TANTARAM-PIAINANA
Betsaka ny Zavatra Tsara Tsy Nampoiziko sy Nianarako
ISAKY ny nahatazana raoplanina nanidina aho tamin’ny mbola kely, dia te ho any an-tany hafa. Toa nanonofy antoandro anefa aho tamin’izany.
Niala tany Estonia i Papa sy Mama nandritra ny Ady Lehibe II ary nankany Alemaina. Tany aho no teraka. Efa niomana hifindra tany Kanada ry zareo tamin’izay. Tany akaikin’i Ottawa ny tranonay voalohany tany. Trano voalalotra fotsy izy io sady fiompiana akoho. Nahantra be izahay, nefa efa mba nisy atody azo natao sakafo maraina aloha, fara faharatsiny.
Nisy Vavolombelon’i Jehovah namaky ny Apokalypsy 21:3, 4 tamin’i Mama, indray andro. Nanohina be azy ilay izy, dia latsaka ny ranomasony. Nitombo ilay voan’ny fahamarinana, ka tsy ela dia natao batisa i Papa sy Mama.
Tsy dia nahay teny anglisy izy mivady, nefa zava-dehibe tamin-dry zareo ny fahamarinana. Nentin’i Papa nanompo izaho sy Sylvia, zandriko vavy, saika isaky ny asabotsy, na dia efa avy niasa nandritra ny alina tontolo aza izy. Mpandrendrika nikela no asany tao Sudbury, any Ontario. Niara-nianatra Ny Tilikambo Fiambenana koa izahay mianakavy isan-kerinandro. Nampian’i Papa sy Mama ho tia tsikelikely an’i Jehovah aho, ka nanokan-tena tamin’ny 1956. Folo taona aho tamin’izay. Tia be an’i Jehovah izy mivady, dia mampahery ahy foana ny mieritreritra an’izany hatramin’izao.
Somary varimbariana aho rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise. Hoy aho hoe raha hanao mpisava lalana aho, dia aiza no hahitako vola hahafahako mitety an’izao tontolo izao, nefa izay no mba nofinofiko? Nahita asa tao amin’ny radio teo an-toerana aho, ary tiako be ilay izy. Mpandefa hirahira no asako. Niasa foana anefa aho isan-kariva, dia zara raha nivory. Olona tsy tia an’Andriamanitra koa no nifaneraserako. Nanenjika ahy ny eritreritro tamin’ny farany satria efa fantatro izay ampianarin’ny Baiboly, ka tapa-kevitra ny hiova aho.
Nifindra tany Oshawa any Ontario aho, dia nihaona tamin’i Ray Norman sy Lesli anabaviny, ary mpisava lalana hafa. Nandray tsara ahy daholo ry zareo. Hitako hoe faly be ry zareo, dia nandrisika ahy izany handinika indray hoe inona no tanjoko. Nampirisika ahy ry zareo mba hanao mpisava lalana, dia nanao aho tamin’ny Septambra 1966. Faly erỳ aho sady hoatran’ny hoe nandeha tsara ny zava-drehetra! Nisy zavatra tsy nampoiziko anefa nanova ny fiainako.
REHEFA MISY ZAVATRA ASAIN’I JEHOVAH ATAONAO, DIA ANDRAMO ALOHA ILAY IZY
Nangataka hanompo tao amin’ny Betela any Toronto, any Kanada, aho tamin’izaho mbola tany amin’ny lise. Rehefa lasa mpisava lalana aho, dia voasa hanompo efa-taona tao amin’ny Betela. Tiako be anefa i Lesli, dia natahotra aho sao tsy hahita azy
intsony raha ekeko ilay fanasana. Nivavaka mafy sy ela be momba an’ilay izy àry aho. Nanaiky hanompo tao amin’ny Betela ihany aho tamin’ny farany, dia nanao veloma an’i Lesli sady nalahelo be.Niasa tao amin’ny fanasan-damba aho tao amin’ny Betela, dia avy eo lasa mpitan-tsoratra. I Lesli kosa voatendry ho mpisava lalana manokana tany Gatineau, any Québec. Matetika aho no lasa saina hoe inona àry izay no mba ataony any, ary nety ve ilay fanapahan-kevitro. Tamin’izay mihitsy no nisy zavatra tsy nampoiziko, ary io no anisan’ny nahafinaritra ahy indrindra teo amin’ny fiainako. Voasa tao amin’ny Betela i Ray, anadahin’i Lesli, sady niray efitra izahay. Afaka nifanerasera tamin’i Lesli indray aho! Nivady izahay tamin’ny 27 Febroary 1971, ary androtr’io mihitsy no tapitra ireo efa-taona nanompoako tao amin’ny Betela.
