Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 25

Ry Anti-panahy, Mianara avy Amin’i Gideona

Ry Anti-panahy, Mianara avy Amin’i Gideona

“Tsy ho ampy ny fotoana raha hotantaraiko daholo ny momba an’i Gideona.”​—HEB. 11:32.

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

HO HITANAO ATO a

1. Inona no tombontsoa ananan’ny anti-panahy, araka ny 1 Petera 5:2?

 NANANKINAN’I Jehovah andraikitra ny anti-panahy kristianina. Ry zareo no notendreny hikarakara ny ondriny. Sarobidy amin’ireo lehilahy mahafoy tena ireo izany tombontsoa izany, hoe afaka manompo ny rahalahy sy anabaviny ry zareo. Miezaka mafy koa ry zareo mba ho “mpiandry ... tena hiandry” ny ondrin’i Jehovah. (Jer. 23:4; vakio ny 1 Petera 5:2.) Tena faly isika hoe misy lehilahy hoatr’izany ao amin’ny fiangonantsika!

2. Inona ny olana mety hatrehin’ny anti-panahy sasany?

2 Miatrika olana maro ny anti-panahy rehefa manao ny andraikiny. Asa be, ohatra, izany mikarakara fiangonana izany. Anti-panahy any Etazonia i Tony. Nila nianatra nanetry tena kokoa izy, rehefa be dia be ny andraikitra nankinina taminy. Izao no nohazavainy: “Rehefa nanomboka ilay valanaretina COVID-19, dia nihabetsaka foana ny zavatra nataoko mba handaminana ny fivoriana sy ny fanompoana. Na nahavita betsaka hoatran’ny inona aza anefa aho, dia mbola nisy nila natao foana. Lasa an-kilabao tsikelikely àry ny famakiako Baiboly, sy ny fianarako samirery, ary ny vavaka.” Hafa indray ny olana natrehin’i Ilir, anti-panahy any Kosovo. Sarotra taminy ny nankatò ny toromarika nomen’ny fandaminana, tamin’izy tany amin’ny toerana nisy ady. Hoy izy: “Sarotra tamiko ny nampiseho herim-po, rehefa notendren’ny biraon’ny sampana hanampy ny rahalahy sy anabavy tany amin’ny faritra iray nampidi-doza aho. Natahotra aho, sady hoatran’ny tsy azo nampiharina ilay toromarika.” Ny an’i Tim kosa tsy hoatr’izany. Misionera any Azia izy. Be loatra ny tokony hataony isan’andro, dia tsy arany intsony. Izao no nolazainy: “Reraka aho indraindray. Vizana daholo na ny saiko na ny foko.” Inona àry no hanampy an’izay anti-panahy miatrika olana hoatran’ireo?

3. Nahoana no handray soa isika rehetra rehefa mandinika ny ohatr’i Gideona Mpitsara?

3 Afaka mianatra avy amin’i Gideona Mpitsara ny anti-panahy. (Heb. 6:12; 11:32) Mpiaro sady mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra izy. (Mpits. 2:16; 1 Tan. 17:6) Voatendry hikarakara ny vahoakan’Andriamanitra ao anatin’ny fotoana tena sarotra ny anti-panahy, hoatran’i Gideona ihany. (Asa. 20:28; 2 Tim. 3:1) Nanetry tena sy nankatò izy, ka modely ho antsika. Mafy taminy ny niaritra rehefa nanao ny asa nanendrena azy izy. Na anti-panahy anefa isika na tsia, dia mbola afaka mianatra mankasitraka kokoa an’ireo anti-panahy. Afaka manohana an’ireny rahalahintsika miasa mafy ireny isika.​—Heb. 13:17.

REHEFA SAROTRA NY MANETRY TENA

4. Inona no mampiseho hoe nanetry tena i Gideona?

4 Lehilahy nanetry tena i Gideona. b Nilaza taminy ny anjelin’i Jehovah, indray andro, hoe izy no voafidy hanafaka ny Israelita tamin’ny fahavalony matanjaka be, izany hoe ny Midianita. Nanetry tena izy ka namaly hoe: “Ny fianakaviako ange no tsinontsinona indrindra ao amin’ny fokon’i Manase e! Dia izaho no tsy misy dikany indrindra ao amin’ny fianakavian’ny dadako.” (Mpits. 6:15) Nahatsapa i Gideona hoe tsy mendrika an’ilay fanendrena izy. Tsy hoatr’izany anefa no fahitan’i Jehovah azy. Nampiany i Gideona, ka nahavita tsara an’ilay andraikitra nankinina taminy.

