Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah Iray Ihany”

“I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah Iray Ihany”

Mihainoa, ry Israely ô: I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.”​DEOT. 6:4.

HIRA: 138, 112

1, 2. a) Nahoana no fantatry ny Jiosy tsara ny Deoteronomia 6:4? b) Nahoana i Mosesy no nilaza an’ireo teny ireo?

EFA an-taonany maro ny olona ao amin’ny Fivavahana Jiosy no namerimberina an’ireo teny ao amin’ny Deoteronomia 6:4 ireo. Manao an’izany izy ireo isa-maraina sy isan-kariva rehefa mivavaka. Antsoina hoe Shema ilay vavaka. Shema mantsy no teny voalohany ao amin’io andininy io, amin’ny teny hebreo. Tian’ny Jiosy haseho amin’izany hoe Andriamanitra irery ihany no ivavahany.

2 Nilaza an’ireo teny ao amin’ny Deoteronomia ireo i Mosesy, rehefa hisaraka tamin’ny firenen’Israely. Nivory teo amin’ny Lemak’i Moaba izy ireo tamin’izay, tamin’ny 1473 T.K. Hiampita ny Reniranon’i Jordana izy ireo, ary haka ny Tany Nampanantenaina. (Deot. 6:1) Efa 40 taona i Mosesy no nitarika an’ireo Israelita. Tiany ho be herim-po izy ireo rehefa hiatrika olana. Nila natoky an’i Jehovah izy ireo ary tsy tokony hivadika aminy mihitsy. Azo antoka fa tena nampahery azy ireo ny tenin’i Mosesy. Rehefa avy nanonona ny Didy Folo sy nilaza ny fitsipika hafa nomen’i Jehovah i Mosesy, dia nilaza an’ireo teny ao amin’ny Deoteronomia 6:4, 5. (Vakio.)

3. Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

3 Efa fantatr’ireo Israelita ireo hoe “iray ihany” i Jehovah. Andriamanitra tokana no nivavahan’izy ireo, izany hoe ilay Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambeny. Nahoana àry i Mosesy no mbola nampahatsiahy azy ireo hoe i Jehovah Andriamanitra dia “Jehovah iray ihany”? Misy ifandraisany amin’ny Deoteronomia 6:5 ve izany? Voalaza ao fa tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fony sy ny tenany ary ny heriny manontolo ny mpanompony. Inona koa no ianarantsika avy amin’ny Deoteronomia 6:4, 5?

IRAY IHANY I JEHOVAH

4, 5. a) Inona no dikan’ilay hoe “iray ihany” i Jehovah? b) Inona no mampiavaka an’i Jehovah amin’ny andriamanitra hafa?

4 Tsy manan-tsahala. Tsy isa fotsiny ny hoe “iray”, amin’ny teny hebreo sy ny fiteny maro. Mety hidika koa izy io hoe tsy manan-tsahala. Tsy te hanaporofo akory i Mosesy hoe tsy telo izay iray Andriamanitra, tamin’izy nilaza hoe “iray ihany” i Jehovah. I Jehovah no namorona ny lanitra sy ny tany, ary izy no Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Izy ihany no tena Andriamanitra. Tsy misy andriamanitra hafa mitovy aminy. (2 Sam. 7:22) Te hampahatsiahy an’ireo Israelita àry i Mosesy hoe i Jehovah irery no tokony hotompoiny. Tsy tokony hanahaka an’ireo olona manodidina azy izy ireo. Nivavaka tamin’ny andriamanitra maro mantsy izy ireny. Noheverina fa nifehy ny natiora ny andriamanitra sasany, ary nisy koa niseho tamin’ny endriny samihafa.

5 Ireto avy, ohatra, ny andriamanitry ny Ejipsianina: Ra (andriamanitra masoandro), Nout (andriamanibavy lanitra), Geb (andriamanitra tany), ary Hapi (andriamanitr’i Neily). Maro be koa ny biby nolazain’izy ireo fa masina ka nivavahany. Naetrin’i Jehovah ireny andriamani-diso ireny tamin’izy nandefa ny Loza Folo. I Bala kosa no tena nivavahan’ny Kananita. Andriamanitry ny fahavokarana izy io, sady andriamanitry ny lanitra sy ny orana ary ny oram-baratra. Noheverina ho mpiaro tanàna koa i Bala, tany amin’ny faritra maro. (Nom. 25:3) Nila nitadidy àry ny Israelita fa “iray ihany” i Jehovah, ilay “tena Andriamanitra” notompoin’izy ireo.​—Deot. 4:35, 39.

