Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avelanao Hamolavola Anao ve i Jehovah?

Avelanao Hamolavola Anao ve i Jehovah?

“Toy ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy tanimanga ianareo eto an-tanako.”​—JER. 18:6.

HIRA: 60, 22

1, 2. Nahoana i Daniela no nolazain’i Jehovah hoe “tena tiana”, ary inona no tokony hekentsika raha tiantsika ny hanahaka azy?

FENO sampy sy mpanao asan’ny maizina tao Babylona, tamin’ny Jiosy nentina ho babo tany. Tsy nanaiky hovolavolain’ny manodidina anefa ireo Jiosy tsy nivadika, anisan’izany i Daniela sy ny namany telo lahy. (Dan. 1:6, 8,12; 3:16-18) Tapa-kevitra izy ireo fa i Jehovah ihany no hotompoiny sy havelany hamolavola azy. Vitan’izy ireo tokoa izany! Saika nandritra ny fiainany manontolo, ohatra, i Daniela no nipetraka tao Babylona, nefa nilaza ny anjelin’Andriamanitra hoe “tena tiana” izy.​—Dan. 10:11, 19.

2 Azon’ny mpanefy sasany terena hiditra ao anaty lasitra ny tanimanga mba hahazoany an’izay endrika tiany. Ekentsika koa hoe Mpanjakan’izao Rehetra Izao i Jehovah, ka manana fahefana hamolavola vahoaka na firenena. (Vakio ny Jeremia 18:6.) Manana fahefana hamolavola antsika tsirairay koa izy. Avelany hisafidy anefa isika, satria tiany hankatò azy an-tsitrapo. Ahoana àry no hahatonga antsika ho toy ny tanimanga malemilemy ka ho mora volavolaina foana? Handinika an’ireto isika: 1) Inona no hanampy antsika tsy hanana toetra mahatonga antsika tsy hiraharaha ny torohevitr’i Jehovah? 2) Mila manao inona isika raha te hanana an’ireo toetra mahatonga antsika ho mora volavolaina sy hankatò an’i Jehovah foana? 3) Inona no hanampy ny ray aman-dreny hankatò an’i Jehovah rehefa mamolavola ny zanany?

EFA LASA TSY MIHONTSINA VE NY FONAO?

3. Inona no mety hahatonga ny fontsika tsy hihontsina? Hazavao amin’ny ohatra.

3 Hoy ny Ohabolana 4:23: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” Inona no mety hanamafy ny fontsika ka mila tandremantsika? Mety hitranga izany raha manambony tena isika, na zatra manota, na tsy ampy finoana. Mety hahatonga antsika tsy hankatò na hikomy ireo. (Dan. 5:1, 20; Heb. 3:13, 18, 19) Nanambony tena, ohatra, i Ozia mpanjakan’ny Joda. (Vakio ny 2 Tantara 26:3-5, 16-21.) Nanao “izay mahitsy teo imason’i Jehovah” izy tamin’ny voalohany, ary “niezaka nitady an’Andriamanitra foana.” “Raha vao nahery anefa izy, dia nirehareha ny fony”, na dia i Jehovah aza no nanome hery azy. Nitady handoro emboka manitra tao amin’ny tempoly mihitsy aza izy, nefa ny mpisorona taranak’i Arona ihany no nahazo nanao an’izany. Tezitra be izy rehefa nananatra azy ny mpisorona. Nataon’i Jehovah boka mandra-pahafatiny àry izy ka afa-baraka.​—Ohab. 16:18.

4, 5. Inona no mety hitranga raha manambony tena isika? Manomeza ohatra.

4 Mety ‘hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina’ koa isika raha tsy mitandrina, ka mety tsy hanaiky ny torohevitra ara-baiboly omena antsika. (Rom. 12:3; Ohab. 29:1) Diniho ny tantaran’ny anti-panahy atao hoe Jim. Nandinika zavatra momba ny fiangonana ny anti-panahy indray mandeha, ary nisy hevitra tsy neken’i Jim tamin’ilay izy. Hoy izy: “Niteny aho hoe tsy maneho fitiavana ry zareo, dia lasa aho.” Nifindra fiangonana izy enim-bolana taorian’izay. Tsy notendrena ho anti-panahy anefa izy tany. Hoy ihany izy: “Kivy be aho. Nieritreritra loatra aho hoe izaho no manana ny rariny, dia niala tamin’ny fahamarinana aho.” Folo taona i Jim no tsy nanompo an’i Jehovah. Niaiky izy hoe: “Be hambom-po loatra aho dia i Jehovah indray no nomeko tsiny. Nisy rahalahy nitsidika ahy sy nampisaintsaina ahy nandritra ny taona maro, nefa tsy nanaiky nampian’izy ireo aho.”

