Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly ve Ianao fa Mamolavola Anao i Jehovah?

Faly ve Ianao fa Mamolavola Anao i Jehovah?

Jehovah ô, . . . ianao no Mpanefy anay. Asan’ny tananao avokoa izahay.”​ISAIA 64:8.

HIRA: 89, 26

1. Nahoana no tsy misy mpanefy tanimanga mitovy amin’i Jehovah?

NISY vazy tanimanga tsara tarehy sy efa tranainy natao lavanty tany Londres, any Angletera, tamin’ny Novambra 2010. Nisy olona iray vonona hividy azy io 70 tapitrisa dolara latsaka kely. Fahita sady tsy lafo ny tanimanga, nefa mahagaga hoe vitan’ny mpanefy tanimanga ny manova azy ho zavatra tsara tarehy sy lafo be. Tsy misy mpanefy azo ampitahaina amin’i Jehovah anefa. Naka “vovoky ny tany” na tanimanga izy, tamin’ny faramparan’ny andro fahenina namoronany, ka nanamboatra lehilahy lavorary atao hoe Adama. (Gen. 2:7) Nataony afaka manahaka ny toetrany izy io, ka nantsoina hoe “zanak’Andriamanitra.”​—Lioka 3:38.

2, 3. Inona no tokony hataontsika raha te hanahaka an’ireo Israelita nibebaka isika?

2 Lasa tsy zanak’Andriamanitra i Adama, rehefa nikomy taminy. “Maro be toy ny rahona” anefa ny taranany nanaiky an’Andriamanitra ho Mpitondra. (Heb. 12:1) Nanetry tena izy ireo ka nankatò an’i Jehovah. Midika izany hoe izy no tian’izy ireo ho Rainy sy Mpanefy azy, fa tsy i Satana. (Jaona 8:44) Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy ireo, ka mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’ny Israelita nibebaka ireto: ‘Jehovah ô, ianao no Rainay. Tanimanga izahay, ary ianao no Mpanefy anay. Asan’ny tananao avokoa izahay.’​—Isaia 64:8.

3 Miezaka hanetry tena sy hankatò toa azy ireo koa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Voninahitra ho azy ireo ny miantso an’i Jehovah hoe Rainy sy ny manaiky azy ho Mpanefy azy ireo. Ary ianao? Toy ny tanimanga malemilemy ve ianao, ka manaiky hovolavolain’i Jehovah ho lasa toy ny vazy sarobidy? Toy ny tanimanga mbola volavolain’i Jehovah ve no fahitanao an’ireo rahalahy sy anabavy tsirairay eo anivon’ny fiangonana? Hanampy antsika hanana toe-tsaina tsara ny valin’ireto: Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa mifidy an’izay tiany hovolavolaina? Nahoana izy no mamolavola azy ireo? Ary ahoana no anaovany an’izany?

FIDIN’I JEHOVAH IZAY HOVOLAVOLAINY

4. Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa mifidy an’izay hotaominy hanatona azy? Manomeza ohatra.

4 Tsy mijery ivelany i Jehovah rehefa mandinika antsika olombelona. Mandinika ny fo kosa izy, ka mahita ny tena maha izy antsika. (Vakio ny 1 Samoela 16:7b.) Niharihary izany tamin’izy namorona ny fiangonana kristianina. Notaominy hanatona azy sy ny Zanany ny olona maro noheverin’ny sasany hoe tsy misy ilana azy. (Jaona 6:44) Anisan’izany ilay Fariseo atao hoe Saoly. “Mpanevateva an’Andriamanitra” izy, “sady mpanenjika no mpanambany olona.” (1 Tim. 1:13) Tsy tanimanga tsy misy ilana azy anefa izy tamin’i Jehovah, ilay “mpandinika ny fo.” (Ohab. 17:3) Hitany hoe mbola azo volavolaina izy, ka mety ho lasa “fanaka voafidy” mba hitory “any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely.” (Asa. 9:15) Nisy olon-kafa koa hitan’i Jehovah hoe azo volavolaina mba ‘hanaovana zavatra hohajaina.’ Mamo lava sy mpijangajanga ary mpangalatra ny sasany tamin’izy ireny taloha. (Rom. 9:21; 1 Kor. 6:9-11) Nihanatanjaka anefa ny finoany rehefa nahalala tsara ny Soratra Masina izy, ka navelany hamolavola azy i Jehovah.

5, 6. Raha manaiky isika hoe i Jehovah no Mpanefy antsika, dia ahoana no hiheverantsika a) ny olona ao amin’ny faritanintsika? b) ny mpiara-manompo amintsika?

