Lahatsoratra Hafa ao Amin’ny Gazety Fianarana
Be dia be ny mpitory mampiasa ny JW Library® rehefa manomana fivoriana, ary tena faly ry zareo hoe miseho ao ny lahatsoratra tsirairay ianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Matetika anefa ny gazety fianarana no misy lahatsoratra hafa ahitana sakafo ara-panahy. Ahoana àry no hahitana azy ireny ao amin’ny JW Library, ka handray soa avy amin’izany?
Misy an’izao eo amin’ny faran’ny lahatsoratra fianarana tsirairay: “Azo Vakina Koa.” Misy rohy hoe “Lahatsoratra hafa ato amin’ity gazety ity” eo ambanin’io lohatenikely io. Rehefa tsindrianao io rohy io, dia ho tonga ao amin’ny loha hevitra ao anatin’ilay gazety ianao. Mariho fa miavaka tsara ny lahatsoratra ianarana satria misy nomerao. Tsindrio izay lohatenin’ny lahatsoratra hafa tianao hovakina.
Misy hoe “Inona ny Vaovao” (na Nouveautés) eo amin’ny pejy fandraisana amin’ny JW Library. Isaky ny misy Tilikambo Fiambenana vaovao mipoitra eo, dia alaivo. Sokafy ilay gazety rehefa avy eo, dia jereo ny loha hevitra ao anatiny mba handraisanao soa amin’ny lahatsoratra rehetra ao.