5 Mety hanamarin-tena àry isika raha manambony tena, ka ho lasa sarotra volavolaina. (Jer. 17:9) Hoy i Jim: “Nieritreritra foana aho hoe tsy izaho no diso.” Ary ianao? Efa nisy mpiara-manompo nahatezitra anao ve? Sa nalahelo ianao satria nisy tombontsoam-panompoana nesorina taminao? Ahoana no nataonao? Voadona ve ny hambom-ponao? Sa ny hihavana tamin’ilay olona sy ny hoe tsy hivadika amin’i Jehovah no tena noeritreretinao?​—Vakio ny Salamo 119:165; Kolosianina 3:13.

6. Inona no mety hitranga raha zatra manota isika?

6 Mety tsy hiraharaha ny torohevitr’i Jehovah koa isika, raha zatra manota na manafina ny fahotana ataontsika. Mety ho lasa mora manota izay manao an’izany. Nilaza ny rahalahy iray zatra nanao ratsy fa lasa tsy nampaninona azy ilay izy tatỳ aoriana. (Mpito. 8:11) Nitsotra toy izao ny rahalahy iray zatra nijery sary vetaveta: “Lasa tia nanakiana ny anti-panahy aho.” Tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony koa izy. Fantatra ihany tatỳ aoriana ny nataony, ka nampian’ny anti-panahy izy. Marina fa tsy lavorary isika rehetra. Ahoana anefa raha tia manakiana isika na manala tsiny ny ratsy ataontsika, fa tsy mangataka famelana amin’i Jehovah ary tsy mitady fanampiana? Mety hidika izany hoe efa tsy mihontsina ny fontsika.

7, 8. a) Inona no nataon’ny Israelita rehefa lasa tsy ampy finoana izy ireo? b) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

7 Mety ho lasa tsy mihontsina koa ny fontsika raha tsy ampy finoana isika. Manaporofo an’izany ny tantaran’ny Israelita nafahan’i Jehovah tany Ejipta. Nahita ny fahagagana maro nataon’i Jehovah izy ireo, ary tena niavaka ny fahagagana sasany. Lasa tsy ampy finoana anefa izy ireo rehefa kely sisa dia hiditra ny Tany Nampanantenaina. Tsy natoky an’i Jehovah izy ireo fa natahotra, ary nimenomenona tamin’i Mosesy. Te hiverina tany Ejipta mihitsy aza izy ireo, nefa andevo izy tany. Nalahelo be i Jehovah tamin’izay. Hoy izy: “Mandra-pahoviana ity vahoaka ity no tsy hanaja ahy?” (Nom. 14:1-4, 11; Sal. 78:40, 41) Maty tany an-tany efitra ireo Israelita ireo, satria tsy ampy finoana ary lasa tsy nihontsina ny fony.

8 Efa kely sisa dia hiditra ao amin’ny tontolo vaovao isika, ary voasedra koa ny finoantsika. Mila mandinika àry isika hoe manao ahoana ny finoantsika. Eritrereto, ohatra, ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33 ary saintsaino ireto: ‘Hita amin’ny zavatra ataoko loha laharana sy ny fanapahan-kevitro ve hoe tena mino an’ireo tenin’i Jesosy ireo aho? Te hahazo vola bebe kokoa ve aho, ka lasa tsy mivory na tsy manompo? Ahoana no hataoko raha asain’ny mpampiasa ahy hiasa bebe kokoa aho? Hanaiky hovolavolain’ity tontolo ity ve aho ka angamba tsy hanompo an’i Jehovah intsony?’

