Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahaka Izay Izy Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah!

Tahaka Izay Izy Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah!

MANOMPO an’i Jehovah isika dia te hahazo sitraka aminy, sa tsy izany? Iza anefa no ankasitrahan’i Jehovah sy tahiny? Resahin’ny Baiboly fa nisy olona sasany nahazo sitraka taminy, na dia nanao fahotana lehibe aza. Nisy indray tena tsara toetra nefa tsy nankasitrahany. Mety hieritreritra àry isika hoe: ‘Fa inona àry izany no tena tian’i Jehovah hataontsika tsirairay?’ Handinika ny ohatra navelan’i Rehoboama mpanjakan’ny Joda isika mba hamaliana an’izany.

RATSY FIANDOHANA

Nanjaka teo amin’ny Israely nandritra ny 40 taona i Solomona, rain’i Rehoboama. (1 Mpanj. 11:42) Maty i Solomona tamin’ny 997 T.K. I Rehoboama no nandimby azy. Avy tao Jerosalema izy no nankany Sekema mba hatao mpanjaka. (2 Tan. 10:1) Natahotra ve izy sao tsy hahavita ny vitan’ny rainy? Faran’izay hendry mantsy ny rainy. Kely sisa dia ho anjarany indray ny hanaporofo hoe mahay mandamina olana saro-bahana ve izy sa tsia.

Azo antoka fa tsapan’i Rehoboama hoe nahatsiaro ho nijaly ny vahoakan’ny Israely. Nisy solontenan’izy ireo tonga tany aminy tatỳ aoriana, dia nilaza taminy mazava tsara ny zavatra tian’izy ireo hataony. Hoy izy ireo: “Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao. Koa mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao sy ny zioga mavesatra nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay.”—2 Tan. 10:3, 4.

Sahiran-tsaina angamba i Rehoboama tamin’izay hoe inona no hitranga raha manaraka ny tenin’ny vahoakany izy. Mety ho tsy maintsy hafoiny ny zavatra sasany nampiadana azy sy ny fianakaviany ary ny olona niasa tao an-dapany. Mety ho tsy maintsy hahenany koa ny zavatra takiny amin’ny vahoakany. Raha tsy manaraka ny tenin-dry zareo kosa izy, dia mety hikomy ry zareo. Inona àry no nataony? Naka hevitra tamin’ireo zokiolona efa mpanolo-tsaina an’i Solomona izy. Nangataka torohevitra tamin’ireo tovolahy nitovy taona taminy indray anefa izy avy eo, dia ny tenin’ireo no narahiny. Hoy izy tamin’ny vahoakany: “Vao mainka hataoko mavesatra ny zioganareo, ary hampitomboiko. Nanafay anareo tamin’ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin’ny karavasy misy zava-maranitra.”—2 Tan. 10:6-14.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mandray soa isika matetika, raha mihaino ny torohevitr’ireo rahalahy sy anabavy be taona sy nanompo an’i Jehovah efa ela. Afaka manome torohevitra tsara izy ireny, satria efa nandia fiainana ka mety ho efa fantany ny vokatry ny fanapahan-kevitra sasany.—Joba 12:12.

“NANKATÒ NY TENIN’I JEHOVAH IZY IREO”

Nikomy ny vahoakany rehefa nampijalin’i Rehoboama, ka namory ny tafiny izy mba hiadiana tamin’izy ireo. Izao anefa no nasain’i Jehovah notenenin’i Semaia mpaminany tamin’izy ireo: “Aza miakatra hiady amin’ny zanak’Israely rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy. Fa izaho no nahatonga izao zavatra izao.”—1 Mpanj. 12:21-24. *

Dia tsy hiady ve izany? Tsy mora tamin’i Rehoboama angamba ny nankatò an’izany. Inona no holazain’ny vahoakany? Ry zareo aza norahonany hoe hosaziny amin’ny “karavasy misy zava-maranitra”, dia amin’izao misy mikomy izao indray ve izy no handefitra? (Ampitahao amin’ny 2 Tantara 13:7.) Na inona na inona anefa mety ho noeritreretin’ny olona, dia “nankatò ny tenin’i Jehovah” i Rehoboama sy ny tafiny, “ka nody.”

Inona indray no ianarantsika avy amin’izany? Aleo foana mankatò an’i Jehovah na dia mety hesoin’ny olona aza isika. Ankasitrahan’i Jehovah sy tahiny izay manao an’izany.—Deot. 28:2.

Nahazo fitahiana àry ve i Rehoboama? Rehefa tsy nandeha niady tamin’ilay fanjakana tany avaratra ihany izy, dia nanorina tanàna vaovao tao amin’ny faritanin’ny Joda sy Benjamina. Mbola mpanjakan’ireo foko ireo mantsy izy. Nisy tanàna maromaro “nohamafisiny tsara” koa. (2 Tan. 11:5-12) Lasa “nanohana an’i Rehoboama” koa ny olona maro tany amin’ilay fanjakana tany avaratra. Nankany Jerosalema izy ireo mba hanompo an’i Jehovah. Lasa nanompo sampy mantsy ny foko folo tany avaratra. (2 Tan. 11:16, 17) Nihanatanjaka àry ny fanjakan’i Rehoboama rehefa nankatò an’i Jehovah sy ny lalàny izy. Tsy naharitra anefa izany.

