Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 24

“Ataovy Izay Hatahorako ny Anaranao Amin’ny Foko Manontolo”

“Ataovy Izay Hatahorako ny Anaranao Amin’ny Foko Manontolo”

“Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo. Midera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah Andriamanitro ô!”—SAL. 86:11, 12.

HIRA 7 Jehovah, Herinay sy Tanjakay

HO HITANAO ATO *

1. Inona no atao hoe tahotra an’Andriamanitra? Nahoana no mila an’io tahotra io izay tia an’i Jehovah?

TIA an’Andriamanitra ny Kristianina sady matahotra azy. Hoatran’ny mifanipaka izany amin’ny olona sasany. Tsy tahotra mampihorohoro anefa no tiana horesahina amin’ilay hoe tahotra an’Andriamanitra. Hafa mihitsy izy io. Manaja lalina an’Andriamanitra ny olona manana azy io. Tsy te hanao zavatra mampalahelo an’ilay Rainy any an-danitra izy, satria tsy tiany ho simba ny fifandraisany aminy.—Sal. 111:10; Ohab. 8:13.

2. Inona no horesahina ato, mifandray amin’ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 86:11?

2 Vakio ny Salamo 86:11. Rehefa dinihina ireo tenin’i Davida Mpanjaka ireo, dia hita hoe azony tsara fa tena ilaina ny tahotra an’Andriamanitra. Ahoana no azo ampiharana an’ireo teniny ireo? Fa maninona isika no tokony hanaja lalina ny anaran’Andriamanitra? Ary ahoana no ampisehoana an’izany eo amin’ny fiainantsika isan’andro? Handinika an’ireo isika ato.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAJA LALINA NY ANARAN’I JEHOVAH?

3. Inona no mety ho nahatonga an’i Mosesy hanaja lalina ny anaran’Andriamanitra foana?

3 Niforitra kely tao anaty lava-bato i Mosesy indray mandeha, dia nahita ny voninahitr’i Jehovah rehefa avy nandalo teo anatrehany ilay izy. Mba ahoana re no tsapany tamin’izay e? Resahin’ny Fandalinana ny Soratra Masina hoe ‘mbola tsy nisy olona niaina zavatra faran’izay nampitolagaga toy izany’ mihitsy angamba “talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy teto an-tany.” Naheno an’izao i Mosesy avy eo: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana.” (Eks. 33:17-23; 34:5-7) Azo inoana hoe anjely no niteny an’ireo. Tadidin’i Mosesy foana angamba io zavatra niainany io rehefa nanonona an’ilay anarana hoe Jehovah izy. Tsy mahagaga raha nampirisika ny Israelita izy tatỳ aoriana ‘mba hatahotra an’io anarana be voninahitra sy mendrika hatahorana io.’—Deot. 28:58.

4. Inona no tokony hosaintsainintsika raha te hanaja kokoa an’i Jehovah isika?

4 Rehefa mieritreritra ny anaran’i Jehovah isika, dia tokony hosaintsainintsika koa hoe hoatran’ny ahoana ny toetrany. Mahery sy hendry, ohatra, izy ary manao ny rariny sy be fitiavana. Hanaja lalina azy isika rehefa misaintsaina an’ireo sy ny toetrany hafa.—Sal. 77:11-15.

5-6. a) Inona no dikan’ny anaran’Andriamanitra? b) Nahoana i Jehovah no mahavita an’izay tiany hatao, rehefa jerena ny Eksodosy 3:13, 14 sy ny Isaia 64:8?

5 Inona no dikan’ny anaran’Andriamanitra? Betsaka ny manam-pahaizana milaza fa mety hidika izy io hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Mampahatsiahy antsika izany fa tsy misy mahasakana azy tsy hanatanteraka ny sitrapony, ary vitany foana izay tiany hatao. Nahoana?

6 Mahavita an’izany izy satria afaka miovaova araka izay ilaina mba hanatanterahana ny fikasany. (Vakio ny Eksodosy 3:13, 14.) Matetika isika no ampirisihana mba hisaintsaina an’izany. Tsy izay ihany anefa no vitan’i Jehovah. Vitany koa ny manao izay hahatonga antsika hiovaova araka izay ilaina, mba hahafahantsika hanompo azy sy hanatanteraka an’izay kasainy. (Vakio ny Isaia 64:8.) Tsy misy mahasakana azy tsy hahavita an’izay tiany hatao.—Isaia 46:10, 11.