9. Nahoana isika no tokony handinika foana raha ao amin’ny finoana isika na tsia, ary ahoana no anaovantsika an’izany?

9 Eritrereto koa hoe misy mpanompon’i Jehovah tsy dia tia mankatò ny fitsipiky ny Baiboly momba ny naman-dratsy, na ny voaroaka, na ny fialam-boly. Saintsaino hoe sao dia mba efa hoatr’izany ianao. Raha izany mantsy, dia efa tsy mihontsina ny fonao. Diniho haingana àry hoe manao ahoana ny finoanao. Hoy ny 2 Korintianina 13:5: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.” Ilaina àry ny mandini-tena matetika amin’ny saina tsy miangatra, mba hahitana raha mbola manaraka an’izay lazain’ny Baiboly isika na tsia.

TIANAO VE NY HO MORA VOLAVOLAINA?

10. Inona no hanampy antsika ho mora volavolaina foana?

10 Omen’i Jehovah ny Teniny sy ny fiangonana isika, mba ho mora volavolaina foana. Manampy antsika koa ny fanompoana. Mampahalemy ny tanimanga ny rano. Ho mora volavolaina koa isika raha mamaky Baiboly sy misaintsaina azy io isan’andro. Nasain’i Jehovah nandika ny Lalàny sy namaky izany isan’andro ny mpanjakan’ny Israely. (Deot. 17:18, 19) Hitan’ireo apostoly fa tena nila namaky sy nisaintsaina ny Soratra Masina izy ireo mba hahavitany ny fanompoany. Imbetsaka izy ireo no nanonona teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo sy naka hevitra avy ao. Nampirisihiny hamaky sy hisaintsaina ny Soratra Masina koa ny olona nitoriany. (Asa. 17:11) Ekentsika koa hoe mila mamaky Baiboly isan’andro isika sady misaintsaina azy io. (1 Tim. 4:15) Hanetry tena foana isika amin’izay, ka ho mora volavolain’i Jehovah.

Ataovy tsara izay asain’i Jehovah ataonao mba hahatonga anao ho mora volavolaina foana (Fehintsoratra 10-13)

11, 12. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fiangonana rehefa mamolavola antsika araka izay ilaintsika izy? Hazavao amin’ny ohatra.

11 Mampiasa ny fiangonana koa i Jehovah rehefa mamolavola antsika tsirairay araka izay ilaintsika. Niova i Jim, ilay voaresaka teo aloha, rehefa nisy anti-panahy iray tena niahy azy. Hoy izy: “Tsy nanome tsiny an’ahy izy sady tsy nanakiana an’ahy, na dia indray mandeha aza. Nampahery an’ahy foana izy ary tsapako hoe tena te hanampy.” Nanasa an’i Jim hivory ilay anti-panahy, telo volana teo ho eo taorian’izay. Hoy i Jim: “Nandray an’ahy tsara ny fiangonana ary tena nampiova ahy ny fitiavan-dry zareo. Lasa tsapako hoe tsy ny fihetseham-poko no tena zava-dehibe. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy ny vadiko. Nanampy an’ahy izy sy ireo rahalahy, dia niverina tsikelikely tamin’i Jehovah aho. Tena nampahery an’ahy koa ilay lahatsoratra hoe ‘Tsy i Jehovah no Tokony Homen-tsiny’ sy ilay hoe ‘Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Tsy Fivadihana’, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1992.”

12 Voatendry ho anti-panahy indray i Jim tatỳ aoriana. Nanampy rahalahy nanana olana hoatran’ny an’azy izy, ka lasa natanjaka ara-panahy indray izy ireny. Hoy izy: “Nihevitra aho hoe nifandray akaiky tamin’i Jehovah, nefa tsy izany akory! Manenina aho satria nanambony tena loatra dia nanadino ny tena zava-dehibe sy nifantoka tamin’ny fahalemen’ny hafa.”​—1 Kor. 10:12.

