Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Miahy Anao’ i Jehovah

‘Miahy Anao’ i Jehovah

NAHOANA ianao no afaka matoky fa miahy anao tokoa i Jehovah Andriamanitra? Satria ny Baiboly mihitsy no milaza hoe: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” (1 Pet. 5:7) Inona àry no manaporofo fa mitady izay hahasoa anao i Jehovah?

MANOME IZAY ILAINTSIKA IZY

Modely ho antsika i Jehovah satria tsara fanahy sy malala-tanana

Manana ny toetra tiantsika hananan’ny namantsika akaiky indrindra i Jehovah. Matetika no lasa mpinamana be ny olona roa raha samy tsara fanahy sy malala-tanana amin’ny andaniny ny ankilany. Manao an’izany isan’andro amin’ny olombelona i Jehovah. Eritrereto, ohatra, izao: ‘Mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy izy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.’ (Mat. 5:45) Be dia be ny soa azontsika avy amin’ny masoandro sy ny orana omen’i Jehovah. Lasa afaka mamokatra sakafo be dia be, ohatra, ny tany ka faly isika rehefa voky. (Asa. 14:17) Anisan’ny zavatra mahafinaritra antsika indrindra ny mihinana sakafo matsiro, sa tsy izany?

Nahoana àry no be dia be no tsy ampy sakafo? Satria matetika no izay hahazoany fahefana sy vola no imatimatesan’ny mpitondra fanjakana, fa tsy izay hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Tsy ho ela anefa dia hamaha an’io olana io i Jehovah. Ny Fanjakany any an-danitra no hisolo ny fitondram-panjakana ankehitriny, ary ny Zanany no ho Mpanjaka. Ho ampy sakafo ny olona rehetra amin’izay. Mandra-pahatanterak’izany anefa, dia omen’i Jehovah an’izay ilainy ny mpanompony tsy mivadika. (Sal. 37:25) Tsy hitanao amin’izany ve fa miahy antsika izy?

MAHAFOY FOTOANA HO ANTSIKA IZY

Modely ho antsika i Jehovah satria mahafoy fotoana ho antsika

Mahafoy fotoana ho anao ny tena namanao, ka mety tsy hampaninona azy na elaela aza ianareo miresaka an’izay mahafinaritra anareo. Mihaino tsara koa izy rehefa iresahanao ny olana mahazo anao sy izay mampanahy anao. Hoatr’izany koa i Jehovah. Mihaino ny vavaka ataontsika izy. Mampirisika antsika mba ‘haharitra amin’ny vavaka’ àry ny Baiboly. Voalaza ao mihitsy aza hoe: “Aza mitsahatra mivavaka.”​—Rom. 12:12; 1 Tes. 5:17.

Feran’i Jehovah ve ny fotoana ihainoany ny vavaka ataontsika? Diniho izao: ‘Nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina manontolo’ i Jesosy, rehefa hifidy an’ireo apostoly. (Lioka 6:12) Azo inoana fa maro ny mpianany tonga tao an-tsainy tamin’izay, ary noeritreretiny ny toetra tsarany sy ny toetra ratsin’izy ireny. Nangataka tamin’ny Rainy koa izy mba hanampy azy hahay hifidy. Voafidiny ny apostoliny rehefa maraina ny andro, ary natoky izy fa izay tena mety hatao apostoly no nofidiny. “Mpihaino vavaka” tokoa i Jehovah, ka faly izy mihaino ny vavaka vokatry ny fo. (Sal. 65:2) Tsy mampaninona azy na miresaka aminy ela be momba ny zavatra tena mampiady saina antsika aza isika.

VONONA HAMELA HELOKA IZY

Modely ho antsika i Jehovah satria vonona hamela heloka

Tsy mifamela heloka indraindray na dia ny mpinamana be aza. Aleon’ny olona sasany aza tsy minamana intsony, satria tsy vitany ny mamela heloka. Tsy hoatr’izany anefa i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa afaka mangata-pamelana aminy izay olona tena maniry hahazo an’izany. “Tena mamela heloka tanteraka” mantsy izy. (Isaia 55:6, 7) Nahoana?

Mamela heloka izy satria be fitiavana. Tena tia an’izao tontolo izao izy, ka nanome an’i Jesosy Zanany mba hanafaka ny olombelona amin’ny ota sy ny zava-dratsy aterak’izany. (Jaona 3:16) Tsy izay ihany fa ny vidim-panavotana koa no mahatonga an’Andriamanitra hamela tanteraka ny fahotan’izay tia azy. Hoy ny apostoly Jaona: ‘Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika.’ (1 Jaona 1:9) Afaka ny ho naman’i Jehovah foana isika noho izy mamela heloka. Tsy manohina ny fonao ve ny mahalala an’izany?

MANAMPY IZY REHEFA MILA AZY ISIKA

Modely ho antsika i Jehovah satria manampy rehefa mila azy isika

Manampy amin’ny fotoana ilana azy ny tena namana. Ary i Jehovah? Milaza ny Salamo 37:24 fa “na dia solafaka aza” ny mpanompony “dia tsy hidaraboka, fa i Jehovah no mitantana azy.” Maro ny zavatra ataon’i Jehovah ahitana hoe ‘mitantana antsika’ izy. Misy tantara manaporofo an’izany avy any amin’ny Nosy Sainte- Croix, any amin’ny Ranomasina Karaiba.

Tsy nety nanangan-tsaina ny ankizivavy iray noho ny zavatra inoany. Nataon’ny mpiara-mianatra taminy anefa izay hahatonga azy hanao an’izany. Nangataka ny fanampian’i Jehovah àry izy. Nanapa-kevitra izy avy eo fa hanazava ny antony tsy ananganany saina, ka nataony famelabelarana tany am-pianarana ilay izy. Nampiasa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly izy, ary nilaza fa ny tantaran’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego no nahatonga azy tsy hanangan-tsaina. Hoy izy: “Niaro an’ireo Hebreo telo lahy i Jehovah, satria tsy nety nivavaka tamin’ny sary izy ireo.” Nilaza izy avy eo fa hitondrany an’ilay boky izay mila, ka 11 no nangataka. Faly be izy satria tsapany hoe nomen’i Jehovah hery sy fahendrena, ka vitany ny nitory rehefa nipoitra iny resaka mampiady hevitra iny.

Raha tsy tena matoky àry ianao hoe miahy anao i Jehovah, dia saintsaino ireto andininy ireto: Salamo 34:17-19; 55:22; 145:18, 19. Anontanio ireo Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny ela hoe nahoana izy no matoky fa miahy azy i Jehovah. Mivavaha koa rehefa mila fanampiana. Tsy ho ela dia ho tsapanao fa ‘miahy anao’i Jehovah.