7. Inona no hanampy antsika hanaja kokoa an’ilay Raintsika any an-danitra?

7 Vao mainka isika hanaja an’ilay Raintsika, raha misaintsaina hoe inona no efa nataony ary inona no vitantsika noho isika nampiany. Rehefa misaintsaina momba ny zavatra noforonin’i Jehovah, ohatra, isika dia miaiky hoe tena mahavariana izy ireny. (Sal. 8:3, 4) Nampian’i Jehovah koa isika ka nahavita zavatra miavaka mba hanatanterahana ny sitrapony. Rehefa misaintsaina an’izany isika, dia lasa manaja lalina azy. Tena mendrika ny hohajaina àry ny anaran’i Jehovah! Mahalaza an’izay rehetra momba an’ilay Raintsika sy izay rehetra efa nataony ary mbola hataony io anarana io.—Sal. 89:7, 8.

“HANAMBARA NY ANARAN’I JEHOVAH AHO”

Namelombelona ny fampianaran’i Mosesy. Ny anaran’i Jehovah sy ny toetrany no tena nasongadiny (Fehintsoratra 8) *

8. Tian’i Jehovah hataon’ny mpanompony ahoana ny anarany, araka ny Deoteronomia 32:2, 3?

8 Nampianarin’i Jehovah tononkira iray i Mosesy, taloha kelin’ny nidiran’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina. (Deot. 31:19) I Mosesy indray avy eo no nampianatra an’ilay hira tamin’ny vahoaka. (Vakio ny Deoteronomia 32:2, 3.) Rehefa dinihina ny andininy faha-2 sy faha-3, dia hita hoe tsy tian’i Jehovah hafenina ny anarany. Tsy tiany raha mieritreritra ny olona hoe masina loatra izy io ka tsy azo tononina. Tiany ho fantatry ny rehetra ny anarany. Sambatra ny Israelita naheno an’i Mosesy nampianatra an-dry zareo momba an’i Jehovah sy ilay anarany miavaka! Nampahery sy namelombelona an-dry zareo ny zavatra nampianarin’i Mosesy, hoatran’ny erika eny amin’ny zavamaniry. Inona no azo atao mba ho hoatr’izany koa ny zavatra ampianarintsika?

9. Ahoana no azontsika atao mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah?

9 Rehefa manompo isika, dia afaka mampiasa Baiboly mba hampisehoana amin’ny olona hoe i Jehovah no anaran’Andriamanitra. Azontsika omena boky na gazety izy, na ampisehoana video, na omena zavatra avy ao amin’ny tranonkalantsika. Mety hahita hirika hiresahana momba an’ilay Andriamanitra tiantsika sy ny toetrany koa isika, rehefa any am-piasana na any am-pianarana na rehefa manao dia lavitra. Azontsika resahina amin’ny olona, ohatra, ny hoavy tsara be ampanantenain’i Jehovah antsika sy hoe hataony ahoana ny tany. Mety ho amin’izay mihitsy ry zareo vao hahafantatra hoe hay i Jehovah tena tia antsika. Manamasina ny anaran’Andriamanitra koa isika rehefa mampahafantatra ny marina momba azy. Manampy azy ireo hahita isika hoe nampianarina zavatra diso momba an’Andriamanitra ry zareo. Tsy hahita zavatra mampahery sy mamelombelona hoatr’izany ry zareo!—Isaia 65:13, 14.

10. Nahoana no tsy ampy ny mampianatra ny olona momba ny lalàn’Andriamanitra?

10 Tokony hampiantsika ny olona ampianarintsika Baiboly mba hahafantatra ny anaran’Andriamanitra sy hampiasa an’izany. Tokony hampiantsika koa izy mba hahafantatra ny mombamomba an’i Jehovah. Hahavita an’izany ve anefa isika, raha ny didiny sy ny fitsipiny fotsiny no ampianarintsika? Mety hianatra tsara ilay olona, dia lasa mahalala ny lalàn’Andriamanitra ary manaiky hoe tena tsara ilay izy. Inona anefa no mety ho antony hankatoavany an’i Jehovah raha izany? Fitiavana ve? Tadidio fa nahafantatra ny lalàn’Andriamanitra i Eva, nefa tsy tena tia azy. Hoatr’izany koa i Adama. (Gen. 3:1-6) Tsy ampy àry ny mampianatra ny olona momba ny lalàn’Andriamanitra.

