Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mivadika Mihitsy na dia Manao Fahadisoana Aza ny Hafa

Aza Mivadika Mihitsy na dia Manao Fahadisoana Aza ny Hafa

Mahaiza foana . . . mifamela heloka tanteraka.”KOL. 3:13.

HIRA: 121, 75

1, 2. Inona no faminaniana milaza fa hihamaro be ny vahoakan’i Jehovah?

TENA miavaka ny fandaminan’i Jehovah. Tsy lavorary daholo ny mpanompony eto an-tany sady manana fahalemena. Manampy azy ireo amin’ny alalan’ny fanahy masina anefa i Jehovah, ka lasa mandroso tsara izy ireo sady mihamaro be. Tena mazoto manompo azy koa izy ireo. Tsy lavorary izy ireo nefa ampiasain’i Jehovah mba hanao zavatra miavaka. Ho hitantsika ato ny sasany amin’izany.

2 Mbola vitsy ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny 1914, rehefa nanomboka ny andro farany. Nitahy ny fitoriana nataon’izy ireo anefa i Jehovah. An-tapitrisany àry ny olona nianatra Baiboly taorian’izay, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Efa niresaka an’izany fitomboana be izany i Jehovah tamin’izy niteny hoe: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery. Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.” (Isaia 60:22) Tanteraka amin’izao andro farany izao io faminaniana io. Lasa betsaka noho ny mponina any amin’ny tany maro tokoa izao ny vahoakan’i Jehovah eran-tany.

3. Inona no mampiseho fa be fitiavana ny mpanompon’i Jehovah?

3 Ny fitiavana no mampiavaka an’i Jehovah, ary ampiany mba hifankatia kokoa ny mpanompony amin’izao andro farany izao. (1 Jaona 4:8) Be fitiavana toa an’i Jehovah koa i Jesosy. Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. . . . Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Nilaina tokoa ny nifankatia rehefa niady ireo firenena ka nahafaty olona maro be. Tamin’ny Ady Lehibe II fotsiny, ohatra, dia 55 tapitrisa teo ho eo no maty. Tsy nandray anjara tamin’izany famonoana mahatsiravina izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. (Vakio ny Mika 4:1, 3.) ‘Afaka tamin’ny ran’ny olona rehetra’ àry izy ireo.​—Asa. 20:26.

4. Nahoana no mahavariana ny mahita ny vahoakan’i Jehovah mihamaro be?

4 Mihamaro foana ny vahoakan’Andriamanitra na dia mankahala azy ireo aza ny tontolo fehezin’i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2 Kor. 4:4) Mampiasa ny fikambanana ara-politika sy ny fampitam-baovao izy mba hisakanana antsika tsy hitory intsony, saingy tsy ho vitany mihitsy izany. Fantany anefa fa kely sisa ny fotoana ananany, ka taominy tsy hanompo an’i Jehovah ny olona. Mampiasa tetika isan-karazany izy amin’izany.​—Apok. 12:12.

HIVADIKA VE IANAO SA TSIA?

5. Nahoana ny hafa no mety hiteny na hanao zavatra mampalahelo antsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Tsy maintsy tia an’Andriamanitra sy ny olon-kafa isika, satria anisan’ny fiangonana kristianina. Rehefa nisy nanontany mantsy i Jesosy hoe inona no didy lehibe indrindra, dia hoy izy: “‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’” (Mat. 22:35-39) Vao teraka anefa isika rehetra dia efa tsy lavorary, satria nanota i Adama. (Vakio ny Romanina 5:12, 19.) Mety hampalahelo antsika àry indraindray ny zavatra lazain’ny mpiara-manompo na ny zavatra ataony. Mbola ho tia an’i Jehovah sy ny mpanompony foana ve isika amin’izay sa tsia? Na ny mpanompon’i Jehovah taloha aza niteny na nanao zavatra nampalahelo ny hafa. Handinika ohatra vitsivitsy isika, ary handray lesona avy amin’izany.

