Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamaly ny Antso ve Ianao?

Mamaly ny Antso ve Ianao?

SAMY miaiky isika hoe mitarika ny mpanompony i Jehovah amin’izao “andro farany” izao, ary manampy azy ireo mba ho akaiky azy foana. (2 Tim. 3:1) Miankina amintsika tsirairay anefa hoe hankatò isika na tsia. Hoatr’izany koa tamin’ny Israelita tany an-tany efitra. Rehefa naneno ny trompetra, dia nila nankatò ry zareo ka namaly ny antso.

Nasain’i Jehovah nanamboatra trompetra volafotsy roa notefena tamin’ny marotoa i Mosesy. Fa maninona? Mba “hamoriana ny vahoaka sy hampilazana fa tokony hiainga ireo toby.” (Nom. 10:2) Tsy nitovy ny fomba nitsofan’ny mpisorona an’ireo trompetra, ary arakaraka izay no nahafantaran’ny vahoaka an’izay tokony hatao. (Nom. 10:3-8) Isan-karazany koa ny fomba ahazoan’ny vahoakan’i Jehovah tari-dalana amin’izao. Hiresaka telo amin’izany isika ato, ary hijery hoe inona no itovizan’izany amin’ny feon’ny trompetra teo amin’ny Israelita. Voalohany, asaina hanatrika fivoriambe isika. Faharoa, asaina hanatrika fiofanana ny rahalahy voatendry. Fahatelo, asaina hanaraka toromarika isika rehefa ovana na havaozina izy ireny.

ASAINA HANATRIKA FIVORIAMBE ISIKA

Trompetra roa no notsofin’ny mpisorona rehefa tian’i Jehovah hivory teo amin’ny fidirana teo atsinanan’ny tranolay masina ny “vahoaka manontolo.” (Nom. 10:3) Samy naheno ny feon’ireo trompetra ireo ny foko rehetra, izay nizara efatra nanodidina ny tranolay masina. Azo inoana hoe tao anatin’ny minitra vitsivitsy dia tonga izay nitoby teo akaikin’ilay fidirana. Ny hafa anefa lavitra kokoa, dia mety ho elaela vao tonga sady nila nanao ezaka fanampiny. Tian’i Jehovah ho tonga tamin’ilay fivoriana daholo anefa ry zareo ka handray soa amin’ilay izy.

Mbola antsoin’i Jehovah hivory koa ny vahoakany amin’izao, na dia tsy any amin’ny tranolay masina intsony aza. Asaina hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra sy fivoriana manokana hafa, ohatra, isika. Mahazo fanazavana sy toromarika tena ilaina isika amin’ireny. Na aiza na aiza misy antsika eran-tany, dia mitovy foana ny fandaharana arahintsika amin’ireny fivoriana ireny. Lasa tafaray sy falifaly àry izay rehetra manaiky an’ilay fanasana, ka manatrika an’ilay izy. Marina hoe avy lavitra ny sasany, nefa tsapan’izay tonga any hoe tsy very maina ny ezaka nataony.

Ahoana anefa no ataon’ireo antoko-mpitory mipetraka lavitra? Soa ihany fa misy ny teknolojia, dia betsaka no afaka manaraka an’ilay fandaharana sady mahatsapa hoe tafaray amin’ny mpanatrika an’ilay fivoriambe na fivoriana manokana ihany. Nitsidika an’i Bénin, ohatra, ny solontenan’ny foibe, dia nisy fivoriana manokana natao. Nampitain’ny sampan’i Bénin tany Arlit, any Niger, ny fandaharana. Any amin’ny Efitr’i Sahara no misy an’io tanàna io. Nisy 21 ny rahalahy sy anabavy ary ny olona liana nanatrika an’ilay izy. Na dia lavitra aza no nisy an-dry zareo, dia tsapany hoe tafaraka tamin’ireo olona 44 131 nanatrika mivantana an’ilay fivoriana ry zareo. Izao no nosoratan’ny rahalahy iray: “Misaotra anareo eram-po eran-tsaina izahay tamin’iny fandaharana iny! Hitanay tamin’iny indray hoe tena tia anay ianareo.”

ASAINA HIOFANA NY MPIANDRAIKITRA

Rehefa trompetra iray fotsiny no notsofin’ny mpisorona, dia ny “mpiadidy, izany hoe ireo mpifehy ny arivo”, ihany no tokony hankeo amin’ny tranolay fihaonana. (Nom. 10:4) Nahazo fanazavana sy fampiofanana avy amin’i Mosesy ry zareo teo. Nanampy an-dry zareo hamita ny andraikiny tany amin’ny foko nisy azy avy izany. Raha mpiadidy tamin’izany ianao, dia tsy mba hanao izay rehetra azo atao ve ianao mba ho tonga teo sy handray soa tamin’ilay fiofanana?

