Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Misy Vokany ny Fiarahabana

Tena Misy Vokany ny Fiarahabana

“MANAHOANA! Fahasalamana?”

Azo antoka fa miteny hoatr’izany ianao matetika rehefa miarahaba olona. Mety handray tanana azy mihitsy aza ianao. Samy manana ny zavatra ataony sy ny teny lazainy ny olona any amin’ny faritra samy hafa, rehefa mifampiarahaba. Misy, ohatra, mifamihina. Saika mitovy daholo anefa ny tanjona amin’ilay izy. Mety hoheverin’ny olona hoe tsy tia azy na tsy mahalala fomba ianao raha tsy miarahaba azy na tsy mamaly rehefa arahabainy.

Tsy ny olon-drehetra anefa no zatra miarahaba olona. Misy, ohatra, saro-kenatra na mieritreritra ny tenany ho tsy misy dikany, dia tsy sahy manao an’izany. Tsy mora amin’ny olona sasany koa ny miarahaba olona tsy mitovy firazanana, na kolontsaina, na fari-piainana aminy. Na teny kely fotsiny aza anefa no lazaintsika, dia efa mety hisy vokany tena tsara.

Eritrereto àry izao: ‘Inona no mety ho vokany raha miarahaba olona aho? Inona no resahin’ny Tenin’Andriamanitra momba an’izany?’

ARAHABAO NY “KARAZAN’OLONA REHETRA”

I Kornelio no olona tsy jiosy voalohany lasa Kristianina. Nandray tsara azy ny apostoly Petera tamin’izay dia niteny hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” (Asa. 10:34) Nilaza koa i Petera tatỳ aoriana fa tian’Andriamanitra “ho tonga amin’ny fibebahana” ny olona rehetra. (2 Pet. 3:9) Ny olona vao mianatra ny fahamarinana ihany angamba no tonga ao an-tsaintsika, rehefa mamaky an’ireo andininy ireo isika. Nilaza toy izao tamin’ny Kristianina koa anefa i Petera: “Hajao ny karazan’olona rehetra, tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” (1 Pet. 2:17) Tsy midika ve izany hoe tokony hiarahaba ny olona rehetra isika, na inona na inona firazanany na kolontsainy na fiaviany? Tia sy manaja azy ireny isika raha manao an’izany.

Hoy koa ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina: “Nandray tsara antsika i Kristy, koa mifandraisa tsara tahaka izany koa ianareo.” (Rom. 15:7) Nilaza i Paoly fa “nanampy sy nankahery” azy ny rahalahy sasany. Raha i Paoly aza nila fampaherezana, tsy mainka ve fa isika vahoakan’i Jehovah ankehitriny? Tena mampijaly antsika mantsy i Satana amin’izao.—Kol. 4:11; Apok. 12:12, 17.

Misy tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho fa tsy hoe faly fotsiny ny olona rehefa arahabaina, fa mandray soa hafa koa.

MANDRAY SOA NY OLONA REHEFA ARAHABAINA

Naniraka anjely hiresaka tamin’i Maria i Jehovah, rehefa hafindra tao an-kibon’i Maria ny ain’ny Zanany. Vao nahita azy ilay anjely dia nilaza hoe: “Arahaba, ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah momba anao.” “Taitra mafy” i Maria satria tsy azony hoe fa maninona no nisy anjely niresaka taminy. Hoy àry ilay anjely: “Aza matahotra, ry Maria, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra ianao.” Nohazavainy taminy hoe izy no tian’Andriamanitra hiteraka ny Mesia. Tsy natahotra intsony àry i Maria, fa nanaiky ny teniny dia nilaza hoe: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao!”—Lioka 1:26-38.

Tombontsoa be tamin’ilay anjely ny hoe nirahin’i Jehovah hampita hafatra. Tsy nieritreritra mihitsy anefa izy hoe hanambany azy ny hiresaka amin’olona tsy lavorary. Niarahaba an’i Maria izy talohan’ny hiresahana taminy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony hazoto hiarahaba olona sy hampahery azy isika. Na teny vitsivitsy fotsiny aza no lazaintsika, dia efa mety hanampy ny hafa. Hahatonga azy hatoky izany hoe tena anisan’ny vahoakan’i Jehovah izy.

