LAHATSORATRA FIANARANA 27
Nahoana Isika no Tokony Hatahotra An’i Jehovah?
“Izay matahotra an’i Jehovah no namany akaiky.”—SAL. 25:14.
HIRA 8 Jehovah no Fialofantsika
HO HITANAO ATO a
1-2. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hinamana akaiky amin’i Jehovah isika, araka ny Salamo 25:14?
ARAKA ny hevitrao, inona avy ny toetra tena ilaina raha te hinamana be foana amin’ny olona iray? Hamaly angamba ianao hoe tokony hifankatia sy hifanohana ny mpinamana. Ianao ve dia hieritreritra hoe tena ilaina eo amin’ny fifandraisan’ny mpinamana ny tahotra? Milaza anefa ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity fa tsy maintsy “matahotra an’i Jehovah” izay te ho namany akaiky.—Vakio ny Salamo 25:14.
2 Mila matahotra an’i Jehovah foana isika, na efa ela na vao haingana no nanompo an’i Jehovah. Inona anefa no dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra? Ahoana no atao raha te hianatra hatahotra azy isika? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’i Obadia sy Joiada Mpisoronabe ary Joasy Mpanjaka momba ny tahotra an’Andriamanitra?
NY DIKAN’NY HOE MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA
3. Inona avy no mety hampatahotra antsika? Nahoana anefa ny tahotra no afaka miaro antsika?
3 Mety hatahotra isika rehefa manahy sao hisy vokany ratsy amintsika ny zavatra iray. Mahasoa izany karazana tahotra izany sady manampy antsika hitandrina. Tsy handeha eny amoron-tevana, ohatra, isika raha matahotra ny hianjera. Raha matahotra ny haratra isika, dia mety handositra an’izay mampidi-doza. Tsy hilaza na hanao zavatra mety hampalahelo ny olona tiantsika koa isika, sao tsy hinamana be aminy intsony.
4. Hoatran’ny ahoana no tian’i Satana hatahoran’ny olona an’i Jehovah?
4 Tian’i Satana hatahotra fadiranovana an’i Jehovah ny olona. Mampiely an’ilay hevitra nolazain’i Elifaza izy hoe Andriamanitra tia mamaly faty sy tezi-dava i Jehovah, sady sarotra ampifaliana. (Joba 4:18, 19) Tian’i Satana hatahotra be an’i Jehovah isika, dia tsy hanompo Azy intsony. Inona no hanampy antsika tsy ho voafandrika? Mila miezaka manana an’ilay tena tahotra an’Andriamanitra isika.
5. Inona no dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra?
5 Tia an’Andriamanitra ny olona matahotra azy, ary tsy te hanao zavatra mety hanimba ny fifandraisany aminy. “Natahotra an’Andriamanitra” hoatr’izany i Jesosy. (Heb. 5:7) Tsy hoe nihorohoro izy vao nieritreritra hoe Jehovah. (Isaia 11:2, 3) Tena tia azy kosa izy, ary te hankatò azy. (Jaona 14:21, 31) Manaja lalina an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Jesosy isika, satria izy Andriamanitra be fitiavana, hendry, manao ny rariny, ary mahery. Fantatsika koa hoe tia be antsika i Jehovah, ary misy vokany aminy izay ataontsika rehefa mahazo tari-dalana avy aminy isika: Na isika hampalahelo azy, na hampifaly ny fony.—Sal. 78:41; Ohab. 27:11.
