Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’ mba Hahazo Voninahitra i Jehovah

‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’ mba Hahazo Voninahitra i Jehovah

‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’ —MAT. 5:16.

HIRA: 77, 59

1. Inona no antony lehibe mahafaly antsika?

TENA faly isika mahita hoe mitombo be ny vahoakan’i Jehovah. Olona folo tapitrisa mahery no nampianarintsika Baiboly tamin’ny herintaona. Midika izany fa mampamirapiratra ny fahazavantsika isika. An-tapitrisany koa ny olona liana nanatrika ny Fahatsiarovana, ka lasa nahafantatra hoe tena tia antsika i Jehovah matoa nanome ny vidim-panavotana.—1 Jaona 4:9.

2, 3. a) Inona no tsy mahasakana antsika tsy hamirapiratra toy ny “mpanazava”? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Samy hafa ny fitenin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Tsy mahasakana antsika tsy hiara-hidera an’i Jehovah Raintsika anefa izany. (Apok. 7:9) Afaka mamirapiratra toy ny “mpanazava eo amin’izao tontolo izao” isika, na inona na inona fitenin-drazantsika ary na aiza na aiza misy antsika.—Fil. 2:15.

3 Manome voninahitra an’i Jehovah isika sady mampamirapiratra ny fahazavantsika rehefa manompo sy miray saina ary miambina foana. Hojerentsika ato hoe ahoana no anaovantsika an’izany.—Vakio ny Matio 5:14-16.

AMPIO NY OLONA MBA HO LASA MPANOMPON’I JEHOVAH

4, 5. a) Ankoatra ny mitory, dia inona no azontsika atao mba hampamirapiratana ny fahazavantsika? b) Inona no mety hitranga raha sariaka sy tsara fanahy isika rehefa mitory? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Izao no voalaza tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Hazavana ao Anaty Haizina”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1925 (anglisy): ‘Tsy hahavita tsy hivadika amin’ny Tompo mihitsy ny olona iray amin’izao andro farany izao, raha tsy mampamirapiratra ny fahazavany.’ Ahoana no anaovany an’izany? Nohazavaina tao hoe ‘tsy maintsy mitory ny vaovao tsara izy, ary tokony ho hita eo amin’ny fomba fiainany hoe manaraka ny fitsipik’i Jehovah izy.’ Mampamirapiratra ny hazavantsika àry isika rehefa mitory ny vaovao tsara sy manao mpianatra. (Mat. 28:19, 20) Manome voninahitra an’i Jehovah koa isika rehefa tsara fitondran-tena. Mandinika antsika ny olona rehefa mitory isika. Raha sariaka àry isika sady miarahaba tsara azy ireny, dia mety ho zavatra tsara no hoeritreretiny momba antsika sy ilay Andriamanitra ivavahantsika.

5 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Rehefa miditra ao an-trano ianareo, dia arahabao ny ao.” (Mat. 10:12) Fanaon’ny olona tany amin’ny faritra nitorian’i Jesosy sy ny apostoly ny nampandroso an’izay olona tonga tao an-tranony, na dia tsy fantany aza ilay olona. Tsy manao hoatr’izany intsony ny olona amin’izao, any amin’ny faritra maro. Matahotra na sosotra ny olona matetika rehefa misy olona tsy fantany tonga any aminy. Mety tsy dia hanahy loatra àry izy, raha sariaka sy tsara fanahy isika sady manazava aminy ny anton-diantsika. Mandeha ho azy matetika ny resaka raha mitsikitsiky isika. Izany koa no hitan’ny mpiara-manompo rehefa manao fampirantiana ry zareo. Asa raha voamarikao tamin’ianao nanao fampirantiana fa rehefa mitsikitsiky sy miarahaba tsara an’izay mandalo ianao, dia matetika izy ireo no manatona dia maka boky. Lasa afaka miresaka aminy mihitsy aza ianao indraindray.

