Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avelao Handrisika Anao “ny Lalàn’ny Hatsaram-panahy”

Avelao Handrisika Anao “ny Lalàn’ny Hatsaram-panahy”

“TENA nambabo ny foko ny hatsaram-panahin’ireo anadahy sy rahavavy!” Izany no nolazain’i Lisa rehefa nanontaniana izy hoe inona no nahatonga azy ho liana tamin’ny fahamarinana. a Hoatr’izany koa i Anna. Izao no noteneniny: “Tsy dia ny fampianaran-dry zareo loatra no tena nanintona ahy, fa ilay ry zareo tsara fanahy.” Samy tia mamaky sy misaintsaina ny Baiboly ireo anabavy ireo izao. Nisy vokany be tamin-dry zareo anefa ny hatsaram-panahy.

Manohina ny fon’ny hafa isika raha tsara fanahy aminy. Ahoana no azontsika anaovana an’izany? Andao isika handinika fomba roa: Amin’izay lazaintsika sy ataontsika. Hodinihintsika avy eo hoe iza no tokony hanehoantsika hatsaram-panahy.

TSARA FANAHY REHEFA MITENY

Miresaka momba ny vady tsara ny Ohabolana toko faha-​31, ary resahina ao hoe eo am-bavany “ny lalàn’ny hatsaram-panahy.” (Ohab. 31:26) Avelany hifehy ny toe-peony sy ny zavatra lazainy io ‘lalàna’ io. Tokony hanaraka an’io ‘lalàna’ io koa ny raim-pianakaviana rehefa miteny. Fantatry ny ankamaroan’ny ray aman-dreny fa hisy vokany ratsy amin’ny ankizy raha masiaka ry zareo rehefa miteny. Mety tsy hihaino an-dry zareo mantsy ny zanany, raha mivantambantam-piteny ry zareo na mikitakita. Miezaha àry ho tsara fanahy, dia hihaino sy hankatò anareo ny zanakareo.

Inona no hanampy anao ho tsara fanahy rehefa miteny, na manan-janaka ianao na tsia? Izao no voalazan’ny tapany voalohany amin’ny Ohabolana 31:26: “Hita hoe hendry izy rehefa miteny.” Ahoana no hampiharanao an’izany? Fidio tsara ny teny lazainao ary amboary tsara ny toe-peo ilazanao an’ilay izy. Matetika no tsara ny mieritreritra hoe: ‘Vao mainka hampahatezitra olona ve ny zavatra eritreretiko holazaina, sa hampitony ny hatezerany?’ (Ohab. 15:1) Hendry àry isika raha mampihatra an’ilay hoe avadibadiho impito aloha ny lela vao miteny.

Izao koa no lazain’ny ohabolana iray:“Manindrona hoatran’ny sabatra ny teny tsy voahevitra.” (Ohab. 12:18) Hahay hifehy kokoa an’izay lazaintsika isika, raha misaintsaina ny mety ho vokatry ny tenintsika sy ny toe-peontsika eo amin’ny hafa. Rehefa mampihatra ny “lalàn’ny hatsaram-panahy” tokoa isika, dia hifehy tena ka tsy hanao teny maharary na hasiaka. (Efes. 4:31, 32) Na dia nieritreritra ny hanao teny masiaka aza isika, dia hiezaka ny ho tsara fanahy sy be fitiavana. Modely amin’izany i Jehovah tamin’izy nanome toky an’i Elia mpanompony. Natahotra be i Elia tamin’izay, dia nisy anjely nisolo tena an’i Jehovah niresaka taminy tamin’ny “feo malefaka sy iva.” (1 Mpanj. 19:12) Tsy amin’ny teny ihany anefa isika no tokony haneho hatsaram-panahy, fa amin’ny ataontsika koa. Ahoana no hanaovana an’izany?

MANDRISIKA NY HAFA NY HATSARAM-PANAHY ASEHONAO

Manahaka an’i Jehovah isika raha tsy amin’ny teny ihany no tsara fanahy fa amin’ny atao koa. (Efes. 4:32; 5:1, 2) Mitantara ny hatsaram-panahy nasehon’ny Vavolombelona taminy i Lisa, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Tsy maintsy nifindra trano tampoka izahay mianakavy, dia nisy mpivady roa avy tao amin’ny fiangonana naka andro tsy iasana mba hanampiana anay hampirina entana. Mbola tsy nianatra Baiboly akory anefa aho tamin’izay!” Izany hatsaram-panahy izany no nahatonga an’i Lisa ho liana kokoa tamin’ny fahamarinana.

Nankasitraka ny hatsaram-panahy nasehon’ny Vavolombelona taminy koa i Anna, ilay voaresaka terỳ aloha. Izao no nolazainy: “Tsy matokitoky olona aho vokatry ny nataon’ny hafa. Lasa sarotra tamiko ny natoky olona.” Niteny koa izy hoe: “Rehefa nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelona aho, dia niahiahy an-dry zareo. Nieritreritra aho hoe: ‘Fa maninona koa itony olona itony no tsara fanahy hoatr’izao?’ Hitako anefa hoe tamin’ny fony no nanehoan’ilay mpampianatra Baiboly an’izany, dia lasa natoky azy aho.” Dia inona no vokany? Hoy ihany izy: “Nanomboka nifantoka tamin’ny zavatra nianarako aho.”