MIANARA MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA
6. Inona, ohatra, no azontsika atao raha te hianatra hatahotra an’Andriamanitra isika? (Salamo 34:11)
6 Tsy hoe vao teraka isika dia efa matahotra an’i Jehovah, fa tsy maintsy ianarana izany. (Vakio ny Salamo 34:11.) Inona, ohatra, no hanampy antsika hanao an’izany? Diniho ny zavaboary. Vao mainka isika ho tia sy hanaja an’i Jehovah, arakaraka ny ahitantsika amin’ny “zavatra nataony” hoe hendry sy mahery ary tena tia antsika izy. (Rom. 1:20) Izao no nolazain’ny anabavy iray atao hoe Adrienne: “Mampiaiky ahy ny fahendren’i Jehovah rehefa mandinika ny zavaboary aho. Izany no nanampy ahy hahita hoe izy no mahalala an’izay tena mahasoa ahy.” Izao koa no noteneniny rehefa avy nisaintsaina izy: “Fa nahoana moa aho no hanao zavatra hanimba ny fifandraisako amin’i Jehovah, nefa raha tsy izy dia tsy nisy aho?” Maninona àry raha manokana fotoana kely amin’ity herinandro ity mba hisaintsainana momba ny zavaboary? Vao mainka ianao hanaja sy ho tia azy raha manao an’izany—Sal. 111:2, 3.
7. Nahoana ny vavaka no manampy antsika hatahotra an’i Jehovah?
7 Manampy antsika hatahotra kokoa an’Andriamanitra koa ny mivavaka tsy tapaka. Vao mainka tena misy amintsika i Jehovah, arakaraka ny hivavahantsika aminy. Isaky ny mangataka hery aminy isika mba hiaretana fitsapana, dia mampahatsiahy antsika izany hoe tena mahery izy. Rehefa misaotra azy indray isika noho izy nanome ny Zanany, dia lasa tadidintsika hoe tia antsika izy. Ary ahoana indray rehefa mitalaho aminy isika mba hanampy antsika hamaha olana? Mampahatsiahy antsika izany hoe tena hendry izy. Mahatonga antsika hanaja kokoa an’i Jehovah ny vavaka hoatr’izany. Vao mainka koa isika ho tapa-kevitra ny tsy hanao zavatra mety hanimba ny fifandraisantsika aminy.
8. Inona no hanampy antsika hahavita hatahotra an’Andriamanitra foana?
8 Inona no hanampy antsika hahavita hatahotra an’Andriamanitra foana? Mila mianatra Baiboly isika mba hahafahantsika handray lesona avy amin’ny ohatra tsara sy ratsy ao. Andao isika handinika mpanompon’i Jehovah roa tsy nivadika: I Obadia, ilay niandraikitra ny ankohonan’i Ahaba Mpanjaka, sy Joiada Mpisoronabe. Ho hitantsika koa izay azo ianarana avy amin’i Joasy mpanjakan’ny Joda. Tsara fiandohana izy nefa niala tamin’i Jehovah tatỳ aoriana.
MANÀNA HERIM-PO HOATRAN’I OBADIA
9. Ahoana no ahitana fa nisy vokany tamin’i Obadia ny tahotra an’i Jehovah? (1 Mpanjaka 18:3, 12)
9 Izao no anombohan’ny Baiboly ny tantaran’i Obadia: b “Olona tena natahotra an’i Jehovah i Obadia.” (Vakio ny 1 Mpanjaka 18:3, 12.) Inona no vokatr’izany tahotra izany taminy? Nahatonga azy hanao ny marina sy ho mendri-pitokisana izany, ka nasain’ny mpanjaka niandraikitra ny ankohonany izy. (Ampitahao amin’ny Nehemia 7:2.) Nanana herim-po niavaka koa i Obadia noho izy natahotra an’Andriamanitra, ary tena nilainy izany toetra izany. Velona tamin’ny fotoana nitondran’i Ahaba Mpanjaka ratsy fanahy mantsy izy. “Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah” io mpanjaka io, “mihoatra noho izay [mpanjaka] rehetra talohany.” (1 Mpanj. 16:30) Teo koa i Jezebela vadin’i Ahaba. Tsy tia maizina an’i Jehovah io mpivavaka tamin’i Bala io, ka nanao izay hanafoanana ny fivavahana marina tao amin’ny fanjakan’Israely tany avaratra. Be dia be aza ny mpaminanin’Andriamanitra novonoiny. (1 Mpanj. 18:4) Azo antoka àry fa tsy mora tamin’i Obadia ny nanompo an’i Jehovah tamin’izany.
