Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampiasao Hampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao ny Toro Lalan’i Jehovah

Ampiasao Hampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao ny Toro Lalan’i Jehovah

“Ny fampahatsiahivanao no saintsainiko.”—SAL. 119:99.

HIRA: 127, 88

1. Inona no anisan’ny mahatonga ny olona ho ambony noho ny biby?

ANISAN’NY mahatonga ny olombelona ho ambony noho ny biby ny feon’ny fieritreretana. Vao noforonina ny olombelona dia efa nanana feon’ny fieritreretana. Rehefa avy nandika ny lalàn’i Jehovah, ohatra, i Adama sy Eva, dia niafina. Midika izany fa nanenjika azy ireo ny eritreriny.

2. Nahoana ny feon’ny fieritreretana no toy ny familiana sambo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Manampy antsika hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny feon’ny fieritreretana, ka afaka mitari-dalana antsika. Azo ampitovina amin’ny familiana sambo izy io. Raha simba ilay familiana, dia mety ho diso lalana ilay sambo, satria hanaraka ny onja sy izay hitondran’ny rivotra azy fotsiny. Raha mihodina tsara araka ny tokony ho izy kosa izy io, dia ho tody soa aman-tsara any amin’izay tokony halehany ilay sambo. Ho azo ianteherana koa ny feon’ny fieritreretantsika, raha miasa tsara. Mila ampiofanina tsara àry izy io.

3. Inona no mety ho vokany raha tsy ampiofanina tsara ny feon’ny fieritreretana?

3 Tsy hisakana antsika tsy hanao ratsy ny feon’ny fieritreretantsika raha tsy ampiofanintsika tsara. (1 Tim. 4:1, 2) Mety hahatonga antsika hihevitra ny ‘ratsy ho tsara’ mihitsy aza izy io. (Isaia 5:20) Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Ho tonga ny fotoana hiheveran’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy.” (Jaona 16:2) Izany no noeritreretin’ny olona namono an’i Stefana, mpianatr’i Jesosy. (Asa. 6:8, 12; 7:54-60) Maro koa ny olona milaza ho mpivavaka be nefa ny lalàn’Andriamanitra aza tsy arahiny. Mahavita heloka bevava mahatsiravina izy ireny, ohatra hoe mamono olona. (Eks. 20:13) Hita hoe tsy miasa tsara ny feon’ny fieritreretany.

4. Inona no azontsika atao mba hiasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika?

4 Inona àry no azontsika atao mba hiasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika? “Mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso”, ary “hanafaizana araka ny fahamarinana” ny lalàna sy ny toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (2 Tim. 3:16) Mila mazoto mianatra sy misaintsaina ary mampihatra an’izay voalazan’ny Baiboly àry isika. Hitovy kokoa amin’ny fomba fisainan’i Jehovah amin’izay ny fomba fisainantsika, ka ho azontsika ianteherana ny feon’ny fieritreretantsika. Hojerentsika àry hoe ahoana no azontsika ampiasana ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany mba hampiofanana ny feon’ny fieritreretantsika.

AVELAO HAMPIOFANA ANAO NY LALÀN’I JEHOVAH

5, 6. Inona no soa horaisintsika raha mankatò ny lalàn’Andriamanitra isika?

5 Tsy ampy ny mamaky na mahafantatra tsara ny lalàn’Andriamanitra, raha tiantsika hahasoa antsika izy ireny. Tsy maintsy miezaka isika mba ho tia sy hanaja azy ireny. Hoy mantsy ny Tenin’Andriamanitra: “Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara.” (Amosa 5:15) Ahoana anefa no anaovana an’izany? Mila miezaka hitovy fomba fihevitra amin’i Jehovah isika. Haka ohatra isika mba hanazavana an’izany. Tsy mahita tory matetika ianao, dia asain’ny dokotera mihinana sakafo mahasalama kokoa sy manao fanatanjahan-tena. Asainy hovanao koa ny fahazaranao. Narahinao ny teniny, ary nandaitra tokoa ilay izy. Azo antoka fa tena hankasitraka an’ilay dokotera ianao.

6 Manome lalàna antsika koa ny Mpamorona antsika mba hiarovana antsika amin’ny vokatry ny ota sy hahatonga ny fiainantsika hihatsara. Misy lalàna, ohatra, ao amin’ny Baiboly hoe tsy azo atao ny mandainga, mamitaka, mangalatra, mijangajanga, mamono olona, ary mifandray amin’ny fanahy ratsy. (Vakio ny Ohabolana 6:16-19; Apok. 21:8) Eritrereto ny soa raisintsika rehefa mankatò an’izany isika. Ho tia sy hankasitraka an’i Jehovah sy ny lalàny isika, rehefa mahita hoe mahasoa antsika ny mankatò azy.

