Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no dikan’ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Noho izaho nanaraka ny lalàna no nahafaty ahy raha ny amin’ny lalàna”?​—Gal. 2:19.

Izao no nosoratan’i Paoly: “Noho izaho nanaraka ny lalàna no nahafaty ahy raha ny amin’ny lalàna, mba hahavelona ahy ho an’Andriamanitra.”​—Gal. 2:19.

Nino an’izay nolazain’ny mpampianatra sandoka ny Kristianina sasany tao amin’ny faritany romanina atao hoe Galatia. Nilaza ireny mpampianatra ireny hoe tsy ho voavonjy ny olona iray raha tsy manaraka ny Lalàn’i Mosesy, indrindra fa ny lalàna momba ny famorana. Fantatr’i Paoly anefa fa tsy nitaky ny mpanompony mba hoforana intsony Andriamanitra. Nanome porofo mavesa-danja izy hoe diso ireny fampianarana ireny. Nampiany koa ny Kristianina mba hino kokoa ny soron’i Jesosy Kristy. (Gal. 2:4; 5:2) Nantitranteriny hoe tsy voatery arahina intsony ny Lalàn’i Mosesy, ary tamin’izay izy no nanoratra an’ireo teny ao amin’ny Galatianina 2:19.

Nilaza i Paoly hoe ‘maty izy raha ny amin’ny lalàna.’ Inona no tiany holazaina? Resahin’ny Baiboly mazava tsara fa tsy mahatsiaro na inona na inona ny maty, ary tsy misy vokany amin’ny maty izay mitranga manodidina azy. (Mpito. 9:5) Rehefa nilaza an’ireo teny ireo àry i Paoly, dia te hilaza hoe tsy teo ambany Lalàn’i Mosesy intsony izy. Natoky kosa izy hoe lasa ‘velona ho an’Andriamanitra’ satria nino ny sorom-panavotana.

‘Noho izy nanaraka ny lalàna’ no nahatonga an’izany fiovana izany. Nahoana? Vao avy nanazava izy tamin’izay hoe “ny finoana an’i Kristy Jesosy no hany fomba anambarana olona iray ho marina, fa tsy ny asan’ny lalàna.” (Gal. 2:16) Marina fa tena nilaina ny Lalàna. Nohazavain’i Paoly tamin’ny Galatianina mantsy hoe: ‘Nomena mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna ny Lalàna, mandra-pahatongan’ilay taranaka izay nanaovana an’ilay fampanantenana.’ (Gal. 3:19) Araka izany, dia nahariharin’ny Lalàna hoe tsy mahavita manaraka an-tsakany sy an-davany an’izay voalazan’ny Lalàna ny olombelona tsy lavorary. Nahariharin’izy io koa fa nila sorona lavorary iray izy ireo. Nanampy ny olona àry ny Lalàna mba hahafantatra hoe i Jesosy ilay “taranaka.” Azon’Andriamanitra ambara ho marina izay mino an’i Jesosy Kristy. (Gal. 3:24) Anisan’ny nambara ho marina i Paoly, satria noho ny Lalàna dia lasa nanaiky sy nino an’i Jesosy izy. Vokatr’izany, dia ‘velona ho an’Andriamanitra’ izy fa ‘maty raha ny amin’ny lalàna.’ Andriamanitra no lasa nifehy azy fa tsy ny Lalàna.

Niresaka hevitra mitovy amin’izany i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. Izao no nosoratany: ‘Ry rahalahiko, tamin’ny alalan’ny vatan’i Kristy, dia maty ianareo raha ny amin’ny Lalàna. ... Afaka amin’ny Lalàna isika, satria efa maty ny amin’izay nihazonana mafy antsika.’ (Rom. 7:4, 6) Voaheloka ho faty izay rehetra teo ambany Lalàna satria mpanota. Tsy izay anefa no tian’i Paoly horesahina eo amin’io andininy io sy ao amin’ny Galatianina 2:19. Te hiresaka fanafahana kosa izy. Te hilaza izy hoe tsy nanan-kery taminy sy tamin’ny Kristianina hafa intsony ny Lalàna, satria nafahana ry zareo noho ry zareo nino ny soron’i Kristy.