5. Rahoviana no mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ny hanetry tena?

5 Manao izay fara heriny ny anti-panahy mba hanetry tena amin’ny zava-drehetra. (Mika 6:8; Asa. 20:18, 19) Tsy manitatra izy rehefa miresaka ny fahaizany na ny zava-bitany, ary tsy manamelo-tena loatra noho ny toetra ratsiny na ny fahadisoany. Indraindray anefa sarotra amin’ny anti-panahy ny hanetry tena. Mety hanaiky hanao andraikitra maromaro, ohatra, izy nefa hitany avy eo hoe tsy ho arany daholo izy rehetra. Na mety hoe misy manakiana izy amin’ny fomba anaovany andraikitra iray, na misy midera amin’ny fomba anaovany andraikitra hafa. Inona àry no azon’ny anti-panahy ianarana avy amin’i Gideona?

Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy manetry tena ka vonona hangataka fanampiana, ohatra hoe rehefa mikarakara fampirantiana (Fehintsoratra 6)

6. Inona no ianaran’ny anti-panahy avy amin’i Gideona momba ny fanetren-tena? (Jereo koa ny sary.)

6 Mangataha fanampiana. Mahafantatra ny fetran’ny mety ho vitany ny olona manetry tena. Nanetry tena i Gideona, ka vonona hangataka fanampiana tamin’ny hafa. (Mpits. 6:27, 35; 7:24) Manao hoatr’izany koa ny anti-panahy hendry. Izao no nohazavain’i Tony, ilay voaresaka terỳ aloha: “Noho ny fomba nitaizana ahy, dia matetika aho no manaiky foana rehefa omena asa fanampiny, na dia efa hita izao aza hoe tsy ho vitako ilay izy. Nanapa-kevitra àry aho hoe hianatra momba ny fanetren-tena rehefa Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, dia hanontany ny fahitan’ny vadiko ahy. Naveriko nojerena koa ilay video ao amin’ny jw.org hoe Tahafo i Jesosy, ka Miezaha Hampiofana sy Hatoky ny Hafa ary Hizara Andraikitra”. Nanomboka nangataka fanampiana tamin’ny hafa àry i Tony mba hamitana ny andraikiny. Dia inona no vokany? Hoy izy: “Vita tsara ny andraikitra ao amin’ny fiangonana, moa izaho manam-potoana kokoa hanatsarana ny fifandraisako amin’i Jehovah.”

7. Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Gideona rehefa misy manakiana? (Jakoba 3:13)

7 Aza tezitra rehefa misy manakiana. Hita koa hoe manetry tena ny anti-panahy sa tsia rehefa misy manakiana. Andao indray hojerentsika ny ohatr’i Gideona. Azo antoka fa fantany tsara hoe tsy lavorary izy, ka tony foana rehefa nanakiana azy ny Efraimita. (Mpits. 8:1-3) Tsy tezitra mihitsy i Gideona namaly an-dry zareo. Nanetry tena kosa izy ka nihaino tsara ny fitarainan’ny Efraimita sady tsara fanahy rehefa niresaka, dia nihatony ry zareo. Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy hendry, ka mihaino tsara ny hafa sady malemy fanahy rehefa misy manakiana. (Vakio ny Jakoba 3:13.) Manampy ny fiangonana mba hihavana ry zareo amin’izay.