10. Ahoana no nampisehoan’i Obadia hoe niavaka ny herim-pony?
10 Ahoana no nampisehoan’i Obadia hoe niavaka ny herim-pony? Rehefa nanomboka nanao haza lambo ny mpaminanin’Andriamanitra i Jezebela, dia nanafina mpaminany 100 i Obadia, ‘ka 50 avy no nataony tao anaty lava-bato, ary nitondrany mofo sy rano ry zareo.’ (1 Mpanj. 18:13, 14) Azo antoka hoe ho novonoina i Obadia raha tratra. Mazava ho azy fa tsy te ho faty io lehilahy be herim-po io, satria olombelona ihany. Tiany kokoa noho ny ainy anefa i Jehovah sy ireo nanompo azy.
11. Ahoana no ampisehoan’ny mpanompon’i Jehovah hoe hoatran’i Obadia ry zareo? (Jereo koa ny sary.)
11 Betsaka izao ny mpanompon’i Jehovah mipetraka any amin’ny tany andrarana ny asantsika. Manaja ny manam-pahefana ireo rahalahy sy anabavy malalantsika ireo. Manome an’i Jehovah izay tokony ho azy anefa ry zareo, hoatran’ny nataon’i Obadia, ka i Jehovah irery ihany no tompoiny. (Mat. 22:21) Asehony hoe matahotra an’Andriamanitra ry zareo, ka izy no ankatoaviny fa tsy olona. (Asa. 5:29) Manohy mitory ny vaovao tsara sy miara-mivory foana àry izy ireo, na dia miafina aza. (Mat. 10:16, 28) Ataony azo antoka koa hoe mahazo ny sakafo ara-panahy ilainy ny rahalahiny sy anabaviny. Diniho ny ohatr’i Henri. Mipetraka ao amin’ny tany iray atsy Afrika izy, ary nisy fotoana voarara ny asantsika tany. Nanolo-tena hizara boky sy gazety ho an’ny Vavolombelona namany i Henri nandritra an’ilay fandrarana. Izao no nosoratany: “Olona saro-kenatra aho. Resy lahatra àry aho hoe noho ilay izaho nanaja lalina an’i Jehovah no nahatonga ahy ho sahy hanao an’izany.” Afaka ny ho be herim-po hoatran’i Henri koa ve ianao? Ho vitanao izany, raha mianatra ny hatahotra an’Andriamanitra ianao.
AZA MIVADIKA FA MANAOVA HOATRAN’I JOIADA MPISORONABE
12. Ahoana no nampisehoan’i Joiada sy ny vadiny hoe tena tsy nivadika tamin’i Jehovah ry zareo?
12 Natahotra an’i Jehovah i Joiada Mpisoronabe, ka tsy nivadika sady nampirisika ny olona hanaraka ny fivavahana marina. Hita izany tamin’i Atalia, zanakavavin’i Jezebela, nitady haka an-keriny ny fitondrana tao Joda. Tsy nahagaga raha natahotra an’i Atalia ny vahoaka. Lozabe mantsy izy sady tena tia fahefana, ka nanao izay handripahana ny tarana-mpanjaka rehetra. Zafikeliny ihany anefa ireo! (2 Tan. 22:10, 11) Tsy maty kosa ny iray tamin’ireo ankizy ireo, satria novonjen’i Josebata vadin’i Joiada. Joasy no anarany. Nafenin’izy mivady ilay zaza, dia nokarakarainy. Tsy lany tamingana àry ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Davida, noho ny nataon’i Joiada sy Josebata. Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Joiada, sady tsy nipararetra teo anatrehan’i Atalia.—Ohab. 29:25.
13. Ahoana indray no nampisehoan’i Joiada hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah izy rehefa fito taona i Joasy?
