TANTARAM-PIAINANA
Nitadidy An’i Jehovah Foana Aho Rehefa Nanapa-kevitra
NIPETRAKA tao amina trano tsara tarehy be izahay, tany Caracas, eto Venezoelà. Tanànan’ny mpanankarena no nisy anay. Handeha hiasa aho indray maraina izay, tamin’ny 1984. Nibaliaka erỳ ny masoandro! Nieritreritra momba ny lahatsoratra iray nivoaka vao haingana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana aho teny an-dalana. Momba ny fahitan’ny mpiara-monina antsika ilay izy. Sady nijery ny trano manodidina anay aho no nieritreritra hoe: ‘Mba ahoana àry no fahitan-dry zareo ahy? Mpiasan’ny banky efa tafita ve? Sa mpanompon’Andriamanitra miasa ao amin’ny banky mba hamelomana ny fianakaviany?’ Tonga saina aho hoe mpiasan’ny banky no tena fahitan-dry zareo ahy, dia tsy tiako izany. Nieritreritra àry aho hoe misy fiovana tsy maintsy ataoko.
Teraka tany Amioun, any Liban, aho tamin’ny 19 Mey 1940. Nifindra tany Tripoli izahay mianakavy taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Be fitiavana ny fianakaviako ary sambatra be izahay. Nahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra sy tena tia azy koa izahay. Roa lahy izahay dia telo vavy, ary izaho no zandriny indrindra. Tsy variana nitady vola i Dada sy Neny. Ny fianarana Baiboly sy ny fivoriana ary ny fanampiana ny olona hahafantatra an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra taminay.
Nisy voahosotra maromaro tao amin’ny fiangonanay, anisan’izany i Michel Aboud. Izy no nitarika ny fianarana boky tao aminay. Tany New York izy no nahalala ny fahamarinana, ary nanomboka nitory teto Liban tamin’ny 1921. Tadidiko tsara hoe tena nanaja an’i Anne sy Gwen Beavor izy. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada izy roa vavy ireo, ary mbola tanora tamin’izany. Lasa mpinamana be izahay. Faly be aho fa nihaona tamin’i Anne indray, taona maro tatỳ aoriana, tany Etazonia. Nihaona tamin’i Gwen koa aho taorian’izay. Nanambady an’i Wilfred Gooch izy, ary nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’i Londres, any Angletera, ry zareo.
NITORY TANY LIBAN IZAHAY
Vitsy kely ny Vavolombelon’i Jehovah tany Liban tamin’izaho tanora. Nazoto nampahafantatra ny olona an’izay nianaranay tao amin’ny Baiboly anefa izahay. Nitory foana izahay na dia nisy mpitondra fivavahana nanohitra aza. Ireto misy zavatra sasany tadidiko tsara.
Niaraka nitory tao amin’ny tranobe anankiray izahay sy ny anabaviko iray atao hoe Sana. Teo am-piresahana tamin’ny olona iray tao amin’ilay trano izahay, dia nisy mompera tonga. Tsy maintsy hoe nisy olona niantso azy. Nanomboka nanompa an’i Sana izy. Nikasi-tanana azy izy avy eo, ary nanosika azy teny amin’ny tohatra. Mangana mihitsy i Sana! Soa ihany anefa fa nisy niantso polisy. Tena tsara fanahy ry zareo, dia nataony azo antoka hoe nisy nikarakara i Sana. Nentin-dry zareo tany amin’ny birao ilay mompera, dia hita tany fa hay izy nitondra basy. Nanontany azy ny sefon’ny polisy hoe: “Fa inona marina ianao ity e? Mpitondra fivavahana sa mpitarika rotaka?”