Marina fa tsy “mpiadidy” ny anti-panahy, sady tsy manjakazaka amin’ny ondrin’Andriamanitra. (1 Pet. 5:1-3) Manao izay tsara indrindra vitany anefa izy ireo rehefa miandry ny andian’ondry. Izany no mahatonga an-dry zareo ho vonona foana rehefa antsoina hanao fiofanana fanampiny, ohatra hoe ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Rehefa manatrika an’ireny fiofanana ireny ry zareo, dia lasa hainy kokoa hoe ahoana no hikarakarana ny fiangonana. Mifandray kokoa amin’i Jehovah ny rehetra vokatr’izany. Na dia tsy nanatrika an’ireny sekoly ireny aza ianao, dia azo inoana hoe mandray soa avy amin’izany. Mampiasa ny zavatra nianarany mba hahasoa ny fiangonana mantsy izay nanatrika azy ireny.

ASAINA HANAO FANITSIANA ISIKA

Rehefa niala teo ambonin’ny tranolay ny rahona, dia midika izany hoe tian’i Jehovah hifindra lasy ny Israelita. Notsofin’ny mpisorona mba hamoaka feo miovaova àry ny trompetra. (Nom. 10:5, 6) Nirindra tsara ny zava-drehetra rehefa nifindra ny toby, ka tena nahavariana. Raharaha be ho an’ny rehetra koa anefa ilay izy, dia mety ho kamo ny olona sasany.

Nisy nieritreritra angamba hoe matetika loatra sady tampoka be ilay antso amin’ny trompetra rehefa hifindra. “Nijanona nanomboka tamin’ny takariva ka hatramin’ny maraina ny rahona indraindray”, fa indraindray “roa andro na iray volana na andro maro.” (Nom. 9:21, 22) Tsy vitan’izany fa imbetsaka ny toby no nifindra. Mitanisa toerana 40 nitobian’ny Israelita ny Nomery toko faha-33.

Nisy nahita toerana malomaloka tsara koa angamba indraindray. Azo antoka fa nahafinaritra erỳ izany satria ‘tany efitra lehibe sady nampahatahotra’ no nisy an-dry zareo. (Deot. 1:19) Mety ho nanahy àry ry zareo hoe: ‘Aza hitako ka ho ratsy be ny toerana hifindrana!’

Nifandimby niainga koa ireo foko rehefa hifindra. Rehefa nandeha àry ny foko sasany, dia mety ho nisy nieritreritra hoe: ‘Rahoviana ihany àry vao ho anjaranay?’ Niara-naheno ny feon’ny trompetra daholo ry zareo, nefa tsy afaka niara-niainga. Rehefa naneno ny trompetra, dia midika izany hoe tokony hiainga ny foko tany atsinanana, izany hoe ny fokon’i Joda sy Isakara ary Zebolona. (Nom. 2:3-7; 10:5, 6) Rehefa lasa ry zareo, dia nitsoka fanindroany ny trompetra ny mpisorona. Midika indray izay hoe tokony hiainga ny foko telo manaraka, izay tany atsimo. Dia hoatr’izay foana no nataon’ny mpisorona mandra-pahalasan’ny toby manontolo.

Tsy mora taminao angamba ny nanaiky ny fiovana sasany nataon’ny fandaminana. Nahoana? Nieritreritra angamba ianao hoe be loatra sady tsy nampoizina ny fiovana nitranga. Na angamba efa nety be taminao ilay teo aloha, dia satrinao tsy hisy fiovana mihitsy. Lasa sarotra taminao àry ny nanam-paharetana, dia elaela ianao vao zatra an’ilay fiovana. Raha manao an’izay fantatrao hoe tokony hatao anefa ianao, dia azo inoana fa hotahin’i Jehovah.

An-tapitrisany ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy notarihin’i Jehovah mba hamakivaky ny tany efitra tamin’ny andron’i Mosesy. Tsy ho tafavoaka mihitsy ry zareo raha tsy teo i Jehovah nikarakara sy nitarika azy ireo. Mitari-dalana antsika koa i Jehovah amin’izao andro farany mampidi-doza izao. Ampiany isika mba ho akaiky azy sy hanana finoana matanjaka foana. Andao àry isika rehetra hankatò foana, hoatran’ireo Israelita namaly ny antso rehefa naheno ny feon’ny trompetra.