7. Inona no ho vokany raha mamaky sy misaintsaina an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly isika?

7 Tsy voatery hoe mandika ny lalàn’Andriamanitra sy mizaka ny vokatr’izany isika vao hahalala hoe inona no tsara na ratsy. Afaka mianatra avy amin’ny fahadisoana nataon’ireo olona resahin’ny Baiboly isika. Hoy ny Ohabolana 1:5: “Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany.” Ny zavatra ampahafantarin’i Jehovah no tsara indrindra. Avy aminy, ohatra, ireo tantara tena nisy ao amin’ny Baiboly, ka hitombo ny zavatra fantatsika raha mamaky sy misaintsaina azy ireny isika. Anisan’izany ny tantaran’i Davida Mpanjaka. Nijaly izy rehefa tsy nankatò an’i Jehovah fa nijangajanga tamin’i Batseba. (2 Sam. 12:7-14) Diniho izao rehefa mamaky sy misaintsaina an’io tantara io ianao: ‘Inona no azon’i Davida natao mba hisorohana an’izany fijaliana izany? Ahoana raha izaho no tratran’ny fakam-panahy hoatr’izany? Hitsoaka hoatran’i Josefa ve aho sa hanaiky ho resy hoatran’i Davida?’ (Gen. 39:11-15) Ho tapa-kevitra kokoa ‘hankahala ny ratsy’ isika raha misaintsaina ny voka-dratsin’ny fahotana.

8, 9. a) Inona no ilana ny feon’ny fieritreretana? b) Nahoana ny toro lalan’i Jehovah no manampy ny feon’ny fieritreretantsika mba hiasa tsara?

8 Mazava ho azy fa tsy hanao zavatra efa fantatsika hoe halan’Andriamanitra isika. Raha tsy misy lalàna mazava tsara momba an’izay tiantsika hatao anefa ao amin’ny Baiboly, dia ahoana no hahalalantsika hoe inona no hampifaly an’i Jehovah? Mila mampiasa ny feon’ny fieritreretantsika isika.

9 Tia antsika i Jehovah ka manome toro lalana mba hahafahantsika mamolavola ny feon’ny fieritreretantsika. Hoy izy: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao.” (Isaia 48:17, 18) Mamolavola sy manitsy ny feon’ny fieritreretantsika isika, rehefa misaintsaina lalina ny toro lalan’ny Baiboly sady mamela an’izany hanohina ny fontsika. Manampy antsika hahay hanapa-kevitra izany.

ARAHO NY TORO LALAN’I JEHOVAH

10. Inona no atao hoe toro lalana? Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nampianatra?

10 Ny toro lalana dia hevitra fototra na fampianarana natao hampisaintsaina na natao hoeritreretina rehefa hanao zavatra. Mila mahazo ny fomba fisainan’i Jehovah, ilay Mpanome Lalàna, isika raha te hahatakatra tsara ny toro lalana omeny. Tokony ho azontsika koa ny antony nanomezany lalàna. Toro lalana no noresahin’i Jesosy tamin’ny mpianany, mba hampianarana azy ireo hoe inona no vokatry ny fanao sy fomba fisainana sasany. Nilaza izy, ohatra, hoe mety hahatonga ny olona hamono olona ny lolompo, ary mety hahatonga ny olona hijangajanga ny eritreri-dratsy. (Mat. 5:21, 22, 27, 28) Tokony hanaraka ny toro lalan’i Jehovah isika raha tiantsika hampiofanina tsara ny feon’ny fieritreretantsika. Hanome voninahitra an’i Jehovah isika amin’izay.—1 Kor. 10:31.

Manaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa ny Kristianina matotra (Fehintsoratra 11, 12)

11. Mitovy ve ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina rehetra? Hazavao.

11 Mety tsy hitovy hevitra anefa ny Kristianina, na dia efa samy nanazatra ny feon’ny fieritreretany hanaraka izay lazain’ny Baiboly aza. Mety ho samy manana ny heviny momba ny zava-pisotro mahamamo, ohatra, izy ireo. Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy azo atao ny misotro azy ireny. Mampitandrina antsika anefa izy io mba tsy hisotro tafahoatra na hanao mamo. (Ohab. 20:1; 1 Tim. 3:8) Midika ve izany hoe rehefa mahalala onony ny Kristianina iray dia efa mety? Tsia! Tsy maintsy mihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa koa izy, na dia mandry aza ny eritreriny.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny Romanina 14:21?

12 Nilaza i Paoly fa mila manaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa isika. Hoy izy: “Tsara ny tsy mihinan-kena na misotro divay na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.” (Rom. 14:21) Ahoana àry raha tsy mitovy amin’ny anao ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, ka mety hanafintohina azy ny zavatra tianao hatao? Azo antoka fa tsy hanao an’ilay izy ianao na dia zonao aza izany. Mpisotro toaka be, ohatra, ny rahalahy sasany talohan’ny nahitany ny fahamarinana. Tapa-kevitra ny tsy hisotro intsony mihitsy anefa izy ireny. Tsy tiantsika àry raha isika indray no hahatonga azy hiverina amin’ny fahazaran-dratsiny ka hampidi-kizo azy. (1 Kor. 6:9, 10) Raha manasa rahalahy hoatr’izany isika ka tsy mety misotro izy, dia tsy hoterentsika. Tsy manam-pitiavana isika raha manery azy.

