Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 23

Tsy Irery Mihitsy Ianao Satria eo Foana i Jehovah!

Tsy Irery Mihitsy Ianao Satria eo Foana i Jehovah!

“Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.”​—SAL. 145:18.

HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Fa maninona ny mpanompon’i Jehovah no mahatsiaro ho manirery indraindray?

MAHATSIARO ho manirery ny ankamaroantsika indraindray. Mandalo ihany izany ho an’ny olona sasany, fa maharitra kosa ho an’ny olon-kafa. Mety ho manirery isika na dia miaraka amin’ny olona be dia be aza. Misy, ohatra, nifindra fiangonana, dia mbola tsy nahazo namana tao amin’ilay fiangonana vaovao. Ny hafa indray mifandray am-po be amin’ny fianakaviany nefa nifindra toerana, dia lasa mahatsiaro ho manirery. Ny mpiara-manompo sasany kosa manirery satria nindaosin’ny fahafatesana ny vadiny na ny havany, dia manimanina be an’iny olona iny izy. Misy rahalahy sy anabavy koa vao haingana no nahita ny fahamarinana, dia mahatsiaro ho manirery satria narian’ny namany sy ny fianakaviany na enjehin-dry zareo.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Fantatr’i Jehovah sady azony tsara izay rehetra momba antsika. Fantany rehefa mahatsiaro ho manirery isika, ary te hanampy antsika izy. Ahoana no ataony? Inona no azontsika atao mba ho maivamaivana kokoa? Ary ahoana no azontsika anampiana ny olona manirery ao amin’ny fiangonantsika? Andao isika handinika an’ireo.

FANTATR’I JEHOVAH IZAY MAHAZO ANAO

Nandefa anjely i Jehovah mba hanomezana toky an’i Elia hoe tsy irery izy (Fehintsoratra 3)

3. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe niahy an’i Elia izy?

3 Tian’i Jehovah ho sambatra ny mpanompony rehetra. Akaiky antsika tsirairay izy, ary hitany rehefa tototry ny hakiviana isika. (Sal. 145:18, 19) Manaporofo an’izany ny nataony tamin’i Elia mpaminany. Sarotra be ny fiainana tany Israely tamin’izany fotoana izany. Nenjehina mafy ny mpanompon’i Jehovah, ary tena tian’ny fahavalon’Andriamanitra hovonoina i Elia. (1 Mpanj. 19:1, 2) Tsy vitan’izany fa nieritreritra io mpanompon’i Jehovah tsy nivadika io hoe izy irery sisa no mpaminany nanompo an’i Jehovah. (1 Mpanj. 19:10) Tonga dia nanao zavatra i Jehovah mba hanampiana azy. Nandefa anjely izy mba hanomezana toky an’i Elia hoe tsy irery izy, fa mbola be dia be ny Israelita tsy nivadika.​—1 Mpanj. 19:5, 18.

4. Nahoana ny Marka 10:29, 30 no mampiseho hoe tena miahy ny mpanompony tsy raharahian’ny havany na ny namany i Jehovah?

4 Fantatr’i Jehovah hoe misy amintsika tsy maintsy manao sorona be dia be rehefa mifidy ny hanompo azy. Mety tsy hiraharaha antsika intsony, ohatra, ny namantsika sy ny fianakaviantsika tsy Vavolombelona. Nanontany an’i Jesosy ny apostoly Petera indray mandeha hoe: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao, koa inona no ho azonay?” (Mat. 19:27) Heno tamin’ny feony angamba hoe nanahy izy. Nanome toky ny mpianany i Jesosy avy eo hoe ho lasa hoatran’ny fianakavian-dry zareo ny mpiara-manompo. (Vakio ny Marka 10:29, 30.) Nampanantena koa ilay Raintsika any an-danitra hoe hanampy an’izay te hanompo azy. (Sal. 9:10) Inona anefa no azonao atao rehefa manirery ianao ka te hahazo fanampiana avy amin’i Jehovah? Handinika soso-kevitra vitsivitsy isika izao.

INONA NO AZONAO ATAO RAHA MANIRERY IANAO?

5. Nahoana ianao no mila mitadidy ny fomba anampian’i Jehovah anao?

5 Tadidio ny fomba anampian’i Jehovah anao. (Sal. 55:22) Hanampy anao izany mba hahatsapa hoe tsy irery ianao. Mpitovo i Carol * ary izy irery no ao amin’ny fahamarinana. Izao no nolazainy: “Rehefa mieritreritra ny lasa aho, sady misaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah ahy tao anatin’ny mafy, dia lasa mahatsiaro hoe tsy irery mihitsy. Manome toky ahy izany hoe ho eo foana i Jehovah amin’ny hoavy.”