5 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy hitsaratsara ny olona ao amin’ny faritanintsika na eo anivon’ny fiangonana isika, raha matoky fa mahita ny ao am-po i Jehovah ary izy no mifidy an’izay tiany hotaomina. Hoy i Michael: “Tsy noraisiko izay Vavolombelon’i Jehovah tonga tany amiko sady tsy noraharahaiko. Tsy nahalala fomba mihitsy aho! Nahita fianakaviana iray izay aho tatỳ aoriana, ary tena tiako ny toetran-dry zareo. Gaga be aho rehefa nahalala hoe Vavolombelon’i Jehovah ry zareo! Lasa nieritreritra aho hoe maninona tokoa moa aho no mitsaratsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Tonga saina aho hoe nino tsaho fa tsy tena nahalala an-dry zareo.” Nanaiky hianatra Baiboly i Michael satria te hahalala ny marina. Natao batisa izy tatỳ aoriana ary nanao mpisava lalana.

6 Hiova koa ny fiheverantsika an’ireo rahalahy sy anabavy, raha manaiky isika hoe i Jehovah no Mpanefy antsika. Hoatran’ny tanimanga mbola volavolaina ve no fahitantsika azy ireny, sa tanimanga efa voavolavola ka tsy azo atao na inona na inona intsony? Mahalala ny ao am-po i Jehovah. Mpanefy tena mahay koa izy, ka fantany hoe mety ho lasa hoatran’ny ahoana ny mpanompony rehefa volavolainy. Tsy mifantoka amin’ny toetra ratsin’izy ireny àry izy, satria fantany fa tsy ho ratsy toetra mandrakizay izy ireny. (Sal. 130:3) Afaka manahaka azy koa isika. Azontsika atao mihitsy aza ny miara-miasa aminy hamolavola ny hafa, ka tohanantsika ireo rahalahy sy anabavy miezaka handroso. (1 Tes. 5:14, 15) Mila manome modely amin’izany ireo “lehilahy ho fanomezana”, izany hoe ny anti-panahy.​—Efes. 4:8, 11-13.

NAHOANA ISIKA NO VOLAVOLAINY?

7. Ilaina ve aminao ny famaizan’i Jehovah? Nahoana?

7 Efa naheno olona niteny hoatr’izao angamba ianao: ‘Efa nanan-janaka aho vao tena tsapako hoe nilaiko ny famaizan’ny dadanay sy mamanay.’ Mety hiova ny fiheverantsika ny famaizana rehefa mihalehibe isika. Lasa mitovy hevitra amin’i Jehovah isika, ka lasa mahatsapa hoe noho ny fitiavana ilay izy. (Vakio ny Hebreo 12:5, 6, 11.) Tena tia antsika zanany i Jehovah, ka manam-paharetana izy rehefa mamolavola antsika. Tiany ho hendry sy ho sambatra isika, ary ho tia azy. (Ohab. 23:15) Tsy tiany hijaly isika, sady tsy tiany ho faty na dia “zanaky ny fahatezerana” aza noho isika taranak’i Adama.​—Efes. 2:2, 3.

8, 9. Inona no nataon’i Jehovah mba hamolavolana antsika, ary mbola hanao inona izy?

8 “Zanaky ny fahatezerana” isika, ka nanana toetra tsy tian’i Jehovah taloha. Hoatran’ny toetran’ny bibidia mihitsy aza angamba ny toetrantsika tamin’izany. Namolavola antsika anefa i Jehovah, ka niova isika ary lasa toy ny zanak’ondry. (Isaia 11:6-8; Kol. 3:9, 10) Ao amin’ny paradisa ara-panahy àry isika izao. Namorona azy io i Jehovah mba hahafahany hamolavola antsika. Mahatsiaro ho milamina sy voaro isika, na dia mbola eto amin’ity tontolo ratsy ity aza. Lehibe tao amin’ny fianakaviana nikorontana sy tsy mba nisy fitiavana ny sasany amintsika, nefa lasa mahatsapa ny tena fitiavana. (Jaona 13:35) Lasa be fitiavana koa isika. Fa ny tena mahafinaritra dia hoe lasa mahafantatra an’i Jehovah isika, ary mahatsapa hoe tiany toy ny zanany.​—Jak. 4:8.

