Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 25

“Izaho Mihitsy no Hitady ny Ondriko”

“Izaho Mihitsy no Hitady ny Ondriko”

“Izaho mihitsy no hitady ny ondriko sy hikarakara azy.” —EZEK. 34:11.

HIRA 105 “Andriamanitra dia Fitiavana”

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana i Jehovah no nampitovy ny tenany tamin’ny reny mampinono?

“METY hanadino ny zanany mbola minono ve ny vehivavy?” Nanontany an’izany i Jehovah tamin’ny andron’i Isaia mpaminany. Izao no nolazainy tamin’ny vahoakany avy eo: “Mety hanadino tokoa ireny vehivavy ireny, fa izaho kosa tsy mba hanadino anao.” (Isaia 49:15) Tsy matetika i Jehovah no mampitovy ny tenany amin’ny reny, nefa nataony izany tamin’io. Niresaka momba ny fitiavan’ny reny ny zanany kely izy, mba hampisehoana ny halalin’ny fitiavany ny mpanompony. Izao no nolazain’ny anabavy atao hoe Jasmine: * “Rehefa mampinono ny zanakao ianao dia lasa mifandray akaiky be aminy. Hafa mihitsy io fifandraisana io ary maharitra mandritra ny androm-piainanareo.” Izany koa no tsapan’ny ankamaroan’ny reny.

2. Ahoana no tsapan’i Jehovah rehefa misy zanany iray lasa tsy manompo azy?

2 Fantatr’i Jehovah raha vao tsy mivory sy tsy mitory intsony * ny zanany. Malahelo izy na dia iray fotsiny aza no manao an’izany. Mba eritrereto àry hoe hoatran’ny ahoana ny alahelo tsapany rehefa mahita an’ireo olona an’arivony isan-taona lasa tsy mivory sy tsy mitory intsony.

3. Inona no fanirian’i Jehovah?

3 Betsaka amin’ireny rahalahy sy anabavy malalantsika ireny no miverina amin’ny fiangonana indray. Raisintsika an-tanan-droa izy ireny! Tian’i Jehovah hiverina aminy daholo ny olona tsy mitory intsony, dia izay koa no tiantsika. (1 Pet. 2:25) Fa maninona ry zareo no lasa tsy mivory sy tsy mitory intsony? Ahoana no azontsika anampiana an-dry zareo?

NAHOANA NY OLONA SASANY NO TSY MANOMPO AN’I JEHOVAH INTSONY?

4. Inona no mitranga amin’ny Kristianina sasany?

4 Lasa variana amin’ny asany ny Kristianina sasany. Izany no nanjo an’i Li, rahalahy any Azia Atsimoatsinanana. Hoy izy: “Nandany fotoana sy hery be dia be tamin’ny asako aho. Tena adala mihitsy aho nieritreritra hoe raha mba betsabetsaka ny volako dia ho afaka hanompo an’i Jehovah bebe kokoa aho. Izany no nahatonga ahy hampitombo ny ora niasako. Lasa nanapatapaka fivoriana anefa aho, dia tsy nivory intsony mihitsy tatỳ aoriana. Hoatran’ny hoe natao hisintonana tsikelikely antsika mba tsy hifandray amin’i Jehovah intsony ity tontolo ity.”

5. Inona avy ny olana nahazo ny anabavy iray, ary inona no vokatr’izany teo aminy?

5 Tototry ny olana ny mpiara-manompo sasany. Manan-janaka dimy mianadahy i Annie, anabavy any Grande-Bretagne. Hoy izy: “Vao teraka ny zanako lahy iray dia efa sembana. Voaroaka koa ny zanako vavy iray tatỳ aoriana, dia ny zanako lahy iray hafa indray lasa narary saina. Kivy loatra aho dia tsy nivory intsony sady tsy nitory intsony.” Malahelo an’i Annie sy ny fianakaviany isika, ary malahelo ny mpiara-manompo hafa manana olana hoatr’izany koa.