Lasa nahafantatra olona maro tany amin’ny fiangonana tany Azia Minora sy Eoropa i Paoly. Nanao mampamangy olona maro izy tao amin’ny taratasy nosoratany, ary notononiny mihitsy ny anaran’ireny olona ireny. Diniho, ohatra, ny Romanina toko faha-16. Niresaka an’i Foiby “anabavintsika” izy ao. Nampirisika an’ireo mpiray finoana taminy izy mba ‘handray tsara azy ao amin’ny Tompo, araka izay mendrika handraisana ny olona masina, ary mba hanampy azy amin’izay ilany’ azy ireo. Nanao mampamangy an’i Priska sy Akoila koa i Paoly. Nilaza izy hoe ‘tsy izy ihany no misaotra’ azy ireo “fa ny fiangonana rehetra any amin’ny hafa firenena koa.” Nanao mampamangy olona tsy fantatsika koa izy, anisan’izany i Tryfena sy Tryfosa, ‘vehivavy niasa mafy tao amin’ny Tompo.’ Hoy koa izy: “Mampamangy any amin’i Epaineto malalako.” Hita amin’izany àry fa nazoto nampitondra firarian-tsoa ho an’ireo rahalahy sy anabavy i Paoly.—Rom. 16:1-16.

Azo antoka fa faly be izy ireo hoe nisy nahatsiaro, ary vao mainka nampifankatia azy ireo izany. Lasa tian’izy ireo be koa i Paoly. Azo antoka koa hoe nampahery an’ireo Kristianina hafa izany, ka lasa nanana finoana matanjaka foana izy ireo. Hita avy amin’izany àry fa vao mainka hifankatia sy hiray saina ny mpanompon’i Jehovah, raha mifampiarahaba sady midera ny mpiray finoana aminy ary mampiseho hoe tena tia azy.

Rehefa tonga tany amin’ny seranan-tsambo tany Potioly i Paoly, tamin’izy ho any Roma, dia tonga nitsena azy ny Kristianina tany Potioly. Raha vao nahatazana an-dry zareo avy lavitra izy, dia ‘nisaotra an’Andriamanitra ary nihanahery.’ (Asa. 28:13-15) Mitsiky na manofahofa tanana fotsiny indraindray no mba azontsika atao rehefa miarahaba. Na izany fotsiny aza anefa dia efa mety hampahery olona, ohatra hoe olona kivy na malahelo.

SAMY MPANOMPON’I JEHOVAH

Nila nanome torohevitra hentitra ho an’ny Kristianina sasany i Jakoba mpianatra. Nivadika tamin’Andriamanitra mantsy izy ireo satria lasa ninamana tamin’izao tontolo izao, ka toy ny hoe nanitsakitsa-bady. (Jak. 4:4) Mariho anefa izay nolazain’i Jakoba voalohany tamin’izy nanoratra taratasy ho azy ireo:

“Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo, miarahaba ny foko roa ambin’ny folo any am-pielezana.” (Jak. 1:1) Azo antoka fa mora tamin’izy ireo ny nanaiky ny torohevitr’i Jakoba rehefa hitan’izy ireo tamin’ny teniny fa mitovy ihany ry zareo eo anatrehan’Andriamanitra. Raha hita amin’ny zavatra lazaintsika rehefa miarahaba àry fa manetry tena isika, dia mety handeha tsara ny resaka avy eo, na resaka matotra be aza ilay izy.

Tokony ho tena vokatry ny fo anefa ny zavatra lazaintsika rehefa miarahaba olona, na dia fohy aza ilay izy. Tokony ho hita koa hoe tena tiantsika ilay olona. Hisy vokany tsara ilay izy amin’izay. Izany foana no tokony hataontsika, na dia hoatran’ny hoe tsy miraharaha an’ilay fiarahabantsika aza ny olona. (Mat. 22:39) Efa hanomboka, ohatra, ny fivoriana vao tonga ny anabavy iray tany Irlandy. Tamin’izy maika hamonjy toerana iny no nitodika ny rahalahy iray, dia nitsiky sady nilaza hoe: “Manahoana! Tena faly aho mahita anao.” Tsy namaly ilay anabavy fa lasa nipetraka.

Nanatona an’ilay rahalahy izy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nilaza hoe nisy olana nahakivy azy tany an-tranony tamin’ireny. Hoy izy: “Kivy be aho tamin’iny hariva iny, dia efa saika tsy hivory. Zara raha nisy niditra ny lohako ny fivoriana, fa ilay teninao no tena tadidiko. Tena nahatsiaro hoe tonga soa aho tamin’iny. Misaotra anao.”

Tamin’izay vao fantatr’ilay rahalahy hoe hay nisy vokany tsara ny teny vitsivitsy nolazainy tamin’izy niarahaba an’ilay anabavy. Hoy izy: “Rehefa niteny tamiko ilay anabavy hoe tena nampahery azy ny teniko, dia tena faly aho niezaka niarahaba azy.”

Hoy i Solomona: “Alefaso eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao indray izy rehefa afaka andro maro.” (Mpito. 11:1) Handray soa ny olona, indrindra fa ny mpiara-manompo, raha mitadidy isika hoe zava-dehibe ny miarahaba. Na ianao koa aza handray soa amin’izany. Tadidio àry fa tena misy vokany tsara ny fiarahabana.