Inona no ho nataonao raha niaina tamin’ny andron’i Ely sy ny zanany ianao? (Fehintsoratra 6)

6. Nahoana no azo lazaina fa nilefitra loatra tamin’ny zanany i Ely?

6 Nanan-janaka roa lahy i Ely Mpisoronabe ary nandika ny lalàn’i Jehovah izy ireo. Hoy ny 1 Samoela 2:12: “Ny zanakalahin’i Ely dia olona tsy manjary, sady tsy niraharaha an’i Jehovah.” Nampirisika ny olona hanaraka ny fivavahana marina i Ely, nefa ny zanany roa lahy aza nanao fahotana lehibe. Fantany izany nefa tsy niraika izy na dia tokony ho nanafay azy ireo aza. Nosazin’i Jehovah àry ny ankohonany. (1 Sam. 3:10-14) Lasa tsy nahazo nanao mpisoronabe intsony ny taranany. Ahoana raha niaina tamin’izany ianao, ka nahita an’i Ely nilefitra tamin’ny fahotan’ny zanany? Tezitra ve ianao dia tsy nanompo an’i Jehovah intsony?

7. Inona ny fahotana lehibe nataon’i Davida, ary inona no nataon’i Jehovah tamin’izay?

7 I Davida indray nolazain’i Jehovah hoe “sitraky ny fony”, izany hoe tena tiany. (1 Sam. 13:13, 14; Asa. 13:22) Nangala-badin’olona anefa izy tatỳ aoriana. Nanao firaisana tamin’i Batseba vadin’i Oria izy rehefa tany an’ady i Oria. Bevohoka i Batseba avy eo. Nasain’i Davida nody i Oria rehefa tonga. Nanantena izy hoe hanao firaisana tamin’i Batseba i Oria, dia hoatran’ny hoe zanany ilay zaza amin’izay. Tsy nety nody anefa izy ka nataon’i Davida izay hahafaty azy tany an’ady. Nijinja ny vokatry ny nataony i Davida, ary nijaly koa ny fianakaviany. (2 Sam. 12:9-12) Namindra fo taminy anefa i Jehovah, satria fantany fa te ‘hanompo azy tamin’ny fo manontolo’ izy. (1 Mpanj. 9:4) Ahoana raha anisan’ny mpanompon’i Jehovah tamin’izany ianao? Tsy nanompo azy intsony ve ianao?

8. a) Inona no porofo fa tsy nahavita nitana ny teniny i Petera? b) Nahoana i Petera no nampiasain’i Jehovah foana na dia nanao fahadisoana aza?

8 Diniho koa i Petera. Nifidy azy ho apostoly i Jesosy, nefa indraindray i Petera niteny na nanao zavatra nanenenany. Nilaza, ohatra, izy fa tsy handao an’i Jesosy mihitsy, na dia hanao an’izany aza ny apostoly hafa. (Mar. 14:27-31) Nosamborina i Jesosy taorian’izay. Tamin’izay izy no tena nila an’ireo apostoliny nefa nandao azy izy rehetra, anisan’izany i Petera. Intelo be izao izy no nilaza fa tsy mahalala an’i Jesosy. (Mar. 14:50, 53, 54, 66-72) Nanenina be anefa i Petera, ka mbola nampiasain’i Jehovah foana. Ahoana raha anisan’ireo mpianatra tamin’izany ianao? Nivadika tamin’i Jehovah ve ianao noho ny zavatra nataon’i Petera?

