Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona avy ny karazana hetra tsy maintsy naloa, tamin’ny andron’i Jesosy?

EFA an-taonany maro ny Israelita no nanome vola mba hanohanana ny fivavahana marina. Lasa be dia be anefa ny hetra tsy maintsy naloa tamin’ny andron’i Jesosy, dia nijaly ny Jiosy.

Tsy maintsy nandoa antsasaka sekely (na drakma roa) daholo ny lehilahy jiosy efa lehibe. Nampiasaina mba hikarakarana ny toerana masina izany. Nividianana sorona sy nikojakojana ny tempoly naorin’i Heroda io hetra io, tamin’ny taonjato voalohany. Nanontany an’i Petera ny Jiosy sasany hoe mandoa hetra ve i Jesosy. Namaly i Jesosy hoe mety ny mandoa hetra, ary nasainy naka vola handoavana an’izany i Petera.​—Mat. 17:24-27.

Nasaina nandoa ampahafolon-karena koa ny vahoakan’i Jehovah taloha, izany hoe tsy maintsy nanome ny ampahafolon’ny vokatra azony na ny ampahafolon’ny fidiram-bolany. (Lev. 27:30-32; Nom. 18:26-28) Nanizingizina ny mpitondra fivavahana hoe tsy maintsy manome ny ampahafolon’ny anana ny olona, ary na dia ny ampahafolon’ny “solila sy ny aneta ary ny komina” aza. Tsy nilaza i Jesosy hoe tsy mety ny mandoa ampahafolon-karena. Nasehony kosa hoe ny fomba nampiharan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny lalàna no diso, ary nihatsaravelatsihy fotsiny ry zareo.​—Mat. 23:23.

Tsy vitan’izany fa nitaky hetra be dia be koa ny Romanina. Ry zareo no nitondra ny Jiosy tamin’izany. Tsy maintsy nandoa hetra, ohatra, izay nanana tany. Mety ho vola na vokatra no nandoavany an’izany. Ny ampahefatra na ampahadimin’ny vokatra azo avy amin’ilay tany no tsy maintsy nomena. Nisy koa ny atao hoe hetra isan-dahy, ary tsy maintsy nandoa azy io ny Jiosy tsirairay. Nanontany an’i Jesosy momba an’io hetra io ny Fariseo. Nampahafantarin’i Jesosy tamin’izay fotoana izay hoe ahoana no tokony hiheverantsika ny fandoavana hetra. Hoy izy: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’​—Mat. 22:15-22.

Nakana hetra koa ny entana niditra na nivoaka ny faritra iray. Teny amin’ny seranan-tsambo ireny hetra ireny no nangonina, na teny amin’ny tetezana, na sampanan-dalana, na fidirana ny tanàna, na teny an-tsena.

Tamin’ny ankapobeny, dia nidangana be ny hetra notakin’ny fitondrana romanina tamin’ny vahoaka. Manamarina an’izany izay nosoratan’i Tacite, romanina mpahay tantara. Nilaza izy fa nitaraina momba ny hetra ny mponin’i Syria sy Jodia. Nitalaho, hono, ry zareo hoe mba hahena ilay izy satria navesatra loatra. Nandritra ny fitondran’i Tiberio izany no nitranga, izany hoe tamin’i Jesosy tetỳ an-tany.

Vao mainka nanasaro-javatra ny fomba nanangonana hetra. Natao lavanty mantsy ny zo hanangona hetra, ka izay nanome vola be indrindra no navela hanao an’ilay asa. Io olona io indray avy eo no nanakarama olon-kafa mba hanangona ny hetra, dia samy nanao izay hahazoana tombony ry zareo. Nanakarama mpamory hetra hoatr’izany angamba i Zakaiosy. (Lioka 19:1, 2) Mazava ho azy fa tena tsy tian’ny vahoaka izany fomba fanangonana hetra izany, ary halan’izy ireo izay olona tonga haka hetra tany aminy.