11. Ahoana no hanampiana ny mpianatra Baiboly mba ho tia an’i Jehovah?

11 Mahasoa foana ny fitsipik’i Jehovah sy ny lalàny. (Sal. 119:97, 111, 112) Mety tsy ho hoatr’izany anefa no fahitan’ilay mpianatra azy ireny, raha tsy azony hoe fitiavana no mahatonga an’i Jehovah hanome lalàna antsika. Rehefa mampianatra momba ny fitsipiny àry isika, dia tsara ny manontany an’ilay mpianatra hoe: “Araka ny hevitrao, fa maninona isika no asain’i Jehovah manao an’izany?”, na hoe: “Fa maninona isika no rarany tsy hanao an’izany?” Azontsika anontaniana izy avy eo hoe: “Inona no toetran’i Jehovah hitanao avy amin’izany?” Ho mora kokoa amintsika ny hanohina ny fony, raha ampiantsika izy mba hieritreritra an’i Jehovah sy ho tena tia an’ilay anarany miavaka. Tsy ilay lalàna fotsiny no ho tiany amin’izay fa ilay nanome an’ilay izy koa. (Sal. 119:68) Hihamatanjaka ny finoany ka hahavita hiaritra fitsapana mafy izy.—1 Kor. 3:12-15.

‘HANDEHA AMIN’NY ANARAN’I JEHOVAH ANDRIAMANITSIKA ISIKA’

Navelan’i Davida ho voazarazara ny fony indray mandeha (Fehintsoratra 12)

12. Inona no mampiseho hoe navelan’i Davida ho voazarazara ny fony indray mandeha? Inona no vokatr’izany?

12 Tena zava-dehibe ilay tenin’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 86:11 hoe: “Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.” Hitany tamin’ny zavatra niainany mantsy hoe mora voazarazara ny fo. Teny an-tampon-trano izy indray mandeha, dia nahita vadin’olona nandro. Batseba no anaran’ilay vehivavy. Natahotra an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo ve izy tamin’izay? Sa voazarazara ny fony? Fantany ny lalàn’i Jehovah hoe: “Aza mitsiriritra vadin’olona.” (Eks. 20:17) Toa mbola nijery an’i Batseba ihany anefa izy, ka lasa voazarazara ny fony. Sady te hanao firaisana tamin’i Batseba izy, no te hampifaly an’i Jehovah. Marina fa efa hatramin’ny ela i Davida no tia an’i Jehovah sy natahotra azy. Resin’ny faniriany anefa izy tamin’io satria tia tena ka lasa nanao ratsy. Nanala baraka ny anaran’i Jehovah àry izy. Nijaly koa ny olona tsy nanan-tsiny vokatry ny nataony, anisan’izany ny fianakaviany.—2 Sam. 11:1-5, 14-17; 12:7-12.

13. Ahoana no ahitantsika fa tsy voazarazara intsony ny fon’i Davida tatỳ aoriana?

13 Nahitsin’i Jehovah i Davida ka nifandray tsara taminy indray. (2 Sam. 12:13; Sal. 51:2-4, 17) Tadidiny hoe nijaly sy nahita olana izy rehefa namela ny fony ho voazarazara. Azo adika hoatr’izao koa ilay teniny ao amin’ny Salamo 86:11: “Omeo fo tsy voazarazara aho.” Nampian’i Jehovah ve izy? Izany mihitsy! Nilaza ny Baiboly tatỳ aoriana hoe “nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony.”—1 Mpanj. 11:4; 15:3.

14. Inona no tokony hoeritreretintsika, ary nahoana?

14 Mampahery ny ohatr’i Davida nefa mampisaintsaina koa, satria lasa nanao fahotana lehibe izy. Tena mila mitandrina àry isika. Na efa ela isika no nanompo an’i Jehovah na vao haingana, dia mila mieritreritra hoe: ‘Tsy avelako hampizarazara ny foko mihitsy ve i Satana?’

Hanao izay rehetra azony atao i Satana mba hahatonga ny fonao ho voazarazara. Aza avela handresy mihitsy anefa izy! (Fehintsoratra 15-16) *

15. Nahoana ny tahotra an’Andriamanitra no hiaro antsika rehefa mahita sary manaitaitra filan’ny nofo isika?

15 Ahoana, ohatra, raha mahita sary amin’ny tele na ao amin’ny Internet ianao, ary mety hanaitaitra ny filan’ny nofo ilay izy? Mety hanamaivana an’ilay izy ianao ka hieritreritra hoe: ‘Tsy sary vetaveta ange io e!’ Sao dia mba tetika ampiasain’i Satana anefa ilay izy mba hahatonga ny fonao ho voazarazara? (2 Kor. 2:11) Azo oharina amin’ny famaky hamakiana vatan-kazo iray ngezabe io sary io. Tsy tonga dia mitresaka ilay vatan-kazo amin’ny voalohany. Rehefa kapaina imbetsaka anefa ilay izy, dia tsy maintsy hizara ihany amin’ny farany. Dia hoatr’izay koa ny sary manaitaitra ny filan’ny nofo. Hoatran’ny hoe tsy misy vokany eo no ho eo ilay izy. Mety hampizarazara ny fontsika anefa izany, ka hahatonga antsika hanota sy hivadika amin’i Jehovah amin’ny farany. Aza avela hisy zavatra ratsy hiditra ao am-ponao mihitsy àry! Arovy foana ny fonao mba tsy ho voazarazara, fa hatahotra ny anaran’i Jehovah.

16. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika rehefa misy fakam-panahy?

16 Be dia be ny zavatra ampiasain’i Satana mba hakana fanahy antsika, ankoatra ny sary manaitaitra ny filan’ny nofo. Ahoana no ataonao rehefa mitranga izany? Mora ny mieritreritra hoe tsy dia ratsy ireny. Mety hieritreritra, ohatra, ianao hoe: ‘Angaha moa izany olana be? Zavatra tsy mahavoaroaka akory!’ Diso be anefa izany. Tokony hieritreritra kosa ianao hoe: ‘Sao dia tetika ampiasain’i Satana io mba hahatonga ny foko ho voazarazara? Tsy hanala baraka ny anaran’i Jehovah ve aho raha manaiky ho resin’ny fanirian-dratsy ka manao an’io? Hahatonga ahy hinamana kokoa amin’i Jehovah ve izany, sa vao mainka aho hanalavitra azy?’ Mila misaintsaina fanontaniana hoatr’izany ianao. Mivavaha mba homen’i Jehovah fahendrena, amin’izay ianao tsy hamita-tena fa hanaiky ny tena zava-misy. (Jak. 1:5) Tena hiaro anao izany. Hanampy anao hanohitra mafy ny fakam-panahy mantsy izany, hoatran’i Jesosy. Izao no nolazainy: “Mandehana ianao, ry Satana”!—Mat. 4:10.

17. Nahoana no tsy tsara raha voazarazara ny fonao? Hazavao amin’ny ohatra.

17 Tsy tsara raha voazarazara ny fonao. Eritrereto hoe tsy mifanaraka ny ekipa iray mpanao baolina. Ny sasany, ohatra, te hahazo voninahitra ho an’ny tenany fotsiny. Misy koa tsy te hanaraka fitsipi-dalao. Ny hafa indray tsy manaja an’ilay mpanazatra. Azo antoka fa tsy handresy ny ekipa hoatr’izany. Azo inoana kosa hoe handresy ry zareo raha miray hina. Mitovy amin’ilay ekipa mandresy ny fonao raha tsy voazarazara, izany hoe mifanaraka daholo ny eritreritrao sy ny fanirianao ary ny fihetseham-ponao, no sady mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah. Tadidio fa tian’i Satana ho voazarazara ny fonao. Tiany raha tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah ny eritreritrao sy ny fanirianao ary ny fihetseham-ponao. Rehefa tsy voazarazara ihany anefa ny fonao, vao hahavita hanompo an’i Jehovah ianao. (Mat. 22:36-38) Aza manaiky ho resin’i Satana àry!

18. Tapa-kevitra hanao inona ianao, araka ny Mika 4:5?

18 Mivavaha amin’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Davida hoe: “Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.” Miezaha mafy koa mba hanao zavatra mifanaraka amin’izany. Tokony ho tapa-kevitra ianao hoe hanaja lalina ny anarana masin’i Jehovah, ka hampiseho an’izany amin’ny fanapahan-kevitrao isan’andro, na kely na lehibe. Hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah ianao amin’izay satria Vavolombelony. (Ohab. 27:11) Raha manao an’izany isika rehetra, dia ho afaka hiteny hoatran’i Mika mpaminany hoe: ‘Handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika isika.’—Mika 4:5.

HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

^ feh. 5 Hiresaka an’io vavak’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 86:11, 12 io isika ato. Inona no dikan’ny hoe matahotra ny anaran’i Jehovah? Fa maninona isika no tokony hanaja lalina an’io anarana miavaka io? Ary nahoana no miaro antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy ny tahotra an’Andriamanitra?

^ feh. 53 SARY: Nampianarin’i Mosesy hira manome voninahitra an’i Jehovah ny Israelita.

^ feh. 57 SARY: Nanaiky ho resin’ny fanirian-dratsy i Eva. Isika kosa tsy manaiky hijery sary na hafatra mety hahatonga antsika hanana fanirian-dratsy sy hanala baraka ny anaran’Andriamanitra.