6. Nahoana ny 1 Petera 5:9, 10 no mampahery an’izay mahatsiaro ho manirery?

6 Eritrereto hoe ahoana no anampian’i Jehovah ny mpiara-manompo manana olana. (Vakio ny 1 Petera 5:9, 10.) I Hiroshi irery no Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny fianakaviany, ary efa hatramin’ny taona maro izany. Inona no nanampy azy hiatrika an’izany? Izao no nolazainy: “Samy manana olana ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonana, nefa miezaka daholo mba hanao izay tsara indrindra vitany amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mampahery an’izay tsy manana fianakaviana Vavolombelona hoatr’anay izany.”

7. Manampy anao ve ny vavaka? Hazavao.

7 Miezaha foana hivavaka sy hamaky Baiboly ary hivory. Mila mamboraka ny fihetseham-ponao amin’i Jehovah ianao. (1 Pet. 5:7) Izany no nataon’ny anabavy tanora antsoina hoe Massiel. Nahatsiaro ho manirery izy rehefa nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah, satria tsy ao amin’ny fahamarinana ny fianakaviany. Izao no nolazainy: “Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho. Izany no anisan’ny tena nanampy ahy mba tsy ho manirery. Tsapako hoe tena Dada izy. Nivavaka taminy foana aho isan’andro, ary nampahafantariko azy ny fihetseham-poko. Nanao an’izany im-be dia be aho tao anatin’ny iray andro.”

Tsy dia hahatsiaro ho manirery loatra ianao, raha mihaino Baiboly noraisim-peo sy raki-peo hafa (Fehintsoratra 8) *

8. Manampy anao ve ny mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra? Hazavao.

8 Vakio tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, dia saintsaino izay tantara manasongadina hoe tia anao i Jehovah. Izany no nataon’ny anabavy antsoina hoe Bianca. Manao teny mahakivy azy ny fianakaviany. Hoy izy: “Tena manampy ahy ny mamaky sy misaintsaina tantara ao amin’ny Baiboly, sy ny mamaky tantaran’ny mpanompon’i Jehovah nanana olana mitovy amin’ny ahy.” Ny rahalahy sy anabavy sasany indray mitadidy andinin-teny tena mampahery, ohatra hoe ny Salamo 27:10 sy ny Isaia 41:10. Misy koa mihaino raki-peo rehefa manomana fivoriana na mamaky Baiboly. Manampy an-dry zareo mba tsy hahatsiaro ho manirery loatra izany.

9. Mahasoa anao ve ny mivory? Hazavao.

9 Miezaha hivory tsy tapaka. Handray soa ianao raha manao an’izany, satria mampahery ny fandaharana any. Hahafantatra an’ireo rahalahy sy anabavy koa ianao. (Heb. 10:24, 25) Izao no notantarain’i Massiel, ilay voaresaka tetsy aloha: “Marina hoe saro-kenatra be aho. Tapa-kevitra anefa aho hoe tsy hanapaka fivoriana na dia indray mandeha aza, ary hanome valin-teny iray. Nanampy ahy izany mba hahatsiaro hoe anisan’ny fiangonana aho.”

10. Fa maninona no tena ilaina ny minamana amin’ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana?

10 Ataovy namana ny mpiara-manompo. Mitadiava namana azonao atao modely ao amin’ny fiangonana. Tsy maninona na tsy mitovy taona aza ianareo na tsy mitovy fiaviana. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe ‘manam-pahendrena ny be taona.’ (Joba 12:12) Na ny be taona koa aza anefa afaka miana-javatra avy amin’ireo tanora tsy mivadika. Zandrin’i Jonatana lavitra i Davida, nefa tsy nisakana an-dry zareo tsy ho mpinamana be izany. (1 Sam. 18:1) Nifanampy izy mianaka mba samy hahavita hanompo an’i Jehovah, na dia niatrika ny mafy aza. (1 Sam. 23:16-18) Niezaka ninamana tamin’ny mpiara-manompo i Irina. Izy irery no Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny fianakaviany. Izao no nolazainy: “Mety ho lasa hoatran’ny hoe ray aman-drenintsika na iray tam-po amintsika mihitsy ny rahalahy sy anabavy. Mampiasa azy ireny i Jehovah mba hanomezana an’izay ilaintsika.”

11. Inona no tsy maintsy ataonao raha tianao ny hinamana be amin’ny mpiara-manompo?

11 Mety tsy ho mora ny mahazo namana, indrindra raha saro-kenatra ianao. Hoatr’izany ny anabavy atao hoe Ratna. Nianatra ny fahamarinana izy na dia nisy nanohitra aza. Hoy izy: “Tsy maintsy nanaiky aho hoe nila fanampiana sy fampaherezana avy tamin’ny ranadahy sy rahavavy tao amin’ny fiangonana.” Marina fa mety ho sarotra aminao ny hilaza ny fihetseham-ponao amin’ny olona. Raha manao an’izany anefa ianao, dia mety ho lasa mpinamana be ianareo. Tadidio fa te hampahery sy hanampy anao ny namanao, nefa ianao no mila mampahafantatra an-dry zareo hoe inona no azony atao ho anao.