Voatendry hanompo tao amin’ny fiangonana miteny frantsay tany Québec izahay sy Lesli. Gaga be aho afaka taona vitsivitsy fa nasaina hanao ny asan’ny faritra tamin’izaho 28 taona, nefa izaho mbola tanora kely sady tsy ampy traikefa. Nampahery ahy anefa ny Jeremia 1:7, 8. I Lesli kosa efa indroa tratran’ny lozam-piarakodia sady sahirana be vao nahita tory. Dia ahoana moa no hahavitanay ny asan’ny faritra? Izao anefa no nolazainy: “Raha misy zavatra asain’i Jehovah ataontsika, dia tsy tokony mba hanandrana hanao an’ilay izy ve aloha isika?” Nekenay àry ilay fanendrena, dia nanao ny asan’ny faritra nandritra ny 17 taona izahay, sady nahafinaritra anay ilay izy.
Be atao aho tamin’izaho mpiandraikitra ny faritra, dia zara raha nanam-potoana niarahana tamin’i Lesli. Nianatra lesona hafa indray anefa aho. Nisy nandondòna tao am-baravaranay, indray alatsinainy maraina. Harona nisy lamban-databatra no teo, sy voankazo, fromazy, mofo, divay iray tavoahangy, ary vera. Nisy taratasy kely nisy soratra koa niaraka tamin’ilay izy hoe: “Ento mitsangantsangana ny vadinao.” Tsara erỳ ny andro tamin’izay sady nibaliaka ny masoandro! Nohazavaiko tamin’i Lesli anefa hoe nila nanomana lahateny maromaro aho, dia tsy afaka ny hiaraka izahay roa. Azony ilay izy, fa nalahelo kely izy. Nanenjika ahy anefa ny eritreritro rehefa nipetraka teo anoloan’ny latabatra aho. Tonga tao an-tsaiko ny Efesianina 5:25, 28. Sao dia fomba nampirisihan’i Jehovah ahy àry ireo andininy ireo, mba hitsinjovako ny fihetseham-pon’ny vadiko? Rehefa avy nivavaka aho, dia nilaza tamin’i Lesli hoe: “Andao isika handeha.” Faly erỳ izy! Nandeha fiara nankany amoron-drano izahay roa. Tsara kely ilay toerana, dia novelarinay teo ny lamban-databatra. Iny no anisan’ny andro nahafinaritra anay roa indrindra. Mbola voaomako ihany anefa ny lahateniko.
Faly erỳ izahay nanao ny asan’ny faritra. Betsaka koa ny faritra notsidihinay, nanomboka teo Kolombia Britanika ka hatrany Terre-Neuve. Tanteraka ihany ilay faniriako hitety tany! Nieritreritra ny hanao sekolin’i Gileada aho, nefa tsy te ho lasa misionera any an-tany hafa. Hoatran’ny hoe olona miavaka mantsy izany misionera izany tamiko, dia nieritreritra aho
hoe tsy mendrika an’izany. Natahotra koa aho sao halefa any Afrika, satria be aretina sy ady tany. Efa nety be tamiko tany Kanada.FANASANA TSY NAMPOIZINA HO ANY ESTONIA SY LITOANIA ARY LETONIA
Tsy voarara intsony ny asantsika tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, tamin’ny 1992. Nanontaniana àry izahay raha vonona ho misionera any Estonia. Ankona tsy nahateny izahay, nefa nivavaka momba an’ilay izy. Nieritreritra indray àry izahay hoe: ‘Raha misy zavatra asain’i Jehovah ataontsika, dia tsy tokony mba hanandrana hanao an’ilay izy ve aloha isika?’ Nanaiky àry izahay sady nieritreritra aho hoe: ‘Efa mba tsy any Afrika aloha e!’
Tonga dia nianatra teny estonianina izahay. Nasaina nanao ny asan’ny faritra izahay rehefa afaka roa volana. Fiangonana 46 teo ho eo sy antoko-mpitory vitsivitsy no notsidihinay tany Estonia, Litoania, Letonia, ary tany Kaliningrad any Rosia. Dia nila nianatra teny letonianina sy litoanianina ary rosianina izahay. Tsy mora ilay izy. Faly anefa ny mpiara-manompo nahita anay niezaka, dia nanampy anay ry zareo. Nisy biraon’ny sampana nosokafana tany Estonia tamin’ny 1999, dia voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana izaho sy Toomas Edur, Lembit Reile, ary Tommi Kauko.
