Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitrahan’i Jehovah Izay Mifehy Tena

Ankasitrahan’i Jehovah Izay Mifehy Tena

“Nisy havanay izay nila ady tamiko dia tonga dia nokendaiko. Te hamono azy aho tamin’izay.”—Paul.

“Raha vao nisy zavatra kely nahasosotra ahy fotsiny tao an-trano, dia tonga aho dia tezitra be. Nopotehiko daholo izay voarain’ny tanako na fanaka na kilalaon-janako.”—Marco.

Marina fa mety tsy hanao zavatra ratsy be hoatran’ireo isika. Sarotra amintsika rehetra anefa ny mifehy tena indraindray. Nandova ota avy tamin’i Adama mantsy isika ka mora manao ratsy, dia izay no tena mahatonga an’ilay izy ho sarotra. (Rom. 5:12) Misy, ohatra, tsy mahafehy ny hatezerany, hoatran’i Paul sy Marco. Ny sasany indray tsy mahavita mifehy ny zavatra eritreretiny. Zavatra mampahatahotra na mahakivy foana, ohatra, no ao an-tsainy. Misy koa tsy mahavita mifehy ny faniriany hanao firaisana, na hisotro toaka, na hampiasa zava-mahadomelina.

Mety ho simba anefa ny fiainan’izay olona tsy mifehy ny eritreriny sy ny faniriany ary ny zavatra ataony. Inona àry no azontsika atao mba hisorohana an’izany? Mila miezaka mifehy tena isika. Handinika fanontaniana telo isika ato: 1) Inona no atao hoe mifehy tena? 2) Nahoana izany no tena ilaina? 3) Ahoana no hananana an’io toetra anisan’ny “vokatry ny fanahy” io? (Gal. 5:22, 23) Hojerentsika avy eo hoe inona no azontsika atao raha sendra tsy nahafehy tena isika.

INONA NO ATAO HOE MIFEHY TENA?

Tsy baikoin’ny fihetseham-po sy ny faniriana ny olona mahafehy tena. Miezaka kosa izy mba tsy hilaza na hanao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra.

Tena nifehy tena i Jesosy

Nasehon’i Jesosy hoe hoatran’ny ahoana izany mifehy tena izany. Hoy ny Baiboly: “Tsy mba nanevateva izy rehefa nisy nanevateva, ary tsy mba nandrahona rehefa nijaly, fa nanankina foana ny fiainany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.” (1 Pet. 2:23) Nahavita nifehy tena hoatr’izany i Jesosy rehefa naneso azy ny olona, tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana. (Mat. 27:39-44) Nahafehy tena koa izy talohan’izay, rehefa nisy mpitondra fivavahana nitady hamandrika azy tamin’ny teniny. (Mat. 22:15-22) Tsy izay ihany fa tsy namaly faty izy rehefa tezitra taminy ny Jiosy sasany ka nitady hitora-bato azy. Lasa kosa izy ‘niafina ary niala tao amin’ny tempoly.’—Jaona 8:57-59.

Marina fa tsy hahavita hifehy tena tanteraka hoatran’i Jesosy isika. Hoy anefa ny apostoly Petera: “Na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.” (1 Pet. 2:21) Hita amin’izany fa afaka manaraka akaiky ny ohatra navelan’i Jesosy isika ka hifehy tena, na dia tsy lavorary aza.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Mila mifehy tena isika raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah. Na efa ela aza isika no nanompo azy, dia mety tsy hinamana aminy intsony raha tsy mitandrina an’izay ataontsika sy lazaintsika.

Eritrereto i Mosesy. Izy no “lehilahy be fandeferana indrindra” tamin’ny androny. (Nom. 12:3) Nahavita niaritra sy nanam-paharetana izy rehefa nimenomenona taminy nandritra ny taona maro ny Israelita. Tsy nahafehy tena anefa izy indray mandeha, dia tezitra be. Nitaraina indray mantsy ny Israelita tamin’izay hoe ory rano. Nasiaka tamin-dry zareo izy dia niteny hoe: “Mihainoa, ry mpikomy! Tsy maintsy mamoaka rano ho anareo avy amin’ity vatolampy ity angaha izahay?”—Nom. 20:2-11.

Tsy nahavita nifehy tena i Mosesy. I Jehovah no nanao fahagagana mba hanomezana rano an-dry zareo, nefa tsy mba nanome voninahitra azy i Mosesy. (Sal. 106:32, 33) Tsy navelan’i Jehovah hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina àry izy. (Nom. 20:12) Azo antoka fa nanenina mandra-pahafatiny i Mosesy hoe tsy nahavita nifehy tena.—Deot. 3:23-27.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hoe na dia efa ela aza isika no tao amin’ny fahamarinana, dia tokony hohajaintsika foana ny hafa na dia mahasosotra antsika aza na mila ahitsy. (Efes. 4:32; Kol. 3:12) Marina hoe lasa tsy dia manam-paharetana isika indraindray rehefa mihantitra. Tadidio anefa i Mosesy. Tsy ho tiantsika mihitsy raha very maina ny ezaka nataontsika nandritra ny taona maro mba tsy hivadihana, satria tsy nahavita nifehy tena indray mandeha fotsiny isika. Inona àry no azontsika atao mba hananana an’io toetra tena ilaina io?

