Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

I Jesosy Kristy ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty, amin’ny andro ankehitriny. Izy no hanisy marika an’ireo olona ho tafavoaka velona

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty sy ireo lehilahy enina mitondra fitaovam-piadiana, resahin’ny fahitan’i Ezekiela?

Nandray anjara tamin’ny fandravana an’i Jerosalema izy ireo, ary handray anjara amin’ny fandravana ny tontolon’i Satana amin’ny Hara-magedona. Nahoana no mitombina izany fanazavana vaovao izany?

Hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana ny zavatra hitranga alohan’ny handravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Hitany tamin’izany ireo zava-dratsy maro nitranga tao. Nahita lehilahy enina nitondra fitaovam-piadiana famotipotehana koa izy avy eo. Nisy lehilahy iray nanao “akanjo rongony”, niaraka tamin’izy ireo. Nitondra “fitoeran-dranomainty fampiasan’ny mpitan-tsoratra” izy io. (Ezek. 8:6-12; 9:2, 3) Nilazana io lehilahy io hoe: “Mandehana mamakivaky ny tanàna, . . . ka asio marika eo amin’ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny zava-maharikoriko rehetra atao ao.” Ireo lehilahy enina kosa nasaina namono an’izay rehetra tsy nisy an’ilay marika. (Ezek. 9:4-7) Inona no ianarantsika avy amin’io fahitana io, ary iza ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty?

Tamin’ny 612 T.K. i Jehovah no nilaza an’io faminaniana io tamin’i Ezekiela. Tanteraka voalohany izy io dimy taona taorian’izay, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny tafika babylonianina. Navelan’i Jehovah hanao an’izany ireo Babylonianina mpanompo sampy, satria tiany hofaizina ny vahoakany. (Jer. 25:9, 15-18) Nivadi-pinoana mantsy izy ireo. Tsy noringanina niaraka tamin’ny ratsy fanahy anefa ny marina. Be fitiavana i Jehovah, ka nataony izay hamonjena an’ireo Jiosy tsy nankasitraka ny zava-maharikoriko tao Jerosalema.

Tsy anisan’ny nanisy an’ilay marika i Ezekiela sady tsy anisan’ny nandrava an’i Jerosalema. Anjely no nitarika an’ilay fandravana. Manampy antsika haka sary an-tsaina an’izay nitranga tany an-danitra àry io faminaniana io. Nirahin’i Jehovah hiandraikitra ny fandringanana an’ireo ratsy fanahy ny anjely sady nasainy namonjy ny olo-marina. *

Ary ahoana ny amin’ny androntsika? Nihevitra isika taloha fa ireo sisa voahosotra ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty. Nieritreritra isika tamin’izany hoe izay manaiky ny hafatra torintsika no misy an’ilay marika ka ho voavonjy. Hita anefa tatỳ aoriana fa nila nahitsy izany fanazavana izany. I Jesosy no hitsara ny olona, raha jerena ny Matio 25:31-33. Amin’ny fahoriana lehibe izy no hanao an’izany. Ho tafavoaka velona izay toy ny ondry, fa haringana kosa izay toy ny osy.

Inona àry no ianarantsika avy amin’io fahitana io?

  1.  Toy ny mpitily i Ezekiela sy Jeremia, satria nampitandrina fa horavana i Jerosalema. Efa nanao hoatr’izany i Isaia, taloha. Mampiasa voahosotra vitsivitsy koa i Jehovah ankehitriny mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakany, sy hampitandrina ny olona alohan’ny fahoriana lehibe. Ny vahoakan’i Jehovah rehetra mihitsy, izany hoe ny mpanompo ao an-tranon’i Kristy, no mampitandrina ny olona.​—Mat. 24:45-47.

  2.  Tsy nanisy marika an’ireo olona ho tafavoaka velona i Ezekiela. Tsy manao an’izany koa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Mitory sy mampitandrina ny olona fotsiny izy ireo, ary ny anjely no mitarika azy ireo.​—Apok. 14:6.

  3.  Tsy nisy olona nasiana marika ara-bakiteny teo amin’ny handrina, tamin’ny andron’i Ezekiela. Mitovy amin’izany koa ankehitriny. Inona àry no tokony hataon’ny olona mba ho voavonjy? Mila mandray tsara ny hafatra torina aminy izy, manahaka ny toetran’i Kristy, manokan-tena ho an’i Jehovah, ary manohana foana an’ireo rahalahin’i Kristy. (Mat. 25:35-40) Toy ny hoe hasiana marika izay manao an’ireo ka ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe.

  4.  I Jesosy Kristy ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty, amin’ny andro ankehitriny. Izy no hanisy marika an’ireo olona ho tafavoaka velona. Hasiany marika ny vahoaka be mandritra ny fahoriana lehibe, rehefa hitany hoe toy ny ondry. Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo amin’izay.​—Mat. 25:34, 46. *

  5.  Tsy iza ireo lehilahy enina mitondra fitaovam-piadiana fa i Jesosy sy ireo tafiny any an-danitra. Tsy ho ela izy ireo dia handringana an’ireo firenena sy hanafoana ny faharatsiana rehetra.​—Ezek. 9:2, 6, 7; Apok. 19:11-21.

Noho ireo fanazavana ireo, dia lasa matoky kokoa isika fa tsy horinganin’i Jehovah miaraka amin’ny ratsy fanahy ny olo-marina. (2 Pet. 2:9; 3:9) Mampahatsiahy antsika koa izany fa tena mila mitory isika. Mila mandre an’ilay fampitandremana daholo mantsy ny olona, alohan’ny hahatongavan’ny farany.​—Mat. 24:14.

^ feh. 6 Tsy nisy marika ara-bakiteny ny handrin’ireo tsy maty tamin’ilay fandravana. Toy ny hoe nisy marika anefa izy ireo ka voavonjy. Anisan’izany i Baroka (mpitan-tsoratr’i Jeremia) sy Ebeda-meleka Etiopianina ary ireo Rekabita. Jer. 35:1-19; 39:15-18; 45:1-5.

^ feh. 12 Tsy mila hasiana an’izany marika izany ireo voahosotra tsy mivadika. Hasiana tombo-kase farany kosa izy ireo alohan’ny hahafatesany, na aloha kelin’ny fahoriana lehibe.—Apok. 7:1, 3.