6, 7. Inona koa no dikan’ilay hoe “iray ihany” i Jehovah, ary inona no manaporofo an’izany?

6 Tsy miovaova sy tsy mivadika. Ny hoe “iray ihany” i Jehovah, dia midika koa hoe azo antoka foana ny fikasany sy ny zavatra ataony. Tsy miovaova hevitra izy, tsy mivadika mihitsy, ary mitana ny teniny foana. Nampanantena an’i Abrahama, ohatra, izy fa handova ny Tany Nampanantenaina ny taranany. Nanao fahagagana izy mba hanatanterahana an’izany. Mbola tapa-kevitra ny hanatanteraka ny teniny izy, na dia 430 taona tatỳ aoriana aza.​—Gen. 12:1, 2, 7; Eks. 12:40, 41.

7 Nilaza i Jehovah taona maro tatỳ aoriana fa ny Israelita no vavolombelony. Hoy koa izy: “Tsy miova Aho. Talohako dia tsy nisy Andriamanitra voaforona, ary mbola tsy nisy koa taoriako.” Mbola nilaza koa izy hoe: “Tsy miova mihitsy Aho na rahoviana na rahoviana.” (Isaia 43:10, 13; 44:6; 48:12) Nasongadiny tamin’izany fa tsy miovaova ny fikasany ary tsy mivadika mihitsy izy. Tena sambatra ny Israelita nanompo azy, ary toy izany koa isika.​—Mal. 3:6; Jak. 1:17.

8, 9. a) Inona no takin’i Jehovah amin’ny mpanompony? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa zava-dehibe ny tenin’i Mosesy?

8 Te hampahatsiahy an’ireo Israelita i Mosesy fa tsy miovaova ny fitiavan’i Jehovah azy ireo ary mikarakara azy ireo foana izy. Tokony hanompo azy irery ihany àry izy ireo, ka ho tia azy amin’ny fony sy ny tenany ary ny heriny manontolo. Na ny ankizy aza tokony hanao an’izany, matoa ny ray aman-dreny nasaina nampianatra azy ireo foana.​—Deot. 6:6-9.

9 Mitovy foana amin’ny ankapobeny ny zavatra takin’i Jehovah amin’ny mpanompony, satria tsy miovaova ny fikasany sy ny sitrapony. Raha tiantsika hankasitraka ny fanompoantsika àry i Jehovah, dia tokony hanompo azy irery ihany koa isika, ary ho tia azy amin’ny fontsika sy ny tenantsika ary ny herintsika manontolo. Izany mihitsy no nolazain’i Jesosy Kristy. (Vakio ny Marka 12:28-31.) Hojerentsika àry hoe inona no tokony hataontsika, raha azontsika tsara ny dikan’ilay hoe “i Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.”

I JEHOVAH IRERY IHANY IVAVAHANA

10, 11. a) Inona no dikan’ny hoe manompo an’i Jehovah irery ihany? b) Inona no manaporofo fa i Jehovah irery ihany no nivavahan’ireo tovolahy hebreo tany Babylona?

10 Asehontsika hoe i Jehovah irery no Andriamanitsika, raha izy irery ihany no ivavahantsika. Tsy tokony hivavaka amin’ny andriamani-kafa mihitsy isika. Tsy mety koa raha sady mivavaka aminy isika nefa mbola mino zavatra diso sy manao ny fanaon’ny fivavahan-diso. Mila tadidintsika fa tsy hoe Andriamanitra ambony kokoa na mahery kokoa noho ny andriamanitra maro hafa fotsiny i Jehovah. Izy irery kosa no tena Andriamanitra, ka izy ihany no tokony hivavahana.​—Vakio ny Apokalypsy 4:11.

11 Miresaka momba an’i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria ny bokin’i Daniela. Tovolahy hebreo izy ireo ary tsy nety nihinana sakafo noraran’i Jehovah, sady tsy nety niankohoka tamin’ilay sary volamena nataon’i Nebokadnezara. Nasehony tamin’izany fa i Jehovah irery ihany no nivavahany, ka tsy nivadika taminy mihitsy izy ireo.​—Dan. 1:1–3:30.