13 Noporofoin’i Joiada indray hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah izy rehefa fito taona i Joasy. Nanao tetika izy mba ho lasa mpanjaka i Joasy, ilay nanan-jo ara-dalàna handova an’i Davida. Raha tsy nahomby kosa ilay tetika, dia ny ain’i Joiada no hanefa. Notahin’i Jehovah anefa ilay tetika dia nahomby. Nanohana an’i Joiada ny mpiadidy sy ny Levita, ka lasa mpanjaka i Joasy ary novonoina ho faty i Atalia. (2 Tan. 23:1-5, 11, 12, 15; 24:1) “Nasain’i Joiada nanao fifanekena tamin’i Jehovah avy eo ny mpanjaka sy ny vahoaka hoe ho vahoakan’i Jehovah foana izy ireo.” (2 Mpanj. 11:17) Nasiany “mpiandry vavahady koa teo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, amin’izay tsy hisy afaka hiditra ao ny olona maloto.”—2 Tan. 23:19.
14. Ahoana no nanomezana voninahitra an’i Joiada noho izy nanome voninahitra an’i Jehovah?
14 Efa nilaza i Jehovah hoe: “Izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra.” Dia novaliany soa tokoa i Joiada! (1 Sam. 2:30) Nasainy nosoratana, ohatra, ny zavatra tsara nataon’io mpisoronabe io mba hampianarana antsika. (Rom. 15:4) Ary rehefa maty i Joiada, dia “nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka izy, satria nanao zavatra tsara ho an’ny Israely sy ho an’ilay tena Andriamanitra sy ny tranony.” (2 Tan. 24:15, 16) Voninahitra tena niavaka izany!
15. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Joiada? (Jereo koa ny sary.)
15 Afaka manampy antsika rehetra hatahotra kokoa an’Andriamanitra ny tantaran’i Joiada. Manahaka an’i Joiada, ohatra, ny mpiandraikitra kristianina, rehefa mailo sy miaro foana ny vahoakan’Andriamanitra. (Asa. 20:28) Ary inona no azon’ny zokiolona ianarana avy aminy? Afaka mampiasa azy ireo i Jehovah mba hanatanteraka ny fikasany, rehefa matahotra azy sy tsy mivadika aminy ry zareo. Tsy manilikilika an-dry zareo izy. Misy lesona azon’ny tanora ianarana koa anefa avy amin’ny fomba nitondran’i Jehovah an’i Joiada. Manahaka an’i Jehovah ry zareo, rehefa manaja sy manome voninahitra an’ireny zokiolona tsy mivadika ireny, indrindra fa ireo efa nanompo azy hatry ny ela. (Ohab. 16:31) Isika rehetra mihitsy koa no afaka maka lesona avy amin’izay nataon’ny mpiadidy sy ny Levita nanohana an’i Joiada. Andao àry isika hanohana foana an’ireo ‘mitarika eo amintsika’, ka hankatò an-dry zareo.—Heb. 13:17.
AZA MANAO HOATRAN’I JOASY MPANJAKA
16. Ahoana no ahitana hoe tsy nanana hazondamosina i Joasy Mpanjaka?
16 Nisy vokany tsara tamin’i Joasy Mpanjaka i Joiada. (2 Mpanj. 12:2) Lasa te hampifaly an’i Jehovah àry io mpanjaka tanora io. Rehefa maty anefa i Joiada, dia ireo andriana mpivadi-pinoana indray no nohenoin’i Joasy. Inona no vokany? Lasa “nanompo tsato-kazo masina sy sampy” izy sy ny vahoakany. (2 Tan. 24:4, 17, 18) Nalahelo be i Jehovah, dia ‘naniraka mpaminany nankany amin’izy ireo foana mba hampirisika azy ireo hiverina aminy, nefa tsy nety nihaino ireo.’ Na i Zakaria zanakalahin’i Joiada aza tsy nohenoin-dry zareo. Tsy hoe mpaminanin’i Jehovah sy mpisorona fotsiny anefa izy, fa zanak’olo-mpiray tam-po koa izy sy Joasy! Tsy mba nankasitraka ny soa be dia be nataon’ilay fianakaviana taminy i Joasy Mpanjaka na dia kely fotsiny aza, ka nasainy novonoina i Zakaria.—2 Tan. 22:11; 24:19-22.
