Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Inona ireo zavatra efatra azontsika atao raha te hahay hihira kokoa isika?

Ataovy ambony tsara ny fihirananao, dia hijoro tsara ianao amin’izay. Mahaiza mifoka rivotra. Sokafy tsara ny vavanao, dia ho afaka hihira mafy ianao.—w17.11, p. 5.

Inona no tsara homarihina momba an’ireo tanàna fialokalofana tany Israely?

Enina ny tanàna fialokalofana, ary toerana samy hafa no nisy azy. Tsara koa ny lalana nankany. Tsy sahirana àry izay nandositra tany sady vetivety dia tonga.—w17.11, p. 14.

Ny vidim-panavotana no fanomezana tsara indrindra avy amin’Andriamanitra. Nahoana?

Satria noho izy io, dia ho tanteraka ny faniriantsika ho velona foana. Manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana koa izy io. Tian’i Jehovah isika taranak’i Adama, ka mbola mpanota isika dia efa naniraka an’i Jesosy ho faty ho antsika izy.—wp17.6, p. 6-7.

Inona no porofo fa ny fananganana an’i Jesosy tamin’ny maty no resahin’ny Salamo 118:22?

Tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ny olona ary namono azy. Tsy maintsy natsangana tamin’ny maty àry izy mba ho lasa “vato fehizoro.”—w17.12, p. 9-10.

Izay nanan-jo ho lahimatoa tamin’ny Israelita ihany ve no anisan’ny razamben’ny Mesia?

Lahimatoa ny sasany tamin’ny razamben’i Jesosy, fa tsy izy rehetra. I Davida izao razamben’ny Mesia, nefa tsy lahimatoan’i Jese. —w17.12, p. 14-15.

Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly azo ampiharina amin’ny resaka fitsaboana?

Nilaza ny Lalàna fa tokony hatokan-toerana ny olona voan’ny aretina sasany. Tsy maintsy nisasa izay avy nikasika faty. Tsy maintsy nalevina lavitra ny toeram-ponenana ny diky. Rehefa feno valo andro ny zaza, dia tokony hoforana. Amin’izay mantsy ny ra ao amin’ny vatana vao mety mandry tsara.—wp18.1, p. 7.

Nahoana no tsy ratsy ny hoe tia ny tenantsika araka ny antonony?

Tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. (Mar. 12:31) Ny lehilahy koa tokony ho tia ny vadiny “tahaka ny tenany.” (Efes. 5:28) Mety ho lasa tafahoatra anefa ny fitiavantsika ny tenantsika. —w18.01, p. 23.

Inona avy no azontsika atao raha te handroso ara-panahy isika?

Mila mianatra sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isika, ary mampihatra an’izay ianarantsika. Tokony havelantsika hitari-dalana antsika foana ny fanahy masina. Tokony hekentsika sy hankasitrahantsika koa izay ataon’ny olona mba hanampiana antsika handroso. —w18.02, p. 26.

Nahoana no tsy tokony ho any amin’ny mpanandro sy ny mpilaza ny hoavy isika no manontany ny hoavy?

Maromaro ny antony, fa ny lehibe indrindra dia hoe melohin’ny Baiboly ireo fanao ireo.—wp18.2, p. 4-5.

Ahoana no tokony hataontsika raha nisy nanasa hisakafo isika dia efa nanaiky?

Tokony hiezaka hitana ny teny nataontsika isika. (Sal. 15:4) Tsy tokony holavintsika indray ilay fanasana avy eo raha tsy noho ny antony tena lehibe. Mety ho efa niezaka mafy nikarakara sakafo mantsy ilay olona.—w18.03, p. 18.

Ahoana no azon’ny rahalahy voatendry anahafana an’i Timoty?

Tena tia nanampy olona i Timoty, ary ny fitoriana no zava-dehibe indrindra taminy. Niasa mafy izy nanao fanompoana masina, ary nampihatra ny zavatra nianarany. Nanao fanazaran-tena foana koa izy, ary niantehitra tamin’ny fanampian’ny fanahy masina. Afaka manahaka azy ny anti-panahy sy ny olon-kafa.—w18.04, p. 13-14.