13. Ahoana no nampisehoan’i Timoty fa nanaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa izy?

13 Nanaiky hoforana i Timoty tamin’izy 20 taona teo ho eo, na dia nampanaintaina be aza izany. Nanao an’izany izy mba tsy hanafintohina an’ireo Jiosy tany amin’ny faritany hitoriany. Nitovy tamin’ny an’ny apostoly Paoly ny toe-tsainy. (Asa. 16:3; 1 Kor. 9:19-23) Vonona ny hiaritra na hamoy zavatra koa ve ianao mba handray soa ny hafa?

MIEZAHA MBA HO MATOTRA

14, 15. a) Inona no mila ezahintsika raha te ho matotra isika? b) Ahoana no hitondrantsika ny olon-kafa raha matotra isika?

14 Tokony ‘hialantsika ny fampianarana fototra momba an’i Kristy’, ary “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana” isika. (Heb. 6:1) Izany no tokony ho faniriantsika rehetra. Tsy mandeha ho azy anefa izany, fa mila miezaka isika. Mila miezaka hahalala zavatra bebe kokoa sy hahazo tsara an’izay ianarantsika isika, raha te ho matotra. Izany no mahatonga antsika ampirisihina imbetsaka hamaky Baiboly isan’andro. (Sal. 1:1-3) Izany ve no tanjonao? Raha mamaky Baiboly tsy tapaka ianao, dia ho azonao tsara kokoa ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany.

15 Ny lalàna momba ny fitiavana no lalàna lehibe indrindra amin’ny Kristianina. Nilaza tamin’ny mpianany mantsy i Jesosy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Nilaza i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, fa “mpanjakan’ny lalàna” ny fitiavana. (Jak. 2:8) Nilaza koa i Paoly hoe: “Ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.” (Rom. 13:10) Tsy mahagaga raha asongadina be hoatr’izany ny fitiavana, satria milaza ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsy fihetseham-po fotsiny ny fitiavan’Andriamanitra, fa asehony amin’ny ataony. Hoy i Jaona: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany.” (1 Jaona 4:9) Matotra àry isika raha asehontsika amin’ny ataontsika hoe tiantsika i Jehovah, Jesosy, ny mpiray finoana amintsika, ary ny olon-kafa.—Mat. 22:37-39.

Rehefa mahay mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika, dia ho azo ianteherana kokoa ny feon’ny fieritreretantsika (Fehintsoratra 16)

16. Nahoana no lasa tiantsika kokoa ny toro lalana rehefa mihamatotra isika?

16 Vao mainka ho tiantsika ny toro lalan’i Jehovah rehefa mihamatotra isika. Amin’ny zavatra voafaritra tsara ihany mantsy matetika no azo ampiharana ny lalàna, fa ny toro lalana kosa azo ampiharina amin’ny zavatra be dia be. Rehefa tsy azon’ny ankizy, ohatra, hoe nahoana izy no tsy tokony hiaraka amin’ny naman-dratsy, dia tsy maintsy mametraka lalàna ny ray aman-dreniny mba hiarovana azy. (1 Kor. 15:33) Rehefa mihamatotra anefa izy, dia lasa mahay misaina kokoa ka mahay mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Hanampy azy hifidy namana tsara izany. (Vakio ny 1 Korintianina 13:11; 14:20.) Rehefa mahay mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika, dia ho azo ianteherana kokoa ny feon’ny fieritreretantsika. Lasa azontsika tsara kokoa mantsy hoe inona no tian’i Jehovah hataontsika.

17. Nahoana isika no afaka milaza fa manana an’izay ilaintsika isika mba handraisana fanapahan-kevitra tsara?

17 Ananantsika daholo izay rehetra ilaina mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah. Misy lalàna sy toro lalana ao amin’ny Baiboly, ary afaka manampy antsika “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” izy ireny. (2 Tim. 3:16, 17) Karohy àry ny toro lalana ao amin’ny Soratra Masina mba ‘hamantarana izay sitrapon’i Jehovah.’ (Efes. 5:17) Ampiasao ireo fitaovana fanaovana fikarohana, ohatra hoe ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Watchtower Library, ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah, ary ny JW Library. Handray soa be dia be ianao raha mampiasa an’ireo rehefa mianatra samirery na miara-mianatra amin’ny fianakavianao.

NY FITAHIANA HO AZONAO

18. Inona no fitahiana ho azontsika raha mampihatra ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany isika?

18 Hahazo fitahiana be dia be isika raha manaraka ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany. Hoy ny Salamo 119:97-100: “Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana! Ny didinao no mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko, satria ahy mandritra ny fotoana tsy voafetra ireny. Lasa lalin-tsaina mihoatra noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny fampahatsiahivanao no saintsainiko. Mahira-tsaina kokoa noho ny zokiolona aho, satria mitandrina ny didinao.” Raha ‘misaintsaina’ ny lalàn’Andriamanitra sy ny toro lalany àry isika, dia ho hita amin’ny zavatra ataontsika hoe hendry isika ary misaina tsara. ‘Hahatratra ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy’ isika, raha miezaka mafy mampiasa ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany mba hampiofanana ny feon’ny fieritreretantsika.—Efes. 4:13.