17. Ahoana no niafaran’i Joasy?
17 Lasa tsy natahotra an’i Jehovah intsony i Joasy ka ratsy fiafara. Efa nilaza i Jehovah hoe: ‘Izay maniratsira ahy hataoko tsinontsinona.’ (1 Sam. 2:30) Resin’ny miaramila syrianina vitsy kely àry ny “tafika lehibe” nentin’i Joasy tatỳ aoriana, ary “naratra be” izy. Rehefa lasa ny Syrianina, dia ny mpanompony ihany no namono an’i Joasy, noho izy namono an’i Zakaria. c Tsy noheverina ho mendrika ny halevina “tao amin’ny fasan’ny mpanjaka” akory io mpanjaka ratsy fanahy io.—2 Tan. 24:23-25.
18. Inona no tsy tokony hataontsika raha tsy te hitovy amin’i Joasy isika, araka ny Jeremia 17:7, 8?
18 Hoatran’ny hazo zara raha namaka i Joasy, dia tsy afaka nijoro tsara raha tsy nisy tohana. Rehefa tsy teo intsony ilay tohana, izany hoe i Joiada, ka nitsoka ny rivotry ny fivadiham-pinoana, dia nianjera izy. Inona àry no tokony hahatonga antsika hatahotra an’Andriamanitra, raha ny tantaran’i Joasy no jerena? Tokony hiankina fotsiny amin’ny modely omen’ny Kristianina hafa ve izany, anisan’izany ny fianakaviantsika? Tsia. Isika mihitsy no tokony hiezaka ho tia sy hatahotra an’i Jehovah, raha te hifandray akaiky aminy foana. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Mila mianatra tsy tapaka sy misaintsaina ary mivavaka isika.—Vakio ny Jeremia 17:7, 8; Kol. 2:6, 7.
19. Inona no takin’i Jehovah amintsika?
19 Tsy mitaky be loatra amintsika i Jehovah raha ny marina. Voafintina ao amin’ny Mpitoriteny 12:13 ny zavatra takiny. Izao no voalaza ao: “Matahora an’ilay tena Andriamanitra ka ankatoavy ny didiny. Izany mantsy no adidy lehibe indrindra tokony hataon’ny olombelona.” Rehefa matahotra an’Andriamanitra isika, dia hahavita hiatrika an’izay fitsapana ho avy, ary hanao hoatran’i Obadia sy Joiada ka tsy hivadika aminy. Tsy misy na inona na inona hahavita hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, fa hinamana aminy foana isika.
HIRA 3 Ianao no Tokinay
a Manana heviny be dia be ny hoe “tahotra” ao amin’ny Soratra Masina. Mety hidika hoe horohoro izy io na fanajana lalina, arakaraka ny teny manodidina. Hanampy antsika ity lahatsoratra ity hanana an’ilay karazana tahotra handrisika antsika ho be herim-po sy tsy hivadika mihitsy, rehefa manompo an’ilay Raintsika any an-danitra.
b Tsy i Obadia mpaminany, ilay nanoratra boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany, ilay resahintsika eto. Velona taonjato maro taorian’ity Obadia ity mantsy ilay mpaminany.
c Milaza ny Matio 23:35 fa zanak’i Barakia i Zakaria. Misy miteny hoe mety ho nanana anarana roa i Joiada, hoatran’ny olona sasany ao amin’ny Baiboly. (Ampitahao amin’ny Marka 2:14 ny Matio 9:9.) Na mety ho dadaben’i Zakaria na razambeny io Barakia io.
d SARY: Rahalahy iray mizara boky sy gazety mandritra ny fandrarana.
e SARY: Anabavy tanora mianatra avy amin’ny anabavy zokiolona hoe ahoana no atao rehefa mitory an-telefaonina; rahalahy zokiolona be herim-po manome modely ka mitory eny amin’ny toerana be olona; rahalahy efa za-draharaha mampiofana ny hafa hikojakoja Efitrano Fanjakana.