8. Ahoana no tokony hataon’ny lehilahy voatendry rehefa misy midera? Manomeza ohatra.

8 I Jehovah no derao. Ahoana no nataon’i Gideona rehefa nomena voninahitra izy satria nandresy an’ireo Midianina? Nataony izay hifantohan’ny olona tamin’i Jehovah. (Mpits. 8:22, 23) Ahoana no anahafan’ny rahalahy voatendry an’i Gideona? I Jehovah foana no tokony homeny voninahitra rehefa mahavita zavatra izy. (1 Kor. 4:6, 7) Ahoana, ohatra, raha misy midera ny anti-panahy iray satria mahay mampianatra? Afaka milaza izy hoe avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny fampianarana ireny, sady ampiofanin’ny fandaminan’i Jehovah daholo isika. Ilain’ny anti-panahy indraindray ny mandinika hoe sao dia te hisongadina izy. Eritrereto ny anti-panahy atao hoe Timothy. Tia nanao lahateny ho an’ny besinimaro izy, tamin’izy vao voatendry. Izao no nolazainy: “Nipetrapetraka tsara ny fampidirana sy ny fanoharana nampiasaiko, dia matetika aho no nisy nidera. Mampalahelo anefa fa lasa izaho no tena nifantohan’ny olona fa tsy ny Baiboly na i Jehovah.” Hitan’i Timothy tatỳ aoriana hoe nila nanova ny fomba fampianany izy, amin’izay tsy izy no ifantohan’ny olona. (Ohab. 27:21) Dia inona no vokany? Hoy izy: “Nisy olona samihafa nilaza tamiko hoe ilay lahateniko, hono, no nanampy an-dry zareo hiatrika olana, hiaritra fitsapana, na hinamana kokoa amin’i Jehovah. Ireny tenin’olona ireny no mahafaly ahy kokoa noho ilay izaho noderaina, taona maro lasa izay.”

REHEFA SAROTRA NY MANKATÒ NA NY MAMPISEHO HERIM-PO

Nankatò i Gideona dia nahenany ny isan’ny miaramilany, ka izay 300 lahy hita hoe mailo no nofantenany (Fehintsoratra 9)

9. Nahoana no sarotra tamin’i Gideona ny nankatò sy nampiseho herim-po? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

9 Sarotra tamin’i Gideona ny nankatò sy nampiseho herim-po, rehefa avy notendrena ho mpitsara izy. Nasaina nosimbany mantsy ilay alitara nampiasain’ny dadany hanompoana an’i Bala, ary nampidi-doza izany. (Mpits. 6:25, 26) Nanangona tafika koa izy tatỳ aoriana, nefa avy eo nasaina nahena indroa izany. (Mpits. 7:2-7) Tamin’ny farany izy nasaina nanafika ny tobin’ny fahavalo tamin’ny alina be.​—Mpits. 7:9-11.

10. Rahoviana no mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ny mankatò?

10 Tokony ho “vonona hankatò” ny anti-panahy. (Jak. 3:17) Tonga dia manaiky an’izay lazain’ny Soratra Masina ny anti-panahy mankatò, sady vonona hanaraka ny tari-dalan’ny fandaminana. Modely ho an’ny hafa àry izy. Mety ho sarotra aminy anefa ny hankatò indraindray. Rehefa mahazo toromarika be dia be, ohatra, izy na miovaova haingana ny toromarika azony, dia sarotra aminy ny mampihatra an’ireny. Indraindray koa izy lasa saina hoe tena azo ampiharina na mety ve ny toromarika sasany. Na izy asaina manao zavatra mety hahatonga azy ho voasambotra. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Gideona rehefa hoatr’izany?

11. Inona no hanampy ny anti-panahy hankatò?

11 Henoy tsara ny toromarika azonao, dia ampiharo. Nilaza tamin’i Gideona Andriamanitra hoe ahoana no handravana ny alitaran’ny dadany, aiza no haorina ny alitara vaovao ho an’i Jehovah, ary inona no biby hatao sorona. Tsy nisalasala na nanakiana an’ilay toromarika i Gideona, fa nanaraka an’ilay izy fotsiny. Mahazo toromarika avy amin’ny fandaminan’i Jehovah koa ny anti-panahy amin’izao, ohatra hoe amin’ny alalan’ny taratasy, fampandrenesana, na tari-dalana hanampy antsika ho voaro amin’ny loza sy hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Tena tiantsika ny anti-panahy satria manaraka tsara an’ireny toromarika ireny. Mandray soa avy amin’izany ny fiangonana iray manontolo.​—Sal. 119:112.

