefa satria iny fivoriambe iny no anisan’ny niavaka indrindra teo amin’ny fiainako.

NISY VOKANY TAMIN’NY HOAVIKO NY FIAHIAN’NY HAFA

Nipetraka tany amina toeram-piompiana izahay tamin’izaho tanora. Tia nikarakara biby aho dia te hanao veterinera. Noresahin’i Mama tamin’ny anti-panahy iray izany. Tsara fanahy be io anti-panahy io nampahatsiahy ahy hoe miaina amin’ny “andro farany” isika izao. (2 Tim. 3:1) Nanontany izy avy eo hoe hanao ahoana ny fifandraisako amin’i Jehovah raha mianatra an-taonany maro eny amin’ny oniversite aho. Naleoko àry tsy nianatra teny indray.

Mbola lasa saina anefa aho hoe inona no hataoko rehefa vita ny fianarako eny amin’ny lise. Marina hoe nanompo foana aho isaky ny faran’ny herinandro, nefa tsy tena tia fanompoana aho sady hoatran’ny tsy ho vitako ny hanao mpisava lalana. Tamin’izay i Dada sy ny zandriny lahy no nampirisika ahy hiasa tontolo andro tao amina orinasa fiantohana iray tany Toronto. Ambonimbony tao ilay dadafaranay, dia nanaiky aho.

Tsy tena afaka nivory sy nanompo aho tany Toronto. Niasa be foana mantsy aho, sady olona tsy Vavolombelona no nifanerasera tamiko. Nipetraka tany amin’ny dadabeko aho tamin’ny voalohany. Tsy Vavolombelona izy. Rehefa maty anefa izy, dia nila nitady trano hipetrahana aho.

Hoatran’ny ray aman-dreniko mihitsy ry Hutcheson. Ry zareo ilay nitondra ahy hanatrika fivoriambe tamin’ny 1958. Nasainy hipetraka tao aminy aho, dia nampiany handroso ara-panahy. Natao batisa izahay sy John, zanak’izy ireo lahy, tamin’ny 1960. Nanomboka nanao mpisava lalana i John, dia lasa te hampitombo ny fanompoako koa aho. Hitan’ny rahalahy tao amin’ny fiangonana hoe nihamatotra aho, dia voatendry ho mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana tatỳ aoriana. a

NAHAZO NAMANA MAHAFINARITRA, DIA LASA MPISAVA LALANA

Tamin’ny mariazinay, 1966

Nanambady an’i Randi Berge aho, tamin’ny 1966. Mpisava lalana mafana fo izy, ary te hanitatra faritany. Niahy be anay ny mpiandraikitra ny faritra, dia nampirisihiny hanampy ny fiangonana tany Orillia, any Ontario, izahay. Nahoronay àry ny entanay dia lasa izahay.

Vao tonga tany Orillia izahay, dia nanao mpisava lalana maharitra koa aho. Tonga dia nifindra tamiko ny hafanam-pon’i Randi. Vao nanomboka nanao an’ilay izy tamin’ny fo manontolo aho, dia lasa faly be rehefa mampiasa Baiboly sy mahita ny olona mahazo tsara ny fahamarinana. Nanampy mpivady mahafinaritra be, ohatra, izahay tany, dia nanova ny fiainany ry zareo ka lasa mpanompon’i Jehovah. Fitahiana be iny!

NIANATRA FITENY SY FOMBA FISAINANA VAOVAO

Nihaona tamin’i Arnold MacNamara aho, rehefa nandalo tany Toronto. Anisan’ny nanana andraikitra tao amin’ny Betela izy. Nanontaniany aho raha mazoto hanao mpisava lalana manokana izahay. Tonga dia namaly aho hoe: “Ie, raha tsy any Québec!” Tsy tiatian’ny olona niteny anglisy tany Kanada ny olona niteny frantsay tany amin’ny faritanin’i Québec, dia nisy vokany tamiko izany. Nisy hetsika natao mantsy tamin’izany mba hitakiana ny fahaleovan-tenan’i Québec tamin’i Kanada.