9 Hankafy tanteraka an’ilay paradisa ara-panahy isika rehefa any amin’ny tontolo vaovao. Ho lasa paradisa koa ny tany manontolo, rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra azy io. Mbola hamolavola antsika i Jehovah amin’izay fotoana izay, izany hoe hampianatra antsika. (Isaia 11:9) Tsy ho takatry ny saina mihitsy ny zavatra hataony amin’izany. Hataony lavorary ny saintsika sy ny vatantsika, ka handray tsara ny fampianarany isika ary ho vitantsika an-tsakany sy an-davany ny sitrapony. Avelao hamolavola anao foana àry i Jehovah. Asehonao amin’izany fa ekenao hoe tiany isika matoa volavolainy.​—Ohab. 3:11, 12.

AHOANA NO AMOLAVOLANY ANTSIKA?

10. Inona no manaporofo fa manam-paharetana sy mahay mamolavola toa an’i Jehovah i Jesosy?

10 Fantatry ny mpanefy tanimanga mahay hoe hoatran’ny ahoana ilay tanimanga iasany, ka arakaraka izay no amolavolany azy. Hoatr’izany koa i Jehovah. (Vakio ny Salamo 103:10-14.) Fantany tsara ny fahalementsika tsirairay, sy ny zavatra mety tsy ho vitantsika, ary ny ezaka efa nataontsika mba hifandraisana aminy. Mamolavola antsika mifanaraka amin’izany izy avy eo. Hita amin’izay nataon’ny Zanany hoe ahoana no fiheverany ny mpanompony tsy lavorary. Diniho izay nataon’i Jesosy rehefa nahita ny toetra ratsin’ny apostoliny izy. Imbetsaka izy ireo no nifanditra hoe iza no lehibe indrindra taminy. Ahoana raha teo ianao tamin’izy ireo nifanditra mafy? Nieritreritra angamba ianao hoe: ‘Mba sarotra volavolaina koa ry zareo!’ Tsy nieritreritra hoatr’izany anefa i Jesosy. Nanoro hevitra azy ireo izy, ary tsara fanahy sy nanam-paharetana taminy. Fantany mantsy fa mbola azo volavolaina izy ireo, raha manaraka ny toroheviny sy miezaka hanetry tena toa azy. (Mar. 9:33-37; 10:37, 41-45; Lioka 22:24-27) Tsy nieritreritra intsony ny apostoly hoe iza taminy no lehibe indrindra, rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy ary nirotsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina. Ny asa nampanaovin’i Jesosy azy ireo no nifantohany.—Asa. 5:42.

11. Nahoana i Davida no toy ny tanimanga mora novolavolaina? Ahoana no azontsika anahafana azy?

11 Ny Teniny sy ny fanahy masina ary ny fiangonana no tena ampiasain’i Jehovah, mba hamolavolana ny mpanompony. Afaka mamolavola antsika ny Teniny raha mamaky tsara azy io isika, misaintsaina an’izay voalaza ao, ary mangataka amin’i Jehovah mba hanampy antsika hampihatra an’ilay izy. Nanoratra toy izao i Davida: “Rehefa mahatsiaro anao eo am-pandriako aho, mandritra ireo fotoam-piambenana amin’ny alina, dia misaintsaina momba anao.” (Sal. 63:6) Hoy koa izy: “Hisaorako i Jehovah, izay manome torohevitra ahy. Mananatra ahy mandritra ny alina ny voako.” (Sal. 16:7) Midika izany hoe navelan’i Davida ho latsa-paka tao aminy ny torohevitr’i Jehovah, ka namolavola ny eritreriny lalina indrindra sy ny fihetseham-pony. Nanao izany izy na dia hentitra be aza indraindray ny torohevitra azony. (2 Sam. 12:1-13) Nanetry tena sy nanaiky novolavolaina izy, ka modely ho antsika. Misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra koa ve ianao, ka avelanao ho latsa-paka ao an-tsainao sy ao am-ponao izay voalaza ao? Sao dia mila manao an’izany bebe kokoa ianao?​—Sal. 1:2, 3.

12, 13. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fanahy masina sy ny fiangonana mba hamolavolana antsika?

12 Ary ny fanahy masina? Betsaka ny zavatra vitan’izy io ka mamolavola antsika. Afaka manampy antsika hanana ny toetran’i Kristy, ohatra, izy io. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (Gal. 5:22, 23) Anisan’ny vokatry ny fanahy ny fitiavana. Tia an’i Jehovah isika ka te hankatò azy sy hovolavolainy. Ekentsika mantsy fa tsy mavesatra ny didiny. Afaka manome antsika hery koa ny fanahy masina, ka vitantsika ny manohitra an’ity tontolo ity sy ny toe-tsainy. (Efes. 2:2) Ireo mpitondra fivavahana jiosy nanambony tena, ohatra, no tena namolavola ny toe-tsain’ny apostoly Paoly, tamin’izy tanora. Hoy anefa izy tatỳ aoriana: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Fil. 4:13) Mangataha foana àry fanahy masina amin’i Jehovah, toy ny nataon’i Paoly. Hihaino antsika izy rehefa tena mitalaho aminy isika.—Sal. 10:17.