12. Ahoana no hahazoana namana tsara?

12 Anisan’ny fomba tsara indrindra hahazoana namana ny manompo miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy. Izao no nolazain’i Carol, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nahazo namana mahafinaritra be dia be aho rehefa niara-nanompo tamin’ny rahavavy samihafa, sy niaraka tamin-dry zareo nanao zavatra hafa nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ireny namako ireny no nampiasain’i Jehovah mba hanampiana ahy nandritra ny taona maro.” Tsy ho matiantoka mihitsy ianao raha miezaka minamana amin’ny Kristianina tsy mivadika. Mampiasa azy ireny i Jehovah mba hanampiana anao rehefa kivy ianao, ohatra hoe rehefa mahatsiaro ho manirery.​—Ohab. 17:17.

AMPIO NY HAFA MBA HAHATSAPA HOE FIANAKAVIANTSIKA IZY

13. Inona no andraikitsika rehetra?

13 Andraikitsika rehetra ny manao izay hahatonga ny fiangonana hihavana tsara sy hifankatia, amin’izay tsy hisy hahatsiaro hoe tsy misy miraharaha. (Jaona 13:35) Tena mety hisy vokany tsara izay ataontsika sy lazaintsika! Hoy ny anabavy iray: “Ny fiangonana no lasa fianakaviako rehefa nianatra ny fahamarinana aho. Tsy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aho raha tsy teo ny mpiara-manompo.” Inona àry no azonao atao ho an’ireo tsy manana fianakaviana Vavolombelona, mba hahatonga an-dry zareo hahatsapa hoe tian’ny fiangonana?

14. Inona no azonao atao mba hahatonga anao hinamana amin’ireo vaovao?

14 Miezaha hinamana amin’ireo vaovao. Anisan’izany ny mpianatra Baiboly sambany vao mivory, na rahalahy sy anabavy vao nifindra ao amin’ny fiangonantsika, na olona vao vita batisa. Raiso tsara izy ireny. (Rom. 15:7) Tsy ampy anefa ny hoe miarahaba azy amin-katsaram-panahy. Tiantsika koa raha lasa namantsika akaiky izy ireny rehefa mandeha ny fotoana. Miezaha àry ho tsara fanahy aminy, ary asehoy azy hoe tena miahy azy ianao. Tsy hanontanintany be momba ny fiainany manokana ianao, nefa tsara raha mba miezaka hahazo ny olana atrehiny. Sarotra amin’ny olona sasany koa ny mamoaka ny fihetseham-pony, ka aza terena hiresaka izy. Miezaha kosa ho tsara fanahy sy hametraka fanontaniana tsy mahasadaikatra. Henoy tsara izy avy eo ary manàna faharetana rehefa manao an’izany. Azonao anontaniana azy, ohatra, hoe ahoana no nahalalany ny fahamarinana.

15. Ahoana no azon’ny Kristianina matotra anampiana ny olon-kafa?

15 Handroso tsara daholo ny ao amin’ny fiangonana raha miahy ny hafa ny Kristianina matotra, indrindra fa ny anti-panahy. Izany no tsapan’i Melissa. Ny mamany no nampianatra azy ny fahamarinana, fa nisy rahalahy maromaro koa nanampy azy nandritra ny taona maro. Izao no nolazainy: “Tena mankasitraka an’ireny ranadahy ireny aho. Hoatran’ny hoe dadako mihitsy ry zareo, ary vonona hihaino ahy foana isaky ny mba te hiresaka aho.” Hoatr’izany koa ny rahalahy tanora antsoina hoe Mauricio. Nampian’ny Kristianina matotra tao amin’ny fiangonana izy. Nalahelo be izy satria lasa tsy nivory sy tsy nitory intsony ilay rahalahy nampianatra Baiboly azy. Izao anefa no nolazainy: “Tena nikarakara ahy ny anti-panahy, dia nanampy be izany. Niresaka tamiko matetika ry zareo ary niara-nanompo tamiko. Tsy izay ihany fa noresahiny tamiko ny hevitra nanohina ny fony tamin’ny fianarany samirery. Niaraka nanao spaoro tamiko mihitsy aza ry zareo!” Lasa mpanompo manontolo andro i Melissa sy Mauricio tatỳ aoriana.

Iza amin’ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonanareo no mety ho faly raha manokana fotoana kely ho azy ianao? (Fehintsoratra 16-19) *

16-17. Inona koa no azontsika atao ho an’ny hafa?