12. Ahoana no azon’ny anti-panahy ampiharana ny Hebreo 13:17 rehefa misy miova ny toromarika omen’ny fandaminana?

12 Miezaha ho vonona hanaraka fiovana. Tadidio fa nasain’i Jehovah nahenan’i Gideona maherin’ny 99 isan-jato ny tafiny. (Mpits. 7:8) Mety ho nieritreritra i Gideona hoe: ‘Tena ilaina ve izany fanovana izany? Izany ve dia hety?’ Na izany aza, dia nankatò izy. Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy, ka tonga dia mampihatra rehefa miova ny toromarika avy amin’ny fandaminana. (Vakio ny Hebreo 13:17.) Novan’ny Filan-kevi-pitantanana, ohatra, ny fomba amatsiana vola ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe tamin’ny 2014. (2 Kor. 8:12-14) Tsy mamerina vola nosamborina intsony ny fiangonana. Samy manome an’izay voatsirambin’ny tanany kosa ny fiangonana maneran-tany, ka ny vola voangona no anamboarana trano ampiasain’ny fandaminana any amin’izay toerana mila an’izany, na be na kely ny vola azon’ilay fiangonana eo an-toerana omena. Nisalasala i José rehefa naheno an’izany fanovana izany. Nieritreritra izy hoe: ‘Tsy hisy Efitrano Fanjakana ho voaorina eo na iray aza! Tsy hoatr’izany mantsy no fanao atỳ aminay.’ Inona anefa no nanampy azy hanohana an’ilay fanapahan-kevitra? Hoy izy: “Nampahatsiahy ahy mba hatoky an’i Jehovah ny Ohabolana 3:5, 6, dia tsara be ny vokany! Tsy vitan’ny hoe nihabetsaka mantsy ny efitrano voaorina, fa lasa mampisy fitoviana koa ny fomba anaovantsika fanomezana.”

Afaka ny ho be herim-po isika ka hahavita hitory tsara foana, na dia any amin’ny tany andrarana ny asantsika aza (Fehintsoratra 13)

13. a) Inona no naharesy lahatra an’i Gideona? b) Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Gideona? (Jereo koa ny sary.)

13 Manehoa herim-po mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Nankatò an’i Jehovah i Gideona na dia natahotra aza, sady nampidi-doza ilay zavatra nasaina nataony. (Mpits. 9:17) Rehefa nahazo toky avy amin’i Jehovah izy, dia resy lahatra tanteraka hoe hanampy azy hiaro ny vahoakan’Israely Andriamanitra. Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy mipetraka any amin’ny toerana andrarana ny asantsika. Be herim-po ry zareo ka mitarika fivoriana sy fanompoana, na dia mety ho voasambotra aza, na halaina am-bavany, na ho very asa, na hampijalina. c Tsy maintsy mila herim-po koa ny anti-panahy mandritra ny fahoriana lehibe, mba hankatoavana an’izay toromarika voarain-dry zareo na dia mampidi-doza aza ilay izy. Momba an’ilay hafatra hoatran’ny havandra vaventy angamba ny toromarika ho azon-dry zareo, na mifandray amin’izay tsy maintsy hataontsika mba ho tafavoaka velona amin’ny fanafihan’i Goga avy any Magoga.​—Ezek. 38:18; Apok. 16:21.

REHEFA SAROTRA NY MIARITRA

14. Nahoana no sarotra tamin’i Gideona ny niaritra?

14 Niasa mafy i Gideona rehefa nanao ny asan’ny mpitsara, dia reraka be indraindray. Nitsoaka, ohatra, ny Midianita rehefa notafihin’ny Israelita nandritra ny alina. Nenjehin-dry Gideona àry ry zareo, nanomboka teo amin’ny Lohasahan’i Jezirela ka hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana. Toa feno kirihitra nanamorona an’io renirano io. (Mpits. 7:22) Dia nijanona teo Jordana ve izany ry Gideona? Tsy izany! Na dia reraka aza izy sy ireo 300 lahy niaraka taminy, dia mbola niampita an’ilay renirano ihany ary nanohy nanenjika an’ireo Midianita. Tratrany ihany ry zareo tamin’ny farany dia resiny.​—Mpits. 8:4-12.