6. Inona no ataon’ny mpivady iray be taona mba hahafahany manompo bebe kokoa?

6 Tsy dia salama ny mpivady iray be taona any Angletera, ka zara raha afaka mitory isan-trano. Ahoana àry no ataon’izy ireo mba hampamirapiratana foana ny fahazavany? Misy sekoly eo akaikin-dry zareo. Asiany latabatra misy boky ara-baiboly àry eo ivelan’ny tranony, mba ho hitan’ireo ray aman-dreny maka mpianatra. Be dia be no liana dia naka bokikely sy Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1 sy 2. Matetika no tonga miara-manompo amin’izy mivady eo ny anabavy mpisava lalana iray avy ao amin’ny fiangonany. Sariaka be ilay anabavy, moa izy mivady koa tena miezaka manampy an’ireo ray aman-dreny. Inona no vokany? Nisy raim-pianakaviana iray nanaiky hianatra Baiboly.

7. Ahoana no azonao anampiana an’ireo olona nifindra monina eny amin’ny misy anareo?

7 Lasa be dia be tato ho ato ny olona mitsoaka ny taniny dia mifindra any an-tany hafa. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireny hahalala an’i Jehovah sy ny fikasany? Fantaro hoe inona ny fitenin’ny olona nifindra eny amin’ny misy anareo. Azonao atao avy eo ny mianatra ny fomba fiarahabana amin’ilay fiteny. Afaka manampy anao amin’izany ny programa JW Language. Azonao atao koa ny mianatra fehezanteny vitsivitsy mba hahafahana miresaka kely aminy. Ho afaka hanoro azy ny jw.org ianao amin’izay, ary hampiseho azy video sy boky isan-karazany amin’ny fiteniny.—Deot. 10:19.

8, 9. a) Manampy antsika amin’inona ny fivoriana andavanandro? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hamaly rehefa any am-pivoriana?

8 Manampy antsika hahita vokatra amin’ny fanompoana i Jehovah. Anisan’ny fomba anampiany antsika ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana. Manampy antsika io fivoriana io mba hatoky tena kokoa rehefa manao fiverenana mitsidika sy mampianatra Baiboly.

9 Variana matetika ny olona sambany mivory rehefa mahita ankizy mamaly. Nahoana àry raha ampiana ny zanakao mba tsy hamaky fotsiny an’izay voasoratra rehefa mamaly, na hamerina fotsiny an’izay teneninao aminy? Ho afaka hampamirapiratra ny fahazavany izy ireny amin’izay. Lasa liana tamin’ny fahamarinana ny olona sasany, rehefa naheno ankizy nanome valin-teny tsotra sy vokatry ny fo.—1 Kor. 14:25.

ATAOVY IZAY HAMPIRAY SAINA ANTSIKA

10. Inona no azontsika atao mba hampiray saina ny fianakaviantsika?

10 Mampamirapiratra ny fahazavantsika koa isika, raha manao izay hampiray saina ny fianakaviantsika sy ny fiangonana misy antsika. Mampiray saina ny fianakaviany, ohatra, ny ray aman-dreny raha mitarika Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka. Fianakaviana maro no miara-mijery ny Tele JW isam-bolana. Nahoana raha manao an’izany koa, dia avy eo miara-midinika hoe ahoana no azonareo ampiharana ny hevitra voaresaka tao? Rehefa mitarika Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana anefa ny loham-pianakaviana, dia mila mitadidy hoe tsy mitovy ny tari-dalana ilain’ny ankizy sy ny tanora. Ataovy àry izay hahatonga ny tsirairay ao amin’ny ankohonanao handray soa avy amin’ilay fianarana.—Sal. 148:12, 13.

Tena hampahery an’ireo be taona isika raha miezaka hinamana amin’izy ireny (Fehintsoratra 11)

11-13. Inona no azontsika rehetra atao mba hiray saina ny fiangonana?