Hoy i Arnold: “I Québec ihany aloha no toerana andefasan’ny sampana mpisava lalana manokana amin’izao.” Tonga dia nanaiky aho. Haiko mantsy hoe te hanompo any i Randi. Tatỳ aoriana aho vao tonga saina hoe iny no anisan’ny fanapahan-kevitra tsara indrindra teo amin’ny fiainanay!

Nianatra teny frantsay nandritra ny iray volana sy herinandro izahay sy Randi. Niaraka tamina mpivady iray nankany Rimouski izahay avy eo. Any amin’ny 540 kilaometatra eo ho eo any avaratratsinanan’i Montréal no misy azy io. Mbola betsaka no nila nianaranay. Niharihary izany, indray mandeha, rehefa namaky fampandrenesana tany am-pivoriana aho. Hoy aho hoe hisy “vahiny aotirisy” be dia be ho avy mandritra an’ilay fivoriambe hatrehinay atsy ho atsy, nefa “vahiny aotrisianina” no tiako holazaina.

Ilay “Maison Blanche” tany Rimouski

Nisy olon-kafa koa tonga nanampy anay efatra tany Rimouski: Anabavy mpitovo efatra be zotom-po sy ry Huberdeau mivady ary ny zanany roa vavy. Nanofa tranobe ry Huberdeau, dia nifanampy tamin’ny hofany izay mpisava lalana nipetraka tao. Nantsoinay hoe Maison Blanche izy io, satria fotsy be ny rindrina tatỳ aloha sy ny andry teo amin’izy io. Nisy efitra fatoriana fito tao, dia matetika izahay teo amin’ny 12 na 14 teo no nipetraka tao. Izahay sy Randi moa mpisava lalana manokana, dia nitory foana marain-tsy hariva. Faly erỳ àry izahay satria nisy olona azonay nentina nanompo foana, na dia tamin’ny hariva namirifiry tamin’ny ririnina aza.

Nihaniraiki-po tamin’ireo mpisava lalana manam-pinoana ireo izahay, dia lasa hoatran’ny fianakavianay mihitsy ry zareo. Indraindray izahay nanao afon-dasy dia nipetraka nanodidina an’ilay izy. Na izahay nanokana andro iray niarahana nahandro sakafo. Nisy rahalahy iray nahay nitendry mozika, dia matetika izahay no nihirahira sy nandihy rehefa asabotsy alina.

Namokatra ny faritany tany Rimouski. Faly izahay satria nisy mpianatra Baiboly vitsivitsy nandroso ka natao batisa. Lasa tafakatra 35 teo ho eo koa ny mpitory tao amin’ny fiangonanay. Tao anatin’ny dimy taona no nitrangan’izany.

Nahazo fampiofanana tsara tamin’ny fitoriana izahay tany Québec. Hitanay ny fomba nanampian’i Jehovah anay teny amin’ny fanompoana sy tamin’izay nilainay teo amin’ny fiainana. Nianatra nitia olona miteny frantsay sy ny fiteniny ary ny kolontsainy koa izahay. Lasa tia kolontsaina hafa koa àry izahay.​—2 Kor. 6:13.

Tsy nampoizinay fa nasain’ny sampana nifindra tany Tracadie izahay. Tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i New Brunswick no misy azy io. Izahay anefa vao avy nanao sonia hoe hanofa trano, moa izaho efa nanao fifanekena hampianatra tapa-potoana tao amina sekoly iray. Vao lasa mpitory koa ny olona sasany nampianarinay Baiboly, sady teo am-panorenana Efitrano Fanjakana ny fiangonanay.