15. Rahoviana no mety ho mafy amin’ny anti-panahy ny hiaritra?

15 Reraka koa ny anti-panahy indraindray rehefa mikarakara ny fiangonana sy ny fianakaviany. Mety ho reraka daholo na ny vatany na ny sainy na ny fony. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Gideona amin’ireny fotoana ireny?

Betsaka no mila fanampiana, nefa mahavita mampahery azy ireny ny anti-panahy be fitiavana (Fehintsoratra 16-17)

16-17. a) Inona no nanampy an’i Gideona hiaritra? b) Inona no azon’ny anti-panahy atokisana? (Isaia 40:28-31) (Jereo koa ny sary.)

16 Matokia hoe hanome hery anao i Jehovah. Natoky i Gideona hoe hanome hery azy i Jehovah, ary tsy diso fanantenana izy. (Mpits. 6:14, 34) Nanenjika mpanjaka midianita roa i Gideona sy ny miaramilany indray mandeha. Nandeha an-tongotra ry zareo, fa ireo mpanjaka ireo kosa mety ho nitaingina rameva. (Mpits. 8:12, 21) Nampian’Andriamanitra anefa ireo Israelita be fikirizana ireo, ka nandresy ihany. Afaka miantehitra amin’i Jehovah hoatr’izany koa ny anti-panahy, satria izy “tsy mba reraka na sasatra mihitsy.” Hanome hery an-dry zareo izy, rehefa mila an’izany ry zareo.​—Vakio ny Isaia 40:28-31.

17 Eritrereto izay nitranga tamin’i Matthew, rahalahy anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Inona no nanampy azy hiaritra? Hoy izy: “Tena niainako mihitsy ny voalazan’ny Filipianina 4:13! Imbetsaka aho no reraka sy valaka tanteraka. Nivavaka mafy anefa aho, dia niangavy an’Andriamanitra mba homeny ny tanjaka sy ny herin-tsaina ilaiko, mba hanampiako ny rahalahiko. Tsapako tamin’ireny fotoana ireny hoe nanatanjaka ahy ny fanahin’i Jehovah, ka nanampy ahy hiaritra.” Mety hiatrika olana hoatran’i Gideona koa ireny anti-panahintsika mahafoy tena miandry ny andian’ondry ireny. Marina aloha fa mila miaiky izy hoe voafetra ihany ny heriny sy izay zakan’ny fony. Afaka matoky anefa izy hoe hihaino azy i Jehovah rehefa mangataka fanampiana izy, ary hanome azy hery hiaretana.​—Sal. 116:1; Fil. 2:13.

18. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Gideona, araka ny nianarantsika tato?

18 Be dia be no azon’ny anti-panahy ianarana avy amin’i Gideona. Tokony hanetry tena ry zareo, na amin’ny habetsahan’ny asa ekeny hoe hatao, na amin’izay ataony rehefa misy manakiana na midera. Tsy maintsy mankatò sy mampiseho herim-po koa ry zareo, indrindra amin’izao farany efa mihamanakaiky izao. Ankoatra izay, dia mila matoky ry zareo hoe na inona na inona olana atrehiny, dia hanatanjaka azy Andriamanitra. Azo antoka hoe mankasitraka an’ireny mpiandry miasa mafy ireny isika, ary ‘tiantsika sy hajaintsika foana ny olona hoatr’azy ireny.’​—Fil. 2:29.

HIRA 120 Miezaha Halemy Fanahy toa An’i Kristy

a Notendren’i Jehovah hiandry sy hiaro ny vahoakany i Gideona, nandritra ny fotoana tena sarotra teo amin’ny tantaran’ny firenen’Israely. Tsy nivadika i Gideona ka namita tsara an’io fanendrena io, nandritra ny 40 taona teo ho eo. Niatrika olana maromaro anefa izy. Miatrika olana koa ny anti-panahy amin’izao. Andao àry hodinihintsika hoe nahoana ny modely nomen’i Gideona no afaka manampy an-dry zareo.

b Manetry tena ny olona iray rehefa manaja ny hafa sy mihevitra azy ireny ho ambony noho ny tenany, sady miaiky fa voafetra ny mety ho vitany.​—Fil. 2:3.

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manompoa An’i Jehovah Foana na dia Voarara aza Izany!” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2019, p. 10-11, feh. 10-13.