11 Ary inona no azonareo ankizy sy tanora atao mba hampiray saina ny fiangonana ka handrisika ny hafa hampamirapiratra ny fahazavany? Azonareo atao ny miezaka minamana amin’ireo be taona nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro. Asaivo mitantara santionany amin’ny zava-nitranga teo amin’ny fanompoany, ohatra, izy. Tena hampahery anareo izany, ary vao mainka ianareo hazoto hampamirapiratra ny fahazavanareo. Azontsika rehetra atao koa ny mandray tsara an’izay olona tonga mivory. Azo atao, ohatra, ny mitsikitsiky sy miarahaba tsara azy ireny. Azonao ampiana koa izy ireny mba hahita toerana. Ampahafantaro an’ireo mpiara-manompo izy, dia amin’izay mahazo aina tsara. Hampiray saina antsika rehetra izany, sady mety handrisika an’ireo vaovao mba hampamirapiratra ny fahazavany.

12 Afaka manampy an’ireo be taona hampamirapiratra ny fahazavany koa ianao, rehefa asaina mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana. Ataovy mety tsara aminy, ohatra, ny faritany anendrenao azy. Azonao ampiarahina amin’ny mpitory tanora kokoa izy raha ilaina izany, amin’izay izy misy manampy. Raha misy rahalahy na anabavy tsy dia afaka manompo satria marary na manana olana hafa, dia asehoy azy ireny hoe mahatakatra an’izay manjo azy ianao. Raha mihevitra an’izay ilain’ny mpiara-manompo aminao ianao, dia hazoto hitory izy ireny, na tanora na be taona, ary na efa za-draharaha na tsia.—Lev. 19:32.

13 Hoy ny mpanao salamo: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” (Vakio ny Salamo 133:1, 2.) Tena nandray soa ny Israelita rehefa niara-nanompo an’i Jehovah. Nahafinaritra sy namelombelona izany fiarahan-dry zareo izany, toy ny menaka mahamandimandina ny hoditra. Nahoana àry raha atao tanjona ny hanao izay hampiray saina an’ireo rahalahy sy anabavy? Mendri-piderana ianao raha efa manao an’izany. Nahoana anefa raha ‘halalahana ny fonao’, dia miezaka mifandray akaiky amin’ny mpiara-manompo betsaka kokoa sy matetika kokoa?—2 Kor. 6:11-13.

14. Inona no azonao atao mba hampamirapiratana ny fahazavanao eny an-tanànanareo?

14 Azonao atao koa ny mampamirapiratra bebe kokoa ny fahazavanao eny an-tanànanareo. Mety ho liana amin’ny fahamarinana ny sasany amin’ny mpiray tanàna aminareo, raha hita amin’ny teninao sy ny ataonao hoe tsara fanahy ianao. Eritrereto àry izao: ‘Ahoana no fahitan’ny olona eny an-tanàna ahy? Ataoko madio tsara foana ve ny tranoko sy ny tokotaniko, amin’izay mahafinaritra ny tanàna misy anay? Miezaka ny hanampy ny mpiara-monina amiko ve aho?’ Rehefa miresaka amin’ny mpiara-manompo aminao ianao, dia anontanio izy hoe nisy vokany tamin’ny havany, mpiray tanàna aminy, mpiara-miasa aminy, mpiara-mianatra aminy ve ilay izy tsara fanahy sy tsara fitondran-tena. Azo inoana fa hanan-javatra mahafinaritra hotantaraina aminao ry zareo.—Efes. 5:9.

MIAMBENA FOANA

15. Nahoana isika no mila miambina foana?

15 Raha tiantsika ny hampamirapiratra bebe kokoa ny fahazavantsika, dia mila miaiky isika hoe efa akaiky ny farany. Imbetsaka i Jesosy no niteny tamin’ny mpianany hoe: “Miambena hatrany.” (Mat. 24:42; 25:13; 26:41) Raha mieritreritra mantsy isika hoe mbola ho ela ny “fahoriana lehibe”, fa tsy ho tonga amin’ny androntsika, dia tsy ho tonga saina isika hoe mila vitaina haingana ny asa fitoriana. (Mat. 24:21) Tsy hamirapiratra ny fahazavantsika amin’izay fa hitsilopilopy, ary mety ho faty mihitsy.

16, 17. Inona no azonao atao raha te hiambina foana ianao?