Nisy zava-nitranga hafa koa tadidiko tsara. Handeha hitory any amin’ny tanàna mitokana iray ny fiangonanay, dia nanofa bisy. Nahafinaritra be tamin’izay! Rehefa fantatry ny mompera tao an-tanàna anefa hoe nitory izahay, dia niantso olona be dia be hanafika anay izy. Nitora-bato anay mihitsy ry zareo dia naratra dadanay. Tadidiko hoe boba ra ny tarehiny. Niverina tao anaty bisy izy sy mamanay, dia nanaraka daholo izahay sady natahotra ihany. Tsy hohadinoiko mihitsy anefa ny tenin’ny mamanay. Sady nanadio ny ratran’i Dada izy no nilaza hoe: “Jehovah ô, avelao re ny fahadisoan-dry zareo e! Tsy fantany mantsy izay ataony.”
Tadidiko koa tamin’izahay nitsidika fianakaviana tany amin’ny tanàna niavianay. Nisy eveka tao amin’ny dadabenay tamin’izay. Mpitondra fivavahana manana toerana ambony ny eveka. Fantatr’io eveka io hoe Vavolombelon’i Jehovah i Dada sy Neny. Izaho no niresahany, nefa izaho vao enin-taona. Nanontaniany aho hoe: “Ianao io! Fa maninona ianao no tsy vita batisa?” Dia namaly aho hoe: “Mbola zaza aho, fa hatao batisa aho rehefa mahafantatra bebe kokoa momba ny Baiboly sy manana finoana matanjaka.” Tsy faly tamin’ny valin-teniko izy, dia nolazainy tamin’ny dadabenay hoe tsy nanaja azy aho.
Mahalana anefa vao nisy olana hoatr’izany. Matetika no sariaka sy tia mandray vahiny ny mponina any Liban. Afaka nitory tamin’ny olona be dia be àry izahay, ary betsaka tamin-dry zareo no nianatra Baiboly.
NIFINDRA TANY AN-TANY HAFA IZAHAY
Nisy rahalahy tanora avy eto Venezoelà nitsidika an’i Liban. Mbola nianatra aho tamin’izany. Nivory tao amin’ny fiangonanay izy, dia lasa niaraka izy sy Wafa anabaviko. Nivady ry zareo tatỳ aoriana, ary nipetraka teto Venezoelà. Rehefa nanoratra ho anay i Wafa, dia nilaza tamin’i Dada hoe maninona raha mifindra atỳ Venezoelà daholo izahay. Nalahelo be anay mantsy izy. Resy lahatra izahay tamin’ny farany, dia nifindra!
Tonga teto Venezoelà izahay tamin’ny 1953, ary nipetraka tany Caracas. Teo akaiky teo ny tranoben’ny filoham-pirenena. Mbola kely aho tamin’izany, dia faly erỳ rehefa nahita ny prezidà tao anatin’ny fiarany tsara be. Ry Dada sy Neny indray sahirana satria vaovao daholo ny zava-drehetra, na ilay firenena, na ny fiteny, na ny kolontsaina, na ny sakafo, na ny toetany. Vao nanomboka zajatra anefa ry zareo dia nisy zavatra nampalahelo be nitranga.
NIDONAM-PAHORIANA IZAHAY
Nanomboka narary i Dada. Hafahafa taminay izany satria natanjaka sy salama tsara foana izy hatramin’izay. Mbola tsy tadidinay hoe narary izy. Hita anefa hoe voan’ny kanseran’ny sarakaty izy dia nodidiana. Nampalahelo fa maty izy herinandro taorian’izay.
Tsy hitako izay teny mahalaza ny alahelonay! Vao 13 taona aho tamin’izany. Tsy nampoizinay ilay izy. Maizina tanteraka ny tany aman-danitra! Elaela vao neken’ny sain’i Neny hoe tsy teo intsony ny vadiny. Tsy maintsy nitohy anefa ny fiainana. Tafavoaka soa aman-tsara ihany izahay satria nampian’i Jehovah. Nahavita ny fianarako teny amin’ny lise teto Caracas aho tamin’izaho 16 taona, ary tena te hanampy ny fianakaviako.