INONA NO HANAMPY ANTSIKA?

Mivavaha mba hahazo fanahy masina. Fa maninona? Satria anisan’ny vokatry ny fanahy ny fifehezan-tena, ary omen’i Jehovah ny fanahiny izay mangataka azy io. (Lioka 11:13) Rehefa omen’i Jehovah ny fanahiny isika, dia mahazo ny hery ilaina ka hahavita hifehy tena. (Fil. 4:13) Afaka manampy antsika koa i Jehovah mba hanana an’ireo toetra hafa anisan’ny vokatry ny fanahy, ohatra hoe ny fitiavana. Ho mora kokoa amintsika ny hifehy tena rehefa manam-pitiavana isika.—1 Kor. 13:5.

Mitandrema amin’izay rehetra mety hanasarotra ny ady ataonao

Mitandrema amin’izay rehetra mety hanasarotra ny ady ataonao. Rehefa mampiasa Internet ianao na miala voly, dia tandremo sao misy fitondran-tena maloto ilay izy. (Efes. 5:3, 4) Tokony hohalavirinao mihitsy aza izay rehetra mety hahatonga anao hanao ratsy. (Ohab. 22:3; 1 Kor. 6:12) Ahoana, ohatra, raha mora manana fanirian-dratsy ny olona iray? Tsara raha tsy mamaky boky na mijery filma misy tantaram-pitiavana mihitsy izy.

Mety ho sarotra ny hanaraka an’izany torohevitra izany. Homen’i Jehovah ny hery ilaina anefa isika raha miezaka, ka hahavita hifehy tena. (2 Pet. 1:5-8) Hampiany isika mba hahavita hifehy ny eritreritsika sy izay lazaintsika ary ataontsika. Hoatr’izany i Paul sy Marco, izay noresahina tetsy aloha. Nianatra nifehy ny hatezerany ry zareo. Mora tezitra koa ny rahalahy iray rehefa mitondra aotomobilina. Indraindray aza izy lasa miady aman’olona mihitsy. Ahoana no nataony? Hoy izy: “Nivavaka mafy aho isan’andro, dia nianatra lahatsoratra momba ny fifehezan-tena. Nataoko an-tsaina foana koa izay andinin-teny mety hanampy ahy amin’izany. Efa aman-taonany aho izao no niezaka hifehy tena, nefa mbola mila mitadidy foana aho isa-maraina hoe mila tony aho androany. Miala aloha koa aho isaky ny misy fotoana hovonjeko, amin’izay aho tsy mirotoroto.”

AHOANA RAHA SENDRA SOLAFAKA?

Tsy mahavita mifehy tena isika indraindray. Rehefa mitranga izany, dia mety ho menatra be isika ka tsy ho sahy hiresaka amin’i Jehovah. Amin’izay mihitsy anefa isika no tena mila mivavaka. Tonga dia mivavaha amin’i Jehovah àry. Mitalahoa aminy mba hamela ny fahadisoanao, dia angataho izy hanampy anao ary miezaha mafy mba tsy hamerina intsony. (Sal. 51:9-11) Aza mieritreritra hoe tsy hihaino ny vavaka vokatry ny fo ataonao izy. (Sal. 102:17) Nilaza ny apostoly Jaona hoe “manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” ny ran’ny Zanak’Andriamanitra. (1 Jaona 1:7; 2:1; Sal. 86:5) Tadidio koa fa asain’i Jehovah mamela heloka foana ny mpanompony. Afaka matoky àry isika fa hanao an’izany amintsika koa izy.—Mat. 18:21, 22; Kol. 3:13.

Tsy faly tamin’i Mosesy i Jehovah rehefa tsy nahafehy tena izy tany an-tany efitra. Na izany aza, dia namela ny helony i Jehovah. Milaza mihitsy aza ny Teniny hoe tena miavaka ny finoan’i Mosesy, ka tokony hotahafintsika. (Deot. 34:10; Heb. 11:24-28) Marina fa tsy navelan’i Jehovah hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina i Mosesy. Havelany hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany anefa izy, ary ho afaka hiaina mandrakizay mihitsy. Hoatr’izany koa ny hoavy miandry antsika raha miezaka mafy foana isika mba hifehy tena.—1 Kor. 9:25.