12. Inona no tokony hotandremantsika, raha i Jehovah irery no tompointsika?

12 Raha i Jehovah irery no tompointsika, dia mila mitandrina isika mba tsy hisy zavatra hafa havelantsika hisolo ny toerany, na dia kely fotsiny aza. Inona avy izany? Nampahafantarin’i Jehovah tao amin’ny Didy Folo fa tsy tokony hanana andriamanitra hafa ny mpanompony, ary tsy tokony hanompo sampy mihitsy. (Deot. 5:6-10) Maro ny karazana fanompoan-tsampy ankehitriny, ary indraindray tsy miharihary ilay izy hoe fanompoan-tsampy. Tsy miova anefa ny zavatra takin’i Jehovah satria mbola “iray ihany” izy. Inona avy àry no mety hahatonga antsika hanompo sampy?

13. Inona no mety hahatonga antsika tsy ho tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo?

13 Maro ny zavatra mety hahatonga ny Kristianina tsy hanompo an’i Jehovah irery ihany. Misy torohevitra hentitra momba izany ao amin’ny Kolosianina 3:5. (Vakio.) Voalaza ao hoe fanompoan-tsampy ny fitsiriritana. Nahoana? Eritrereto hoe te hahazo vola be na zavatra lafo vidy be ny olona iray. Rehefa lasa mafy be ny faniriany hahazo an’ilay izy, dia iny no mifehy ny fiainany ka lasa toy ny andriamanitra mahery. Efa fanompoan-tsampy koa anefa ny fanao ratsy hafa resahin’ilay andininy, satria vokatry ny fitsiriritana daholo. Mety tsy ho tia an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo intsony isika, raha maniry mafy hanao an’ireo zavatra voalaza ao ireo. Raha izany no mitranga, dia tsy “iray” intsony i Jehovah amintsika. Mila mitandrina àry isika.

14. Inona no nampitandreman’ny apostoly Jaona?

14 Nampitandrina antsika koa ny apostoly Jaona mba tsy ho tia ny zavatra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana.”‘Tsy ao anatintsika ny fitiavana ny Ray’ raha tia an’ireo isika. (1 Jaona 2:15, 16) Ilaina àry ny mandinika matetika ny fontsika, sao isika efa lasa tia fialam-boly, na olona, na fomba fitafy sy fihaingo eto amin’ity tontolo ity. Efa tia an’ity tontolo ity koa isika raha mikatsaka “zavatra lehibe”, ohatra hoe manao fianarana ambony. (Jer. 45:4, 5) Efa tena akaiky ny tontolo vaovao, ka mila mitadidy ny tenin’i Mosesy isika. Inona àry no hataontsika raha azontsika tsara sy tena inoantsika ilay hoe “i Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany”? Hiezaka mafy isika mba hanompo azy irery ihany sady hanompo azy araka izay tiany.​—Heb. 12:28, 29.

MIEZAHA FOANA HIRAY SAINA

15. Nahoana i Paoly no nampahatsiahy ny Kristianina fa i Jehovah irery no Andriamanitra?

15 Fantatsika fa tian’i Jehovah hiray saina sy hitovy tanjona ny mpanompony, rehefa eritreretintsika ny dikan’ilay hoe “iray ihany” i Jehovah. Nisy Jiosy, Grika, Romanina, ary olona avy amin’ny firenena hafa teo anivon’ny fiangonana kristianina, tamin’ny taonjato voalohany. Avy amin’ny fivavahana samy hafa izy ireo, sady tsy nitovy ny fombafombany sy ny zavatra tiany. Vaovao tamin’izy ireo àry ny Fivavahana Kristianina, ka sarotra tamin’ny sasany ny nanaraka an’ilay izy sy ny niala tanteraka tamin’ny fanaony taloha. Hitan’ny apostoly Paoly fa nila nampahatsiahivina izy ireo hoe i Jehovah irery no Andriamanitry ny Kristianina.​—Vakio ny 1 Korintianina 8:5, 6.

16, 17. a) Inona no faminaniana tanteraka ankehitriny, ary inona no vokatr’izany? b) Inona no mety hahatonga antsika tsy hiray saina?