9. Nahoana ianao no matoky fa manao ny rariny foana i Jehovah?

9 Ohatra vitsivitsy fotsiny no hitantsika teo. Betsaka ny mpanompon’i Jehovah nanao zavatra tsy mety ka nampalahelo ny hafa, na taloha izany na amin’izao. Ahoana anefa no hataonao raha mitranga izany? Ho tezitra ve ianao ka hivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany, anisan’izany ny fiangonana misy anao? Sa ianao hieritreritra hoe mbola avelan’i Jehovah hibebaka angamba ilay olona? Hatoky ve ianao fa hanao ny rariny i Jehovah ka mbola hanitsy azy? Tsy mety mibebaka anefa indraindray ny olona nanao fahotana lehibe, na dia fantany aza fa mamindra fo i Jehovah. Raha izany no mitranga, hatoky ve ianao fa mbola hitsara azy i Jehovah ka angamba handroaka azy tsy ho anisan’ny fiangonana?

AZA MIVADIKA MIHITSY

10. Inona no tsy noeritreretin’i Jesosy rehefa nanao fahadisoana i Jodasy Iskariota sy Petera?

10 Maro ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika taminy sy tamin’ny vahoakany, na dia nanao fahotana lehibe aza ny olona nanodidina azy. Diniho, ohatra, i Jesosy. Nivavaka tamin’ny Rainy nandritra ny alina tontolo izy rehefa hifidy an’ireo apostoliny 12. Anisan’ireo voafidy i Jodasy Iskariota sy Petera. Namadika an’i Jesosy anefa i Jodasy tatỳ aoriana, ary i Petera indray nilaza fa tsy mahalala an’i Jesosy. Tsy sosotra tamin’i Jehovah i Jesosy na izany aza. (Lioka 6:12-16; 22:2-6, 31, 32) Fantany hoe tsy fahadisoan’i Jehovah ilay izy sady tsy fahadisoan’ny mpianany hafa. Nanompo an’i Jehovah foana izy na dia nandiso fanantenana azy aza ny mpanara-dia azy sasany. Namaly soa azy i Jehovah ka nanangana azy tamin’ny maty. Nataony Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra koa izy tatỳ aoriana.​—Mat. 28:7, 18-20.

11. Inona no faminanian’ny Baiboly momba ny mpanompon’i Jehovah?

11 Tokony hanahaka an’i Jesosy isika, ka hatoky foana an’i Jehovah sy ny mpanompony. Hitantsika mantsy fa mahavita zavatra tena miavaka i Jehovah amin’izao andro farany izao, noho izy mitarika ny vahoakany. Manampy azy ireo hitory ny fahamarinana eran-tany izy, ary izy ireo ihany no manao an’izany. Miray saina izy ireo, ary tena sambatra satria ampianarin’i Jehovah. Hoy ny Isaia 65:14 momba izany: “Ny mpanompoko hihoby noho ny fifalian’ny fony.”

12. Inona no tsy tokony hataontsika rehefa misy mpiara-manompo manao fahadisoana?

12 Faly ny vahoakan’i Jehovah, satria ampian’i Jehovah ka mahavita zavatra tsara. Mijaly kosa ny olona eto amin’ny tontolon’i Satana, satria vao mainka miharatsy ny fiainana nefa izy ireo tsy mba manana fanantenana. Tsy misaina tsara àry isika raha miala amin’i Jehovah sy ny fiangonana, rehefa misy mpiara-manompo manao fahadisoana. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah mihitsy isika ary hanaraka foana ny tari-dalany. Ilaintsika koa ny mianatra hoe ahoana no atao rehefa misy manao fahadisoana, ary ahoana no tokony hiheverana an’ilay izy.

REHEFA MISY MANAO FAHADISOANA

13, 14. a) Nahoana isika no tsy tokony ho sarotiny be rehefa misy manao fahadisoana? b) Inona no fampanantenana tokony hotadidintsika?

