Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Josefa sy Maria no nijanona tany Betlehema taoriana kelin’ny nahaterahan’i Jesosy, fa tsy nody tany Nazareta?

Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Misy tsipiriany mahaliana anefa ao manampy antsika hahita hoe nahoana ry zareo no nifidy hijanona tany Betlehema.

Nisy anjely niteny tamin’i Maria hoe ho bevohoka izy ary hiteraka. Nipetraka tany Nazareta, any Galilia, i Maria sy Josefa tamin’ilay anjely nilaza an’io hafatra io. (Lioka 1:26-31; 2:4) Niverina tao Nazareta indray izy telo mianaka, tatỳ aoriana, rehefa nody avy tany Ejipta. Tao i Jesosy no nihalehibe ka lasa nantsoina hoe Nazareanina. (Mat. 2:19-23) Tsy mahagaga àry raha Nazareta no tonga ao an-tsaintsika raha vao maheno hoe Jesosy sy Josefa ary Maria.

Nisy havan’i Maria nipetraka tany Joda. Elizabeta no anarany. Vadin’i Zakaria mpisorona izy io, ary lasa renin’i Jaona Mpanao Batisa. (Lioka 1:5, 9, 13, 36) Nitsidika an’i Elizabeta tany Joda i Maria ary nijanona tany telo volana. Nody tany Nazareta izy taorian’izay. (Lioka 1:39, 40, 56) Lasa tsy vaovao be tamin’i Maria intsony àry iny faritr’i Joda iny.

Nisy didy nivoaka hoe mila ‘soratana anarana’ ny vahoaka. Nankatò an’izany i Josefa, ka niala tany Nazareta mba ho any Betlehema. Tao mantsy ny “tanànan’i Davida”, ary efa nolazain’ny faminaniana hoe ao koa no hahaterahan’ny Mesia. (Lioka 2:3, 4; 1 Sam. 17:15; 20:6; Mika 5:2) Lavitra ilay lalana nody nankany Nazareta. Tsy tian’i Josefa hanao an’io dia io miaraka amin’ilay zaza menavava àry i Maria, taorian’ny nahaterahan’i Jesosy. Naleon-dry zareo nijanona tany Betlehema. Sivy kilaometatra teo ho eo avy tao Jerosalema izy io. Mora kokoa àry raha avy tany ry zareo no nitondra an’ilay zazakely nankany amin’ny tempoly, sy hanao ny fanatitra notakin’ny Lalàna.​—Lev. 12:2, 6-8; Lioka 2:22-24.

Efa nilaza tamin’i Maria ilay anjelin’Andriamanitra hoe hahazo “ny seza fiandrianan’i Davida” ilay zanany ary “ho Mpanjaka.” Mety ho zava-dehibe tamin’i Josefa sy Maria ve hoe teraka tao an-tanànan’i Davida i Jesosy? (Lioka 1:32, 33; 2:11, 17) Nieritreritra angamba izy mivady hoe aleo mijanona ao aloha, mandra-pahitany an’izay tian’Andriamanitra hataony indray.

Tsy haintsika hoe efa hafiriana ry zareo no nijanona tao Betlehema tamin’ireo mpanandro tonga tao. Efa nipetraka tao anaty trano anefa izy mianakavy tamin’izay, ary efa tsy zaza menavava intsony i Jesosy. (Mat. 2:11) Toa tsy niverina tany Nazareta àry ry zareo fa efa nipetraka elaela tao Betlehema, matoa efa nanorim-ponenana tao.

Namoaka didy i Heroda hoe hovonoina “ny zazalahikely rehetra tany Betlehema ... dia izay roa taona no ho midina.” (Mat. 2:16) Nentin’i Josefa sy Maria nandositra tany Ejipta i Jesosy, rehefa nampahafantarin’Andriamanitra azy ireo ny momba an’io didy io. Nijanona tany ry zareo mandra-pahafatin’i Heroda. Nentin’i Josefa nankany Nazareta izy mianaka, tatỳ aoriana. Maninona ry zareo no tsy niverina tany Betlehema? Satria i Arkelaosy zanak’i Heroda no nitondra tany Jodia, nefa izy io mpanao didy jadona, moa nanaraka ny fampitandreman’Andriamanitra koa ry zareo. Afaka nitaiza tsara an’i Jesosy ho lasa tena mpanompon’Andriamanitra i Josefa tany Nazareta.​—Mat. 2:19-22; 13:55; Lioka 2:39, 52.

Rehefa maty i Jesosy vao nisy olona afaka ny ho any an-danitra. Toa efa maty talohan’izay anefa i Josefa. Hatsangana eto an-tany àry izy. Betsaka no ho afaka hihaona aminy ka hahalala tsipiriany fanampiny momba ny hoe nahoana izy sy Maria no nijanona tany Betlehema, taoriana kelin’ny nahaterahan’i Jesosy