Lasa nahalala Vavolombelona be dia be efa natao sesitany tany Siberia izahay. Tsy mora ny fiainan-dry zareo tany am-ponja sy rehefa tafasaraka tamin’ny fianakaviany, nefa tsy tezitra ry zareo. Faly foana kosa ry zareo sady mbola nazoto nanompo. Hitanay àry hoe afaka miaritra koa izahay sady ho faly foana na dia miatrika zava-tsarotra aza.
Nifandimby teny ny taona, nefa zara raha nanana fotoana hialana sasatra izahay roa. Nahatsiaro ho reraka be àry i Lesli. Tatỳ aoriana vao fantatray hoe hay karazana aretin-kozatra no nahatonga azy ho reraka be. Nieritreritra izahay hoe tena nila niverina tany Kanada. Rehefa nasaina hanatrika ny Sekolin’ny Komitin’ny Sampana tany Patterson any Etazonia izahay, dia nisalasala raha ho afaka hanatrika an’izany na tsia. Nanaiky anefa izahay rehefa avy nivavaka mafy, dia notahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitray. Nahazo ny fitsaboana nilainy ihany i Lesli tamin’ny farany, tamin’izahay nanao an’ilay sekoly. Afaka niverina tamin’ny fiainanay nahazatra àry izahay.
TSY NAMPOIZINA HOE NASAINA NIFINDRA KONTINANTA
Niantso ahy ny Foibe indray takariva izay, tamin’ny 2008. Efa tafaverina tany Estonia izahay. Nanontany anay ry zareo raha ho afaka hanaiky fanendrena ho any Congo izahay. Tsy nahateny aho, indrindra hoe ny ampitson’iny aho, fara fahatarany, no nila nanome valin-teny. Tsy noresahiko tamin’i Lesli aloha ilay izy, satria fantatro hoe tsy hatory izao izy. Izaho indray anefa no tsy nahita tory! Nivavaka momba an’izay nampanahy ahy mahakasika an’i Afrika mantsy aho.
Noresahiko tamin’i Lesli ilay izy ny ampitson’iny. Nieritreritra izahay hoe: “I Jehovah ange no manasa antsika ho any Afrika e! Ahoana moa no hahalalantsika hoe tsy ho vitantsika ilay izy sady tsy ho tiantsika, raha tsy manandrana aloha isika?” Dia iny izahay fa nandray fiaramanidina nankany Kinshasa any Congo, rehefa avy nanompo 16 taona tany Estonia. Milamina be ilay biraon’ny sampana tany, sady nisy zaridaina tsara tarehy. Vao tonga tao amin’ny
efitranonay i Lesli dia inona, hoy ianareo, no nataony? Napetrany tao ilay karta tsy nisaraka taminy mihitsy hatramin’ny nialanay tany Kanada. Izao no teo amin’ilay izy: “Afaka ny handrobona foana ianao any amin’izay toerana amindrana anao.” Vao mainka izahay faly rehefa nihaona tamin’ireo rahalahy, nitarika fampianarana Baiboly, ary nahita ny tsiron’ilay hoe misionera. Nahazo tombontsoa hitsidika sampana tany amin’ny tany afrikanina 13 teo ho eo izahay, tatỳ aoriana. Nanampy anay izany hahita hoe samihafa ny olona, nefa samy manana ny hatsarany koa. Lasa tsy nitebiteby hoatran’ny tamin’ny voalohany intsony aho, ary nisaotra an’i Jehovah izahay nandefa anay tany Afrika.Nisy nanasa hihinana sakafo noeritreretinay hoe tsy ho tianay mihitsy izahay tany Congo, anisan’izany ny bibikely. Tena nankafy an’izany ireo rahalahy, dia mba nanandrana koa izahay. Saika matiantoka izahay raha tsy nanao an’izany!
Nisy mpiady anaty akata nanafika an’ireo tanàna kely tany amin’ny faritra atsinanan’i Congo sy nihetraketraka tamin’ny zaza amam-behivavy. Afaka nampahery sy nitondra fanampiana ho an-dry zareo izahay. Mahantra ny ankamaroan’ny mpiara-manompo. Na izany aza, dia tena nino ny fitsanganana amin’ny maty ry zareo, tia an’i Jehovah, ary tsy nivadika tamin’ny fandaminana. Nanohina ny fonay izany! Nanatanjaka ny finoanay koa ny modelin-dry zareo, sady nandrisika anay handinika indray hoe inona no antony anompoanay an’i Jehovah. Potika ny tranon’ny sasany tamin-dry zareo sady simba ny voliny. Nilentika tato an-tsaiko àry hoe tsy hitahita akory dia mety hanjavona ny fananana, fa ny harena ara-panahy no tena sarobidy. Na niatrika ny mafy aza anefa ireo rahalahy ireo, dia zara raha nitaraina. Nampahery anay ny toe-tsain-dry zareo, mba ho be herim-po izahay rehefa miatrika olana sy tsy salama.