16 Tena miharatsy ny fiainana, ka vao mainka isika mila miambina hatrany. Azo antoka fa handringana ny ratsy fanahy i Jehovah amin’ny fotoana voatondrony. (Mat. 24:42-44) Manàna faharetana eo am-piandrasana an’izany, ary tadidio foana ny hoavy. Vakio isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, ary aza atao tsirambina ny vavaka. (1 Pet. 4:7) Diniho ny ohatra tena tsara navelan’ireo rahalahy sy anabavy nanompo an’i Jehovah efa ela. Faly izy ireny niambina hatrany sady nampamirapiratra ny fahazavany. Azonao vakina, ohatra, ilay tantara hoe “Fitopolo Taona Izay no ‘Nihazonako ny Akanjon’ilay Jiosy Iray’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2012, pejy 18-21.

17 Manaova zavatra be dia be mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Manaova zavatra tsara ho an’ny hafa, ary miaraha amin’ny mpiara-manompo. Ho faly be ianao raha manao an’izany, ary tsy ho hitahitanao akory ny fandehan’ny fotoana. (Efes. 5:16) Tena niasa be sy nahavita zavatra maro ireo rahalahy sy anabavintsika, zato taona lasa izay. Mbola betsaka noho izany anefa no vitantsika amin’izao, noho ny fanampian’i Jehovah. Mandroso be tsy misy hoatr’izany ny asan’i Jehovah amin’izao. Tena mamirapiratra ny fahazavantsika!

Mandray soa avy amin’ny fahendren’i Jehovah isika mandritra ny fitsidihan’ny mpiandry (Fehintsoratra 18, 19)

18, 19. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana antsika hiambina foana sy hazoto hanompo an’i Jehovah? Hazavao amin’ny ohatra.

18 Mampahery ny mahalala hoe avelan’i Jehovah hanompo azy isika na dia tsy lavorary aza. Asainy manampy antsika ny “lehilahy ho fanomezana”, izany hoe ny anti-panahy, ka tokony hankasitraka an’izany isika. (Vakio ny Efesianina 4:8, 11, 12.) Manana fahendrena izy ireny ary mahay manoro hevitra. Miezaha àry handray tsara an’izay lazainy rehefa mitsidika anao izy ireny.

19 Nanana olana, ohatra, ny mpivady iray tany Angletera, dia nangataka fanampiana tamin’ny anti-panahy anankiroa. Nahatsapa ilay vehivavy hoe hoatran’ny tsy mitarika azy eo amin’ny ara-panahy ny vadiny. Niaiky ilay vadiny hoe tsy mahay mampianatra sady tsy nitarika Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka. Nasain’ireo anti-panahy nisaintsaina ny ohatra navelan’i Jesosy àry izy mivady. Nihevitra an’izay nilain’ny mpianany i Jesosy ary nikarakara an-dry zareo. Nampirisihin’ireo anti-panahy hanahaka azy ilay lehilahy, dia nampirisihiny hanam-paharetana amin’ny vadiny ilay vehivavy. Nomen’izy ireo soso-kevitra koa izy mivady hoe ahoana no ahafahan’izy ireo mifanampy, mba ho vitany ny hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka amin’ny zanany roa. (Efes. 5:21-29) Nidera an’ilay lehilahy ireo anti-panahy tatỳ aoriana noho ny ezaka nataony. Nampirisihiny koa izy mba hanohy foana an’izany ary hangataka fanahy masina amin’i Jehovah mba hahavitany tsara ny andraikiny. Be fitiavana sy tsara fanahy ireo anti-panahy, ka nahavita nampamirapiratra ny fahazavany ilay fianakaviana.

20. Inona no ho vokany raha mampamirapiratra ny fahazavanao ianao?

20 Hoy ny mpanao salamo: “Sambatra izay matahotra an’i Jehovah sy mandeha amin’ny lalany.” (Sal. 128:1) Ho sambatra kokoa ianao raha mampamirapiratra ny fahazavanao. Ampio ho lasa mpanompon’i Jehovah àry ny olona, ataovy izay hampiray saina ny fianakavianao sy ny fiangonana misy anao, ary miambena foana. Ho voamariky ny olona ny zavatra tsara ataonao, ka hanome voninahitra an’ilay Raintsika koa izy.—Mat. 5:16.