16 Manaova zavatra hanampiana ny hafa. (Gal. 6:10) Misionera any amin’ny tany lavitry ny fianakaviany i Leo. Hoy izy: “Hatsaram-panahy kely amin’ny fotoana tena ilana azy fotsiny matetika dia efa ampy. Tratran’ny lozam-piarakodia aho indray mandeha, dia niady saina be rehefa tonga tany an-trano. Nisy mpivady nanasa ahy hisakafo anefa tamin’io. Sakafo tsotsotra ilay izy, ary tsy tadidiko akory hoe inona. Tadidiko anefa hoe tsara fanahy be ry zareo sady nihaino ahy tsara. Maivamaivana erỳ aho avy eo!”

17 Tiantsika rehetra ny manatrika fivoriambe sy fotoan-dehibe hafa hoatr’izany. Mahafinaritra mantsy ny miaraka amin’ny mpiara-manompo, dia miresadresaka momba ny fandaharana. Mahatsiaro ho manirery anefa ny olona sasany amin’ireny fotoana ireny. Izao, ohatra, no nolazain’i Carol, ilay voaresaka tetsy aloha: “Marina hoe an-jatony na an’arivony ny ranadahy sy rahavavy manodidina ahy amin’ireny fotoana ireny. Efa miaraka amin’ny fianakaviany daholo anefa ry zareo matetika, dia manirery be aho rehefa mahita an’izany.” Mafy be amin’ny olona sasany koa ny manatrika ny fivoriambe voalohany aorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Angamba ianao mahafantatra olona hoatran’ireo noresahina ireo. Maninona àry raha asaina hiaraka aminao sy ny fianakavianao izy amin’ny fivoriambe na fotoan-dehibe hafa manaraka?

18. Ahoana no azontsika ampiharana ny 2 Korintianina 6:11-13 rehefa mandray vahiny?

18 Miaraha manao zavatra amin’ny mpiara-manompo. Rehefa manao fiarahana ianao, dia miezaha hanasa rahalahy sy anabavy samihafa, ary aza hadinoina izay mety hahatsiaro ho manirery. Tokony ‘hanalalaka ny fontsika’ mantsy isika, indrindra amin’ireny olona ireny. (Vakio ny 2 Korintianina 6:11-13.) Izao no nolazain’i Melissa, ilay voaresaka tetsy aloha: “Faly be foana izahay rehefa nisy namana nanasa anay hitsidika azy sy ny fianakaviany, na nanasa anay hanao vakansy niaraka tamin-dry zareo.” Eritrereto àry hoe misy olona azonao asaina mba hiaraka hanao zavatra aminao ve ao amin’ny fiangonanareo?

19. Rahoviana ny mpiara-manompo sasany no tena mila antsika?

19 Tena tian’ny mpiara-manompo raha miaraka amin-dry zareo isika amin’ny fotoana sasany, ohatra hoe amin’ny andro fety. Mety ho sarotra amin-dry zareo mantsy ny hiaraka amin’ny havany tsy Vavolombelona amin’ireny fotoana ireny. Ny hafa indray angamba mila namana rehefa mitsingerina ny andro nahafatesan’ny vadiny na ny havany, satria mety halahelo be izy amin’iny. Ho hita hoe te hanampy an-dry zareo ianao, raha manolo-tena hiaraka aminy amin’ireny fotoana ireny.​—Fil. 2:20.

20. Fa maninona ny Matio 12:48-50 no mampahery antsika rehefa mahatsiaro ho manirery isika?

20 Be dia be ny antony mety hahatonga ny Kristianina ho manirery. Aza hadinoina mihitsy anefa hoe hitan’i Jehovah tsara izany fihetseham-po izany. Manome izay ilaintsika izy, ary matetika ny mpiara-manompo no ampiasainy amin’izany. (Vakio ny Matio 12:48-50.) Tena faly isika hoe nomen’i Jehovah ny fiangonana. Asehontsika aminy hoe mankasitraka an’izany isika, raha manao izay rehetra azo atao mba hanampiana ny mpiara-manompo. Na inona na inona fihetseham-pontsika indraindray, dia tsy irery mihitsy isika satria eo foana i Jehovah!

HIRA 46 Misaotra, Jehovah

^ feh. 5 Mahatsiaro ho manirery ve ianao indraindray? Raha izany, dia matokia hoe azon’i Jehovah tsara ny fihetseham-ponao, ary tena vonona hanampy anao izy. Hodinihintsika ato hoe inona no azonao atao rehefa manirery ianao. Hianarantsika koa hoe ahoana no azonao ampaherezana ny mpiara-manompo mahatsapa hoatr’izany.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 60 SARY: Rahalahy maty vady. Mampahery azy ny mihaino Baiboly noraisim-peo sy raki-peo hafa.

^ feh. 62 SARY: Rahalahy iray sy ny zanany vavikely. Mitsidika rahalahy be taona ry zareo, sady mampiseho hatsaram-panahy aminy.