Nivavaka momba an’ilay hoe hifindra foana izahay nandritra ny faran’ny herinandro, dia nitsidika an’i Tracadie. Tsy nitovy tamin’i Rimouski mihitsy aloha tany e! Nanapa-kevitra ny ho any anefa izahay, satria any no tian’i Jehovah hisy anay. Nitsapa toetra an’i Jehovah àry izahay, dia hitanay hoe nesoriny daholo ny sakantsakana rehetra. (Mal. 3:10) Tsy mafy loatra taminay ilay nifindra, satria i Randi natanjaka ara-panahy sy nahafoy tena ary tia vazivazy, hoatran’ny hatramin’izay.

I Robert Ross ihany no anti-panahy tao amin’ilay fiangonanay vaovao. Mpisava lalana tao izy sy Linda vadiny, ary nanapa-kevitra hoe hijanona tao ihany rehefa teraka ny zanany voalohany. Nampahery be anay izy roa satria marina hoe nila nikarakara an’ilay zanany lahikely ry zareo, nefa hita hoe tia nandray vahiny sady nazoto nanompo.

MANDRAY SOA IREO MANOMPO ANY AMIN’IZAY ILANA FANAMPIANA

Ririnina tamin’izahay nanao ny asan’ny faritra voalohany

Mpisava lalana nandritra ny roa taona tany Tracadie izahay. Tsy nampoizinay avy eo fa voasa hanao ny asan’ny faritra izahay. Faritra miteny anglisy no nanendrena anay nandritra ny fito taona, dia avy eo faritra miteny frantsay tany Québec. I Léonce Crépeault no mpiandraikitra ny vondrom-paritranay tany Québec. Noderainy aho tamin’ny lahateny nataoko, nefa nanontany foana izy avy eo hoe: “Ahoana re no azo atao mba ho azo ampiharina kokoa ny lahateninao e?” b Nanampy ahy iny fiahiana nasehony iny, ka niezaka aho mba ho mora azo sy ho voafaritra kokoa ny zavatra ampianariko.

Nisy fanendrena iray izay tsy hohadinoiko mihitsy. Tany amin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Finoana Mandresy” tany Montréal ilay izy, tamin’ny 1978. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Sakafo aho. Olona 80 000 no noeritreretinay ho avy, dia nisy fomba vaovao nizarana sakafo. Vaovao daholo ny zava-drehetra: Ny fitaovana, ny sakafo naroso, ary ny fomba fikarakarana an’ilay izy. Nanana vata fampangatsiahana niisa 20 teo ho eo koa izahay, fa tsy nandeha tsara ireo indraindray. Tsy afaka niditra tao amin’ilay kianja aza izahay ny andro talohan’ilay fivoriambe raha tsy tamin’ny misasakalina, satria mbola nisy nanao spaoro tao. Tsy izay ihany, fa alohan’ny mangiran-dratsy dia efa nila nalefa ny lafaoro, satria hanaovana sakafo maraina! Reraka izahay nefa betsaka no nianarako avy tamin’ny mpiasa an-tsitrapo namako, noho ry zareo niasa mafy sy matotra ary tia vazivazy. Lasa nifandray tsara izahay, ary mpinamana be hatramin’izao. Faly erỳ izahay nanatrika an’iny fivoriambe niavaka tany Québec iny! Mahagaga hoe tao amin’io faritany io ilay nisy fanenjehana be, teo anelanelan’ny 1940 sy 1960.

Nanomana fivoriambe tany Montréal niaraka tamin’i Randi, 1985

Betsaka no nianarako avy tamin’ny mpiandraikitra namako, nandritra an’ireny fivoriambe lehibe tany Montréal ireny. I David Splane no mpiandraikitra ny fivoriambe indray taona izay. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy izao. Izaho indray no voatendry hiandraikitra ny fivoriambe tatỳ aoriana, ary tena nanohana ahy i David.

Voasa hampianatra tamin’ny Sekolin’ny Anti-panahy aho tamin’ny 2011, rehefa avy nanao ny asan’ny faritra nandritra ny 36 taona izahay sy Randi. In-75 niova fandriana izahay tao anatin’ny roa taona, nefa tsy very maina ny sorona tsirairay nataonay. Isaky ny mifarana mantsy ny herinandro, dia misaotsaotra be ny anti-panahy satria hitan-dry zareo hoe tena miahy ny ara-panahin-dry zareo ny Filan-kevi-pitantanana.