16 Ary ny fiangonana kristianina ankehitriny? Naminany i Isaia hoe hisy olona avy any amin’ny firenena rehetra hiara-hanompo an’i Jehovah, “any am-parany.” Hilaza izy ireo hoe: “Hampianatra antsika ny lalany [i Jehovah], ary handeha amin’ny atorony isika.” (Isaia 2:2, 3) Tena faly isika mahita hoe tanteraka izany! Maro ny fiangonana lasa misy olona samy hafa fiaviana sy kolontsaina ary fiteny, izay samy midera an’i Jehovah. Mety hampisy olana anefa izany, ka tena mila mitandrina isika.

Manao izay azonao atao ve ianao mba hampiray saina ny fiangonana? (Fehintsoratra 16-19)

17 Ahoana, ohatra, ny fiheveranao ny mpiara-manompo tsy mitovy kolontsaina aminao? Tsy mahazatra anao angamba ny fiteniny, na ny fomba fitafiny, na ny fombafombany, na ny sakafony. Tsy dia mifandray amin’izy ireny ve ianao, fa izay mitovitovy aminao ihany no tena iarahanao? Ary raha tanora kokoa noho ianao ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana na faritra misy anao, na ao amin’ny Betela? Ary raha tsy mitovy fiaviana na kolontsaina aminao koa izy ireny? Avelanao hanelingelina anao ve izany, ka lasa tsy miray saina sy tsy mitovy tanjona ny mpanompon’i Jehovah?

18, 19. a) Inona no torohevitra resahin’ny Efesianina 4:1-3? b) Inona no azontsika atao mba hiray saina foana ny fiangonana?

18 Inona no hanampy antsika hisoroka an’ireo olana ireo? Nomen’i Paoly torohevitra tsara ny Kristianina tany Efesosy, tanàna nandroso be sy nisy mponina samy hafa fiaviana. (Vakio ny Efesianina 4:1-3.) Mariho fa niresaka momba ny fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, ary fitiavana izy aloha. Tsy mianjera mihitsy, ohatra, ny trano rehefa mafy tsara ny andry manohana azy. Mila miezaka mafy mba hikojakoja an’ilay trano koa anefa ny tompony, raha tsy izany dia ho simba ilay izy. Te hilaza tamin’ny Kristianina tany Efesosy àry i Paoly fa ilaina ny manana an’ireo toetra voalaza tetsy aloha. Nila niezaka mafy koa anefa izy ireo mba “hitana ny maha iray ny fanahy”, izany hoe hiray saina foana.

19 Tokony hitadidy isika hoe adidintsika tsirairay ny manao izay hampiray saina foana ny fiangonana. Inona àry no azo atao? Ilaina aloha ny miezaka hanana an’ireo toetra noresahin’i Paoly, izany hoe manetry tena, malemy fanahy, mahari-po, ary be fitiavana. Ilaina avy eo ny miezaka mafy mba hampisy “fihavanana, izay fatorana mampiray.” Marina fa mety hisy ny tsy fifankahazoana. Mila alamina anefa izany. Toy ny triatra amin’ny trano izy ireny, ka mila tampenana. Hampisy fihavanana sy firaisan-tsaina foana isika raha manao an’izany.

20. Inona no hataontsika raha azontsika ny dikan’ilay hoe “i Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany”?

20 Misy heviny be tokoa àry ilay hoe “i Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Nampahery an’ireo Israelita izany satria niatrika olana izy ireo rehefa haka ny Tany Nampanantenaina. Hampahery antsika koa ireo teny ireo rehefa ho tonga ny fahoriana lehibe, izay efa tsy ho ela intsony. Hanampy antsika hampisy fihavanana sy firaisan-tsaina koa izany rehefa lasa Paradisa ny tany. Enga anie àry isika tsy hanompo afa-tsy i Jehovah, ka ho tia azy sy hanompo azy amin’ny fo manontolo. Hiezaka mafy koa isika mba hihavana sy hiray saina foana. Raha manao an’izany foana isika, dia hihevitra antsika ho ondry i Jesosy amin’ny hoavy, ka ho tanteraka amintsika ilay teniny hoe: “Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.”​—Mat. 25:34.