Mariho fa nisy vokany be tamin’i Lisa sy Anna ny hatsaram-panahy nasehon’ny olona tao amin’ny fiangonana, dia izay no nahatonga an-dry zareo hianatra ny fahamarinana. Lasa nanokatra ny fony ry zareo noho izany hatsaram-panahy izany.

MIEZAHA HO TSARA FANAHY HOATRAN’ANDRIAMANITRA

Misy olona tsara fanahy sy mitsikitsiky rehefa miresaka, satria efa izay no nanabeazana azy. Tsara aloha ny mahalala fomba hoatr’izany, satria hoe izay ny kolontsaintsika sy ny toetrantsika. Raha izany fotsiny anefa no mahatonga antsika ho tsara fanahy, dia tsy maneho an’ilay hatsaram-panahy avy amin’Andriamanitra isika.​—Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 28:2.

Anisan’ny vokatry ny fanahy masina ny hatsaram-panahy avy amin’Andriamanitra. (Gal. 5:22, 23) Mila ny fanahy masina àry isika vao hahavita haneho an’io toetra io. Hanahaka an’i Jehovah sy Jesosy isika amin’izay. Kristianina koa isika, dia vonona hanampy ny hafa. Ny fitiavantsika an’i Jehovah Andriamanitra sy ny mpiara-belona àry no mahatonga antsika haneho hatsaram-panahy. Lasa tena avy ao am-pontsika ilay hatsaram-panahy sady ankasitrahan’Andriamanitra, dia lasa misy heriny be.

AMIN’IZA ISIKA NO TOKONY HO TSARA FANAHY?

Mety ho mora amintsika ny ho tsara fanahy amin’izay olona tsara fanahy amintsika, na amin’ny olom-pantatsika. (2 Sam. 2:6) Anisan’ny fomba anaovana an’izany ny hoe misaotra azy. (Kol. 3:15) Ahoana anefa raha misy olona heverintsika hoe tsy mendrika ny hanehoana hatsaram-panahy?

Diniho izao: Maneho hatsaram-panahy miavaka i Jehovah, ary izy no ohatra tsara indrindra amin’izany. Anehoany an’io toetra io mantsy na dia ny olona tsy mendrika hanehoana an’izany aza. Misy lesona lehibe momba ny fomba hanehoana an’izany ao amin’ny Teniny. Miverina imbetsaka ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ilay teny hoe “hatsaram-panahy miavaka.” Ahoana no ampisehoan’Andriamanitra hoe tsara fanahy amintsika izy?

Eritrereto ange e! Tsara fanahy amin’ny olona an-tapitrisany i Jehovah, rehefa manome an-dry zareo ny zavatra ilainy mba ho velona foana izy ireo. (Mat. 5:45) Na ny olona mbola tsy mahafantatra azy aza dia efa anehoany hatsaram-panahy. (Efes. 2:4, 5, 8) Nafoiny ho an’ny olombelona rehetra, ohatra, izay tsara indrindra nananany, dia ny Zanany lahitokana. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe nanome ny vidim-panavotana i Jehovah satria ‘tena lehibe ny hatsaram-panahy miavaka asehony.’ (Efes. 1:7) Tsy izay ihany, fa mbola mitari-dalana sy mampianatra antsika i Jehovah, na dia manota sy mandiso fanantenana azy aza isika. Azo oharina amin’ny “erika” manify milatsaka eny amin’ny ahitra ny toromarika omeny sy ny Teniny. (Deot. 32:2) Tsy ho voavalintsika daholo ny hatsaram-panahy asehony amintsika. Raha ny marina aza, dia mbola miankina amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah ny hoavintsika.​—Ampitahao amin’ny 1 Petera 1:13.

Azo inoana hoe vao mainka isika ho tia an’i Jehovah sady te hanahaka azy rehefa anehoany hatsaram-panahy. Tsy tokony hofidifidintsika àry ny olona anehoantsika hatsaram-panahy. Tokony hiezaka hanahaka an’i Jehovah kosa isika, ka hataontsika fahazarana isan’andro ny maneho an’io toetra io. (1 Tes. 5:15) Raha maneho hatsaram-panahy foana isika, dia ho hoatran’ny afo azo amindroana amin’ny andro mangatsiaka. Hampahery ny fianakaviantsika, mpiara-manompo, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, ary ny mpiara-monina amintsika isika amin’izay.

Eritrereto hoe iza amin’ny fianakavianao na ny olona ao amin’ny fiangonanareo no handray soa raha tsara fanahy aminy ianao. Misy mpiara-manompo mila fanampiana ve ao mba hikarakara ny tranony, na ny zaridainany, na hanao zavatra hafa, ohatra hoe miantsena? Ahoana indray raha manompo ianao ka mahita olona mila fanampiana? Maninona raha mba manome tanana?

Andao àry isika hanahaka an’i Jehovah, ka enga anie hifehy an’izay lazaintsika sy ataontsika foana ny “lalàn’ny hatsaram-panahy.”

a Novana ireo anarana.