Mampiasa ny anti-panahy i Jehovah rehefa mamolavola antsika, nefa isika koa mila manao ny anjarantsika (Fehintsoratra 12, 13)

13 Mampiasa ny fiangonana sy ireo mpiandraikitra koa i Jehovah mba hamolavolana antsika tsirairay. Manampy antsika, ohatra, ny anti-panahy raha hitany hoe manana olana eo amin’ny ara-panahy isika.Tsy ny hevitr’izy ireo anefa no entiny hanampiana antsika. (Gal. 6:1) Manetry tena kosa izy ireo, ka mivavaka amin’i Jehovah mba hanampy azy hahay handinika sy hanana fahendrena. Mikaroka ao amin’ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly izy ireo avy eo, ka lasa afaka manampy antsika araka izay ilaintsika. Ahoana raha manome torohevitra anao ny anti-panahy, ohatra hoe momba ny fomba fiakanjonao? Hanaiky ve ianao hoe porofon’ny fitiavan’i Jehovah ilay izy? Raha manaiky an’izany ianao, dia ho toy ny tanimanga malemilemy eny an-tanan’i Jehovah. Handray soa ianao raha vonona ny hovolavolainy.

14. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe manaja ny safidintsika izy na dia manana fahefana hanao izay tiany amintsika aza?

14 Hahay hifandray tsara amin’ireo rahalahy sy anabavy isika, raha takatsika ny fomba amolavolan’i Jehovah antsika. Ho tsara koa ny fomba fiheverantsika ny olona ao amin’ny faritanintsika sy ny olona ampianarintsika. Tsy tonga dia mamolavola an’ilay tanimanga ny mpanefy, fa esoriny aloha ny vatovato sy ny faikan-javatra amin’ilay izy. Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah amin’izay vonona hovolavolainy. Ampahafantariny azy aloha ny fitsipiny. Avelany hisafidy izy avy eo fa tsy tereny hiova.

15, 16. Ahoana no ahitana fa te hovolavolain’i Jehovah ny mpianatra Baiboly? Hazavao amin’ny ohatra.

15 Diniho ny tantaran’i Tessie, anabavy any Aostralia. Hoy ilay anabavy nampianatra azy Baiboly: “Mora tamin’i Tessie ny nianatra ny fahamarinana, nefa tsy dia nandroso izy. Tsy nivory akory aza izy! Nivavaka imbetsaka aho hoe ahoana no hataoko. Tapa-kevitra aho taorian’izay fa tsy hampianatra azy intsony. Nahagaga anefa fa tamin’ilay fotoana noeritreretiko hoe hampianarana azy farany, dia namboraka ny tao am-pony izy. Hoatran’ny mpihatsaravelatsihy, hono, izy satria tia miloka. Nanapa-kevitra anefa izy fa tsy hiloka intsony.”

16 Nanomboka nivory i Tessie tsy ela taorian’izay, ary niezaka ho tsara toetra na dia naneso azy aza ny namany. Hoy koa ilay anabavy: “Natao batisa i Tessie tatỳ aoriana ary nanao mpisava lalana maharitra, na dia nanan-janaka kely aza.” Inona no vokany rehefa miova ny olona mianatra Baiboly ka mampifaly an’i Jehovah? Hanatona azy i Jehovah ary hamolavola azy ho lasa toy ny vazy sarobidy.

17. a) Inona no tena itiavanao an’ilay hoe i Jehovah no Mpanefy anao? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Tsy mampiasa milina ny mpanefy tanimanga sasany, fa ny tanany ihany no ampiasainy. Mikaly tsara ny asany izy ireo amin’izany. Toy izany koa i Jehovah. Manam-paharetana izy rehefa mamolavola antsika. Manome torohevitra izy ary avy eo mandinika an’izay hataontsika. (Vakio ny Salamo 32:8.) Mahatsapa àry ve ianao hoe miahy anao i Jehovah? Tsapanao ve fa mamolavola anao amim-pitiavana izy? Inona koa no toetra hanampy anao ho mora volavolainy foana? Inona no toetra tsy tokony hanananao mba tsy hahatonga anao ho toy ny tanimanga mafy be ka tsy ho azo volavolaina intsony? Inona no azon’ny ray aman-dreny atao raha tian’izy ireo ny hiara-hiasa amin’i Jehovah hamolavola ny zanany? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.