6. Nahoana no mety hanalavitra ny vahoakan’i Jehovah ny olona iray raha tsy mampihatra ny Kolosianina 3:13?

6 Vakio ny Kolosianina 3:13. Ny mpanompon’i Jehovah sasany indray tafintohina tamin’ny mpiara-manompo. Niaiky ny apostoly Paoly hoe indraindray isika mety ‘hanana antony hitarainana’ momba ny rahalahy na anabavy iray. Angamba aza isika niharan’ny tsy rariny mihitsy. Mety hitana lolompo isika raha tsy mitandrina. Izany anefa no mety hahatonga antsika hanalavitra ny vahoakan’i Jehovah, rehefa mandeha ny fotoana. Eritrereto i Pablo, rahalahy any Amerika Atsimo. Nendrikendrehina ho nanao ratsy izy, dia nisy andraikitra nesorina taminy tao amin’ny fiangonana. Ahoana no nataony? Hoy izy: “Tezitra aho dia niala tsikelikely tamin’i Jehovah.”

7. Inona no vokany rehefa manamelo-tena be loatra ny olona iray?

7 Misy indray nandika ny lalàn’Andriamanitra taloha, dia mbola enjehin’ny eritreriny foana. Mieritreritra izy hoe tsy mendrika ny hotiavin’i Jehovah intsony. Na dia nibebaka sy namindrana fo aza izy, dia mety mbola hieritreritra hoe tsy mendrika ny ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra intsony. Hoatr’izany ny rahalahy atao hoe Francisco. Izao no nolazainy: “Nahazo fananarana aho satria nijangajanga. Mbola nivory ihany aho tamin’ny voalohany, nefa lasa kivy be. Nieritreritra aho hoe tsy mendrika ny ho anisan’ny mpanompon’i Jehovah intsony. Nenjehin’ny eritreritro aho, dia resy lahatra hoe tsy namela ahy i Jehovah. Tsy nivory sy tsy nitory intsony aho tatỳ aoriana.” Ahoana no fahitanao ny rahalahy sy anabavy manana olana hoatran’ireo? Malahelo an-dry zareo ve ianao? Ary i Jehovah? Ahoana no fiheverany an-dry zareo?

TIAN’I JEHOVAH NY ONDRINY

Tena niahy ny ondry very ny mpiandry ondry teo amin’ny Israely (Fehintsoratra 8-9) *

8. Hadinon’i Jehovah ve ny olona nanompo azy taloha? Hazavao.

8 Tsy manadino an’izay nanompo azy taloha i Jehovah, sady tsy manadino an’izay nataon’izy ireo ho azy. (Heb. 6:10) Nanoratra fanoharana tena mahafinaritra i Isaia mba hampisehoana hoe tia sy mikarakara ny vahoakany i Jehovah. Izao no nosoratany: “Toy ny mpiandry ondry izy ka handrasany ny andian’ondriny. Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny.” (Isaia 40:11) Mpiandry Lehibe i Jehovah. Ahoana àry no tsapany raha very ny iray amin’ny ondriny? Niresaka momba ny fihetseham-pon’i Jehovah i Jesosy rehefa nanontany ny mpianany hoe: “Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka nania ny iray, tsy hamela ny sivy amby sivifolo eo an-tendrombohitra ve izy ka handeha hikaroka ilay nania? Ary raha hitany ilay izy, dia lazaiko aminareo tokoa fa iny no hahafaly azy kokoa noho ireo sivy amby sivifolo tsy nania.”—Mat. 18:12, 13.

9. Ahoana no ataon’ny mpiandry tsara rehefa mikarakara ny ondriny? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

9 Fa maninona no mety tsara hoe ampitovina amin’ny mpiandry ondry i Jehovah? Satria tena tia an’ireo ondriny ny mpiandry tsara. Hoatr’izany i Davida. Niady tamin’ny liona sy orsa izy mba hiarovana ny andian’ondriny. (1 Sam. 17:34, 35) Raha manao tsara ny asany ny mpiandry iray dia ho hitany raha misy ondry tsy ao, na dia iray fotsiny aza. (Jaona 10:3, 14) Inona no hataon’ny mpiandry hoatr’izany raha very ny iray amin’ny ondriny? Hamela an’ireo 99 ao am-bala izy na hangataka mpiandry ondry hafa mba hikarakara an-dry zareo, amin’izay ry zareo voaro. Mandeha mitady an’ilay very izy avy eo. Nisy hevi-dehibe tian’i Jesosy hampianarina tamin’izy nilaza an’ilay fanoharana. Hoy izy: “Tsy tian’ny Raiko any an-danitra hisy ho very ny iray amin’ireny madinika ireny.”—Mat. 18:14.