Efa nanambady i Sana tamin’izany. Rubén Araujo no anaran’ny vadiny. Nanao Sekolin’i Gileada i Rubén, ary niverina teto Venezoelà rehefa nahazo diplaoma. Nanapa-kevitra hifindra tany New York ry zareo tatỳ aoriana. Tian’ny fianakaviako hianatra any amin’ny oniversite aho, dia tany New York no nandeha. Efa mba nisy hipetrahana mantsy aho tany. Nipetraka tany amin’izy mivady aho, ary nanampy be ahy mba handroso ara-panahy ry zareo. Nisy rahalahy matotra be dia be koa tao amin’ilay fiangonana espaniola tao Brooklyn, anisan’izany i Milton Henschel sy Frederick Franz. Samy nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn ry zareo. Faly aho hoe nahafantatra an-dry zareo.
Rehefa hifarana ny taona voalohany nianarako teny amin’ny oniversite, dia nanomboka nisalasala aho hoe mety ve ny ataoko. Nisy lahatsoratra novakiko mantsy tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Momba ny Kristianina nanana tanjona teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ilay izy. Nisaintsaina tsara an’ireny lahatsoratra ireny aho. Hitako koa hoe sambatra be ny mpisava lalana sy ny Betelita tao amin’ny fiangonanay, dia te ho hoatran-dry zareo aho. Izaho amin’io mbola tsy vita batisa! Tonga saina aho hoe mila manokan-tena ho an’i Jehovah. Nanao an’izany aho dia natao batisa tamin’ny 30 Martsa 1957.
NANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA LEHIBE AHO
Nanomboka nieritreritra ny hanompo manontolo andro aho rehefa vita batisa. Te hanao mpisava lalana aho, nefa hitako sahady hoe ho sarotra izany. Ahoana moa no hahafahako hianatra eny amin’ny oniversite sady hanao mpisava lalana? Nohazavaiko tamin’ny mamanay sy ny iray tam-po amiko hoe tsy te hianatra intsony aho fa hiverina any Venezoelà, dia hanao mpisava lalana. Nifanoratra imbetsaka momba an’izany izahay.
Niverina tany Caracas aho tamin’ny Jona 1957. Hitako anefa hoe sahirana ny fianakaviako, dia nila niasa aho mba hanampiana an-dry zareo. Nieritreritra aho hoe: ‘Inona re no azoko atao e?’ Nahita asa tany amin’ny banky aho. Izaho anefa sady tena te hanao mpisava lalana. Izany rahateo no antony nodiako. Tapa-kevitra àry aho hoe sady hiasa no hanao mpisava lalana, dia izay no nataoko nandritra ny taona maromaro. Mbola tsy be atao hoatr’izany aho nefa faly be koa!
Vao mainka aho faly rehefa nihaona tamin’i Sylvia. Nifindra teto Venezoelà izy sy ny ray aman-dreniny. Alemà izy sady tsara tarehy be ary tena tia an’i Jehovah. Niteraka izahay tatỳ aoriana. Mianadahy ny zanakay. Michel sy Samira no anarany. Izaho koa no nikarakara ny mamanay. Lasa nipetraka niaraka taminay mantsy izy. Marina hoe tsy maintsy nanajanona ny asan’ny mpisava lalana aho mba hahafahako hikarakara ny fianakaviako. Mbola nanana ny toe-tsain’ny mpisava lalana foana anefa aho. Isaky ny afaka izahay sy Sylvia, dia nanao mpisava lalana mpanampy rehefa vakansy.
FANAPAHAN-KEVITRA LEHIBE HAFA
Mbola nianatra ny zanakay rehefa nitranga ilay tantara noresahiko terỳ am-piandohana. Nilamina be aloha ny fiainako tamin’izany e! Tena nohajain’ny mpiasan’ny banky koa aho. Mpanompon’i Jehovah anefa no tena tiako hahafantaran’ny olona ahy. Izay no noeritreretiko tamin’io andro io, ary tsy afaka tao an-tsaiko izany. Nodinihinay mivady àry ny vola teo am-pelatananay. Fantatray hoe homen’ny banky vola be aho rehefa hiala amin’ny asako. Tsy nanana trosa koa izahay. Raha manatsotra fiainana izahay, dia ho ampy anay mandritra ny fotoana elaela ny volanay.