NANOTA DIA NIBEBAKA

Nisy zavatra tsy mampino nataon’i Rehoboama anefa, rehefa lasa mafy orina ny fanjakany. Lasa nanompo sampy izy fa tsy nanaraka ny lalàn’i Jehovah intsony. Asa raha notaomin’ny reniny izy. Amonita mantsy ny reniny. (1 Mpanj. 14:21) Tsy fantatsika hoe inona no nahatonga azy hivadika. Fantatsika kosa hoe lasa nanompo sampy daholo koa ilay firenena manontolo. Navelan’i Jehovah nalain’i Sisaka mpanjakan’i Ejipta àry ny tanàna maro tany Joda, na dia efa nohamafisin’i Rehoboama aza izy ireny.—1 Mpanj. 14:22-24; 2 Tan. 12:1-4.

Niharatsy ny toe-draharaha rehefa nitady hanafika an’i Jerosalema, toerana nanjakan’i Rehoboama, i Sisaka. Naniraka an’i Semaia mpaminany i Jehovah mba hilaza an’izao taminy sy ny andrianany: “Ianareo efa nahafoy ahy, ka mba afoiko koa ho eo an-tanan’i Sisaka.” Inona no nataon’i Rehoboama rehefa naheno an’izany? Hoy ny Baiboly: “Nanetry tena ny mpanjaka sy ny andrianan’ny Israely, ka nanao hoe: ‘Rariny ny an’i Jehovah.’” Navotan’i Jehovah àry i Rehoboama sy Jerosalema.—2 Tan. 12:5-7, 12.

Mbola mpanjakan’ny Joda i Rehoboama taorian’izay. Nizarany fanomezana be dia be ireo zanany lahy maro be, talohan’ny hahafatesany. Amin’izay angamba izy ireo tsy mikomy amin’i Abia rahalahin’izy ireo. Izy mantsy no handimby azy. (2 Tan. 11:21-23) Nahira-tsaina i Rehoboama tamin’izay, fa tsy hoatran’ny taloha.

NANAO NY TSARA SA NANAO NY RATSY?

Tsy nankasitrahan’i Jehovah anefa i Rehoboama, na dia nanao zavatra tsara ihany aza. “Nanao izay ratsy” izy, hoy ny Baiboly, “satria tsy tena tapa-kevitra tamin’ny fony manontolo ny hitady an’i Jehovah.”—2 Tan. 12:14.

Tsy nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Rehoboama, tsy mba hoatran’i Davida Mpanjaka

Inona àry no azontsika ianarana avy amin’izany? Nankatò an’Andriamanitra i Rehoboama indraindray. Nanao zavatra tsara ho an’ny vahoakany koa izy. Tsy nifandray akaiky tamin’i Jehovah anefa izy, ary tsy tena te hampifaly azy. Izany no nahatonga azy hanao ratsy sy hanompo sampy. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Inona izany no tena nahatonga an’i Rehoboama nanaiky nahitsin’i Jehovah? Tena nanenina tamin’izay nataony ve izy dia te hampifaly an’i Jehovah? Sa nampirisihin’ny olona fotsiny izy dia nanaiky?’ (2 Tan. 11:3, 4; 12:6) Nanao ratsy indray izy tatỳ aoriana. Tena tsy hoatran’i Davida raibeny izy. Marina fa nanota i Davida, kanefa tena tia an’i Jehovah izy, dia tena nibebaka, ary nanohana ny fivavahana marina.—1 Mpanj. 14:8; Sal. 51:1, 17; 63:1.

Mandray lesona avy amin’i Rehoboama isika. Tena tsara ny hoe mamelona fianakaviana sy miezaka mba hahavita zavatra tsara. Raha tiantsika anefa ny hankasitrahan’Andriamanitra, dia mila manohana ny fivavahana marina isika ary tsy miala amin’izy io. Izay no tokony hataontsika loha laharana.

Hahavita an’izany isika raha tia be an’i Jehovah. Toy ny afo ny fitiavantsika azy. Mila ampiana kitay ny afo mba hirehitra foana. Raha tiantsika koa ny ho tia an’i Jehovah foana, dia mila mianatra tsy tapaka ny Teniny sy misaintsaina an’izay novakintsika isika ary tsy mitsahatra mivavaka. (Sal. 1:2; Rom. 12:12) Vao mainka isika te hampifaly an’i Jehovah amin’izay rehetra ataontsika, rehefa tia azy. Raha sendra manao zavatra tsy mety isika, dia handrisika antsika hibebaka amin’ny fo manontolo ny fitiavantsika an’i Jehovah. Tsy hanao hoatran’i Rehoboama isika, fa hanohana foana ny fivavahana marina.—Joda 20, 21.

^ feh. 9 Efa nilaza i Jehovah hoe hizara roa ilay fanjakana, satria nivadika taminy i Solomona.—1 Mpanj. 11:31.