13 Inona àry no hataontsika raha misy mpiara-manompo miteny na manao zavatra mampalahelo antsika? Misy toro lalana tena tsara ao amin’ny Mpitoriteny 7:9 hoe: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” Tadidio fa efa 6000 taona teo ho eo izay ny olombelona no tsy lavorary intsony, nanomboka tany Edena. Mora manao fahadisoana isika satria tsy lavorary. Tsy tokony hanantena àry isika hoe ho tsara foana ny zavatra lazain’ny mpiara-manompo sy ataony. Tsy mety koa raha ny fahadisoan’ny hafa no hahatonga antsika tsy ho faly hoe anisan’ny vahoakan’i Jehovah. Vao mainka loza aza raha tezitra isika ka miala amin’ny fandaminany. Tsy ho afaka hanompo an’i Jehovah intsony isika raha manao an’izany, sady tsy ho afaka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao.

14 Inona àry no hanampy antsika ho faly sy ho be fanantenana foana? Tadidio foana ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao aho. Dia tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha.” (Isaia 65:17; 2 Pet. 3:13) Aza avela hisakana anao tsy hahazo an’ireo fitahiana ireo ny fahadisoan’ny hafa.

15. Inona no nolazain’i Jesosy hoe tokony hataontsika rehefa misy manao fahadisoana?

15 Mbola tsy ao amin’ny tontolo vaovao anefa isika, ka mila mieritreritra an’izay tian’i Jehovah hataontsika rehefa misy miteny na manao zavatra mampalahelo antsika. Ilaina, ohatra, ny mitadidy ny tenin’i Jesosy hoe: “Raha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.” Tadidio koa ny tenin’i Jesosy rehefa nanontany i Petera hoe “hatramin’ny impito” ve isika no tokony hamela heloka. Namaly izy hoe tsy hatramin’ny im-7 fa hatramin’ny im-77. Te hilaza izy hoe tokony ho vonona hamela heloka foana isika. Ny hamela heloka no tokony hoeritreretintsika voalohany raha vao misy manao fahadisoana.​—Mat. 6:14, 15; 18:21, 22.

16. Nahoana i Josefa no modely ho antsika?

16 Modely ho antsika i Josefa, rehefa misy manao fahadisoana amintsika. Izy no lahimatoa tamin’izy roa lahy zanak’i Jakoba sy Rahely. Nanan-janaka folo hafa koa i Jakoba nefa i Josefa no tiany kokoa. Nialona an’i Josefa àry izy ireo ka nivarotra azy ho andevo. Nentina tany Ejipta izy ary lasa manam-pahefana faharoa tany, taona maro tatỳ aoriana. Nahafaly ny mpanjakan’i Ejipta mantsy ny zavatra nataony. Tonga hividy sakafo tany ny rahalahin’i Josefa rehefa nisy mosary. Tsy nahafantatra azy anefa izy ireo. Tsy namaly faty izy na dia nanam-pahefana aza. Nataony kosa izay hahafantarana raha efa niova ny rahalahiny na tsia. Hitany hoe tena niova izy ireo ka nolazainy tamin’izy ireo hoe iza izy. Hoy izy tatỳ aoriana: “Aza matahotra, fa izaho no hamatsy sakafo anareo sy ny zanakareo madinika.” Milaza koa ny Baiboly fa “nampionona sy nanome toky azy ireo izy.”​—Gen. 50:21.

17. Inona no hataonao rehefa misy manao fahadisoana?

17 Tadidio koa hoe samy manana fahalemena isika ka mety hampahatezitra ny hafa. Ahoana àry raha mahatsapa ianao hoe misy olona tezitra aminao? Araho ny torohevitry ny Baiboly ka manatòna azy ary miezaha hihavana aminy. (Vakio ny Matio 5:23, 24.) Tena faly isika rehefa mamela antsika ny hafa, ka tokony hanao izany aminy koa isika. Hoy ny Kolosianina 3:13: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.” ‘Tsy hitana lolompo’ koa isika raha tena tia an’ireo mpiray finoana amintsika. (1 Kor. 13:5) Raha zatra mamela heloka isika, dia hamela ny fahotantsika i Jehovah. Mamindra fo amintsika izy rehefa manao fahadisoana isika. Enga anie isika hanahaka azy!​—Vakio ny Salamo 103:12-14.