Tena niahy ny ondry very ny mpiandry ondry teo amin’ny Israely (Fehintsoratra 9)

MITADY NY ONDRINY I JEHOVAH

10. Inona no nampanantenain’i Jehovah, araka ny Ezekiela 34:11-16?

10 Tian’i Jehovah isika tsirairay, anisan’izany ny ondry “madinika” niala tamin’ny andian’ondry. Nampanantena izy hoe hitady an’ireo very sy hanampy azy ireo hifandray tsara aminy indray. Izany no nasainy nosoratan’i Ezekiela mpaminany. Nasainy nosoratana koa hoe inona avy no hataony mba hamonjena ny ondriny. (Vakio ny Ezekiela 34:11-16.) Hoatran’ny nataon’ny mpiandry ondry israelita no hataony amin’izany. Voalohany, hitady an’ilay ondry izy. Mety hitaky fotoana sy ezaka be izany. Faharoa, rehefa hitany ilay ondry dia hoentiny miverina ao am-bala. Raha maratra koa ilay ondry na noana, dia hikarakara azy izy sady ho tsara fanahy aminy. Hotsaboiny ny feriny, dia hotrotroiny izy ary homeny sakafo. Hoatran’ireo koa no tokony hataon’ny mpiandry ny “andian’ondrin’Andriamanitra”, rehefa manampy an’izay nanalavitra ny fiangonana. (1 Pet. 5:2, 3) Mitady an’ilay ondry aloha ny anti-panahy, dia avy eo manampy azy hiverina amin’ny andian’ondry, ary maneho fitiavana ka manampy azy hinamana amin’i Jehovah indray. *

11. Inona no fantatry ny mpiandry tsara?

11 Mety ho very ny ondry, ary nahafantatra tsara an’izany ny mpiandry. Raha nisy ondry tafasaraka tamin’ny andiany àry, dia tsara fanahy taminy foana izy fa tsy nampijaly azy. Hoatr’izany no nataon’i Jehovah rehefa nanampy ny mpanompony sasany taloha izy.

12. Ahoana no nataon’i Jehovah tamin’i Jona?

12 Nirahin’i Jehovah i Jona mpaminany nefa nandositra. Na izany aza, dia tsy tonga dia nieritreritra i Jehovah hoe tsy nisy azo nantenaina intsony ny aminy. Hoatran’ny nataon’ny mpiandry tsara kosa no nataony, ka nampiany i Jona rehefa nahita olana. Nataony koa izay hahazoan’i Jona hery mba hahavitany an’izay nanirahany azy. (Jona 2:7; 3:1, 2) Nampiasa voatavomonta izy tatỳ aoriana, mba hahatonga saina an’i Jona hoe sarobidy ny ain’ny olombelona tsirairay. (Jona 4:10, 11) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy tokony hieritreritra ny anti-panahy hoe tsy misy antenaina intsony ny amin’ireny olona tsy mitory intsony ireny. Tokony hiezaka kosa ry zareo mba hahazo hoe inona no mety ho nahatonga an’ilay ondry hiala tamin’ny andiany. Rehefa miverina ilay ondry, dia mbola maneho fitiavana sy mikarakara azy ry zareo.

13. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jehovah tamin’ny mpanoratra ny Salamo faha-73?

13 Lasa kivy ny mpanoratra ny Salamo faha-73, rehefa nahita hoe hoatran’ny nandeha tsara ny fiainan’ny ratsy fanahy. Lasa saina izy hoe sao dia tsy mahasoa akory ny manompo an’i Jehovah. (Sal. 73:12, 13, 16) Tsy nanome tsiny azy anefa i Jehovah. Nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny tenin’ilay mpanao salamo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia azon’ilay mpanao salamo ihany hoe tsy misy tsara noho ny minamana amin’i Jehovah, ary izany ihany no mahatonga ny fiainana hisy dikany. (Sal. 73:23, 24, 26, 28) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha misy olona misalasala hoe mahasoa ve ny manompo an’i Jehovah, dia tsy tokony ho maika hitsaratsara azy na hanome tsiny azy ny anti-panahy. Tsy maintsy miezaka kosa ry zareo mba hahazo hoe fa maninona izy no manao an’izany. Amin’izay ihany ny anti-panahy vao ho afaka hahita hoe inona no andinin-teny mety tsara mba hampaherezana azy.