Nampianatra tamin’ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana aho tatỳ aoriana. Matetika ny mpianatra no reraka sy niady saina, satria feno be ny fandaharam-potoanany. Nianatra adiny fito teo ho eo isan’andro ry zareo, dia avy eo nanao entimody nandritra ny adiny telo isan-kariva, sady mbola nanana anjara efatra na dimy isan-kerinandro. Nohazavainay sy ilay mpampianatra namako hoe tsy ho vitan-dry zareo mihitsy izany, raha tsy eo ny fanampian’i Jehovah. Gaga be ry zareo fa nahavita zavatra tsy noeritreretiny mihitsy rehefa niantehitra tamin’i Jehovah. Tsy hohadinoiko mihitsy izany!

MISY VOKANY MAHARITRA NY FIAHIANA ASEHO AMIN’OLONA

Tia niahy ny hafa i Mama, dia nanampy ny olona nampianariny Baiboly mba handroso izany. Na i Dada aza lasa tsy nanohitra be intsony. Gaga be izahay satria nanatrika lahateny ho an’ny besinimaro tany amin’ny efitrano izy, telo andro taorian’ny nahafatesan’i Mama. Nivory foana izy tao anatin’ny 26 taona. Marina hoe tsy natao batisa mihitsy i Dada, nefa nilaza tamiko ny anti-panahy fa izy foana no tonga voalohany tao am-pivoriana isan-kerinandro.

Nisy vokany maharitra taminay ankizy koa ny ohatr’i Mama. Tsy mivadika amin’i Jehovah daholo mantsy izy telo vavy sy ny vadiny avy. Manompo any amin’ny biraon’ny sampana ny roa amin-dry zareo: Ny iray any Portogaly, dia ny iray any Haïti.

Mpisava lalana manokana atỳ Hamilton, Ontario, izahay sy Randi izao. Tamin’izahay nanao ny asan’ny faritra, dia nahafinaritra anay ny niaraka tamin’ny olona nanao ny fiverenana mitsidika sy fampianaran-dry zareo. Izao anefa izahay mihitsy no manana mpianatra Baiboly, dia tianay erỳ ny mahita an-dry zareo mandroso. Lasa mpinamana amin’ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonanay vaovao izahay, dia mampahery anay ny mahita hoe ampian’i Jehovah ry zareo na amin’ny mora na amin’ny sarotra.

Rehefa mitodika ny lasa izahay, dia tena mankasitraka hoe be dia be ny olona nampiseho fiahiana taminay. Niezaka ‘nitady izay hahasoa’ ny hafa koa àry izahay, ka nampirisika an-dry zareo mba hanompo an’i Jehovah araka izay tsara indrindra vitany. (2 Kor. 7:6, 7) Nanompo manontolo andro daholo, ohatra, ny tao amin’ny fianakaviana iray, afa-tsy ilay raim-pianakaviana. Nanontany azy àry aho raha mba efa nieritreritra ny hanao mpisava lalana koa izy. Namaly izy hoe izy, hono, efa manohana ny vadiny sy ny zanany mianadahy. Dia izao no nanontaniako azy: “Ianao ve mahavita manohana an-dry zareo kokoa noho i Jehovah?” Nampirisihiko izy avy eo hoe: ‘Maninona raha mba mankafy an’izay ankafizin-dry zareo e?’ Lasa mpisava lalana izy enim-bolana taorian’izay.

Mbola ‘hilaza amin’ny taranaka any aoriana’ momba ny “zavatra mahatalanjona” ataon’i Jehovah foana izahay sy Randi. Manantena izahay hoe hankafy ny fanompoana hoatr’anay ry zareo.​—Sal. 71:17, 18.

a Mpiandraikitra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana no iantsoana an’izany amin’izao.

b Jereo ny tantaram-piainan’i Léonce Crépeault ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Febroary 2020, p. 26-30.