13. Inona no toetra lasa ananantsika rehefa manompo isika, ary inona no soa azo avy amin’izany?

13 Nahoana ny fanompoana eny amin’ny saha no mamolavola antsika mba ho tsara toetra? Lasa manetry tena sy manana toetra hafa anisan’ny vokatry ny fanahy isika, rehefa mitory ny vaovao tsara. (Gal. 5:22, 23) Eritrereto ireo toetra tsara lasa anananao noho ny fanompoana. Lasa mahafinaritra ny olona koa ny hafatra torintsika, rehefa manahaka ny toetran’i Kristy isika, ka mety hiova ny fiheverany antsika. Nasiaka be tamin’ny mpitory roa, ohatra, ny vehivavy iray tany Aostralia. Nihaino tsara sy nanaja azy anefa ireo mpitory. Nanenina ilay vehivavy ary nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana. Hoy izy: “Tena nanam-paharetana sy nanetry tena ry zareo. Te hiala tsiny aho satria niavonavona sady nanao tsinontsinona azy ireo. Adala mihitsy aho satria ry zareo te hizara ny Tenin’Andriamanitra nefa dia noroahiko.” Ahoana anefa raha tezitra ireo mpitory na dia kely fotsiny aza? Mety ho tsy nanoratra an’izany io vehivavy io. Mahasoa ny hafa àry ny fanompoantsika sady mahasoa antsika.

INONA NO HANAMPY ANAO HAMOLAVOLA NY ZANAKAO?

14. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny raha te hahay hamolavola ny zanany izy ireo?

14 Mazoto mianatra ny ankamaroan’ny ankizy ary manetry tena. (Mat. 18:1-4) Tokony hanampy ny zanany hahalala sy handatsaka am-po ny fahamarinana àry ny ray aman-dreny, dieny mbola kely ny zanany. (2 Tim. 3:14, 15) Raha te hahavita an’izany anefa izy ireo, dia izy aloha no mila miezaka mandatsaka ny fahamarinana ao am-pony, ka mampihatra an’izay ianarany. Ho mora kokoa amin’ny zanany amin’izay ny ho tia ny fahamarinana. Ho hitany koa hoe tia azy ny ray aman-dreniny matoa manafay azy, ary tia azy koa i Jehovah.

15, 16. Raha matoky an’i Jehovah ny ray aman-dreny, inona no hataony raha voaroaka ny zanany?

15 Miala amin’i Jehovah na voaroaka anefa ny olona sasany, na dia notezaina tao amin’ny fahamarinana aza. Malahelo be ny fianakaviany rehefa mitranga izany. Hoy ny anabavy iray atsy Afrika Atsimo: “Hoatran’ny hoe maty ny anadahiko tamin’izy voaroaka. Tena mafy ilay izy!” Ahoana no nataon’ilay anabavy sy ny ray aman-dreniny? Nanaraka an’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. (Vakio ny 1 Korintianina 5:11, 13.) Hoy ny ray aman-dreniny: “Tapa-kevitra izahay fa hampihatra ny Baiboly, satria natoky hoe mahasoa foana ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Nekenay hoe famaizan’i Jehovah ny fandroahana. Natoky koa izahay fa fitiavana no mahatonga azy hanafay ny mpanompony sady ataony araka ny antonony ilay izy. Dia tsy nifandray tamin’ilay zanakay mihitsy izahay raha tsy rehefa nisy raharaham-pianakaviana tsy maintsy niarahanay.”

16 Ary inona no tsapan’ilay zanak’izy ireo voaroaka? Hoy izy: “Fantatro hoe tsy nankahala an’ahy i Dada sy Neny, fa nankatò an’i Jehovah sy ny fandaminany.” Hoy koa izy: “Vao mainka ianao mahatsapa hoe mila an’i Jehovah, rehefa tsy maintsy mitalaho fanampiana sy famelan-keloka aminy.” Voaray indray izy ka faly be izy mianakavy! Mandray soa tokoa isika rehefa mankatò an’i Jehovah amin’izay rehetra ataontsika.​Ohab. 3:5, 6; 28:26.

17. Nahoana isika no tokony hankatò an’i Jehovah foana, ary inona no soa horaisintsika amin’izany?

17 Naminany i Isaia fa hilaza toy izao ireo Jiosy nibebaka rehefa hody avy any Babylona: ‘Jehovah ô, ianao no Rainay. Tanimanga izahay, ary ianao no Mpanefy anay. Asan’ny tananao avokoa izahay.’ Hitalaho koa izy ireo hoe: “Aza tsarovana mandrakizay ny fahadisoanay. Olonao daholo ange izahay e!” (Isaia 64:8, 9) Raha manetry tena hoatr’izany isika ka mankatò an’i Jehovah foana, dia ho tena tiany toa an’i Daniela mpaminany. Mbola hampiasa ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany koa izy mba hamolavolana antsika. Amin’izay isika dia ho lasa “zanak’Andriamanitra” lavorary.​—Rom. 8:21.