Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Nahoana ny Israelita no navelan’Andriamanitra niady?

Be fitiavana i Jehovah. Navelany hisy anefa ny ady indraindray, rehefa nisy nampijaly na nampahory ny vahoakany. I Jehovah ihany no namaritra hoe iza no alefa hiady ary rahoviana no hatao ilay izy.​—w15 1/11, p. 4-5.

Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanompo an’i Jehovah?

Tena tokony ho tia ny zanakao ianao, ary hanetry tena. Mila mahay mandinika koa ianao mba hahalalana ny ao am-pony.​—w15 15/11, p. 9-11.

Inona no manaporofo fa tsy mpandimby an’i Petera ny papa?

Tsy milaza ny Matio 16:17, 18 hoe ho lasa lohan’ny fiangonana kristianina ny apostoly Petera. Asehon’ny Baiboly fa tsy nomen’i Jesosy fahefana ambony indrindra izy. I Jesosy kosa no vato na fototra iorenan’ny fiangonana. (1 Pet. 2:4-8)​—w15 1/12, p. 12-14.

Inona no tokony hoeritreretintsika alohan’ny hitenenana?

Raha tiantsika hampahery ny zavatra lazaintsika, dia mila mieritreritra isika hoe 1) rahoviana no tokony hiteny (Mpito. 3:7), 2) inona no holazaina (Ohab. 12:18), ary 3) ahoana no hilazana azy (Ohab. 25:15).​—w15 15/12, p. 19-22.

Inona no tsy ataon’ny Kristianina, noho izy manao ny marina?

Tsy mandainga ny Kristianina sady tsy manendrikendrika. Tsy manaratsy na manoso-potaka olona izy satria manimba ny lazan’ny hafa izany. Tsy manambaka koa izy na mangalatra.​—wp16.1, p. 5.

Iza ireo “lehiben’ny mpisorona” resahin’ny Baiboly?

Ireo lohandohan’ny mpisorona, anisan’izany ireo nesorina tsy ho mpisoronabe.​—wp16.1, p. 10.

Ahoana no tokony hataontsika amin’ireo mihinana amin’ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana?

Tsy manindrahindra azy ireny ny Kristianina. Raha tena voahosotra koa ilay olona, dia tsy tokony hanantena hoe hohindrahindraina. Tsy tokony horesadresahiny amin’olona akory aza hoe voahosotra izy. (Mat. 23:8-12)—w16.01, p. 23-24.

Inona no azontsika atao mba ho lasa naman’Andriamanitra toa an’i Abrahama isika?

Niezaka hahafantatra an’Andriamanitra i Abrahama, ary angamba i Sema no nahalalany azy. Nandinika an’izay nataon’Andriamanitra taminy sy ny fianakaviany koa izy. Afaka manao an’ireo koa isika.​—w16.02, p. 9-10.

Iza no nanao an’ireo toko sy andininy ao amin’ny Baiboly?

Ilay mpitondra fivavahana atao hoe Stephen Langton no nizara ny Baiboly ho toko, tamin’ny taonjato faha-13. Ny Jiosy mpanao dika soratra no nanisy andininy ny Soratra Hebreo. Ilay mpanao pirinty atao hoe Robert Estienne kosa no nanisy andininy ny Soratra Grika, tamin’ny taonjato faha-16.​—wp16.2, p. 14-15.

Tena nentin’i Satana tany amin’ny tempoly tokoa ve i Jesosy rehefa nalainy fanahy?

Tsy tena fantatsika izay nitranga. Rehefa jerena anefa ny Matio 4:5 sy ny Lioka 4:9, dia mety ho tao amin’ny fahitana ilay izy, na tena nijoro teo amin’ny toerana avoavo tao amin’ny faritra nisy ny tempoly i Jesosy.​—w16.03, p. 31-32.

Nahoana ny hafatra torintsika no toy ny ando?

Milatsaka tsikelikely ny ando, ary mahafinaritra sady mamelona ny zavamaniry. Fitahiana avy amin’Andriamanitra koa izy io. (Deot. 33:13) Toy ny ando ny ezaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny fanompoana, rehefa mitambatambatra.​—w16.04, p. 4.