14. Nahoana i Elia no nila fanampiana, ary ahoana no nanampian’i Jehovah azy?

14 Nitsoaka an’i Jezebela Mpanjakavavy i Elia mpaminany. (1 Mpanj. 19:1-3) Nieritreritra izy hoe izy irery sisa no mpaminanin’i Jehovah sady very maina ny fanompoany. Kivy be izy dia te ho faty. (1 Mpanj. 19:4, 10) Tsy nanome tsiny azy anefa i Jehovah. Nomeny toky kosa i Elia hoe tsy irery izy sady mbola homeny hery ary mbola betsaka ny asa tiany hampanaovina azy. Nohenoin’i Jehovah tsara koa izy rehefa namboraka ny tebitebiny, dia avy eo nirahiny hanao asa vaovao. (1 Mpanj. 19:11-16, 18) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony ho tsara fanahy amin’ny ondrin’i Jehovah isika rehetra, indrindra fa ny anti-panahy. Raha misy olona tezitra na mahatsiaro ho tsy mendrika ny famindram-pon’i Jehovah ka mamboraka ny ao am-pony, dia mila mihaino tsara ny anti-panahy. Mila manome toky an’ilay olona ry zareo avy eo hoe sarobidy amin’i Jehovah izy.

AHOANA NO TOKONY HO FAHITANAO NY ONDRY VERIN’I JEHOVAH?

15. Ahoana no fahitan’i Jesosy ny ondrin’ny Rainy, araka ny Jaona 6:39?

15 Ahoana no tian’i Jehovah hiheverantsika ny ondriny? Nanome modely amin’izany i Jesosy. Fantany hoe sarobidy amin’i Jehovah daholo ny ondriny. Niezaka be àry izy nanampy an’ireo “ondry very amin’ny taranak’Israely” mba hiverina amin’i Jehovah. (Mat. 15:24; Lioka 19:9, 10) “Mpiandry tena tsara” i Jesosy, ka nanao izay fara heriny koa izy mba tsy hisy ho very ny ondrin’i Jehovah.—Vakio ny Jaona 6:39.

16-17. Nahoana ny anti-panahy no tokony hanampy ny olona nanalavitra an’i Jehovah? (Jereo ilay efajoro hoe  “Inona no Mety ho Tsapan’ny Ondry Very?”)

16 Nampirisika ny anti-panahy tao amin’ny fiangonan’i Efesosy ny apostoly Paoly mba hanahaka an’i Jesosy. Izao no nolazainy: ‘Tsy maintsy manampy an’ireo mila ampiana ianareo, sy mahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”’ (Asa. 20:17, 35) Hita amin’izany fa manana andraikitra lehibe ny anti-panahy. Izao no nolazain’i Salvador, anti-panahy any Espaina: “Tena tian’i Jehovah ny ondriny very. Rehefa mieritreritra an’izany aho, dia lasa te hanao izay rehetra azoko atao mba hanampiana azy ireny. Tena resy lahatra aho hoe tiany hokarakaraiko tsara ny ondriny.”

17 Nahazo fanampiana daholo ny olona noresahina tato, dia niverina tamin’i Jehovah. Mbola betsaka anefa ny olona te hiverina aminy amin’izao. Ahoana no azontsika anampiana azy ireny? Hiresaka bebe kokoa momba an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

^ feh. 5 Fa maninona ny olona sasany nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro no lasa tsy miaraka amin’ny fiangonana intsony? Ahoana no fahitan’i Jehovah an-dry zareo? Ahoana no nanampiany ny mpanompony sasany taloha? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany? Handinika an’ireo isika ato.

^ feh. 1 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 2 FANAZAVANA: Atao hoe tsy mitory intsony ny olona iray raha tsy namerina tatitra mihitsy nandritra ny enim-bolana na mihoatra. Mbola rahalahy sy anabavintsika foana anefa izy ireny, ary mbola tiantsika foana.

^ feh. 10 Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no azon’ny anti-panahy ampiharana an’ireo hevitra ireo.

^ feh. 60 SARY: Sary mampiseho Israelita mpiandry ondry. Very ny ondry iray, dia manahy momba azy izy. Mandeha mitady azy izy sady manampy azy hiverina ao amin’ny andiany indray. Hoatr’izany koa no ataon’ny anti-panahy amin’izao.

^ feh. 64 SARY: Anabavy iray tsy mitory intsony. Ao anaty bisy izy ary miandry an’ilay izy handeha. Mandinika Vavolombelona roa falifaly manao fampirantiana izy.