NANKANY AZIA
Tsy nampoizinay indray avy eo fa nasaina nifindra tany amin’ny sampan’i Hong Kong izahay. Mbola tsy nandalo tao an-tsainay mihitsy izany hipetraka any Azia izany. Tsapanay foana anefa ny tanan’i Jehovah sy ny fitiavany tany amin’izay fanendrena rehetra efa azonay, ka nanaiky an’ilay fanasana izahay. Ranomaso ny anay tamin’ny 2013 rehefa nandao
an’ireo namana tsy foinay sy ireo toerana kanto tany Afrika. Asa inona indray no miandry anay any!Hafa tanteraka ny tany Hong Kong. Maresaka be ilay tanàna sady be olona avy any amin’ny tany samihafa. Sarotra ny nianatra teny sinoa kantôney. Nandray tsara anay anefa ireo rahalahy, ary tena tianay ny sakafo tany. Nandroso haingana koa ny asa, saingy nidangana tampoka ny vidin’ny tany sy ny trano. Hendry àry ny Filan-kevi-pitantanana, ka nanapa-kevitra hoe hamidy ny ankamaroan’ireo tany sy tranon’ny sampana. Nifindra teto Korea Atsimo izahay taoriana kelin’izay, tamin’ny 2015, ary mbola eto hatramin’izao. Tsy maintsy mianatra fiteny sarotra be indray àry izahay. Na dia mbola mila miezaka be aza izahay, dia faly satria milaza ny mpiara-manompo hoe efa mba mahita rirany amin’ny teny koreanina izahay.
NY LESONA NIANARANAY
Tsy mora foana ilay hoe mahazo namana vaovao. Hitanay anefa hoe vetivety ianao dia mahafantatra ny hafa, rehefa ianao mihitsy no manasa an-dry zareo voalohany mba ho any an-tranonao. Hitanay koa hoe betsaka kokoa ny itovizan’ny mpiara-manompo noho ny tsy itovizany. Ankoatra izay, dia mahagaga ny fomba namoronan’i Jehovah antsika. Nataony afaka manokatra ny fontsika isika, ka mahavita miraiki-po amin’ny namana be dia be.—2 Kor. 6:11.
Nianaranay hoe mila manaiky ny maha izy ny olona isika, hoatran’ny ataon’i Jehovah, ary mila mitady porofo eo amin’ny fiainantsika hoe tia sy mitari-dalana antsika i Jehovah. Isaky ny kivy izahay roa na mieritreritra hoe mba tian’ny olona ihany ve izahay, dia averinay vakina ireo karta sy taratasy mampahery nalefan’ny namanay. Tena tsapanay hoe namaly ny vavaka nataonay i Jehovah, ka manome toky sy hery ho anay izany.
Nianaranay sy Lesli koa nandritra an’izay taona maro izay hoe zava-dehibe ny manokana fotoana ho anay roa, na be atao hoatran’ny inona aza izahay. Lasa hitanay koa hoe ilaina ny mba mihomehy amin’izay diso ataonao, indrindra rehefa mianatra fiteny vaovao. Ankoatra izay dia miezaka mitady zavatra mahafinaritra isaorana an’i Jehovah izahay isan-kariva.
Tsoriko aloha fa tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ho vitako izany ho misionera izany, na ny hipetraka any an-tany hafa. Faly anefa aho nahita fa tsy misy tsy ho vitanao izany rehefa ampian’i Jehovah. Tadidiko ny tenin’i Jeremia mpaminany hoe: “Nofitahinao aho, Jehovah ô.” (Jer. 20:7) Be dia be ny zavatra mahafinaritra tsy nampoizina sy ny fitahiana nomeny. Na ilay faniriako handeha raoplanina hitety tany aza notanterahiny! Be lavitra noho ny tany nonofinofisiko tamin’izaho mbola kely ny toerana nandehananay. Nitsidika sampana tany amin’ny kontinanta dimy mantsy izahay mivady. Mankasitraka be an’i Lesli koa aho, satria nanohana ahy sy vonona foana izy tamin’ireny fanendrena rehetra azonay ireny.
Miezaka mitadidy foana izahay roa hoe ho an’iza no anaovanay an’izany rehetra izany, ary nahoana. Vao santatra am-bava rano fotsiny ny fitahiana efa azonay. Ho be lavitra noho izany no ho azontsika rehefa hiaina mandrakizay isika. ‘Hanokatra ny tanany [i Jehovah amin’izay], ka hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.’—Sal. 145:16.