Tsy mora ny nandray an’iny fanapahan-kevitra iny. Soa ihany anefa fa nanaiky tsara an’ilay izy ny vadiko sy ny mamako. Faly erỳ aho hoe ho afaka hanao mpisava lalana indray! Hoatran’ny hoe nety daholo ny zava-drehetra. Nisy vaovao tsy nampoizina anefa taoriana kelin’izay.
VAHINY TSY NAMPOIZINA!
Nilaza ny dokotera indray andro izay hoe bevohoka i Sylvia. Tsy nampoizinay ilay izy, nefa faly be izahay! Dia ahoana izany ilay hoe hanao mpisava lalana? Niasa saina izahay nefa tsy ela dia nihatony. Lasa tsy andrinay indray aza ny hahatongavan’ilay zaza. Nieritreritra foana anefa aho hoe: ‘Mbola ho afaka hanao mpisava lalana ihany ve aho indray andro any?’
Nifampiresaka momba ny tanjonay izahay, dia nanapa-kevitra hoe hanao mpisava lalana ihany aho. Teraka tamin’ny Aprily 1985 i Gabriel zanakay lahy. Na izany aza, dia niala tamin’ny banky ihany aho ary nanomboka nanao mpisava lalana indray tamin’ny Jona 1985. Lasa anisan’ny Komitin’ny Sampana aho tatỳ aoriana. Tsy tany Caracas anefa ny sampana. Tsy maintsy nandeha 80 kilaometatra teo ho eo aho vao tonga tany, ary nanao an’izany indroa na intelo isan-kerinandro.
NIFINDRA INDRAY IZAHAY
Tany La Victoria no nisy ny Betela. Te hanakaiky ny Betela izahay mianakavy, dia nanapa-kevitra hifindra tany. Fiovana be ho anay rehetra izany. Tena misaotra ny fianakaviako anefa aho fa nanohana an’ilay fanapahan-kevitro ry zareo. Nanana toe-tsaina tsara ry zareo, dia nanampy be anay izany. Vonona hikarakara an’i Neny, ohatra, i Baha anabaviko. I Samira sy Gabriel koa nanaiky hisaraka tamin’ny namany tany Caracas. Izy mianadahy mantsy no mbola niara-nipetraka taminay, fa i Michel efa nanambady. I Sylvia indray efa zatra ny fiainana mikotaba tany an-drenivohitra, nefa lasa nila nizatra niaina tamina tanàna kely. Izahay rehetra mihitsy no tsy maintsy nizatra nipetraka tao amina trano kely kokoa. Nanova zavatra be ilay hoe nifindra tany La Victoria!
Mbola nisy fiovana hafa taorian’izay. Nanambady i Gabriel. I Samira kosa lasa nipetra-drery. Izahay sy Sylvia indray nasaina hanompo tato amin’ny Betela tamin’ny 2007, ary mbola ato hatramin’izao. Anti-panahy i Michel zanakay lahimatoa, ary mpisava lalana izy sy Monica vadiny. Anti-panahy koa i Gabriel. Any Italia izy sy Ambra vadiny no mipetraka. I Samira indray mpisava lalana sady manao asa an-tsitrapo ho an’ny Betela. Avy any an-tranony izy no miasa.
TSY MANENINA MIHITSY AHO!
Betsaka ny fanapahan-kevitra lehibe noraisiko. Tsy manenina mihitsy anefa aho! Raha mbola miaina zavatra hoatr’ireny aho, dia tsy hiova ny fanapahan-kevitro. Betsaka ny fanendrena sy tombontsoa azoko teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary nahafinaritra ahy izy rehetra. Hitako nandritra an’izay taona maro izay hoe tena ilaina ny mifandray akaiky amin’i Jehovah foana. Afaka manome ny fiadanany foana izy, na lehibe na kely ny fanapahan-kevitra raisintsika. “Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” izy io. (Fil. 4:6, 7) Tena tianay sy Sylvia ny fanompoana masina ataonay ato amin’ny Betela. Hitanay hoe notahin’i Jehovah izahay, satria nitadidy azy foana rehefa nanapa-kevitra.