Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ireo toetra ao amin’ny Galatianina 5:22, 23 ihany ve no “vokatry ny fanahy”?

Miresaka toetra sivy ireo andinin-teny ireo. Izao no voalaza ao: ‘Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.’ Tsy ireo ihany anefa no toetra tsara azontsika ananana rehefa ampian’ny fanahin’Andriamanitra isika.

Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ao amin’ireo andinin-teny eo alohan’ireo: ‘Ny asan’ny nofo dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny, fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo.’ (Gal. 5:19-21) Ilay teny hoe “ny toy ireo” dia midika hoe afaka nitanisa “asan’ny nofo” ankoatra an’ireo i Paoly, ohatra hoe ireo voaresaka ao amin’ny Kolosianina 3:5. Rehefa avy nitanisa an’ireo toetra sivy anisan’ny vokatry ny fanahy koa izy, dia nilaza hoe “tsy misy lalàna manohitra an’ireo.” Ilay teny grika nadika hoe “tsy misy lalàna manohitra an’ireo”, dia azo adika koa hoe “tsy misy lalàna manohitra ny toetra hoatran’ireo.” Hita amin’izany fa tsy notanisain’i Paoly teo daholo ny toetra tsara rehetra vokatry ny fanahy masina.

Mitombina tsara izany rehefa ampitahaina io lisitra io sy izay nosoratan’i Paoly ho an’ny fiangonana tany Efesosy. Hoy izy: “Ny vokatry ny mazava dia hatsaran-toetra isan-karazany sy fahitsiana ary fahamarinana.” (Efes. 5:8, 9) Tsy “vokatry ny mazava” fotsiny anefa ny hatsaran-toetra, fa vokatry ny fanahy koa. Midika izany hoe na dia tsy voatanisa ao amin’ny Galatianina 5:22, 23 aza ny fahitsiana sy ny fahamarinana, dia azon’i Paoly notanisaina tsara niaraka tamin’ny vokatry ny fanahy hafa.

Mbola manamafy an’izany izay nolazain’i Paoly tamin’i Timoty. Nampirisika azy izy mba ‘hikatsaka ny fahamarinana, ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ary ny fahalemem-panahy.’ (1 Tim. 6:11) Ny telo amin’ireo toetra ireo ihany no lazaina hoe anisan’ny “vokatry ny fanahy”, izany hoe ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahalemem-panahy. Azo antoka anefa hoe nila ny fanahy masina koa i Timoty raha te hikatsaka ny fahamarinana sy hahafoy tena ho an’Andriamanitra ary hanam-paharetana.—Ampitahao amin’ny Kolosianina 3:12; 2 Petera 1:5-7.

Afaka manampy antsika hanana an’ireo toetra sivy resahina ao amin’ny Galatianina 5:22, 23 ny fanahy masina. Tsy ireo toetra ireo ihany anefa no anisan’ny “vokatry ny fanahy”, araka ny hitantsika teo. Misy toetra hafa koa tokony hiezahantsika hananana mba ho lasa Kristianina matotra isika. Amin’izay dia ho vitantsika ny “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.”—Efes. 4:24.